Tahirim-pitaovana
Lesona 14: 1 Nefia 12–13


Lesona 14

1 Nefia 12–13

Fampidirana

Rehefa avy nahita ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany sy ny Sorompanavotany tamin’ny fahitana i Nefia dia nahita fa aorian’ny hisian’ny taranaka manao ny marina miisa efatra dia ho lasa mieboebo sy ho lavon’ny fakam-panahin’ny devoly ary ho fongana ny taranany. Naseho azy ihany koa ny fahavetavetan’ireo izay nanaraka an’i Satana tao amin’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko. Hitany fa hanala ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy tao amin’ny Baiboly izy ireo mba hahatonga ny maro ho lavo ara-panahy. Na dia teo aza ireo zava-miseho mahakivy ireo, dia nanome antony hananan’i Nefia fanantenana lehibe ihany koa ny fahitana hitany. Nahita izy fa hanomana lalana ho an’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany Andriamanitra. Nahita ihany koa izy fa ny rakitsoratry ny olony (ny Bokin’i Môrmôna) dia havoaka amin’ny andro farany mba hamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy izay very ho an’izao tontolo izao.

Fanamarihana: mety tsy manana fotoana firy hijerena ny zavatra rehetra ato amin’ity lesona ity ianao. Mandritra ny fanomananao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahalalana ny ampahany amin’ny lesona izay manan-danja indrindra sy azo ampiharina indrindra amin’ireo mpianatrao. Azonao atao ny mamintina ireo ampahany amin’ny lesona mba hananana fotoana ampy ampianarana amim-pahombiazana ny fotopampianarana sy fitsipika manan-danja indrindra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 12

Nahita ny hoavin’ny firenena Nefita sy Lamanita i Nefia

Fintino ny 1 Nefia 12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ity toko ity dia tohin’ny fahitan’i Nefia. Naneho tamin’i Nefia izay hifandraisan’ireo tandindona ao amin’ny fahitana ny hazon’aina amin’ny taranany ilay anjely ao amin’ity toko ity. Naseho taminy fa ny sasany amin’ireo taranany dia handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana rehetra. Na izany aza dia nahita ihany koa i Nefia fa ireo taranany dia ho fongana amin’ny farany amin’ny alalan’ireo taranak’ireo rahalahiny (ny Lamanita). Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 12:16–19. Asao izy ireo hikaroka ireo antony hahafongana ny Nefita (jereo ny 1 Nefia 12:19). Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa rehefa manam-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo dia afaka ny handresy ny fieboeboana sy ny fakam-panahy.

1 Nefia 13:1–9

Nahita ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko i Nefia

Asao hanangana ny tanany ny mpianatra raha manao fanatanjahantena. Asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hilaza ny lalao ara-panatanjahantena ataony. Hazavao fa ao anatin’ny lalao ara-panatanjahantena dia matetika ireo mpiara-milalao ao anatin’ny vondrona no miomana amin’ny lalao amin’ny alalan’ny fandinihana tsara ireo lalao teo aloha sy ireo paikadin’ny olona hifaninana.

  • Nahoana no hanampy ny vondrona mpiara-milalao iray ny mandinika tsara ny tetik’adin’ny olona hifaninana aminy alohan’ny hanaovany fifaninanana?

Hazavao fa hitan’i Nefia tamin’ny fahitana ny faniriana sy ny tetik’adin’ireo izay hanohitra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany. Amporisiho ireo mpianatra hitady ireo tetik’ady ireo rehefa mandalina ity toko ity mba hahafahany miomana hahafantatra azy ireo ary tsy tsy ho voafitak’izany.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 13:1–4, 6. Asao ny mpianatra iray hitady ilay vondrona izay hitan’i Nefia niforona teo anivon’ireo Jentilisan’ny andro farany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny votoatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia zarao ity fanazavana manaraka nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie a amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao hihaino tsara sy hamantatra ny famaritana ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko ny mpianatra.

“Ny anarana fiantsoana hoe fiangonan’ny devoly sy ny fiangonana makadiry sy maharikoriko dia ampiasaina mba hilazana … ireo fikambanana rehetra na inona no anarany na karazany—na ara-pôlitika, ara-pilôzôfika, ara-panabeazana, ara-ekônômika, ara-piaraha-monina, ara-pirahalahiana, ara-pahalalam-pomba, na ara-pivavahana—izay naorina mba hitondra ny olona amin’ny lalana izay mitarika azy ireo hanalavitra an’Andriamanitra sy ny lalany ary noho izany dia manalavitra azy amin’ny famonjena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Mormon Doctrine, fanontana faharoa. [1966], 137–38).

Hazavao tsara fa ny andian-teny hoe “fiangonana makadiry sy maharikoriko” dia tsy manondro antokom-pivavahana na finoana iray manokana. Entina hilazana ireo fikambanana rehetra izay naorina mba hitarika ny olona hanalavitra an’Andriamanitra sy ny lalany izany.

Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra ilay fehezanteny hoe ireo fikambanana rehetra natao mba hitarika ny olona hanalavitra an’Andriamanitra sy ny lalany eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny 1 Nefia 13:6.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no manan-danja ny fahalalana fa mandamina ny heriny i Satana mba hanalavirana antsika amin’Andriamanitra sy ny lalany?

Hazavao fa namaritra ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko i Nefia. Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 13:5–9 ny mpianatra iray.

  • Inona avy ireo zavatra ataon’ireo izay ao amin’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko? (Jereo ny 1 Nefia 13:7–8.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 13:5, 9, inona no katsahin’ireo izay ao amin’ny fiangonana makadiry sy maharikoriko hotanterahina? Nahoana? (Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: i Satana sy ireo mpanara-dia azy dia te hanimba ireo Olomasin’Andrimanitra sy hitondra azy ireo ao amin’ny fahababoana.)

  • Ahoana no hanampian’ny fahafantarana ny faniriana sy ny fikasan’i Satana sy ireo mpanara-dia azy antsika handresy azy ireo?

Ampahafantaro ireo mpianatra fa ao aoriana kely ao, ao anatin’ity toko ity dia hianatra mikasika ny iray amin’ireo fomba niezahan’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko nandringanana ireo izay nikatsaka an’Andriamanitra izy ireo.

1 Nefia 13:10–19

Nahita ny tanan’Andriamanitra nanangana tanin’ny fahalalahana iray i Nefia izay hamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara

Mijoroa ho vavolombelona fa nanome toky ny Tompo fa hiroborobo ny asany na dia eo aza ireo ezaka ataon’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko mba hahatafintohina ny olona ara-panahy. Nanao izany izy tamin’ny alalan’ny fanomanana ny lalana ho an’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsarany.

Ireto fehezanteny voatanisa eto ambany ireto dia mamintina zava-niseho manan-danja izay hitan’i Nefia tao amin’ny fahitany. Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 13:10–19 sy hampifandray ireo soratra masina tanisaina eto ambany amin’ny zava-niseho tantarain’izany. (Azonao atao ny manoratra ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fehezanteny eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hanombohan’ny fianarana. Na afaka mamorona taratasy hozaraina izay hahitana ireo andinin-tsoratra masina sy fehezanteny ianao. Jereo eto ambany fa mifanojo tsara amin’ireo fehezanteny ireo andinin-tsoratra masina. Mba hahita fahombiazana amin’ity hetsika enti-mandalina ity, dia ilainao ny manova ny filaharan’ireo fehezanteny rehefa soratanao eny amin’ny solaitrabe izy ireo na soratanao eo amin’ny taratasy hozaraina.)

1 Nefia 13:12Nandeha sambo nankany Amerika i Colomb

1 Nefia 13:13Nandeha tany Amerika ireo mpivahiny nikatsaka fahalalahana ara-pivavahana

1 Nefia 13:14Voaroaka niala ny taniny ireo mponina tera-tany tao Amerika

1 Nefia 13:15Niroborobo tao Amerika ny Jentilisa

1 Nefia 13:16–19Na dia tsy tambo isaina aza izy ireo dia nandresy ireo tafika amerikana mpanongam-panjakana

Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia azonao atao ny mamporisika azy ireo hanoratra teny manan-danja na andian-teny ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy tsirairay avy. Ohatra, afaka manoratra hoe Colomb izy ireo eo anilan’ny 1 Nefia 13:12.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 13:12, nahoana i Colomb no niondrana an-tsambo nankany Amerika?

  • Araka izay voalaza ao amin’ny 1 Nefia 13:13, nahoana ireo mpivahiny no nandeha nifindra monina tany Amerika?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 13:15–19, nahoana ireo Jentilisa no niroborobo sy nahazo fahaleovan-tena tamin’ireo “firenen-kafa rehetra”?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Filoha Joseph F. Smith ity:

“Nasandratr’ilay Tsitoha tamin’ny alalan’ny herin’ny tanany masina ity firenena Amerikana lehibe ity mba ho tanteraka ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany amin’ny andro farany. Raha tsy nanomana ny lalana tamin’ny fametrahana ny fototr’ity firenena mahafinaritra ity ny Tompo dia tsy ho azo notanterahina(teo ambanin’ny lalàna henjana sy ny fanenjehan’ireo rafi-pitantanan’ny mpanjaka teto amin’izao tontolo izao) ny nametraka fototra hitsenana ny fahatongavan’ny fanjakany lehibe. Nanao izany ny Tompo” (Gospel Doctrine (Fotopampianaran’ny Filazantsara), fanontana faha 5. [1939], 409).

Mijoroa ho vavolombelona fa nanomana ny lalana ho an’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanorenana firenena misy fahalalahana ara-pivavahana izay nahafahany namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany. Mijoroa ho vavolombelona fa nanomana sy hanohy hanomana lalana ho an’ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny ny Tompo mba ho tonga amin’ireo firenena rehetra.

Raha mampianatra ity lesona ity any amin’ny firenena ivelan’i Amerika ianao dia mametraha fanontaniana hoe:

  • Ahoana no fomba nanomanan’Andriamanitra ny lalana ho an’ny fitoriana ny filazantsara naverina amin’ny laoniny eto amin’ny firenentsika?

1 Nefia 13:20–42

Nahita ireo Jentilisan’ny fotoana hoavy niaraka tamin’ny Baiboly sy ny Bokin’ny Môrmôna ary ireo soratra masin’ny andro farany i Nefia

Asao ny mpianatra iray hamaky ny 1 Nefia 13:20–24. Asao izy hitady ilay zavatra izay hitan’i Nefia “nentina teo anivony” tamin’ny alalan’ireo mpanjana-tany Amerikana fahiny. Atsangano ambony ny Baiboly iray ary hazavao fa izany dia ilay boky tao anatin’ny fahitan’i Nefia. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra hoe ny Baiboly eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny 1 Nefia 13:20.

Hazavao fa ilay anjely dia nampianatra an’i Nefia fa ny Baiboly dia rakitsoratra “manan-danja lehibe” (1 Nefia 13:23). Rehefa noraketina an-tsoratra tany am-piandohana ireo fanambarana ao amin’ny Baiboly dia “nirakitra ny fahafenoan’ ny filazantsaran’ ny Tompo” izy ireo (1 Nefia 13:24). Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 13:26–27 ny mpianatra iray.

  • Inona no nesorin’ilay fiangonana makadiry sady maharikoriko tao amin’ny Baiboly? Nahoana no nesorina tao ireo zavatra ireo?

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny 1 Nefia 13:29.

  • Inona no nitranga vokatry ny fanaisorana ireo zavatra tsotra sy sarobidy tao amin’ny Baiboly sy ireo fanekempihavanana maron’ny Tompo?

Asao ny mpianatra efatra hifandimby hamaky mafy ao amin’ny 1 Nefia 13:34–36, 39. Asao ny iray kilasy hikaroka izay hataon’ny Tompo mba hanampiana ny olona handresy ny ezaka ataon’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko.

  • Araka izay voalaza ao amin’ny 1 Nefia 13:34, inona no hambaran’ny Tompo noho ny famindram-pony?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 13:35–36, inona no “hafenina” mba haseho ny Jentilisa? (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra eo akaikin’ny 1 Nefia 13:35 fa ny hoe “ireo zavatra ireo” dia entina hilazana ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 13:39, inona ihany koa no haseho’ny Tompo amin’ny Andro farany ankoatra ny Bokin’i Môrmôna? Inona ilay “boky hafa” izay navoakan’ny Tompo ho toy ny ampahany amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny? (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy, ary ny Fandikana ny Baiboly Nataon’i Joseph Smith.)

Asao ny mpianatra hamaky ny 1 Nefia 13:40–41. Asao izy ireo hikaroka ny fomba iray entina milaza ny zavatra hampahafantarin’ny soratra masin’ny Famerenana amin’ny Laoniny amin’ny olon-drehetra. Rehefa avy mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra dia atsangano ambony ny Baiboly iray ary zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fahamarinany. Atsangano ambony ny Bokin’i Môrmôna ary ataovy eo akaikin’ilay Baiboly. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masin’ny andro farany dia namerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy izay manampy antsika hahafantatra fa i Jesoa Kristy dia Zanak’Andriamanitra ary manampy antsika hahalala ny fomba hanatonana Azy.

Asao ireo mpianatra hitady fehezanteny any amin’ny faran’ny 1 Nefia 13:41 izay milaza ny zavatra hataon’ny Tompo amin’ilay rakitsoratry ny Jiosy (ny Baiboly) sy ilay rakitsoratr’ireo taranak’i Nefia (ny Bokin’i Môrmôna). Mijoroa ho vavolombelona fa ireo rakitsoratra ireo dia “hakapoka ho iray” (1 Nefia 13:41) sy “hitambatra” (2 Nefia 3:12) mba hanampy antsika hahalala mazava tsara ny fomba hanatonana ny Mpamonjy.

Mba hanampiana ireo mpianatra hankasitraka ny fomba niantraikan’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy teo amin’ny fiainany dia asao izy ireo handinika ao am-pony ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no niantraikan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy nanampiany anao hanakaiky Azy kokoa?

Rehefa avy nomena fotoana mba hisaintsainana ireo mpianatra dia asao ny sasany amin’izy ireo hizara ny valinteniny. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fomba nampatanjahany ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary nanampy anao hahalala ny fomba hanatonana Azy. Rehefa mamarana ny fotoam-pianarana ianao dia amporisiho ireo mpianatra handalina tsara ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny taona, sy hikaroka ireo fampianarana sy tantara izay manamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy sy mampianatra azy ireo ny fomba hanatonana Azy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 12–14. Topimaso

Ity tabilao manaraka ity dia manampy antsika hijery ireo zava-mitranga manan-danja izay mitondra mankany amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra:

Sary
zava-miseho ara-tantara

1 Nefia 13. Inona no tiana ambara amin’ilay teny hoe Jentilisa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Ny hoe Jentilisa dia midika hoe “ireo firenena.” Izany dia entina hilazana (1) ireo izay tsy amin’ny mpianakavin’i Isiraely, (2) ireo izay tsy mino ny Andriamanitr’i Isiraely na izay tsy manana ny filazantsara, na taranak’iza izy na taranak’iza, ary (3) ireo olona izay tsy avy ao na tsy mipetraka ao amin’ny tanin’i Joda. Ohatra, ireo mpivahiny sy mpanjana-tany tao Amerika dia antsoina hoe Jentilisa ao amin’ny 1 Nefia 13:3–13. Ireo izay namoaka ny Bokin’i Môrmôna dia antsoina hoe Jentilisa ao amin’ny 1 Nefia 13:34. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Voahangy Lafo Vidy dia navoaka tamin’ny alalan’ny Jentilisa ihany koa (jereo ny 1 Nefia 13:39). Antsoina hoe firenena jentilisa i Etazonia ao amin’ny 1 Nefia 13:34, 39.

1 Nefia 13:20–29. Nesorina tao amin’ny Baiboly ireo fahamarinana tsotra sady sarobidy

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Ireo zavatra … tsy hita ao amin’ny Baiboly dia ‘tsotra sady sarobidy indrindra.’ Tsotra izy ireo amin’ny maha mora sy mazava azy, izay mora “azo ho an’ny olon-drehetra’; sarobidy izy ireo amin’ny fahadiovany sy ny fananany lanja lehibe ary ireo hevitra fonosiny manambara famonjena sy fananany lanja mandrakizay ho an’ireo zanak’ Andriamanitra” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon (Kristy sy ilay Fanekempihavanana Vaovao: Ny Hafatra Mitory Famonjena entin’ny Bokin’i Môrmôna) [1997], 5).

Nampianatra i Joseph Smith fa “zavatra maro manan-danja mahakasika ny famonjena ny olona no nesorina tao amin’ny Baiboly, na very talohan’ny nanambarana azy” ( Enseignements des Présidents de L’Église: Joseph Smith [2007], 217). Nilaza ihany koa izy fa mino ny Baiboly izy “araka izay voasoratra rehefa avy amin’ny penin’ny mpanoratra tany am-piandohana ilay izy,” ary “ireo mpandika teny tsy mahalala na inona na inona, sy ireo mpanoratra izay voadika izay tsy miraharaha akory, na ireo pretra mpamorona sy mpanao kolikoly dia nanao fahadisoana maro” (Enseignements du Prophète Joseph Smith, 207).

Azonao atao ny mampiseho amin’ny mpianatra fa ireo teny nambaran’i Joseph Smith ireo dia nampidirina ao amin’ny Bible Dictionary (jereo ny Bible Dictionary, “Bible”). Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra ireo fanambarana ireo ao amin’ny soratra masiny.

1 Nefia 13:32–40. Naverina amin’ny laoniny ireo zavatra tsotra sy sarobidy

Nilaza ny Filoha James E. Faust ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa ireo soratra masina nankatoavina ao amin’ny Fiangonana dia fitaovana lehibe tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana very:

“Ny Bokin’i Môrmôn dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Namerina tamin’ny laoniny ny fahamarinana toy ny Fahalavoana, ny Sorompanavotana, ny Fitsanganana amin’ny maty, ary ny fiainana aorian’ny fahafatesana izany.

“Talohan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia nikatona nandritra ny taonjato maro ny lanitra. Saingy noho ny fisian’ny mpaminany sy apôstôly eto ambonin’ny tany indray dia nosokafana indray niaraka tamin’ny fahitana sy ny fanambarana ny lanitra. Maro tamin’ireo fanambarana tonga tamin’ny Mpaminany Joseph Smith no nosoratana tao amin’ny boky iray izay fantatra amin’ny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Mirakitra hevi-baovao misimisy kokoa mikasika ireo fitsipika sy ôrdônansy izany ary loharano manan-danja mikasika ny rafitry ny fisoronana. Ankoatra izay dia manana boky misy vondron-tsoratra masina nankatoavina iray hafa antsoina hoe ny Voahangy Lafo Vidy isika. Mirakitra ny bokin’i Mosesy izany, izay tonga tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, sy ny bokin’i Abrahama, izay nadikany avy amin’ny horonan-taratasy Egyptiana novidiana. Avy amin’ireo rehetra ireo, isika dia tsy mianatra fotsiny ihany zavatra misimisy kokoa momba an’i Mosesy sy Enoka, ary mpaminany hafa fa antsipiriany maro kokoa momba ny Fahariana ihany koa. Mianatra isika fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia nampianarina ireo mpaminany rehetra hatrany am-piandohana—hatramin’ny andron’i Adama mihitsy” (“The Restoration of All Things,” (“Famerenana amin’ny Laoniny ny Zava-drehetra”) Ensign na Liahona, Mey 2006, 67–68).

Ny Fandikana ny Baiboly nataon’i Joseph Smith ihany koa dia manampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia “fanitsiana na fandikana ny King James Version an’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy, izay natomboky ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny Jona 1830. Nodidin’ Andriamanitra izy hanao ny fandikan-teny ary handray izany ho anisan’ny antsony amin’ny maha mpaminany azy. …

“Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia namerina amin’ny laoniny ny sasany amin’ireo zavatra tsotra sy sarobidy izay very tao amin’ny Baiboly (1 Ne. 13). Na dia tsy Baiboly ôfisialin’ny Fiangonana aza izany dikan-teny izany dia manome hevi-baovao mahaliana maro ilay izy ary tena manan-danja amin’ny fahatakarana ny Baiboly. Izany ihany koa dia vavolombelon’ny antso masina sy ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith” (Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikantenin’i Joseph Smith,” scriptures.lds.org; jereo koa ny 2 Nefia 3:11; Histoire de l’Église, 1:238).

Miaraka amin’ny fahazoana fanambarana tsy ankiato ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia mitohy ny dingan’ny fampahafantarana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara amin’ny olona manerana izao tontolo izao. Ireo fampianarana misy fitaomam-panahy ataon’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo dia ilaina amin’ny fahatakarana ireo fahamarinana tsotra sy sarobidin’ny filazantsara.

1 Nefia 10–14. Fijerena amin’ny ankapobeny ny fahitan’i Nefia

Sary
Ny fahitan’i Nefia

Hamoaka printy