Tahirim-pitaovana
Lesona 50: Jarôma sy Ômnia


Lesona 50

Jarôma sy Ômnia

Fampidirana

Ny bokin’i Jarôma sy Ômnia dia mirakitra ireo zavatra farany nosoratana ao amin’ireo takelaka kelin’i Nefia. Nahazo ireo takelaka avy tamin’i Enôsa rainy i Jarôma ary nanoratra mikasika ireo ady nataon’ny Nefita sy ny fitahiana azon’izy ireo tao anatin’ny fotoana sahabo ho 60 taona. Ary taorian’izay dia nomeny an’i Ômnia zanany lahy ireo takelaka. Ny bokin’i Ômnia dia mirakitra ny zavatra nosoratan’ny mpitana rakitsoratra Nefita dimy samy hafa ary mahafaoka eo amin’ny 230 taona eo ho eo eo. I Amalekià, izay mpanoratra farany ao amin’ny bokin’i Ômnia, dia namarana ny rakitsorany tamin’ny fanaovana fanasana “[hanatona] an’ i Kristy … ary [hanolotra] ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahinareo manontolo” (Ômnia 1:26 ).

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jarôma 1:1–15

Nofaritan’i Jarôma ny fomba niroboroboan’ny Nefita rehefa nitandrina ny didin’ny Tompo izy ireo

Vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Raha azo atao dia asehoy ny sarin’ny Filoha Uchtdorf rehefa mamaky ianao:

“Tadidiko ny fotoana niomanako mba hiofana ho mpanamory fiaramanidina mpiady. Nandany fotoana marobe tamin’ny fanombohana ny fiofananay ho miaramila tamin’ny fanatanjahan-tena izahay. Tsy tena mbola fantatro tsara hatramin’izao ny antony hiheverana fa ny fihazakazahana tsy nisy fiafarany dia ampahany tena nilaina tamin’ny fiomanana ho lasa mpanamory fiaramanidina. Na izany aza anefa, dia nihazakazaka bebe kokoa hatrany hatrany izahay.

“Rehefa nihazakazaka aho dia nanomboka nahatsikaritra zavatra izay tsoriko etoana fa nanahirana ny saiko. Matetika aho no nihoaran’ireo lehilahy nifoka sigara, nisotro toaka, ary nanao ny zavatra rehetra mifanohitra amin’ny filazantsara ary indrindra indrindra fa mifanohitra amin’ny Tenin’ny Fahendrena.

“Tadidiko aho nieritreritra hoe: “Andraso kely hoe e! Angaha moa aho tsy tokony hoe hihazakazaka ary tsy ho sasatra?’ Kanefa dia reraka aho, ary resin’ireo olona izay tsy nanaraka mihitsy ny Tenin’ny Fahendrena. Hibabohako fa nanahirana ny saiko izany tamin’izany fotoana izany. Nanontany tena aho hoe marina ve ilay fampanantenana sa tsia?” (“Mitozoa ao amin’ny Faharetana,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 58).

Asao ireo mpianatra handinika raha efa nahatsapa ho sahiran-tsaina toy izany, ka nanontany tena hoe hotanterahin’ny Tompo ve ary amin’ny fomba ahoana ilay fampanantenany ny hitahy azy ireo noho ny fitandremany ny didiny.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe manamarina, ary asao ireo mpianatra hanazava ny dikan’io teny io (manamafy na manaporofo fa marina ny zavatra iray). Hazavao fa i Jarôma izay zanakalahin’i Enôsa dia nampiasa ny teny hoe nohamarinina rehefa nanoratra mikasika ny fampanantenana iray natao tamin’ireo razambeny. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Jarôma 1:9 mba hitady ilay fampanantenana nataon’ny Tompo, izay nohamarinina. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika io fampanantenana io ao amin’ny soratra masin’izy ireo.) Hamarino raha hitan’ny mpianatra ilay fehezanteny hoe: “Arakaraka ny hitandremanareo ny didiko no hiroboroboanareo eo amin’ ny tany.”

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina sy fanontaniana ireto. (Mba tsy handaniana fotoana, dia azonao atao ny manoratra azy ireo eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana.)

Jarôma 1:4–5, 8

Inona avy ireo ohatra maneho ny fomba nankatoavan’ireo Nefita sy ny fomba nitahiana azy ireo?

Jarôma 1:7, 10–12

Ahoana no fomba nanampian’ireo mpitondra sy ireo mpaminany ny Nefita mba hankatò sy hiroborobo?

Ômnia 1:5–7

Tamin’ny fomba ahoana no nanamarinana tamin’ny fomba hafa ny fampanantenan’Andriamanitra taty aoriana?

Zarao ho tsitelotelo ireo mpianatra. Omeo olona iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina. Angataho ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny andinin-tsoratra masina nomena azy ka hitady ny valin’ny fanontaniana mifandraika amin’izany. Avy eo dia omeo iray na roa minitra ny olona tsirairay ao amin’ilay vondrona hamintina izay novakiany sy hamaly ny fanontaniana napetraka taminy. Asao ny mpianatra iray na roa hamintina ho an’ny mpianatra rehetra ny fahamarinana nianaran’izy ireo avy amin’ny fandalinana sy ny fifanakalozan-kevitra natao momba ireo andinin-tsoratra masina ireo. Rehefa mamaly ireo mpianatra dia ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’izy ireo fa rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra isika dia miroborobo.

  • Raha mifototra amin’ny zavatra nianaranareo avy amin’ny zavatra niainan’ny Nefita dia inona avy ireo fomba hitahian’Andriamanitra ireo izay mitandrina ny didiny?

Mba hanamafisana ity fitsipika ity dia ampahatsiahivo ireo mpianatra ny zavatra niainan’ny Filoha Uchtdorf tamin’izy nanontany tena raha toa ka voamarina ilay fampanantenana nataon’ny Tompo ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Avy eo dia vakio ny tohin’ny fanambarana nataony manao hoe:

“Tsy azo teo no ho eo ny valin’izany. Kanefa dia nianatra aho tamin’ny farany fa ny fampanantenan’Andriamanitra dia tsy voatery ho tanteraka haingana sy araka izay mety antenaintsika foana, fa tonga araka ny fotoany sy ny fombany. Taona maro taty aoriana dia afaka nahita porofo mazava aho mikasika ireo fitahiana ara-nofo azon’ireo izay mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena—ankoatr’ireo fitahiana ara-panahy izay azo avy hatrany noho ny fankatoavana ny lalan’Andriamanitra na inona izany na inona. Rehefa nanao jery todika aho dia izay vao tena fantatro fa ny fampanantenan’ny Tompo, raha mety hoe tsy tanteraka haingana foana, dia tsy maintsy ho tanteraka foana” (“Mitozoa ao amin’ny Faharetana,” 58).

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ny Tompo no nitahy na nampiroborobo anao noho ny fitandremanao ny didiny? Araka ny zavatra niainanao, inona no fijoroana ho vavolombelona azonao zaraina mikasika ireo fampanantenan’ny Tompo?

Ômnia 1:1–30

Mitantara ny tantaran’ny Nefita ireo mpitana rakitsoratra

Ampahafantaro fohifohy ny bokin’i Ômnia amin’ny alalan’ny fanazavana fa nosoratan’ireo taranak’i Jarôma izy io ary mahafaoka sahabo eo amin’ny 230 taona eo. Asao ireo mpianatra hanopy maso ny bokin’i Ômnia mba hitady ny anaran’ireo lehilahy izay nitana ireo takelaka kely taorian’i Jarôma. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita haingana ireo anarana ireo dia omeo azy ireo ireto andinin-tsoratra masina ireto: Ômnia 1:1, 4, 8, 10, 12, 25.

Hazavao fa ny bokin’i Ômnia dia mitantara zava-nitranga lehibe maromaro teo amin’ny tantaran’ny olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Resahina ao ny momba ny vahoakan’i Zarahemlà (izay antsoina ihany koa hoe Miolekita) sy i Koriantomira (ilay sisa tavela tamin’ny Jaredita), ary voatantara fohy ihany koa ny mikasika ny fomba nifindran’ny Nefita ho any Zarahemlà sy ny nitambarany tamin’ny Miolekita. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hijery ny daty nitrangan’ny tantara ao amin’ny karatra fanamariham-pejin’ny Bokin’i Môrmôna (laharana 10458) sy ny manampy azy ireo hitady ny fikambanan’ny Nefita sy ny Miolekita ho iray. Asao ihany koa ireo mpianatra hitady ny anaran’i Koriantomira eo ambanin’ny lohateny hoe “Jaredita” ao amin’ilay karatra fanamariham-pejy.

Ataovy eny amin’ny solaitrabe ilay Sarintany hita eto amin’ity pejy ity fa aza asiana ireo zana-tsipìka. Amporisiho ireo mpianatra handika ilay Sarintany ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahien’izy ireo ao an-dakilasy.

Sary
Map Nephite Migration

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Nefita dia nisaraka tamin’ny Lamanita tamin’ny andron’i Nefia, ary nonina teo amin’ny toerana iray izay nantsoin’izy ireo hoe tanin’i Nefia. Manaova sarin-janatsipìka eo amin’ilay sarintany, miala avy eo amin’ny tany lova voalohany mankeo amin’ny tanin’i Nefia. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Ômnia 1:12–13 ary hitady ny fomba nahatonga ny Nefita lasa nonina tao amin’ny tanin’i Zarahemlà. Rehefa milaza izay zavatra hitany ireo mpianatra dia manaova sarin-jana-tsipìka miainga avy eo amin’ny tanin’i Nefia mankeo amin’ny tanin’i Zarahemlà. Mariho manokana fa ny Ômnia 1:12–13 dia mampianatra fa ny Tompo dia manome fitarihana ho an’ireo olo-marina.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Ômnia 1:14–19. Asao ireo mpianatra mba hikaroka ny zavatra mampitovy sy ny maha samy hafa ny Nefita sy ireo olona izay hitan’izy ireo tao amin’ny tanin’i Zarahemlà. Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra nianaran’izy ireo.

Fintino ny Ômnia 1:20–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo olona avy ao Zarahemlà dia nifanena tamin’i Koriantomira, izay iray amin’ireo olona roa hany sisa velona tamin’ny firenena Jaredita (ny mpaminany Etera ilay iray hafa). Tondroy ny tanin’ny Faharavana eo amin’ilay Sarintany ary hazavao fa io no toerana ao amin’ny faritra avaratra izay nahitana ny “taolan’[ireo vahoaka Jaredita] nitsitra nihahaka” taorian’ny nandringanana azy ireo (Ômnia 1:22). Teneno amin’ireo mpianatra fa hianatra mikasika ny Jaredita izy ireo rehefa mandalina ny bokin’i Etera. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra hoe Jaredita ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Ômnia 1:20–22.

Manaova sarin-jana-tsipìka izay miainga avy eo amin’ny tanin’i Zarahemlà mankeo amin’ny tanin’i Nefia ary avy eo dia miverina indray any Zarahemlà. Manaova sarin-jana-tsipìka iray hafa avy eo amin’ny tanin’i Zarahemlà izay mandeha amin’ny lalana iray mitodika mankany amin’ny tanin’i Nefia. Anontanio ireo mpianatra raha toa izy ireo ka afaka manazava izay tian’ireo zana-tsipìka roa ireo haseho. Raha mila fanampiana izy ireo dia fintino ny Ômnia 1:27–30 amin’ny alalan’ny fanazavana fa andian’olona roa avy ao Zarahemlà no nanandrana niverina tany amin’ny tanin’i Nefia. Tsy nahomby ilay andian’olona voalohany ary dia niverina tany Zarahemlà. Rehefa namarana ny rakitsorany i Amalekià dia nilaza fa tsy fantany izay niafaran’ilay andian’olona faharoa. Lazao amin’ireo mpianatra fa hianatra mikasika io andian’olona io izy ireo, na ny olon’i Zenifa, rehefa handalina ny bokin’i Môsià. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra hoe olon’i Zenifa ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Ômnia 1:29–30.

Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia tsy manambara ny tenany ho rakitsoratry ny vahoaka rehetra nonina tany Amerika fahiny. Ankoatra ny Jaredita, sy ny Miolekita ary ny vondrona notarihin’i Lehia dia azo heverina fa nisy andian’olona hafa izay tonga tany amin’ny kaontinanta Amerikana.

Hazavao fa rehefa namarana ny rakitsorany i Amalekià dia nanoratra fanasana manan-danja ho an’ireo izay hamaky ny teniny. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ilay fanasana nataon’i Amalekià ao amin’ny Ômnia 1:25–26 ka hikaroka hevitra iray izay naverimberiny intelo. (Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.)

  • Midika inona aminao ny hoe manatona an’i Kristy?

Mariho amin’ireo mpianatra fa nanoro hevitra antsika hanao zavatra voafaritra tsara i Amalekià ao anatin’ny fanasana nataony mba hanatonantsika an’i Kristy. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Manatòna an’i Kristy ary …

Asao indray ireo mpianatra hijery ny Ômnia 1:25–26. Asao ny maro amin’izy ireo hameno ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fampiasana fehezanteny avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Ômnia 1:26, amin’ny fomba ahoana no hitahiana antsika noho fanaovana ireo zavatra ireo? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa raha manatona an’i Kristy sy maharitra hatramin’ny farany isika dia hovonjena. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Angataho ireo mpianatra hifidy iray amin’ireo fehezanteny eny amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo hanoratra na hanao famintinana lahateny fohy iray ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina, izay azon’izy ireo mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo, mikasika ny fomba hahafahan’izy ireo manatona an’i Kristy amin’izany fomba izany. Manolora hevitra fa ny lahatenin’izy ireo dia tokony ahitana: (1) famakiana ny Ômnia 1:25–26 sy fanazavana amin’ny tenin’izy ireo manokana ny fehezanteny izay nofidian’izy ireo, (2) famakiana soratra masina fanampiny izay manazava na mampitombo ny fahatakarana ilay fehezanteny, (3) fizarana zavatra niainana mifandray amin’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo na ny fiainan’ny olon-kafa fantatr’izy ireo, na (4) fizarana ny eritreritr’izy ireo sy ny fahatsapan’izy ireo ary ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. (Azonao atao ny manoratra ireo sosokevitra ireo eny amin’ny solaitrabe, na manoratra izany amin’ny taratasy omena ny mpianatra, na mamaky izany amin’ny feo avo mba hahafahan’ireo mpianatra mandray izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina.)

Omeo enina ka hatramin’ny fito minitra ireo mpianatra hanomanany ny lahateniny. Asao ny mpianatra maromaro ho eny aloha hizara ny lahateniny amin’ny mpianatra rehetra. (Raha tsy misy fotoana hanaovana izany dia angataho ny sasany amin’izy ireo hizara ny lahateniny amin’ny fiandohan’ny lesona manaraka na mandritra ny fampaherezam-panahy ataon’ny kilasy amin’ny hoavy. Azonao atao ihany koa ny mamporisika azy ireo hizara ny lahateniny mandritra ny takarivan’ny mpianakavy na ny fifanakalozan-kevitra ataony miaraka amin’ny fianakaviana na ny namana.) Hamaranana ny lesona dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa raha manatona an’i Kristy isika sy maharitra hatramin’ny farany, dia hovonjena.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Ampahafantaro ireo mpianatra ny soratra masina fehezina vaovao vitsivitsy. Mba hanaovana izany dia manoratra andinin-tsoratra masina maromaro eny amin’ny solaitrabe ary angataho ireo mpianatra hitady sy hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora amin’izy ireo ny mahita ny misy ireo andinin-tsoratra masina ireo. Mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ireo andinin-tsoratra masina ireo sy ireo teny manan-danja ao amin’ny andinin-tsoratra masina dia ampiasao ny asa atao momba ny “Fikarohana Soratra Masina” hita ao amin’ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Fanamarihana: Azonao atao ny mampiasa ity asa atao ity amin’ny andro hafa rehefa manana fotoana misimisy kokoa ianao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Ômnia 1:14–15. Ireo Vahoaka tany Amerika Fahiny

Taorian’ny nandaozan’i Môsià Mpanjaka sy ireo mpanara-dia azy ny tanin’i Nefia dia nahita andian’olona izay nantsoina hoe vahoakan’i Zarahemlà izy ireo (izay nantsoina ihany koa hoe Miolekita). Ankoatra ny Miolekita, sy ny andian’olona notarihin’i Lehia ary ny Jaredita, dia azo heverina fa nisy andian’olona hafa tonga tao amin’ny kaontinanta Amerikana. Ny Bokin’i Môrmôna dia tsy manambara ny tenany ho rakitsoratry ny olona rehetra nonina tany Amerika fahiny. Hoy ny Filoha Anthony W. Ivins tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Tokony hitandrina isika amin’ny tsaokevitra sintonintsika. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra antsika ny tantaran’ny vahoaka telo samy hafa … izay samy niainga avy any amin’ny tontolo taloha (teny ilazana an’ireo kaontinanta Eorôpa sy Azia ary Afrika) nankaty amin’ity kaontinanta ity. Tsy milaza amintsika izany fa tsy nisy olona nipetraka mihitsy teto talohan’ireo olona ireo. Tsy milaza amintsika izy fa tsy nisy olona tonga taorian’izany. Koa raha misy zava-baovao hita izay milaza ny fisian’ny karazam-piaviana hafa dia azo hazavaina mora foana izany, ary azo inoana tsara, satria isika dia mino fa nisy olona hafa tonga teto amin’ity kaontinanta ity” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1929, 15).

Hamoaka printy