Tahirim-pitaovana
Lesona 155: Môrônia 7:1–19


Lesona 155

Môrônia 7:1–19

Fampidirana

Nirakitra an-tsoratra ny lahateny nataon’i Môrmôna rainy taona maro talohaloha kely i Môrônia. Miresaka ny ampahany voalohany amin’ilay lahateny ity lesona ity, izay nampianaran’i Môrmôna mikasika ny fanaovana asa tsara amin’ny finiavana marina ary mikasika ny fomba ahafahantsika manavaka ny tsara amin’ny ratsy. Miresaka ny sisa tavela amin’ilay lahateny ny lesona 156.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 7:1–11

Nampianatra ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy hanao asa tsara amin’ny finiavana marina i Môrmôna

Mampisehoa voankazo iray izay tsara endrika ety ivelany.

  • Moa ve ianao efa nahita fa tsy tsara tahaka ny endriny tety ivelany ny atin’ny voankazo iray? (Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ohatra. Azonao atao ny mitantara zavatra niainanao manokana.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hitovian’ny olona iray amin’ny voankazo iray izay tsara endrika ety ivelany fa lo ao anatiny?

Hazavao fa nirakitra an-tsoratra ny tenin’i Môrmôna rainy mikasika ny maha zava-dehibe ny fahatsarana ao am-pontsika sy ny fanaovana asa tsara i Môrônia. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 7:2–3 ary asao ny iray kilasy hamantatra ilay andian’olona niresahan’i Môrmôna. (Niresaka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana izy.)

Rehefa avy mitatitra ny zavatra nianarany ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 7:4–5. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hamantatra ny fomba nahafantaran’i Môrmôna fa “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” (Môrônia 7:3) ireo olona ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay andian-teny hoe finiavana marina.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’io andian-teny io?

Eo am-piresahan’ny mpianatra an’io fanontaniana io dia azonao atao ny manasa ny iray amin’izy ireo hamaky ity fanazavana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Tsy tokony hanao ny tsara fotsiny isika. Tokony hanao asa noho ny antony tsara isika. Ny fiteny ankehitriny hilazana izany dia hoe antony tsara manosika. Matetika ny soratra masina no manambara io fomba fisainana tsara io amin’ny andian-teny hoe finiavan’ny fo manontolo na finiavana marina.

“Manazava ny soratra masina fa mahatakatra ny antony manosika antsika hanao zavatra Andriamanitra ary hitsara ny asantsika araka izany” (Pure in Heart [1988], 15).

Asao ny mpianatra handalina mangina ny Môrônia 7:6–10 mba hitady ireo fampitandremana nataon’ny Tompo ho an’ny olona manao asa tsara tsy amin’ny finiavana marina.

  • Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo an’ireo izay manao asa tsara tsy amin’ny finiavana marina? (Nampitandrina Izy fa tsy hahasoa an’ireo olona ireo na amin’inona na amin’inona ny asan’izy ireo ary hosokajiana ho ratsy fa tsy tsara ny asan’izy ireo.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Raha toa ka mety hilaza fahamarinana maro ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Tokony hanao asa amin’ny finiavana marina isika mba hotahiana amin’ny asa tsara ataontsika.)

  • Ankoatra ny faniriana hahazo fitahiana avy amin’ny Tompo dia nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ny manao asa tsara amin’ny finiavana marina?

  • Inona no fahasamihafana tsikaritrareo rehefa nanao asa tsara tamin’ny finiavana marina ianareo?

Hamafiso fa namporisika antsika hivavaka amin’ny finiavan’ny fo marina i Môrmôna (jereo ny Môrônia 7:9). Asao ny mpianatra hamaky ity torohevitra manaraka avy amin’ny Filoha Brigham Young ity:

Sary
Filoha Brigham Young

“Tsy maninona na mahatsapa te hivavaka na tsia izaho na ianao, fa rehefa tonga ny fotoana hivavahana dia mivavaha. Raha tsy mahatsapa te hanao izany isika dia tokony hivavaka mandra-pahatsapantsika izany” (Enseignements de Présidents de l’Église: Brigham Young [1997], 45).

  • Na dia rehefa tsy mahatsapa hoe te hivavaka aza isika dia ahoana no hanampian’ny fisafidianantsika ny hivavaka mba hivavaka amin’ny finiavan’ny fo marina any aoriana?

  • Inona no mety ifandraisan’ny torohevitry ny Filoha Brigham Young amin’ny fankatoavana ireo didy hafa ankoatra ny vavaka? (Raha manana olana amin’ny famaliana io fanontaniana io ny mpianatra dia zarao ity ohatra manaraka ity: Mety tsy handeha any am-piangonana amin’ny finiavana marina ny olona sasany. Kanefa raha manohy mankany am-piangonana izy ireo ary manao izay rehetra azony atao mba handraisana anjara amin’ny fitsaohana dia hanana traikefa izay hanampy azy ireo hahita fifaliana amin’ny fankanesana any am-piangonana izy ireo. Hiova ny antony hankanesan’izy ireo any. Hanatrika izy ireo satria te ho ao—te hitsaoka an’Andriamanitra izy ireo, hanavao ny fanekempihavanany ary hanompo ny hafa.)

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny fampianaran’i Môrmôna amin’ny fanaovana asa tsara amin’ny finiavana marina dia omano alohan’ny fotoam-pianarana ity fiaraha-mientana manaraka ity: Manomana taratasy kely maromaro. Manorata didy iray isaky ny taratasy kely iray. Ireo ohatra dia mety ahitana hoe fifadian-kanina, fandoavana fahafolon-karena, fanompoana ny hafa, fandalinana ny soratra masina, fanajana ray aman-dreny, ary ireo didy hafa na inona izany na inona izay tsapanao fa mety hanampy ny mpianatra hifanakalozana hevitra. Ataovy anaty fitoeran-javatra ireo taratasy kely ireo.

Asao ny mpianatra iray ho eny aloha mandritra ny fotoam-pianarana. Asao izy haka taratasy kely iray avy ao amin’ilay fitoerany ary hamaky izany amin’ny iray kilasy. Asao avy eo ny iray kilasy hanao ny iray amin’izao manaraka izao na izy roa:

  1. Zarao ny fomba nahatsapan’izy ireo fa notahiana rehefa nankatò izany didy izany tamin’ny finiavana marina.

  2. Manolora fomba hankatoavana izany didy izany amin’ny finiavana marina.

Azonao atao ny mamerimberina kely izany fiaraha-mientana izany.

Aorian’io fiaraha-mientana io dia mizarà zavatra niainanao manokana rehefa nankatò didin’Andriamanitra iray tamin’ny finiavana marina ianao.

Môrônia 7:12–19

Mampianatra ny fomba hanavahana ny tsara amin’ny ratsy i Môrmôna

Hazavao fa i Isaia dia naminany fa amin’ny andro farany dia hilaza ny olona sasany fa ny ratsy dia tsara ary ny tsara dia ratsy (jereo ny Isaia 5:20; 2 Nefia 15:20).

  • Olona manao ahoana ohatra no milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny tsy mampifangaro ny tsara amin’ny ratsy?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môrônia 7:12–17. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino izany ary hamantatra ireo fitsipika izay afaka manampy antsika hanavaka ny tsara amin’ny ratsy. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanisy marika ireo teny izay manan-danja indrindra amin’izy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra iray? (Ataovy izay hahazoana antoka fa mahita ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Izay avy amin’Andriamanitra dia manasa antsika hanao ny tsara, hino an’i Jesoa Kristy, ary hitia sy hanompo an’Andriamanitra.)

  • Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa avy amin’ny devoly ny zavatra iray? (Ataovy izay hahazoana antoka fa hitan’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: Ny zavatra rehetra izay mandresy lahatra antsika hanao ny ratsy, handà an’i Jesoa Kristy, na hiady amin’Andriamanitra dia avy amin’ny devoly.)

  • Inona avy ireo fomba hanasan’Andriamanitra sy hitaomany antsika hanao ny tsara mandrakariva?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanasan’ny devoly sy hitaomany antsika hanota?

Mba hanomanana ny mpianatra hampihatra ny fampianaran’i Môrmôna momba ny fanavahana ny tsara amin’ny ratsy dia asao izy ireo hanoratra ny lisitr’ireo fandaharana amin’ny fahitalavitra, horonan-tsary, hira, tarika mpihira, tranonkala amin’ny internet, applications, jeux vidéos, na zavatra ananan’izy ireo manokana, izay tena tian’izy ireo indrindra. (Azonao atao ny manova io lisitra io arakaraka ny zavatra ilain’ny mpianatra sy ny zavatra mahaliana azy.) Rehefa nomena fotoana ampy nanoratana ny mpianatra dia angataho izy ireo hampirina ny lisitra nataony any amin’ny toerana iray. Lazao amin’izy ireo fa hanana fahafahana hieritreretana bebe kokoa mikasika ny lisitra nataony izy ireo afaka minitra vitsy.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Môrônia 7:16 dia inona no omena ny olona tsirairay mba hahafahantsika manavaka ny tsara amin’ny ratsy?

Hazavao fa antsoina koa hoe Hazavan’i Kristy ny Fanahin’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:18). Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny Fahazavan’i Kristy dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Tsy mitovy ny Fanahy Masina sy ny Fahazavan’i Kristy. …

“Na antsoina hoe ny Fahazavan’i Kristy, ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy, na ny feon’ny fieritreretana ity hazavana ao anaty ity, ity fahalalana ny tsara sy ny ratsy ity na tsia, dia afaka mitarika antsika hanova ny asantsika izany—raha tsy hoe ahenantsika ny lanjany na ampanginintsika izany. …

“Ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay avy amin’ny firenena, na foto-pinoana na volon-koditra tsirairay—ny rehetra, na aiza na aiza no honenan’izy ireo na inona inoany na inona no ataony—dia manana ilay Hazavan’i Kristy izay tsy mety lo ao anatiny” (“The Light of Christ,” Ensign, Apr. 2005, 8–10).

  • Ahoana no mety hampihenan’ny olona iray lanja na hampihenany ny Hazavan’i Kristy ao anatiny?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 7:18–19 sy hamantatra ny torohevitr’i Môrmôna mikasika ny fomba fihetsika eo anatrehan’ny Hazavan’i Kristy ao anatintsika. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “[mitady] amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy”?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Môrônia 7:19? (Tokony hahita ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra: Afaka manavaka ny tsara amin’ny ratsy isika rehefa mitady amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy. Raha mihazona ny zavatra tsara rehetra isika dia ho tonga zanak’i Kristy. Raha mila fanampiana amin’ny fahatakarana ilay andian-teny hoe “zanak’i Kristy” ny mpianatra dia azonao atao ny miresaka momba ny lesona 55 ato amin’ity boky torolalana ity.)

  • Oviana ianareo no nikatsaka ny hahalala raha toa ny zavatra iray ka tsara na mendrika? Inona no nataonareo mba “[hitady] amim-pahazotoana tokoa” hianatra raha toa ka tsara na mendrika ilay zavatra?

Asao ny mpianatra hijery ilay lisitra nataon’izy ireo teo aloha. Asehoy na vakio ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra “[hitady] amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy” (Môrônia 7:19) rehefa manoratra ny valinteniny amin’ireo fanontaniana. Aza atao maimaika ity asa atao ity. Omeo fotoana ampy ny mpianatra hisaintsainana sy hanoratana. Ampahafantaro ny mpianatra fa tsy hangataka azy ireo hizara ny zavatra soratany ianao.

  • Toy ny ahoana no hanasan’ireo zavatra ireo anao hanao ny tsara, hino an’i Jesoa Kristy ary ho tia an’Andriamanitra sy hanompo Azy?

  • Moa ve misy amin’ireo zavatra ireo no miezaka mandresy lahatra anao hanao ny ratsy, tsy hino an’i Jesoa Kristy na hitsahatra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?

  • Mahatsapa ve ianao fa tokony hisy hofoananao eo amin’ny fiainanao amin’ireo zavatra ireo? Raha izany no izy dia ahoana no hanaovanao izany?

Lazao amin’ny mpianatra fa indraindray dia mety ho sarotra ny hanao izay fantatsika fa mety rehefa mitaky ny famelana zavatra iray ankafizintsika izany. Mba hanampiana ny mpianatra hifanohana amin’io ezaka io dia anontanio hoe:

  • Inona no torohevitra omenareo mba hanampiana olona iray hamela ireo zavatra tsy tsara na tsy mendrika?

Ho famaranana dia lazao amin’ny mpianatra fa rehefa manaraka ny Hazavan’i Kristy isika dia afaka mahafantatra izay tsara, misoroka ny famitahan’i Satana, ary miaina amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrônia 7:17. Tsy mandresy lahatra na iza na iza hanao ny tsara ny devoly

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“I Satana, na i Losifera, na ny rain’ny lainga—tsy maninona izay hiantsoanao azy—dia misy, ary izy ilay faharatsiana miseho amin’ny endrika olona. Mikasa ny hanimba ny hery manosika azy amin’ny zavatra rehetra. … Manohitra mandrakizay ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary ny asa ho an’ny fiadanana sy ny famonjena izy. Hiady amin’ireo zavatra ireo izy na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza hahafahany hanao izany. Fantany fa ho resy izy ary horoahina hiala amin’ny farany, kanefa resy lahatra sy vonona ny hanimba olona betsaka araka izay tratrany tahaka ny hahasimba azy izy” (“We Are All Enlisted,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 44).

Hamoaka printy