Tahirim-pitaovana
Sosokevitra ho an’ny Andro azo isafidianana izay hatao


Sosokevitra ho an’ny Andro azo isafidianana izay hatao

Ny torolalana handrindrana ny taom-pianarana ho an’ireo mpampianatra isan’andro dia mifototra amin’ny taom-pianarana ahitana herinandro 36 na 180 andro. Ity boky torolalana ity dia misy lesona atao isan’andro miisa 160, ary misy 20 andro navela izay tsy hanaovana lesona. Ireo 20 “andro azo isafidianana izay hatao” ireo dia tokony hampiasaina amim-pahendrena ho an’ny tanjona sy asa atao mendrika ho an’izany, anisan’izany ireto manaraka ireto:

  1. Fampifanarahana ny lesona isan’andro amin’izay zavatra ilaina. Azonao atao ny mandany fotoana fanampiny amin’ny lesona iray izay mitaky fotoana misimisy kokoa mba hahafahana mampianatra amim-pahombiazana. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ireo hevitra enti-mampianatra fanampiny izay hita any amin’ny faran’ny lesona sasany, na maka fotoana hamaliana ny fanontanian’ireo mpianatra mikasika ny andinin-tsoratra masina iray manokana na lohahevitra iray avy amin’ny filazantsara. Ny andro azo isafidianana izay hatao dia ahafahanao manararaotra manao ireo zavatra ireo sady hazoninao ihany ny lamina andrindranao ny taom-pianarana ary tontosainao ny andraikitrao mba hampianatra ny soratra masina araka ny filaharany.

  2. Fifehezana ireo andinin-tsoratra masina manan-danja sy ireo Fotopampianarana Fototra. Azonao atao ny mamerina mijery ireo asa atao ho an’ny soratra masina fehezina izay hita manerana ny boky sy ao amin’ny pejy fanampiny. Afaka mamorona asa atao hafa ianao hanaovana jery todika ny soratra masina fehezina izay ilaina amin’ny zavatra manokana ilain’ireo mpianatra ao amin’ny kilasinao na mahaliana azy ireo. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny ampahany amin’io andro azo isafidianana izay hatao io ho an’ny asa atao izay manampy ireo mpianatra hamerina hijery ny Fotopampianarana Fototra sy hanamafy ny fahatakaran’izy ireo izany. Any amin’ny voalohan’ny taona dia azonao atao ny mampiasa ny andro azo isafidianana izay hatao mba hanatanterahana Fitsapam-pahaizana momba ny Fotopampianarana Fototra (FFF) izay natao hanampiana ny mpampianatra hanombantombana hoe hatraiza ny fahatakaran’ireo mpianatra sy ny finoany, sy ny fahaizany mampihatra ary ny fahafahany manazava ny sasany amin’ireo fotopampianarana fototry ny Fiangonana. Mba hahitana ny Fitsapam-pahaizana momba ny Fotopampianarana Fototra sy ireo tombantombana hafa ao amin’ny tranonkalan’ny S&I (si.lds.org), dia karohy izany amin’ny fampiasana ny teny hoe tombantombana. Ny tatitry ny FFF dia hanampy ny mpampianatra izay nanao ny tombantombana mba hizahana ny zavatra ilain’ny mpianany ary hampifanaraka bebe kokoa ny fampianarany amin’ireo zavatra ilaina ireo.

  3. Famerenana ireo lesona tany aloha. Tena manampy ireo mpianatra ny mamerina mijery matetika ny zavatra nianarany tamin’ny lesona tany aloha na avy amin’ny bokin-tsoratra masina iray manokana. Azonao atao ny manome fahafahana ireo mpianatra mba hanazava ny fahamarinana iray avy tamin’ny lesona teo aloha ary hizara ny fomba fiantraikan’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mamorona sy manatanteraka ankamantatra na asa atao hianaran-javatra izay ahafahana mamerina mijery ireo lesona tany aloha.

  4. Fahafahana manao fialan-tsasatra. Ny asa atao na fivoriana any an-tsekoly, ny fety ho an’ny daholobe, ny toetr’andro, na ny fanapahana hafa dia mety mitaky ny hanafoananao na ny hanafohezanao ny fotoam-pianarana tsindraindray. Ny andro azo isafidianana izay atao dia azo hanatanterahana ny andro hialan-tsasatra toy izany.

Hamoaka printy