Tahirim-pitaovana
Lesona 145: Etera 3


Lesona 145

Etera 3

Fampidirana

Ho valin’ilay fanontanian’ny Tompo manao hoe— “Inona no tianao hataoko mba hanananareo hazavana ao amin’ny sambonareo?”—dia nanomana vato enina ambin’ny folo ny rahalahin’i Jareda ary nangataka tamim-panetren-tena ny Tompo mba hikasika azy ireo “mba hahazoan’[izy ireo] mamirapiratra ao amin’ny haizina” (Etera 2:23; 3:4). Nahita ny rantsan-tanan’ny Mpamonjy nikasika ireo vato ny rahalahin’i Jareda noho ny finoana lehibe nananany. Niseho tamin’ny rahalahin’i Jareda avy eo ny Tompo ary nanambara zavatra maro. Nandidy ny rahalahin’i Jareda hanoratra ny zavatra hitany sy reny ny Tompo ary hanisy kase ireo rakitsoratra mandra-panirian’ny Tompo ny famoahana azy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 3:1–20

Nikasika ireo vato ny Tompo mba hisian’ny hazavana ao amin’ireo sambon’ny Jaredita ary niseho tamin’ny rahalahin’i Jareda

Angataho hanao mpitantsoratra ny mpianatra iray. Apetraho amin’ireo mpianatra ity fanontaniana manaraka ity avy eo ary asaivo soratan’ilay mpitantsoratra eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.

  • Inona ireo zavatra sasantsasany izay angatahin’ireo tanora amin-kitsimpo amin’ny alalan’ny vavaka?

Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra fa mivavaka mangataka ny iray amin’ireo zavatra voatanisa eo amin’ny solaitrabe ny iray amin’ireo namany. Ity namana ity dia maniry hahafantatra ny fomba hanatsarana ny vavaka sy ny zavatra ataony mba hahafahany mandray ny fanampiana sy fitarihan’ny Tompo. Entano hihazona izany fangatahana izany ao an-tsainy ireo mpianatra eo am-pandalinan’izy ireo ny ohatra nataon’ny rahalahin’i Jareda ao amin’ny Etera 3 ary hikaroka hevi-baovao izay mety ho afaka zarain’izy ireo amin’ilay namany.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’ny lesona teo aloha dia nifanakalozan’izy ireo hevitra ny mikasika ny tantaran’ny rahalahin’i Jareda nangataka tamin’ny Tompo momba ny fomba hahazoana hazavana ho an’ny sambon’ny Jaredita.

  • Inona no nataon’ny rahalahin’i Jareda mba hanampiana amin’ny fahazoana hazavana ho an’ireo sambo? (Jereo ny Etera 3:1.)

  • Inona no nasain’ny rahalahin’i Jareda nataon’ny Tompo mba hahazoana hazavana? (Jereo ny Etera 3:1, 4.)

  • Inona no nanaitra anareo tamin’ny ezaka nataon’ny rahalahin’i Jareda?

Mariho fa niezaka be ny rahalahin’i Jareda teo amin’ny fanomanana ireo vato. Anontanio ireo mpianatra avy eo hoe moa hahomby ve ireo vato izay natokana hanomezana hazavana raha toa ka tsy nokasihin’ny Tompo. Asao hamaky amim-pahanginana ny Etera 3:2–5 ireo mpianatra ary hikaroka ireo andian-teny izay maneho fa manaiky ny fianteherany amin’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda.

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra rehefa avy naka fotoana hamakiana. Asaivo mifampizara eo amin’izy samy izy ny zavatra hitany izy ireo avy eo. Toroy hevitra mba hifampizara koa ny zavatra nanaitra azy ireo mikasika ny vavaka nataon’ny rahalahin’i Jareda izy ireo.

Rehefa mamaky ny Etera 3:2 ireo mpianatra dia mety mametraka fanontaniana mikasika ireo andian-teny hoe: “izahay dia tsy mendrika eo anoloanao” sy “efa zary ratsy lalandava ny toetranay.” Ampio izy ireo hahatakatra fa rehefa nampiasa ireo teny ireo ny rahalahin’i Jareda dia niresaka ny toetoetra izay nolovaintsika “noho ny fahalavoana” izy. Nisaraka tamin’Andriamanitra ara-batana sy ara-panahy isika ary mbola manalavitra Azy bebe kokoa rehefa manota. Raha ampitahaina Aminy dia malemy sy tsy mendrika isika. Tsy ho afaka ny hiverina hitoetra eo anatrehany isika raha tsy misy ny fanampiany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa ny dikan’ireo andininy izay novakiany ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho antsika ny manaiky ny fianteherantsika amin’ny Tompo rehefa mangataka ny fanampiany isika?

  • Inona no porofo mazava hitanareo ao amin’ny Etera 3:1–5 fa nanana finoana ny rahalahin’i Jareda fa afaka manampy azy hamaha ny olany ny Tompo? (Raha ilaina dia asaivo mijery ireo andian-teny izay maneho ny ezaky rahalahin’i Jareda sy ireo andian-teny izay mampiseho ny fahatokiany ny Tompo ireo mpianatra.)

Mba hanamafisana ny tanjaky ny finoan’ny rahalahin’i Jareda dia angataho hamaky ity teny nambara manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny mpianatra iray:

“Azo antoka fa nahatsapa zavatra nahery vaika teo amin’ny toetran-jaza tsy manan-tsiny sy hafanam-po ara-pinoan’ity lehilahy ity Andriamanitra, ary koa ireo mpamaky. ’Indro, Tompo ô, afaka manao izany ianao.’ Angamba tsy nisy finoana mahery vaika kokoa mihoatra noho izany fehezanteny tokan’ny finoana izany nasehon’ny olona tao amin’ny soratra masina. … Na dia tsy nahazo antoka mikasika ny fahazai-manaony aza ny mpaminany dia tsy nanana fihambahamba ny amin’ny herin’Andriamanitra izy” (“Rending the Veil of Unbelief,” in Nurturing Faith through the Book of Mormon: The 24th Annual Sidney B. Sperry Symposium [1995], 12).

Asehoy ny sary: Nahita ny Rantsantanan’ny Tompo ny Rahalahin’i Jareda (62478; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 85). Asao hamaky ny Etera 3:6 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary haka sary an-tsaina ny mety zavatra tsapan’ny rahalahin’i Jareda manoloana ireo zava-nitranga voalaza ao amin’ireo andininy ireo.

Sary
Nahita ny Rantsantanan’ny Tompo ny Rahalahin’i Jareda
  • Ahoana no mety ho eritreritrareo na fahatsapanareo raha toa ka niaina zavatra nitovy tamin’ny niainan’ny rahalahin’i Jareda ianareo?

Fintiny ny Etera 3:6–8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa “nianjera teo anoloan’ny Tompo” (Etera 3:6) ny rahalahin’i Jareda rehefa nahita ny rantsantanan’ny Tompo. Talanjona izy raha nahita fa ny rantsantanan’ny Tompo dia “toy ny rantsantanan’ny olona, sahala ny nofo sy ra” (Etera 3:6). (Taorian’izay dia nahafantatra ny rahalahin’i Jareda fa nahita ny ampahan’ny vatana fanahin’ny Tompo izy [jereo ny Etera 3:16].)

Asao hamaky amim-pahanginana ny Etera 3:9 ireo mpianatra ary hikaroka ny antony nahafahan’ny rahalahin’i Jareda nahita ny rantsantanan’ny Tompo.

Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga manaraka ity:

Rehefa miantso amim-panetren-tena ny Tompo isika dia hitahy antsika araka ny … sy ny sitrapony Izy.

Asaivo manolotra teny izay afaka ampiasaina hamenoana ity fehezanteny ity ireo mpianatra. Tokony hilaza ireo mpianatra fa ny teny hoe finoana no hamenoana ilay fehezanteny. Mety hilaza teny hafa toy ny ezaka, fanetren-tena, zavatra ilaina, ary fahatsoram-po koa izy ireo. Ampio izy ireo hahatakatra fa fanehoana ny finoantsika ireo teny rehetra ireo. Avy eo dia fenoy ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe: Rehefa miantso amim-panetren-tena ny Tompo isika dia hitahy antsika araka ny finoantsika sy ny sitrapony Izy.

Avereno jerena ilay fitanisana teo amin’ny solaitrabe tany am-piandohan’ny lesona. Misafidiana zavatra iray na roa avy amin’ilay fitanisana. Angataho ireo mpianatra hizara ny eritreriny mikasika ny fomba mety hanehoan’ny olona iray ny finoany ny Tompo amin’ireo toe-javatra manokana ireo. Aorian’ny fizaran’ireo mpianatra izany dia ivereno ilay fitsipika izay vao nosoratana teo amin’ny solaitrabe.

  • Inona ireo zavatra niainanareo ka nanampy anareo hahafantatra fa marina ity fitsipika ity?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ity fitsipika ity eo amin’ny fiainan’izy ireo dia asao izy ireo hieritreritra toe-javatra iray izay nilan’izy ireo ny fanampian’ny Tompo. Omeo fotoana ireo mpianatra hanoratana ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina mikasika ny fomba iray ahafahan’izy ireo mampihatra finoana bebe kokoa eo am-pikatsahany amim-panetren-tena ny fanampian’ny Tompo. Amporisiho hanatanteraka ny zavatra nosoratany ireo mpianatra. Afaka mizara traikefa iray nanananao ianao izay nandraisanao fitahiana noho ny fampiharanao ny finoanao an’ny Tompo.

Asao hamaky ity teny nambara manaraka ity ny mpianatra iray, izay nentin’ny Loholona Jeffrey R. Holland nanazavana fa afaka manamafy ny finoantsika ireo zavatra niainantsika teo aloha.

“Ny finoana fiomanana dia voavolavola avy amin’ireo zavatra niainana tany aloha—izay fantatra, izay manome fototra iray ho an’ny finoana” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 18).

  • Inona ireo traikefa sasantsasany izay niainan’ny rahalahin’i Jareda, nanomboka tany amin’ny Tilikambon’i Babela, ka nampatanjaka ny finoany ny Tompo? Ahoana araka ny eritreritrareo no nanomanan’ireo zavatra niainana ireo azy hampihatra finoana lehibe kokoa rehefa nitondra ireo vato teo amin’ny Tompo izy?

Asao mba hiaraka tsiroaroa ireo mpianatra ary hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo traikefa izay nampatanjaka ny finoanareo an’ny Tompo? Ahoana no hahafahan’ireo traikefa ireo manomana anareo hampihatra finoana lehibe kokoa any aoriana eo amin’ny fiainanareo?

Asao hifandimby hamaky mafy ny Etera 3:9–12 ny mpianatra vitsivitsy. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Rehefa nanontany ny Tompo hoe: “Inoanao va ny teny izay hoteneniko?” dia namaly ny rahalahin’i Jareda hoe: “Eny, ry Tompo” (Etera 3:11–12). Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ny faneken’ny rahalahin’i Jareda ny hino ny tenin’ny Tompo talohan’ny nandrenesany azy ireo?

Hazavao fa taorian’ny nampianaran’ny Loholona Holland mikasika ny finoana izay mifototra amin’ireo zavatra niainana teo aloha dia nampianatra mikasika ny finoana feno kokoa izay ilaintsika hovelarina izy. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambara manaraka nataon’ny Loholona Holland ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny finoana manavotra dia matetika no tsy maintsy ampiharina amin’ny alalan’ny zavatra hiainana amin’ny hoavy—izay tsy fantatra, izay manome fahafahana hisehoan’ny fahagagana. Mialoha lalana ny fahagagana sy ny fahalalana ny finoana mitaky asa, finoana mahafindra tendrombohitra, finoana tahaka ny an’ny rahalahin’i Jareda. … Ny finoana dia fanekena tsy arahina fepetra—ary mialoha lalana—ny fepetra rehetra izay mety takian’Andriamanitra na izany amin’ny fotoana efa akaiky na mbola lavitra.

“Feno ny finoan’ny rahalahin’i Jareda” (Christ and the New Covenant, 18–19).

Entano ireo mpianatra hanombatombana raha toa ka manana finoana ampy amin’ny Tompo izy ireo hanekena ny hino sy hanaraka ny zavatra izay ambarany amin’izy ireo eny fa na dia alohan’ny hanambarany izany aza.

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 3:13–20 ireo mpianatra ary hikaroka ny fitahiana noraisin’ny rahalahin’i Jareda, noho ny finoany. Azonao omena fotoana izy ireo hanoratana mikasika ireo fahamarinana nianarany sy ny traikefa niainany. Rehefa avy naka fotoana nanoratana ireo mpianatra dia angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany.

Tany am-piandohan’ity lesona ity, rehefa namaky mikasika ny rahalahin’i Jareda nahita ny rantsan-tanan’ny Tompo ireo mpianatra dia nanontany ianao ny mety ho fahatsapan’izy ireo raha toa ka niaina zavatra toy izany. Ankehitriny, taorian’ny namakiany bebe kokoa mikasika ny zavatra niainan’ny rahalahin’i Jareda, dia azonao atao ny mamerina mametraka indray izany fanontaniana izany

Ijoroy ho vavolombelona fa rehefa mampihatra finoana tahaka ny rahalahin’i Jareda isika dia hanatona akaikikaiky kokoa ny Tompo.

Etera 3:21–28

Nandidy ny rahalahin’i Jareda ny Tompo mba hanoratra ny zavatra hitany sy hanisy kase ny rakitsorany

Manasà mpianatra iray hamaky ny Etera 3:25–26, ary asaivo faritan’ireo mpianatra ny zavatra nasehon’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda tamin’ny fahitana. Asao hizara ny zavatra nianarany ireo mpianatra.

Fintino ny Etera 3:21–24, 27–28 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandidy ny rahalahin’i Jareda hanoratra ny zavatra hitany sy reny ary hanisy kase ny rakitsorany ny Tompo. Nanazava ihany koa ny Tompo fa hanomana lalana iray Izy izay hahafahan’ireo rakitsoratry ny rahalahin’i Jareda ho voadika amin’ny fotoana hoavy—amin’ny alalan’ny vato roa. Ireo vato ireo dia isan’ilay antsoina hoe Orima sy Tomima (jereo ny F&F 17:1; jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Orima sy Tomima”).

Farano amin’ny alalan’ny famporisihana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo androany ny lesona—hitady fomba hanehoana ny finoany sy fahatokiany ny Tompo. Omeo toky izy ireo fa rehefa mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika dia hitahy antsika Andriamanitra tahaka ny nitahiany ny rahalahin’i Jareda.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Etera 3:7, 9. Nametraka fanontaniana tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo

Nametraka fanontaniana tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo hoe: “Mitsangàna, nahoana ianao no nianjera?” (Etera 3:7). “Hitanao va ny mihoatra noho izany?” (Etera 3:9). Ahitana ohatra maro amin’ny fametrahan’ny Tompo fanontaniana ny soratra masina, eny fa na dia efa fantany aza ny valiny. Nampianatra ny antony hametrahan’ny Tompo fanontaniana toy izany ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Hevitra fototry ny fivavahan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny hoe Andriamanitra dia ‘mahafantatra ny zavatra rehetra, ary tsy misy na inona na inona tsy fantany.’ [2 Nefia 9:20. Ireo soratra masina, fahiny sy ny maoderina, dia rakotr’ity filazana ny maha-henim-pahalalana ity. Na izany aza anefa dia nanontany ny olona Andriamanitra matetika, izay mazàna no fomba iray hitsapany ny finoan’izy ireo, hanombatombanany ny fahamarinan-toetran’izy ireo, na hampitomboany ny fahalalan’izy ireo” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 19–20).

Etera 3:15. “Na oviana na oviana Aho dia tsy naneho ny tenako tamin’ny olona”

Nanolotra fanazavana iray mety mitombina ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny amin’ny fanambaran’i Jesoa fa tsy naneho ny Tenany tamin’ny olona na oviana na oviana Izy talohan’ny nanehoany ny Tenany tamin’ny rahalahin’i Jareda:

“Nilaza tamin’ny rahalahin’i Jareda i Kristy fa, ‘Na oviana na oviana Aho dia tsy naneho ny tenako tamin’ny olona araka io tranga io, raha tsy araka ny sitrapoko, izay nosarihana avy amin’ny finoan’ilay mpanatrika.’ Fitsipika iray arahana ny hoe ny mpaminany dia asaina ho eo anatrehan’ny Tompo ary asaina hiditra eo anatrehany amin’ny alalany sy avy amin’ny fanekeny irery ihany. Ny rahalahin’i Jareda, etsy andanin’izany, toa ireny tafampita ny voaly ireny, tsy hoe toy ny vahiny tsy tiana fa angamba toy ny vahiny tsy nasaina. … Mazava be fa ny Tompo dia nampifandray izany finoana tsy mbola fahita izany tamin’ity fahitana mbola tsy nitranga ity. Raha toa ka tsy miavaka ilay fahitana, dia ilay finoana izany no miavaka sy ny fomba nahazoana ilay fahitana izay tsy nanan-tsahala. Ny hany fomba mahatonga ny finoana ho mahatalanjona dia noho ny fahafahany mitondra ny mpaminany, izay tsy nasaina, raha toa ka afaka ny nanao izany noho ny famelan’ Andriamanitra ihany ny sasany” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 23).

Etera 3:16. “Ity vatana … ity, dia ny vatan’ny fanahiko”

Nanantitrantitra ny Loholona Cecil O. Samuelson tao amin’ny Fitopololahy fa tamin’ny alalan’ny tantaran’ny rahalahin’i Jareda dia afaka mianatra mikasika ny vatan’ny Mpamonjy talohan’ny nahaterahana sy ny maha-andriamanitra isika:

“Tsy misy na aiza na aiza ao amin’ny soratra masina tantara mazava kokoa nomena mahakasika ny toetoetran’ny vatana fanahin’ny Tompo Jesoa Kristy ary, indrindra indrindra ny amin’ny toetoetran’ny fanahintsika manokana. Tsy nahita fotsiny ny rantsantanan’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany ny rahalahin’i Jareda fa tena nahita koa ny vatana fanahiny iray manontolo (jereo ny Etera 3:6, 13). Fitahiana sy tombontsoa lehibe ny fananana fahatakarana momba ny maha-andriamanitra an’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany sy ny maha-izy antsika ara-panahy talohan’ny nahaterahantsika araka ny nofo. Ireo hevi-baovao manova ny fetram-pahalalana nentim-paharazana ireo dia vokatra mivantana avy amin’ny finoana tsy manam-petran’ny rahalahin’i Jareda” (“The Brother of Jared,” in Heroes from the Book of Mormon [1995], 185).

Etera 3:23–24. “Ireto vato roa ireto”

Anisan’ny ampahan’ilay antsoina hoe Orima sy Tomima ireo vato roa izay nomen’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda ireo. Manambara ny soratra masina fa mihoatra ny iray ny Orima sy Tomima, kanefa nampahafantarina antsika fa ilay iray izay nampiasain’ny rahalahin’i Jareda no nananan’i Joseph Smith (jereo ny Etera 3:22–28; F&F 10:1; 17:1). Ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:35, ny Mpaminany Joseph dia nanome famaritana ampahany ny amin’ity Orima sy Tomima ity. Nampiasa izany izy tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna sy tamin’ny fahazoana fanambarana hafa.

Hamoaka printy