Tahirim-pitaovana
Lesona 115: Helamàna 15–16


Lesona 115

Helamàna 15–16

Fampidirana

Nampitandrina ny Nefita i Samoela ilay Lamanita fa raha tsy mibebaka izy ireo dia hofongorana. Nambarany fa hohalavain’ny Tompo ny andron’ireo Lamanita izay lasa marina kokoa noho ny Nefita. Nino ny fampianaran’i Samoela ny Nefita sasany nataon’i Nefia batisa. Ireo izay tsy nino an’i Samoela dia nikasa ny hamono azy. Saingy voaro tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra i Samoela ary niverina tany amin’ny taniny.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 15

Nampitandrina ny Nefita i Samoela ary nanazava ny nahatonga ny Lamanita ho vahoakan’ny fampanantenana

Vakio mafy ireto famaritana manaraka ireto:

Nisy zatovolahy iray notezain’ny ray aman-dreniny izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ary tsy nanome lanja ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Navelany hisotro toaka izy izay fomba fanao nentiny hatrany amin’ny oniversite. Dia nihaona tamin’ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany izy. Rehefa nihaona tamin’ireo misiônera tao anatin’ny fotoana vitsivitsy izy dia nampanantena fa hanajanona ny toaka. Andro vitsy taty aoriana dia niaraka tamin’ny andiana mpinamana iray izy. Notoloran’izy ireo toaka izy.

Nisy zatovolahy iray hafa izay notezaina tao anatin’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany. Manao takarivan’ny mpianakavy ny ray aman-dreniny ary manao fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina. Lasa nanana fahazarana manao fandalinana ny soratra masina isan’andro izy ary manao vavaky ny tena manokana. Nanatrika ny Kilonga izy, nanompo tao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ary nahazo mari-pankasitrahana avy ao amin’ny seminera ka nanana fahalalana mikasika ny didy sy ny lalan’ny Tompo. Rehefa nianatra tany amin’ny oniversite izy dia lasa nanana namana vaovao. Indray alina notoloran’ny namana iray toaka izy.

  • Ho zavatra tena ratsy ho an’iza ny fanekena hisotro ilay toaka? Ho an’ilay zatovolahy voalohany sa ilay zatovolahy faharoa? Nahoana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity zavatra manaraka ity:

Fiainam-panahin’ny Nefita—Helamàna 15:1–3, 17

Fiainam-panahin’ny Lamanita—Helamàna 15:4–6

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny mpianatra mba hanoratra fehezanteny roa—ny iray mamintina ny fiainam-panahin’ny Nefita ary ilay iray hafa mamintina ny fiainam-panahin’ny Lamanita. Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia anontanio hoe:

  • Iza amin’ireo zatovolahy roa noresahina tany am-piandohan’ny lesona no mitovy amin’ireo Nefita voafaritra ao amin’ireo andininy ireo? Iza no mitovy amin’ny Lamanita?

  • Na dia nanana tantara lava nifono faharatsiana aza ny Lamanita dia nahoana no afaka nahazo fitahiana maro be izy ireo?

  • Nahoana ireo Nefita no tsy lavitry ny famongorana?

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny famaizan’ny Tompo ho mariky ny fitiavany? (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe faizina dia midika hoe manitsy olona iray amin’ny alalan’ny karazana fanazasiana na fampijaliana.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity zavatra manaraka ity:

Rehefa mahafantatra ny fahamarinana ny olona ary mino ny soratra masina dia voatarika ho amin’ny … ary … , izay mitondra …

Angataho ny mpianatra mba hamaky mangina ny Helamàna 15:7 ka hitady ny fomba hamenoan’izy ireo ilay fanambarana eo amin’ny solaitrabe. Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia anontanio ny mpianatra vitsivitsy izay fomba namenoany izany fanambarana izany. (Ohatra, mety hilaza izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Rehefa mahafantatra ny fahamarinana ny olona sy mino ny soratra masina, dia voatarika ho amin’ny finoana sy fibebahana izay mitondra fiovam-po.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 15:8. Angataho ny mpianatra ambiny mba hanaraka izany ka hitady ny famaritan’i Samoela ny Lamanita izay niaina fiovam-po. (“Niorina sy nifototra ao amin’ny finoana” izy ireo.)

Omeo fotoana ny mpianatra mba hisaintsainana hoe moa nitondra azy ireo hanana finoana lehibe kokoa ny Tompo ny fandalinana ny soratra masina. Angataho koa izy ireo mba hisaintsaina hoe moa ve nitarika azy ireo mba ho mafy orina sy hifototra ao amin’ny finoana izany. Manasà mpianatra iray na roa mba hanazava ny fomba nitomboan’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy noho ny fandalinany ny soratra masina.

Sariho amin’ny Helamàna 15:9–17 ny sain’ny mpianatra. Hazavao fa ilay teny hoe ianareo dia ilazana ireo Nefita ary ny teny hoe izy sy ny mpisolo tena tampisaka -ny dia ilazana ny Lamanita. Vakio mafy amin’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina ireo ka miatoa rehefa ilaina izany mba hanomezana fanazavana sy valim-panontaniana. Dia omeo fotoana ny mpianatra mba hijerena indray ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hanoratany fehezanteny iray izay maneho fahamarinana iray nampianarina ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Asao ny mpianatra maromaro mba hamaky ny zavatra nosoratany. Ao anatin’ireo fahamarinana holazaina dia mety hanoratra zavatra toy izao ny mpianatra: Raha toa ka lasa tsy mpino ny olona aorian’ny nandraisany ny fahafenoan’ny filazantsara dia hianjadian’ny fanamelohana lehibe izy ireo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Helamàna 15:9–17.

Rehefa mifanakalo hevitra momba ity fahamarinana ity ny mpianatra dia hamafiso ireo fitahiana lehibe izay azo avy amin’ny fahatakarana sy fiainana ny filazantsara ankehitriny. Ny fampianarana nozarain’i Samoela akory dia tsy midika hoe azo leferina raha manota ny mpikamban’ny Fiangonana vaovao. Ary koa tsy midika hoe afaka mitsoaka ny maha- tompon’andraikitra antsika sy ny fanamelohana antsika isika amin’ny alalan’ny fandavana tsy hianatra mikasika ny filazantsara. Raha toa ka marina ny hoe mitondra fahatsapana bebe kokoa ho tompon’andraikitra ny fananana fahalalana momba ny filazantsara, dia noho izany, raha manao zavatra tsy mety isika dia hitarika antsika koa mba hanana hery lehibe kokoa ao anatin’ny ezaka ataontsika mba hanao ny marina izany. Ary rehefa manaraka ny sitrapon’Andriamanitra isika sy manampy ny hafa hanao izany koa dia manome antsika fiadanana sy fifaliana izay tsy azontsika amin’ny fomba hafa Izy.

Helamàna 16

Nibebaka sy natao batisa ireo izay nino an’i Samoela, saingy nanamafy ny fony kosa ny sasany

Asehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’izao fotoana izao. Angataho ny mpianatra mba hamaritra ireo fihetsika hitan’izy ireo fa nasehon’ny olona (avy ao anatin’ny Fiangonana sy izay any ivelan’ny Fiangonana) teo anatrehan’ireo hafatra avy amin’ireo mpaminany.

Angataho ny antsasaky ny mpianatra mba hamaky mangina ny Helamàna 16:1–5 ka hitady ireo fihetsika nasehon’ny olona izay nino ny hafatr’i Samoela. Angataho ilay antsasany ambiny mba hamaky mangina ny Helamàna 16:2–3, 6–7 ka hitady ny fihetsika nasehon’ny olona izay tsy nino ny hafatr’i Samoela. (Azonao atao ny manoratra ireo soratra masina ireo eny amin’ny solaitrabe.) Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanao tatitra ny zavatra nianarany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no maneho fihetsika tsy mitovy toy izany ny olona eo anatrehan’ireo mpaminany sy ny hafany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tezitra ny olona sasany rehefa manolotra torohevitra ny mpaminany toy ireo teny hita ao amin’ny bokikely Jeunes Soyez Forts?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Rehefa manapotsitra ny fahotan’izao tontolo izao ny mpaminany dia raha tokony hibebaka amin’ny fahotany ireo olon’izao tontolo izao, dia na izy ireo te hanidy ny vavan’ny mpaminany na mody manao toy ireny hoe tsy nisy ireny ny mpaminany. Ny laza eo anivon’ny olona akory dia tsy mba mpanondro velively ny fisian’ny fahamarinana iray. Maro ireo mpaminany novonoina sy noroahina. Noho ny fanakaikezantsika ny fiavian’ny Tompo fanindroany dia afaka manantena ianao fa rehefa miharatsy kokoa ny olon’izao tontolo izao dia tsy mba halaza be eo anivon’izy ireo ny mpaminany” (The Teachings of Ezra Taft Benson [1988], 133).

  • Manomeza ohatra vitsivitsy mikasika ny olona izay nanaraka ny torohevitry ny mpaminany na dia nandà izany torohevitra izany aza ny hafa?

Angataho ny mpianatra mba hanokatra ny soratra masin’izy ireo. Angataho ny mpianatra iray mba hanokatra ny soratra masiny ary hamaky ny Helamàna 16:13–14 ka mihaino izany kosa ireo mpianatra ambiny. Anontanio ny mpianatra hoe ahoana no ho fihetsik’ireo tsy mpino eo anatrehan’ireo famantarana sy fisehoana ireo araka ny eritreriny.

Angataho ny mpianatra mba hanokatra ny soratra masiny ary hanaraka izany rehefa mamaky amin’izy ireo ny Helamàna 16:15–16 ianao. Dia angataho izy ireo mba haka sary an-tsaina hoe nomena fahafahana hiteny amin’ny vahoaka tany Zarahemlà izy ireo tamin’ny fotoana nanomezana ireo famantarana. Asao izy ireo mba hieritreritra fanontaniana izay tian’izy ireo hapetraka amin’ny mpino iray na amin’ny tsy mpino iray. Rehefa nanana fotoana ampy nieritreretana fanontaniana ny mpianatra dia angataho ny sasany amin’izy ireo mba hizara ny fanontaniany amin’ny mpianatra rehetra.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity ka tsy valiany am-bava izany:

  • Raha toa ianao ka teo ary nahita ireo famantarana sy zava-mahagaga ireo dia inona araka ny eritreritrao no fihetsika mety ho nasehonao?

Rehefa nanana fotoana nisaintsainana ny mpianatra dia anontanio hoe:

  • Araka ny Helamàna 16:16, dia nahoana no nandà ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny mpaminany ny olona sasany ary tafiditra tao anatin’izany koa ireo famantarana teny an-danitra?

Omeo minitra vitsy ny mpianatra mba hamakiana mangina ny Helamàna 16:17–21 ka hitady ireo fanarontsaronan-javatra fanampiny nataon’ireo olona tsy marina mba tsy hinoana ireo faminaniana nataon’i Samoela. Mangataha mpianatra vitsivitsy mba hilaza ireo fanarontsaronan-javatra hitan’izy ireo tao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Inona amin’ireo fanarontsaronan-javatra ireo na ireo hevitra hanoherana ny mpaminany ireo araka ny eritreritrao no tena be mpampiasa amin’izao androntsika izao?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 16:22–23 ary hangataka ny mpianatra ambiny mba hitady ny zavatra nitranga rehefa nanohy tsy niraharaha ny fampitandreman’i Samoela ny olona maro. Asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Inona no hitranga amintsika rehefa mandà ireo mpaminanin’ny Tompo amin’ny andro farany isika?

Rehefa manome ny valinteniny ny mpianatra dia antitrantero ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandà ireo vavolombelon’ny Tompo isika dia manome vahana an’i Satana hahazo ny fontsika isika. (Azonao atao ny manoratra izany fanambarana izany eny amin’ny solaitrabe.)

Hamaranana ny lesona androany dia asao ny mpianatra mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Angataho ny mpianatra ambiny mba hihaino ny zavatra tena safidiantsika rehefa mandà ny torohevitr’Andriamanitra isika ary ny ankamaroan’izany dia avy amin’ireo mpaminanin’ny andro farany:

“Rehefa mandà ny torohevitra avy amin’Andriamanitra isika dia tsy misafidy ny mba hahaleo tena amin’ny fitarihana any ivelany. Misafidy hery mitarika hafa isika. Mandà ny fiarovan’ilay Ray any an-danitra izay be fitiavana sy manana ny hery rehetra ary mahalala ny zava-drehetra isika izay ny tena tanjony toy ny an’ilay Zanaka Malalany dia ny hanome antsika fiainana mandrakizay, sy hanome antsika izay zavatra ananany rehetra ary hampody antsika any an-trano indray amin’ny maha-fianakaviana ho eo amin’ny sandrim-pitiavany. Rehefa mandà ny toroheviny isika dia misafidy hery mitarika iray hafa izay ny tanjony dia ny hanao izay hahafadiranovana antsika ary ny fankahalalana no foto-keviny. Nomen’Andriamanitra ny safidy ara-pitondrantena isika. Raha tokony hanana zo hisafidy ny tsy ho voagenjan-javatra mitarika isika dia lasa zo tsy azo esorina mba hampanoa ny tenantsika amin’izay mety ho hery nofidiantsika indray izany” (“Finding Safety in Counsel,” Ensign, Mey 1997, 25).

  • Araka ny Filoha Eyring dia inona marina no tena safidiantsika rehefa mandà ny torohevitra avy amin’Andriamanitra sy ny mpaminaniny isika?

Asao ny mpianatra mba hieritreritra amim-pahanginana raha toa ka efa nanamafy ny fony izy ireo ka nanohitra ireo torohevitra nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany sy ny apôstôly. Amporisiho izy ireo mba ho mafy orina sy tsy ho azo hozongozonina eo amin’ny fiainana ny filazantsara sy ny fanarahana ny torohevitry ny Tompo avy amin’ireo mpaminaniny. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra tao anatin’ity lesona ity.

Fanaovana Jery Todika an’i Helamàna

Manokàna fotoana hanampiana ny mpianatra hanao jery todika ny bokin’i Helamàna. Angataho izy ireo mba hieritreritra momba ny zavatra nianarany avy ao amin’io boky io nandritra ny seminera sy nandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina. Asao izy ireo mba hanao jery todika vetivety ireo famintinana ny toko sasantsasany ao amin’ny Helamàna mba hanampiana azy ireo hahatsiaro izany. Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hizara zavatra avy ao amin’ny Helamàna izay nanentana ny fanahin’izy ireo na nanampy azy ireo hanana finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy. Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia angataho ny mpianatra maromaro mba hizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Helamàna 15:3–4. Ilay fitiavana masin’ Andriamanitra

Mety hametra-panontaniana mikasika ny fanambaran’i Samoela ny mpianatra izay milaza fa notiavin’ny Tompo ny Nefita ary nofaiziny ny Lamanita (jereo ny Helamàna 15:3–4). Tia ny olona rehetra ny Tompo saingy tsy afaka mampandefitra ny fahotana. Nampianatra i Samoela hoe: “Ny Lamanita dia efa nankahalainy satria ny ataony dia efa ratsy lalandava,” saingy niteny koa izy fa “nohalavain’ny Tompo ny androny” mba hahafahan’izy ireo mandray ny filazantsara (jereo ny Helamàna 15:4).

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Mpamonjy ny olona rehetra ary nampianatra fa ireo izay miezaka ny mitandrina ny didin’ny Tompo sy mibebaka amin’ny fahotany ihany no mahazo ireo fitahiana feno avy amin’ny fitiavana masin’ny Tompo.

“Tsy manam-petra ary ho an’ny rehetra ilay fitiavana masina. Ny Mpamonjy dia sady tia ny olomasina no tia ny mpanota. Nanambara ny Apôstôly Jaona hoe: ‘Isika tia satria Izy efa tia antsika taloha.’ [1 Jaona 4:19.] Ary i Nefia rehefa nahita tao anatin’ny fahitana ilay asa fanompoana hataon’ny Tompo eto an-tany dia nanambara hoe: ‘Ary izao tontolo izao, noho ny helony dia hihevitra Azy ho tsinontsinona; koa karavasiny Izy ary miaritra izany; ary asiany Izy, fa miaritra izany. Eny, rorany Izy ary miaritra izany noho ny lemim-panahiny sy ny fitiavany ary ny faharipony amin’ny zanak’olombelona.’ [1 Nefia 19:9; nampiana soramandry.] Fantatsika ny halehiben’ny fitiavan’ilay Mpanavotra satria maty Izy mba hahafahan’ny rehetra izay maty mba ho velona indray. …

“… Misy fepetra ny fahazoana ilay fitiavana masina sy ireo fitahiana avy amin’izany fitiavana izany—miankina amin’ny fankatoavantsika ilay lalàna mandrakizay” (“Divine Love,” Ensign, Feb. 2003, 24–25).

Hamoaka printy