Tahirim-pitaovana
Lesona 48: Jakôba 7


Lesona 48

Jakôba 7

Fampidirana

Niantehitra tamin’ny Tompo i Jakôba sy tamin’ny fijoroany ho vavolombelona tsy voahozongozona mba handresena ireo hevi-diso sy fandresen-dahatr’i Serema, antikristy iray. Izy dia nanovo hery indrindra indrindra tamin’ireo zavatra niainany fahiny izay nanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy. Niantehitra tamin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina koa izy, sy ny fahalalany ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ary ny fijoroany ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy. Rehefa nangatahana famantarana i Serema mba hanaporofoina ireo tenin’i Jakôba dia voakapok’Andriamanitra izy. Nofaranan’i Jakôba ny rakitsorany tamin’ny alalan’ny famariparitana ny fomba nitokisan’ireo Nefita tamin’ny Tompo raha nanamafy ny fiarovan’izy ireo teo anatrehan’ireo Lamanita izy ireo. Talohan’ny nahafatesan’i Jakôba, dia nankininy tamin’i Enôsa zanany lahy ireo takelaka kely.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jakôba 7:1–14

Niantehitra tamin’ny Tompo i Jakôba raha niatrika an’i Serema, izay antikristy

Alohan’ny fampianarana dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (nalaina tao amin’ny “Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 72):

“Tonga ny iray amin’ireo fitsapana lehiben’ny fiainana an-tany rehefa ametraham-panontaniana na kianina ny zavatra inoantsika” (Loholona Robert D. Hales).

Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nisian’ny olona iray nametra-panontaniana na nanakiana ny zavatra inoany. Manasà maromaro amin’izy ireo hizara ny fahatsapana nananany tamin’ny fotoana nitrangan’izany. Azonao atao ihany koa ny mizara fohifohy ny zavatra iray niainanao teo amin’ny fiainanao.

Hazavao fa ny Jakôba 7 dia mitantara ny traikefan’i Jakôba tamin’i Serema, izay antikristy. (Azonao atao ny manazava fa ny antikristy dia “rehefa mety ho olona na zavatra izay misandoka ny drafitry ny famonjen’ ny filazantsara marina ary manohitra an-kitsirano na mangingina an’ i Kristy”. [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Antikrsity”].) Nikatsaka ny hanozongozona ny finoan’i Jakôba i Serema.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Jakôba 7:1–5. Asaivo fantarin’izy ireo hoe (1) inona no nandraman’i Serema natao ary (2) ahoana no fomba nikatsahany hanatratrarana ny tanjony. Rehefa nahavita namaky ireo mpianatra dia asaivo fariparitan’izy ireo izay zavatra nianarany mikasika an’i Serema. Azonao atao ny mametraka ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanentanana ny fifanakalozan-kevitra:

  • Toy ny ahoana ny fitaomana nananan’i Serema teo amin’ny vahoaka?

  • Inona ao amin’ny Jakôba 7:1–5 no hitanao ka mampahatsiahy anao ny fotoana izay nametrahan’ny olona fanontaniana na nanakianan’ny olona ny finoanao? (Rehefa miresaka momba io fanontaniana io ianareo dia mety ilaina ny hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa tsy ny olona rehetra izay mametra-panontaniana na manakiana ny finoantsika akory dia mitovy tanjona amin’i Serema avokoa. Raha toa ka minia mikatsaka ny handrava finoana ny olona sasany toa an’i Serema, ny hafa kosa dia mety hametra-panontaninana mikasika ny finoantsika noho izy ireo tia karokaroka na noho izy ireo nolazaina zavatra diso mikasika ny finoantsika.)

  • Fa nahoana no sarotsarotra indraindray ny miaro ny finoantsika amin’ny olona toa an’i Serema?

Adikao eo amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina ary fanambarana manaraka ireto. (Mba tsy handaniana fotoana dia azonao atao ny mandika izany eo amin’ny solaitrabe alohan’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana. Azonao atao koa ny manomana azy ireo amin’ny taratasy zaraina.)

1. Jakôba 7:5

a. Nijoro ho vavolombelona mikasika ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany.

2. Jakôba 7:8

b. Namela ny fandehan-javatra ho eo am-pelatanan’Andriamanitra.

3. Jakôba 7:10–11

d. Niantehitra tamin’ny fitarihana sy ny hery avy tamin’ny Fanahy Masina.

4. Jakôba 7:12

e. Nahatsiaro ireo zavatra niainana taloha izay nanamafy orina ny finoany.

5. Jakôba 7:13–14

f. Nizara ny fijoroana ho vavolombelona izay efa azony tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Hazavao fa ireo andininy ato amin’io lisitra io dia mamariparitra ireo valintenin’i Jakôba rehefa nikatsaka ny hanozongozona ny finoany i Serema. Ireo fanambarana eo amin’ny ankavanana dia maneho ny valintenin’i Jakôba saingy mikorontana ny filaharana ary ilaina ny mampifanaraka azy ireo amin’izay andinin-tsoratra masina mifandraika aminy. Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Jakôba 7:5–14. Rehefa mamaky izy ireo dia asaivo mijanona aorian’ny andinin-tsoratra tsirairay izay eo amin’ny lisitra eo amin’ny solaitrabe. Asaivo ampifandraisan’ireo mpianatra ny andinin-tsoratra tsirairay sy ny fanambarana izay mifandraika aminy. Azonao atao ny manasa mpianatra iray ho eny amin’ny solaitrabe hanisy tsipika mampifandray ireo andinin-tsoratra masina amin’izay fanambarana mifandraika aminy. (Valiny: 1-e; 2-d; 3-a; 4-f; 5-b.)

Rehefa vitan’ireo mpianatra io asa fanaovana fampifandraisana io dia manontania hoe:

  • Inona avy ireo fitsipika izay hitanareo fa ampianarina ao amin’ireo andininy izay vao avy novakiantsika?

Raha tsy misy milaza dia ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa rehefa miantehitra amin’ny Tompo isika dia afaka mandresy izay manozongozona ny finoantsika. (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Hazavao fa ireo valintenin’i Jakôba tamin’i Serema dia manome ohatra ho arahintsika rehefa mamaly an’ireo izay mametra-panontaniana na manakiana ny finoantsika.

Ireo fanontaniana fanaraha-maso voatanisa etsy ambany dia natao hanampy ireo mpianatra handinika lalindalina kokoa mikasika izay nataon’i Jakôba mba hianteherana amin’ny Tompo. Ny famaliana ireo fanontaniana ireo dia hanome fahafahana ireo mpianatra haneho sy hanamarina ny fomba nahafahan’ny fihetsika mitovitovy amin’izany nanampy azy ireo rehefa nisy nitady hanozongozona ny finoan’izy ireo. Hanampy azy ireo koa izany hianatra ny fomba tsara tokony hamaliana ny fanozongozonana ny finoan’izy ireo amin’ny ho avy. Koa satria maro kokoa noho izay mety ho vitanareo mandritra ny fotoam-pianarana ireo fanontaniana etsy ambany ireo dia fanontaniana vitsivitsy ihany fantenina mba ho ampiasaina mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonareo. Rehefa manao izany ianareo dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary tadidio ao an-tsaina ireo traikefa izay nozarain’ireo mpianatra tany amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana. Azonao atao koa ny manontany ireo mpianatra hoe iza amin’ireo zavatra nataon’i Jakôba no tian’izy ireo horesahina lalindalina kokoa.

  • Inona no nitranga tamin’i Jakôba teo aloha ka nahatonga ny finoany ho tsy azo hozongozonina? (Jereo ny Jakôba 7:5.)

  • Inona avy no zavatra niainanao izay nanamafy orina ny finoanao? (Azonao omena fotoana ireo mpianatra handinihana io fanontaniana io alohan’ny hangatahana azy ireo hamaly. Omeo toky izy ireo fa tsy voatery hizara zavatra niainana izay tena azy ireo manokana loatra na koa hoe tsiambaratelo.) Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo zavatra niainana ireo manampy anao rehefa misy mametra-panontaniana na manakiana ny finoanao?

  • Oviana no nanampy anao ny Fanahy Masina hamaly ireo fametraham-panontaniana sy fanakianana mikasika ny finoanao? (Jereo ny Jakôba 7:8.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahazarana mandalina isan’andro ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminan’ny andro farany manampy anao rehefa mametra-panontaniana na manakiana ny finoanao ny hafa? (Jereo ny Jakôba 7:10–11.)

  • Oviana ianao no nizara ny fijoroanao ho vavolombelona tamin’ny olona iray izay nametra-panontaniana na nanakiana ny finoanao? (Jereo ny Jakôba 7:12.) Inona no vokatr’izany?

  • Rehefa nangataka famantarana i Serema dia nahoana no fahendrena ho an’i Jakôba ny mamela izany ho eo am-pelatanan’ny Tompo fa tsy mikatsaka ny hanaporofo ny maha marina ny fijoroana ho vavolombelon’ny tenany ihany? (Jereo ny Jakôba 7:14.) Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa tsy ilainao ny manaporofo ny maha marina ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ireo izay manozongozona ny finoanao?

Jakôba 7:15–27

Rehefa lasa moana i Serema dia niaiky ny fahotany izy sy nijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana ary avy eo dia nodimandry, teo am-pitarihana ilay valalabemandry Nefita hiverina hitodika tamin’ny Tompo

Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona Robert D. Hales ity:

“Mandritra ireo taona maro dia hianarantsika fa tsy vaovao ireo fanonzongozonana ny finoantsika, ary toa tsy mbola ho foana vetivety. Saingy ny tena mpanara-dia an’i Kristy marina dia mahita fahafahana hanao zavatra ao anatin’ny fanenjehana. …

“… Soa ihany fa fantatry ny Tompo ny fon’ireo mpanameloka antsika sy ny fomba mahomby indrindra ahafahantsika mamaly azy ireny. Rehefa mikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy ireo tena mpanara-dia marina an’i Kristy dia mandray fitaomam-panahy izay mifanentana tsara amin’izay mifanehitra amintsika. Ary amin’ny fifanatrehana rehetra dia mamaly amin’ny fomba izay manasa ny Fanahin’ny Tompo ireo tena mpanara-dia marina” (“Christian Courage: The Price of Discipleship,” 72–73; efa hatrany am-potony ny sora-mandry).

  • Inona aminao no dikan’ny hoe “mahita fahafahana hanao zavatra ao anatin’ny fanenjehana”? (Rehefa mamaly an’io fanontaniana io ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra fa afaka mitondra soa ny famaliantsika ireo fanonzongozonana ny finoantsika amin’ny fomba izay manasa ny Fanahin’ny Tompo.)

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mamaky ny Jakôba 7:15–23 ny ekipa tsirairay ary mitady izay zavatra tsara rehetra nateraky ny fihaonan’i Jakôba tamin’i Serema. Rehefa nahavita namaky ireo mpianatra dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo hanazava izay zavatra hitan’izy ireo. Diniho ny hampiasana ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto hanampiana ireo mpianatra handinika ireo andinin-teny ireo:

  • Inona no porofo hitanao fa manantena i Jakôba fa hanampy ny hafa io fifanatrehana amin’i Serema io? (Jereo ny Jakôba 7:22. Ampio ireo mpianatra hahita fa nivavaka i Jakôba ho an’ny valalabemandry Nefita izay nanatri-maso ny fibabohan’i Serema sy ny nahafatesany.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Jakôba 7:23, tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny fifanatrehan’i Jakôba tamin’i Serema hisy fiantraikany tamin’ny valalabemandry nony farany?

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny vokatry ny fifanatrehan’i Jakôba tamin’i Serema? (Mety hahita valinteny maromaro ireo mpianatra ho an’io fanontaniana io. Ny sasany dia mety handroso ireto fitsipika voatanisa etsy ambany ireto.)

  • Ireo mpaminany rehetra dia mijoro ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy.

  • Rehefa mamaly ireo fametraham-panontaniana sy fanakianana ny finoantsika amin’ny fomba izay manasa ny Fanahy isika dia afaka manampy ny hafa hitodika any amin’ny Tompo.

  • Ireo mpaminany dia manampy antsika hamantatra sy handresy ireo fitak’i Satana.

  • Ireo izay mikomy amin’Andriamanitra sy mitory amim-pahavitrihana manohitra ny fahamarinana dia hizaka vokany hentitra avy any amin’ny Tompo.

  • Ny fandalinana ny soratra masina dia hanampy antsika mba tsy ho voafitaka.

Rehefa mamantatra fitsipika tahaka ireo izay voatanisa etsy ambony ireo mpianatra dia diniho ny hametrahana fanontaniana fanaraha-maso mba hanampiana azy ireo hampihatra ireo fitsipika eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mahazo fanampiana amin’ny alalan’ny fiainana araka izany fitsipika izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’io fitsipika io manampy anao hanampy ny hafa?

  • Inona no azonao atao hiezahana hampihatra io fitsipika io eo amin’ny fiainanao?

Asao ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

  • Inona no zavatra iray izay hatombokao (na hotohizanao) mba hanampiana anao hiomana ho amin’ny fotoana iray izay hanozongozonan’olona ny finoanao?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa afaka mandresy am-pahombiazana ireo fanozongozonana ny finoantsika isika raha manaraka ny ohatr’i Jakôba eo amin’ny fianteherana amin’ny Tompo.

Famerenana ny Jakôba

Maka fotoana hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ny bokin’i Jakôba. Asao izy ireo hieritreritra mikasika izay zavatra nianaran’izy ireo tamin’ity boky ity, na tato amin’ny seminera izany na nandritra ny fandalinana soratra masina nataon’ny tenan’izy ireo manokana. Raha ilaina dia asao izy ireo hanopy maso ireo toko fito ao amin’ny Jakôba mba hanampiana azy ireo hahatadidy. Azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo fa i Jakôba dia teraka tany an-tany foana tany amin’ny tanin’i Soafeno (teo akaikin’ny ranomasina mena) ary maty tany an-tanin’i Nefia. Notsofin’i Lehia rano koa izy (jereo ny 2 Nefia 2:1–4), ary nahita ny Mpamonjy (jereo ny 2 Nefia 11:3). Nampidirin’i Nefia zokiny lahy tao amin’ireo takelaka kely ny sasantsasany amin’ireo fampianarana nataony (jereo ny 2 Nefia 6–10). Rehefa nahazo fotoana ampy dia manasà mpianatra maromaro hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba nitondran’ny ohatra nasehon’i Jakôba fitahiana teo amin’ny fiainanao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Jakôba 7:5. “Ary nanana fanantenana izy ny hanozongozona ahy tamin’ny finoana”

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanolotra torohevitra izay afaka manampy antsika hahafantatra izay tokony hatao rehefa misy fanontaniana na olana na zava-mitranga izay mitady hanozongozona ny finoantsika:

“Ahoana ny amin’ireo ahiahy sy ireo fametraham-panontaniana? Ahoana no fomba ahafantaranao fa marina ny filazantsara? Tsy maninona va izany hoe mametra-panontaniana mikasika ny Fiangonana sy ny fotopampianarany izany? Ry tanora malala namako isany, olona mpametra-panontaniana isika satria fantatsika fa ny fanontaniana no mitondra any amin’ny fahamarinana. Izany no fomba niantombohan’ny Fiangonana―avy tamin’ny zatovolahy iray izay nanana fanontaniana. Raha ny marina dia tsy azoko antoka hoe afaka mahita ny fahamarinana ny olona iray raha tsy mametraka fanontaniana. Ao amin’ny soratra masina dia mahalana ianao vao afaka mahita fanambarana izay tsy azo noho ny valin’ny fanontaniana iray. Isaky ny misy fanontaniana iray mipetraka ka hoe tsy azon’i Joseph Smith antoka ny valiny, dia nanontany ny Tompo izy, ary ny vokany dia ireo fanambarana mahatalanjona hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Matetika ny fahalalana izay voarain’i Joseph dia niitatra mihoatra lavitra noho ilay fanontaniana niaingana. Izany dia satria tsy hoe mamaly izay fanontaniana apetratsika fotsiny ny Tompo, fa ny manan-danja kokoa aza dia afaka manome valiny ho antsika Izy ho an’ireo fanontaniana izay tokony ho napetratsika. Aoka isika hihaino ireny valinteny ireny.

“Ny ezaka ataon’ny Fiangonana eo amin’ny asa fitoriana dia mifototra amin’ireo naman’ny Fiangonana izay mametraka fanontaniana avy ao am-po. Ny fametrahana fanontaniana no hiavian’ny fijoroana ho vavolombelona. Mety hahatsiaro ho menamenatra na ho tsy mendrika ny sasany satria manana fanontaniana lalina mikasika ny filazantsara, kanefa dia tsy tokony hahatsiaro ho toy izany izy ireny. Ny fametrahana fanontaniana dia tsy mariky ny fahalemena; fa fiantombohan’ny fitomboana.

“Andriamanitra dia mandidy antsika hikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika (jereo ny Jakoba 1:5–6) ary mangataka fotsiny ny mba hikatsahantsika ‘amin-kitsimpo …, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy’ (Môrônia 10:4). Rehefa manao izany isika dia aseho amintsika ny fahamarinan’ny zava-drehetra ‘amin’ny herin’ny Fanahy Masina’ (Môrônia 10:5).

“Aza matahotra; mametraha fanontaniana. Aoka ianao ho tia karokaroka, fa aza miahiahy! Mifikira hatrany amin’ny finoana sy amin’ilay fahazavana izay efa noraisinao. Koa satria tsy tanteraka ny fahitantsika mandritra ny fiainana an-tany, dia tsy ary hazava amintsika daholo akory ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao. Raha ny marina, dia tokony hihevitra aho fa raha toa ka mazava amintsika daholo ny zava-drehetra, dia ho porofo izany fa izany rehetra izany dia namboarin’ny olona iray mety maty ihany. Tsarovy fa nilaza Andriamanitra hoe:

“‘Ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako. …

“ ‘Fa tahaka ny haavon’ny lanitra mihoatra ny tany dia toy izany koa, ny lalako tsy lalanareo ary ny fihevitro tsy fihevitrareo” (Isaia 55:8–9).

“Na izany aza, fantatrareo fa iray amin’ireo tanjon’ny fianana an-tany dia ny ho tonga mitovy bebe kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fihevitsika sy eo amin’ny lalatsika. Raha jerena amin’izay fomba fijery izay, dia afaka mampanakaiky anao kokoa an’ Andriamanitra ny fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao, ary manamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona fa tsy manozongozona azy. Marina fa hoe ‘ny finoana dia tsy … fahalalana tomombana’ (Almà 32:21), fa rehefa mampihatra ny finoanao ianao, mampihatra fitsipiky ny filazantsara isan’andro na inona na inona toe-javatra misy, dia ho afaka hanandrana ireo vokatra mamin’ny filazantsara, ary amin’ireo voa ireo no hahafantaranareo ny fahamarinany (jereo ny Matio 7:16–20; Jaona 7:17; Almà 32:41–43)” (“The Reflection in the Water” [Takariva amorom-patan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 1 nôv. 2009]).

Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly ireo fametraham-panontaniana sy ireo fanakianana ny finoan’izy ireo, dia azonao asaina mijery ireto loharano manaraka ireto izy ireo:

  • Robert D. Hales, “Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 72–75.

    Ao amin’io lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana io ny Loholona Hales dia nampianatra mikasika ny fomba ahafahantsika mamaly ny fanakianana sy ny fanenjehana ao anatin’ny herimpo sy ny fandeferana ary ny fiantrana.

  • Ancrés dans la Foi (Miorim-paka ao amin’ny Finoana): Manuel de Référence sur l’Évangile (36863)

    Io boky io dia ahitana lisitry ny lohahevitra sy fanamarihana momba ny filazantsara manaraka ny abidia. Ny Fiadidiana voalohany dia nanoratra hoe iray amin’ny tanjon’ity boky ity ny hanampy ireo mpikambana “hamaly ireo fanontaniana mikasika ny Fiangonana” (Miorim-paka ao amin’ny finoana, 1).

  • www.lds.org/study/topics

    Ny tranonkala ofisialin’ny Fiangonana dia ahitana lisitry ny lohahevitra sy fanamarihana momba ny filazantsara manaraka ny abidia, miaraka amin’ny rohy mankany amin’ireo fitaovana fandalinana sy lahateny, sy lahatsoratra ary fanambarana nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka mifandray amin’izany.

Hamoaka printy