Tahirim-pitaovana
Helamàna


Fampahafantarana NY Bokin’i Helamàna

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ao anatin’ny fandalinany ny bokin’i Helamàna, ny mpianatra dia hianatra zavatra avy amin’ny ohatra sy ny fampianaran’ireo lehilahy manana ny maha izy azy toa an’i Helàmana, ireo zanany lahy Nefia sy Lehia ary i Samoela ilay Lamanita izay nankatò tamim-kerimpo ny Tompo ary nijoro ho vavolombelona momba Azy. Ny asa fanompoana nataon’ireo lehilahy ireo dia mampiseho fa omen’Andriamanitra hery ny mpanompony mba hanatanterahana ny sitrapony ary afaka mitahy olona an’arivony ny ezaka ataon’ireo olo-marina. Ny mpianatra koa dia hianatra mikasika ny voka-dratsin’ny fiavonavonana sy ny faharatsiana ary ny tsikombakomba miafina.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Nanambatra sy namintina rakitsoratra avy amin’ireo takelaka lehiben’i Nefia i Môrmôna mba hanaovana ny bokin’i Helamàna. Nantsoina hoe Helamàna ilay boky izay zanakalahin’i Helamàna ary zafikelin’i Almà Zanany. I Helamàna dia nandray ireo rakitsoratra avy amin’i Siblôna dadatoany izay lohan’ny mpitsara nandala ny fahamarinana teo anivon’ny Nefita. Nampianariny i Nefia sy i Lehia zanany mba hitandrina ny didy sy hahatsiaro ny Mpanavotra azy ireo ary hanao Azy ho fototra iorenan’ny fiainan’izy ireo (jereo ny Helamàna 5:9–14). Rehefa nentanin’ireo fampianarana ireo sy niasa saina noho ny faharatsian’ny olona i Nefia sy i Lehia, dia nitory fibebahana tamin’ny Nefita sy ny Lamanita. Niala tamin’ny naha lohan’ny mpitsara azy i Nefia mba hanaovana izany. Rehefa niova fo ny Lamanita an’arivony maro dia nisy mpaminany Lamanita iray izay nantsoina hoe Samoela nentanin’ny Fanahy hitory fibebahana sy hizara faminaniana teo anivon’ny Nefita. Ny bokin’i Helamàna dia mampiasa ireo fampahalalana avy ao amin’ireo rakitsoratra natao nandritra ny fotoana nanjakan’i Helamàna sy nanaovany asa fanompoana (Helamàna 1–3) sy natao nandritra ny fotoana nanjakan’i Nefia sy nanaovany asa fanompoana (Helamàna 4–16). Ny rakitsoratr’i Nefia dia ahitana ireo faminaniana sy fampianaran’i Samoela ilay Lamanita.

Ho an’iza no nanoratana io boky io ary nahoana?

Nosoratan’i Môrmôna ny bokin’i Helamàna ho an’ny olona amin’ny andro farany izay handray ny rakitsorany. Toy ireo famintinana nataony avy amin’ireo takelaka lehibe an’i Nefia, dia mijoro ho vavolombelona mikasika ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny asa fanavotana nanirahana Azy ny bokin’i Helamàna (jereo ny Helamàna 3:27–30; 5:9–12; 8:13–23; 14:1–29; 16:4–5).

Oviana ary taiza no fotoana nanoratana azy?

Ireo rakitsoratra avy any ifotony izay loharano nanoratana ny bokin’i Helamàna dia mety nosoratana teo anelanelan’ny 52 Talohan’i Kristy sy 1 Talohan’i Kristy Nofintinin’i Môrmôna ireo rakitsoratra ireo teo anelanelan’ny 345 Taorian’i J.K sy 385 Taorian’i J.K teo ho eo. Tsy noraketin’i Môrmôna ny toerana nisy azy tamin’izy nanambatra ilay boky.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ny bokin’i Helamàna dia maneho ny fiovan’ny Nefita avy eo amin’ny fahamarinan-toetra mankany amin’ny faharatsiana izay tena matetika kokoa noho ny hatrizay tao anatin’ny tantaran’izy ireo. Ity boky ity dia mitantara ireo toe-javatra maro nahitana fifandirana, ady, famonoan’olona ary tsikombakomba miafina. Izy io koa dia mampahafantatra sy mamaritra ireo zavatra nataon’ny jirik’i Gadiantôna ary ny asa maizin’izy ireo dia nitondra tany amin’ny famongorana ny Nefita tamin’ny farany (jereo ny Helamàna 2:13–14). Ny bokin’i Helamàna koa dia miavaka satria mamaritra vanim-potoana iray izany izay nampiova fo ny ankamaroan’ny Lamanita ary “ny fahamarinany dia nihoatra ny an’ny Nefita” (Helamàna 6:1). Ankoatra izany dia mampiseho ny hery nomen’Andriamanitra ny mpaminaniny koa izany toy ny tamin’ny fotoana nanambaran’i Nefia ny famonoana lohan’ny mpitsara iray sy ny naminaniany ny fifabohan’ilay rahalahin’ny mpitsara (jereo ny Helamàna 8–9) ary tamin’ny fotoana nahazoany ny fahefana hifehy avy amin’ny Tompo sy ny nampiasany izany mba hisian’ny mosary ary hanesorana izany avy eo (jereo ny Helamàna 10–11). Ankoatra izany ao anatin’ilay fitehirizany ny tenin’i Samoela, dia ity boky ity no ahitana ilay hany rakitsoratra misy ny lahatenin’ilay mpaminany Lamanita izay nozaraina tamin’ny Nefita (jereo ny Helamàna 13–15). Ao anatin’io toriteny io dia naminany ireo famantarana ny amin’ny fahaterahana sy fahafatesan’i Jesoa Kristy i Samoela.

Topimaso

Helamàna 1–3 Nisy namono ny lohan’ny mpitsara roa dia i Pahôràna sy i Pakomenia izany. Nahatohitra ny fanafihan’ny Lamanita izay notarihan’i Kôriantomira i Môrônihà. Voavono ho faty i Kiskomena raha nikasa ny hamono an’i Helamàna, izay voatendry ho lohan’ny mpitsara vaovao. Na dia nampiely ny tsikombakomba miafina aza i Gadiantôna sy ny jiriny dia olona an’arivorivony no vita batisa tao amin’ny Fiangonana. Lasa lohan’ny mpitsara i Nefia taorian’ny nahafatesan’i Helamàna.

Helamàna 4–6 Nisy tafika iray nahitana mpiendaka Nefita ary Lamanita naka ny tanin’ny Nefita rehetra tany amin’ny faritra atsimo izay nahitana an’i Zarahemlà. Lasa narefo ny Nefita noho ny faharatsiany. Nomen’i Nefia an’i Sezôrama ny toeram-pitsarana. Nahatsiaro ny tenin’ny rainy i Nefia sy Lehia ary nanolo-tena hitory ny filazantsara. Maro ireo mpiendaka no nibebaka sy niverina tany amin’ireo Nefita. Rehefa narovan’ny Tompo tamin’ny fomba mahagaga i Nefia sy i Lehia tao am-ponja, dia niova fo ny ankamaroan’ny Lamanita ary namerina ireo tany izay nalainy tamin’ny Nefita. Tao anatin’ny fotoana iray nisian’ny firoboroboana dia nitombo be ny isan’ny jirik’i Gadiantôna. Maro tamin’ireo Nefita no nanaraka ny faharatsiany ka niteraka ny fahasimban’ny governemanta Nefita.

Helamàna 7–12 Nivavaka teo amin’ny tilikambon’ny sahany i Nefia ary niantso ny olona mba hibebaka. Nitanisa ny fijoroana ho vavolombelon’olona maro izay naminany momba an’i Kristy izy. Nanambara koa izy fa i Sezôrama, ilay lohan’ny mpitsara dia novonoin’i Seantoma rahalahiny. Nahazo ny fahefana hifehy i Nefia ary nanohy nitory fibebahana. Nangataka ny Tompo izy mba hanolo ny adin’ny Nefita ho mosary ary nitondra orana ny vavaka nataony mba hamaranana ilay mosary rehefa avy nibebaka ny olona. Taorian’ny vanim-potoana fohy nisian’ny firoboroboana sy fandriampahalemana dia niely teo anivon’ny olona ny fifandirana sy ny faharatsiana. Nalahelo ny toetran’ny olona tsy mahatombin-tsiraka sy feno hadalana i Môrmôna.

Helamàna 13–16 Niantso ny Nefita mba hibebaka i Samoela ilay Lamanita sy naminany mikasika ny famongorana azy ireo any amin’ny farany ary nanambara mialoha ireo famantarana hiseho amin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny fahafatesany. Ireo izay nino ny teniny dia natao batisa. Kanefa nandà an’i Samoela ny ankamaroan’ny olona ary tsy niraharaha ireo famantarana sy zava-mahagaga izay naseho.

Hamoaka printy