Tahirim-pitaovana
Lesona 74: Almà 8


Lesona 74

Almà 8

Fampidirana

Rehefa avy nanaiky ny hafatr’i Almà ny olona maro tao Zarahemlà, sy Gideôna ary Meleka, dia nandà an’i Almà kosa ny vahoakan’i Amônihà ary nandroaka azy ho any ivelan’ny tanànan’izy ireo. Raha nalahelo i Almà noho ny faharatsian’ireo olona ireo dia niverina teo aminy indray ilay anjely izay niseho taminy sy tamin’ireo zanakalahin’i Môsià. Nidera an’i Almà ilay anjely noho ny fahatokiany ary nandidy azy izy hiverina ho any Amônihà. Nankatoavin’i Almà tamim-pahatokiana ireo didin’ny Tompo, ary nantsoin’ny Tompo i Amioleka hanampy azy teo amin’ny asa fanompoany. Nanomboka tamim-pahatokiana nampianatra ny vahoakan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka, heniky ny Fanahy Masina sy ny hery hanatanterahana ny asan’ny Tompo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 8:1–6

Olona maro tao Meleka no nandray ny hafatr’i Almà ary natao batisa

Asaivo manangan-tanana ireo mpianatra izay manana havana na namana izay efa nanao asa fitoriana ho an’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra roa na telo hizara ny zavatra niainana iray izay notantarain’ilay havany na ilay namany taminy ka mamariparitra ny fahatsapana ananan’ireo misiônera rehefa raisina ny hafatr’izy ireo. (Azonao heverina ihany koa ny hanasana ireo mpianatra hitantara mikasika ireo fotoana izay nisian’ny olona iray nandray tsara nandritra ny ezaka nataon’izy ireo hizarana ny filazantsara. Mety haniry ihany koa ianao ny hizara zavatra iray izay niainanao manokana.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 8:1–5. Asaivo fantarin’izy ireo ireo tanàna telo izay nitorian’i Almà ny filazantsara. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ireo tanàna telo ireo. (Zarahemlà, sy Gideôna, ary Meleka.)

  • Inona avy no vokatry ny fitorian’i Almà tao amin’ireo tanàna telo ireo? (Azonao atao ny mandroso hevitra amin’ireo mpianatra ny hijeren’izy ireo ireo famintinana ny toko ao amin’ny Almà 6–8 mba hanampiana azy ireo hamaly io fanontaniana io.)

Mariho fa na dia nandray ny hafatr’i Almà aza ny olona tany amin’ireo tanàna ireo dia tsy hoe tsy nisy olana akory ny as fitoriana nataony.

Almà 8:7–32

Rehefa avy nolavina tao Amônihà i Almà dia nodidian’ny Tompo izy hiverina

Anontanio ireo mpianatra raha toa ka efa nahita olona nandà ny hafatry ny filazantsara ireo havan’izy ireo na naman’izy ireo izay efa nanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Manasà mpianatra vitsivitsy hitantara mikasika ny fomba nandraisan’ilay havan’izy ireo na ilay naman’izy ireo an’izany zavatra niainany izany.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 8:7–14. Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra ny fahatsapana mety nananan’i Almà tamin’izy niezaka nampianatra ny filazansara tamin’ny vahoakan’i Amônihà. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ireo mpianatra dia asaivo miato ombieny ombieny izy ireo mba hamaly fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika mikasika ny toetran’i Almà? (Jereo ny Almà 8:8–10.)

  • Inona no mety ho nasetrinao an’ireo fomba nandraisana an’i Almà? (Jereo ny Almà 8:11–13.)

  • Inona no mampitovy na tsy mampitovy ny fihetsik’i Almà sy ny anao raha tojo toe-javatra mitovy amin’izany? (Jereo ny Almà 8:14. Azonao atao ny mandroso hevitra hoe ny fanapahan-kevitr’i Almà ny hanohy ny asan’ny Tompo tao an-tanànan’i Aharôna dia manaporofo fa nanana finoana an’ny Tompo izy ary tsy nilavo lefona.)

Mariho fa na dia natao tamin-kitsim-po aza ireo vavaka nataon’i Almà ho an’ny vahoakan’i Amônihà (Jereo ny Almà 8:10), dia tsy notanterahina teo no ho eo ny fangatahany. (Nibebaka tokoa taty aoriana ny olona sasantsasany tao Amônihà. Jereo ny Almà 14:1.)

Vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinfolo:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Ekeko fa indraindray, mety toa tsy voavaly ny sasany amin’ireo vavaka tena feno hafanam-po ataontsika. Manontany tena isika hoe: ’Fa nahoana?’ Fantatro izany fahatsapana izany! Fantatro ireo tahotra sy ireo ranomaso amin’ny fotoana toy izany. Saingy fantatro koa fa tsy mba tsinontsinoavina mihitsy ireo vavaka ataontsika. Tsy mba tsy ankasitrahana mihitsy ny finoana ananantsika. Fantatro fa ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra iray feno fahendrena dia mivelatra lavitra noho ny antsika. Raha toa ka fantatsika ny mikasika ireo olantsika sy fanaintainantsika amin’izao fiainana an-tany izao, dia fantany kosa ny amin’ny fivoarantsika mandrakizay sy ny hery anaty ananantsika” (“Jesus Christ—the Master Healer,” Ensign na Liahona, Nôv. 2005, 86).

  • Inona no nampianarin’ny Loholona Nelson fa hoe afaka manampy antsika hanam-pinoana na dia tsy voavaly eo noho eo aza na amin’ny fomba antenaintsika na ampoizintsika ireo vavaka marina ataontsika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 8:14–17. Asaivo manaraka ny iray kilasy, sady mitady hafatra mampionona ao amin’ireo tenin’ilay anjely sy didy izay mety ho sarotra tamin’i Almà ny nankatò izany.

  • Tamin’ny fomba ahoana no mety nahafahan’ireo tenin’ilay anjely tao amin’ny Almà 8:15 hoe nampionona an’i Almà? Amin’ny fomba ahoana no mety ahafahan’ireo tenin’ilay anjely hampionona anao?

  • Fa nahoana no mety ho sarotra tamin’i Almà ny hankatò tamin’io toe-javatra io?

Asaivo mamaky mafy ny Almà 8:18 ireo mpianatra sady mitady ilay teny izay mamariparitra ny fomba namalian’i Almà an’ilay didin’ny Tompo hoe hiverina ho any amin’ny tanànan’i Amônihà. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ilay teny hoe faingana.)

  • Inona no azontsika fantarina mikasika an’i Almà avy amin’ilay hoe niverina faingana nankany Amônihà izy?

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Asaivo henoin’ireo mpianatra izay fomba ahafahantsika mahazo soa amin’ny fankatoavana faingana ny Tompo:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Na betsaka manao ahoana aza ny finoantsika hankatò an’Andriamanitra ankehitriny, dia mila manamafy izany hatrany isika ary mitahiry izany ho vaovao mandrakariva. Afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fanapahana hevitra ankehitriny ny hankatò faingana kokoa ary ny ho tapa-kevitra kokoa ny haharitra. Ny fianarana manomboka aloha sy ny tsy fiovaovana no fanalahidin’ny fiomanana ara-panahy. …

“… Ray any An-danitra iray be fitiavana sy ny Zananilahy Malalany no efa nanome antsika ny fanampiana rehetra azon’ Izy ireo natao mba hahavitantsika ilay sedran’ny fiainana izay napetraka eo anoloantsika. Saingy mila manapa-kevitra ny hankatò isika ary avy eo manatanteraka izany. Manorina ny finoana hahavitana ireo sedran’ny fankatoavana isika rehefa mandeha ny fotoana sy amin’ny alalan’ireo safidy ataontsika isan’andro. Afaka misafidy dieny izao isika ny hanao faingana izay rehetra asain’Andriamanitra ataontsika. Ary afaka manapa-kevitra ny tsy hiovaova isika eo amin’ireo sedra madiniky ny fankatoavana izay manorina ilay finoana ampy hitondra antsika hamakivaky ireo sedra lehibe, izay tsy maintsy ho avy” (“Spiritual Preparedness: Start Early and Be Steady,” Ensign, Nôv. 2005, 38, 40).

  • Araka ny Filoha Eyring, inona no mitranga amin’ny finoantsika rehefa misafidy ny hankatò faingana ny Tompo isika?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nihanatanjaka ny finoanao ny Tompo noho ny fankatoavanao faingana sy tsy miovaova?

Ho an’ireto tranga tsirairay manaraka ireto, anontanio ireo mpianatra hoe ahoana no ahafahan’ny fankatoavana faingana hitahy azy ireo:

  1. Raha handeha ho any an-tsekoly ny zatovovavy iray dia nangataka azy ny reniny hanao fitafy maotina kokoa.

  2. Nandritra ny tafa sy dinika iray niaraka tamin’ny evekany no nanomezana fanamby ny mpisorona vaovao iray hahazo ny Mari-pankasitrahan’ny Devoir envers Dieu.

  3. Nahatsapa fitaomam-panahy ny misiônera roa nandritra ny fotoampiomanana isan’andro fanaony hamangy fianakaviana iray malaindaina izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ilay renim-pianakaviana.

Hazavao fa notahian’ny Tompo i Almà noho ny fankatoavany faingana. Asao ho eny aloha ny mpianatra telo hilalao an-tsehatra ny fihaonana teo amin’i Almà sy i Amioleka hita ao amin’ny Almà 8:19–26. Asaivo mamaky ny tenin’i Almà ny mpianatra iray, ny tenin’i Amioleka ny iray faharoa, ary ny tenin’ny mpitantara ilay mpianatra fahatelo. Amporisiho ireo mpianatra hamaky miaraka amin’ny fihetseham-po izay heverin’izy ireo fa mety nananan’i Almà sy Amioleka.

Rehefa vita ny filalaovana an-tsehatra dia anontanio hoe:

  • Ahoana no fomba nitahian’ny Tompo an’i Almà noho izy mpankatò?

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny zavatra niainan’i Almà niaraka tamin’i Amioleka ho marika fa mihaino sy mamaly ny vavak’i Almà ny Tompo? (Jereo ny Almà 8:10.)

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika hianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Almà? (Afaka mandroso karazana fitsipika maro ireo mpianatra. Valinteny iray azo raisina ny hoe rehefa mamaly faingana ny tenin’ny Tompo isika dia manampy antsika Izy hankatò ireo didiny.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 8:27–32, sady mitady porofo fanampiny maneho fa raha mahatoky sy mazoto isika dia hanampy antsika ny Tompo hankatò ireo didiny.

  • Inona avy ireo olana natrehan’i Almà sy i Amioleka rehefa nandeha nampianatra ny vahoaka? (Jereo ny Almà 8:28–29. Lasa ratsy fanahy kokoa ny olona ary nandidy an’i Almà sy i Amioleka ny Tompo hiantso azy ireo hibebaka.)

  • Ahoana no fomba nanampian’ny Tompo an’i Almà sy i Amioleka? (Jereo ny Almà 8:30–31. Heniky ny Fanahy Masina izy ireo ary nahazo hery masina hiaro azy ireo. Toroy hevitra ireo mpianatra hanisy marika ny famariparitana ireo fitahiana ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nanampy anao ny Tompo rehefa nahatoky sy nazoto ianao?

Asao ireo mpianatra handika ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ao anaty kahie na ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina:

“Azo antoka fa tian’ny Tompo, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny fahatapahan-kevitra tsy mihozongozona ny hankatò ny torolalany” (“Commitment to God,” Ensign, Nôv. 1982, 58).

Omeo minitra vitsivitsy izy ireo avy eo hanoratana ny valin’ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no zavatra izay hataonao anio mba hanehoana amin’ny Ray any An-danitra hoe hankatò faingana ny torolalany ianao ary hanompo Azy amim-pahatokiana sy amim-pahazotoana?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana izay raisintsika rehefa manaraka amim-pahatokiana ny torolalan’ny Tompo isika. Azonao omena fahafahana ihany koa ireo mpianatra hizarany ny fijoroany ho vavolombelona mikasika io fahamarinana io.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 8:10. “Faherezana mivavaka”

Ilay teny hoe “faherezana mivavaka” dia maneho fifandraisana mahery sy feno finoana amin’ Andriamanitra. Ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandroso fomba maromaro ahafahantsika manombantombana sy mikatsaka ny hanatsara ny herin’ny vavaka ataontsika:

“Azoko atao ve ny mangataka aminareo anio ny handinika ny fahombiazan’ny vavaka ataonareo? Araka ny fahatsapanao azy dia aiza ho aiza no misy anao eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra? Moa ve ianao mahatsapa fa voavaly ireo vavaka ataonao? Moa ve ianao mahatsapa fa manatevina sy mampivoatra ny fanahinao ny fotoana laninao amin’ny vavaka? Misy fomba ahafahana manatsara ve?

“Misy antony maro mahatonga ny vavaka ataontsika ho tsy ampy hery. Indraindray izy ireny dia lasa miverimberina. Manjary poaka aty ireo vavaka ataontsika rehefa teny mitovitovy hatrany no tononontsika amin’ny fomba mitovitovy matetika tokoa ka manjary toy ny vakiteny ireo tonony fa tsy fifandraisana. Izany no nofaritan’ny Mpamonjy hoe ‘teny maro foana’ (Matio 6:7). Ny vavaka toy izany, hoy Izy, dia tsy hohenoina. …

“Toa renao sy tsapanao ho mitovy ve ireo vavaka ataonao indraindray? Efa nanao vavaka tsy natao tamim-piheverana tsara ve ianao, ary voalaza toy ny avoakan’ny milina ireo teny? Leo amin’ny vavaka ataonao ve ianao indraindray?

“Ireo vavaka izay tsy mitaky betsaka amin’ny sainao dia zara raha ho mendrika ny hifantohan’ny Raintsika any An-danitra. Rehefa hitanao fa mivavaka amim-pahazarana fotsiny ianao dia miatoa ary mieritrereta. Mandiniha kely mikasika ireo zavatra izay tena mahafeno fankasitrahana anao” (“Improving Our Prayers,” [Lahateny tamin’ny fivoriana fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 21 Jan. 2003], 2, speeches.byu.edu).

Hamoaka printy