Tahirim-pitaovana
Lesona 75: Almà 9–10


Lesona 75

Almà 9–10

Fampidirana

Tsy nahomby firy i Almà sy i Amioleka tamin’ny fitoriana tamin’ny vahoakan’i Amônihà satria efa “nahazo vahana be tao am-pon’ny mponi[na] […] i Satana” (jereo ny Almà 8:9). Maro tamin’izy ireo no efa nanamafy ny fony tamin’ny filazantsara, ary dia nolavin’izy ireo ny fanasan’i Almà sy i Amioleka hibebaka. Na dia teo aza izany, dia niantso azy ireo tamim-pahatokiana i Almà sy Amioleka mba hibebaka, sady nijoro ho vavolombelona fa noho izy ireo efa nampianarina ny fahamarinana sy efa nahatsapa ny herin’Andriamanitra, dia nandrandrain’Andriamanitra izy ireo mba ho olo-marina kokoa noho ireo Lamanita, izay tsy nampianarina ny fahamarinana. Nampianatra i Almà sy Amioleka fa raha tsy te hibebaka ireo vahoakan’i Amônihà, dia hofongorana. Nampianatra ny olona koa izy ireo fa tsy azo notanterahina ny fanavotana raha tsy tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 9

Nampitandrina ny vahoakan’i Amônihà i Almà mba hibebaka sy hiomana ho an’ny fiavian’i Jesoa Kristy

Ampahafantaro ny votoatin’ity tantara ity: Tonga any am-pianarana ny mpianatra roa, ary dia nilaza ny mpampianatr’izy ireo fa tsy maintsy manao fanadinana tsy ampoizina izy ireo. Nanatrika tao an-dakilasy isan’andro ilay mpianatra voalohany, saingy sy tonga kosa ilay mpianatra faharoa nandritra ny tapa-bolana farany satria narary.

  • Iza no mpianatra antenainao fa hahomby tsara kokoa an’ilay fanadinana?

Asao ireo mpianatra hanopy maso vetivety ny Almà 9:1–7, sady mitady ireo teny izay manambara hoe hatraiza no fahatakaran’ireo vahoakan’i Amônihà ny filazantsara sy ny herin’Andriamanitra. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany izy ireo.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 9:8–13. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ireo teny izay maneho raha efa nampianarina ny filazantsara ireo olona ireo na efa nahafantatra ny herin’Andriamanitra. (Tokony ho hita amin’ireo valiny ny hoe “efa nanadinoanareo” sy hoe “Tsy tsaroanareo va.”)

  • Moa ve efa nianatra ny filazantsara na efa nampianarina mikasika ny herin’Andriamanitra ireo vahoakan’i Amônihà?

  • Inona avy no antony sasany mahatonga ny olona izay efa nampianarina ny filazantsara ho mety hanadino izay zavatra efa nianarany na koa tsy hahatakatra izay zavatra nampianarina azy ireo?

Asao ireo mpianatra hanopy maso vetivety ny Almà 8:9, 11; sy 9:5, 30; ary 12:10–11, sady mitady ireo teny izay ahafahana milaza ny antony nanadinoan’ireo vahoakan’i Amônihà na tsy nahatakaran’izy ireo ireo zavatra nampianarina azy ireo. (“Nahazo vahana be tao am-pon’ [izy ireo] i Satana”; “nanamafy ny fony izy”; “vahoaka mafy fo sy henja-katoka izy”; “nihamafy izaitsizy tokoa tamin’ny tenin’Andriamanitra ny fo[ny].”)

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity, ary asaivo mandika izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ireo mpianatra. (Ataovy izay hanisana toerana malalaka azo anoratana.)

Ny tantara ara-panahin’ny vahoaka

Ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ny vahoaka, sy ny zavatra nampanantenain’ny Tompo tamin’ny vahoaka

Lamanita (Almà 9:14–17)

Vahoakan’i Amônihà (Almà 9:18–24)

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny ekipa tsirairay hameno ilay tabilao amin’ny fampiasana ireo soratra masina fanovozan-kevitra. Rehefa nahafeno ilay tabilao izy ireo dia asaivo manoratra fehezanteny eo ambanin’ny tabilaon’izy ireo izay mamintina ny zavatra nianaran’izy ireo. Manasà vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany. Mety mampiasa teny hafa ireo mpianatra, saingy tokony hita taratra amin’ireo valintenin’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Mitaky fankatoavana bebe kokoa ny Tompo amin’ireo izay efa nandray ny fahalalana sy ireo fitahiana entin’ny filazantsara. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba fampiarana io fitsipika io eo amin’ny fiainan’izy ireo, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny hevitrao, nahoana ny Tompo ny niandrandra zavatra betsaka kokoa tamin’ny vahoakan’i Amônihà?

  • Nahoana no rariny raha mitaky zavatra ambonimbony kokoa ny Tompo amin’ireo izay efa nandray ny fahalalana sy ireo fitahiana entin’ny filazantsara?

Mariho ilay andian-teny hoe “vahoaka nankasitrahan’ny Tompo fatratra tokoa” ao amin’ny Almà 9:20. (Toroy hevitra ireo mpianatra hanisy marika io fehezanteny io.)

  • Amin’ny lafiny inona no maha “vahoaka ankasitrahan’ny Tompo fatratra tokoa” an’ireo mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny?

  • Araka ny ao amin’ny Almà 9:19–23, inona avy ireo fanomezam-pahasoavana sy fitahiana nananan’ireo Nefita (tafiditra amin’izany ny vahoakan’i Amônihà) noho ny maha vahoakan’ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra azy ireo?

  • Fanomezam-pahasoavana sy fitahiana manao ahoana no efa noraisinao noho ny maha mpikambana anao ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo?

  • Inona ireo zavatra sasantsasany izay andrasan’ny Tompo amintsika noho ireo fanomezam-pahasoavana sy fitahiana izay efa noraisintsika Taminy?

Tendreo ny antsasaky ny kilasy samy handalina ny Almà 9:24–27 ary ny antsasany ambiny samy handalina ny Almà 9:28–30. Asaivo miomana ireo mpianatra hamintina ireo andinin-tsoratra masina nampandraiketina azy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’izy ireo manokana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto mba hitarihana azy ireo eo am-panomanan’izy ireo ny famintinana hataony:

Inona no porofo hitanao ao amin’ireo andininy ireo fa miandrandra fankatoavana bebe kokoa amin’ireo izay efa nandray fahalalana lehibe kokoa mikasika ny filazantsara ny Tompo?

Inona no fitahiana izay nampahatsiahivin’i Almà ny vahoaka fa mety ho azon’izy ireo?

Inona no voalazan’i Almà fa ilain’ny vahoaka atao mba handraisana ireo fitahiana ireo?

Rehefa nahazo fotoana ampy ireo mpianatra hamakiana, dia mangataha mpianatra iray isaky ny ekipa mba hamintina ireo andinin-tsoratra masina nampandraiketina. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika mitoetra ho marina amin’ilay fahazavana sy fahalalana izay efa noraisintsika? (Mety ireto no haroson’ireo mpianatra: fandalinana soratra masina, fanehoana fankasitrahana amin’Andriamanitra noho ireo fitahiana azontsika, fizarana ny fijoroantsika ho vavolombelona matetika, fanatrehana ireo fivoriam-piangonana isan-kerinandro, fanoratana ao anaty diary, sy ny sisa.)

Almà 10:1–12

Namaly ny antson’ny Tompo i Amioleka ary nanambara ny niantsoan’Andriamanitra an’i Almà

Hazavao fa rehefa avy niteny tamin’ireo vahoaka i Almà dia tezitra izy ireo ka naniry ny hampiditra azy any am-ponja. Niteny tamim-pahasahiana tamin’ny vahoaka i Amioleka ary nampiany ny fijoroany ho vavolombelona ny an’i Almà. (Jereo ny Almà 9:31–34.) Fintino ny Almà 10:1–4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Amioleka dia taranak’i Nefia. Lehilahy niasa mafy izy, izay efa nahangona harena betsaka. Fanta-daza ihany koa izy ary “tsy dia kely laza” teo anivon’ireo havany sy ireo namany (jereo ny Almà 10:4). Saingy tsy niaina nifanaraka tamin’ireo fahamarinan’ny filazantsara izay nampianarina azy izy.

  • Araka ny hevitrao, nahoana no mety ho fanampiana be ho an’i Amioleka, izay fanta-daza teo amin’ny fiaraha-monina, ny fiarahana tamin’i Almà?

Anontanio an’ireo mpianatra izay fomba nifohazany aninkeheo maraina. (Ohatra hoe ny famantaranandro misy fanairana ve no nanaitra azy ireo sa olona iray tao amin’ny fianakaviana no nanaitra azy ireo? Raha manana famantaranandro misy fanairana ianao na sarina famantaranandro misy fanairana dia asehoy izany.) Anontanio ireo mpianatra hoe firy tamin’izy ireo no nila “nantsoina” mihoatra ny indray mandeha vao tafatsangana avy tao am-pandriana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 10:5–6. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny namalian’i Amioleka an’ireo “antso fanairana” ara-panahy izay voarainy tamin’ny Tompo.

  • Inona hoy ianao no tian’i Amioleka nambara tamin’izy nilaza hoe “tsy te hihaino” sy hoe “tsy te hahalala”?

  • Fomba ahoana avy no hiantsoan’ny Tompo antsika? (Anisan’ny azo hamaliana izany ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina, ny torolalana avy amin’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, ary ireo antso ato am-piangonana.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 10:7–10 sady mitady ireo zavatra manan-danja tamin’ny fijoroana ho vavolombelona fanokafana nataon’i Amioleka tamin’ny vahoakany.

  • Ahoana no nahafahan’ireo zavatra niainan’i Amioleka hanomana azy ho vavolombelona faharoa ny amin’ny hafatr’i Almà tamin’ny vahoakan’i Amônihà?

  • Amin’ny fomba ahoana, araka ny hevitrao, no nahafahan’ny fanapahan-kevitr’i Amioleka hankatò niteraka fanovana teo amin’ny fiainany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 10:11–12, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ireo fomba fiantraikan’ny fanapahan-kevitr’i Amioleka hamaly ny antson’ny Tompo teo amin’ireo hafa. Asao izy ireo hizara izay zavatra hitany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mihaino sy mankatò ny antson’ny Tompo isika dia fitahiana no tonga amintsika sy amin’ny hafa. (Azonao atao ny mandroso hevitra amin’ireo mpianatra ny hanoratan’izy ireo io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo anilan’ny Almà 10:11–12.) Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinan’io fitsipika io sy ny lanjany dia anontanio hoe:

  • Oviana ianao no nahatsiaro ho voatahy noho ny fankatoavanao ny antso iray avy tamin’ny Tompo?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao fitahiana tonga tamin’ny hafa noho ny fankatoavanao na ny fankatoavan’ny olona iray hafa ny antson’ny Tompo?

  • Manao ahoana no fomba fiantraikan’ireo zavatra niainanao ireo eo amin’ny fanirianao hihaino sy hankatò ireo antso avy amin’ny Tompo?

Almà 10:13–32

Namaly an’ireo izay nanohitra azy i Amioleka ary nitaona ny olona hibebaka

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andian-teny manaraka ireto:

  1. Lasa tezitra sy miaro tena

  2. Miahiahy ny maha manan-danja an’ilay torolalana

  3. Mitsikera ilay olona nanome torolalana

  4. Mametra-panontaniana na miady hevitra momba ilay torolalana

  5. Mihaino amim-panetren-tena ary mankatò

Asaivo dinihin’ireo mpianatra amim-pahanginana hoe iza amin’ireo fehezanteny eo amin’ny solaitrabe no manakaiky indrindra ny fomba mety hamalian’izy ireo raha toa ka misy ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana manitsy azy ireo na mangataka azy ireo hanova ny zavatra ataon’izy ireo.

  • Inona avy no antony mahatonga ny olona mety hamaly ny fanitsiana amin’ireo fomba ireo?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Almà 9:2–3; Almà 9:4–5; Almà 10:13, 16–17; Almà 10:24, 28–30

Asao ireo mpianatra samy hisafidy iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe mba ho halalinina. Asaivo tadiavin’izy ireo hoe ahoana no fomba hamariparitan’ny soratra masina ny fomba namalian’ny vahoakan’i Amônihà ny hafatra nataon’i Almà sy Amioleka. Asaivo safidian’izy ireo ihany koa izay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe izay maneho ny fomba namalian’ireo vahoaka. Rehefa nahazo fotoana ampy tsara dia asaivo hazavain’ireo mpianatra hoe iza amin’ireo fomba famaly hita eny amin’ny solaitrabe no mifanaraka tsara amin’ireo andininy izay nohalalinin’izy ireo.

  • Fa nahoana no mampidi-doza ara-panahy ireo fomba famaly efatra voalohany eny amin’ny solaitrabe?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 10:19–23. Amporisiho izy ireo hitady izay zavatra nampianarin’i Amioleka mikasika ny vokatry ny fahotana sy ny fandroahana ireo olo-marina.

Mba hanampiana ireo mpianatra handinika ireo vokatra mandrava ateraky ny tsy fibebahana amin’ny fahotana, dia vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Misy faharatsiana betsaka tokoa na aiza na aiza. Manodidina antsika rehetra eny ny fakam-panahy, miaraka amin’ny fitaomany izay mikitikitika. Mampalahelo fa mamoy olona isika noho ireo hery mandrava ireo. Mahaory antsika ny tsirairay izay very. Manolo-tanana isika hanampiana azy ireny, hamonjena azy ireny, saingy matetika loatra no lavina ireo ezaka ataontsika hanampiana. Mampivarahontsana ny lalana arahan’izy ireo. Izany no lalana mitondra mankany amin’ny faharavana” (“My Testimony,” Ensign, Mey 2000, 69).

  • Inona no sasantsasany amin’ireo voka-dratsy izay tonga amin’ny isam-batan’olona na amin’ny vondron’olona rehefa tsy mankatò ny didin’Andriamanitra izy ireo?

Raha ampy ny fotoana dia asao ireo mpianatra hanoratra valinteny ho an’ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no fomba ahafahan’ireo fahamarinana nianaranao tamin’ny lesona androany hitondra fitahiana ho anao?

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 9:19–23. “Taorian’ny efa nahazoany fahazavana be sy fahalalana be nomen[a] … azy”

Niatrika voka-dratsy lehibe kokoa nateraky ny faharatsiany ireo vahoakan’i Amônihà raha oharina amin’ireo Lamanita noho ireo vahoakan’i Amônihà efa nandray fahalalana bebe kokoa mikasika ny filazantsara. Ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Rahavavy Sheri L. Dew, izay tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia mahakasika ireo vehivavy ato amin’ny Fiangonana, saingy miantefa amin’ireo mpikambana rehetra ato am-piangonana izany:

Tena miavaka isika. Miavaka isika noho ireo fanekempihavanana izay nataontsika, sy ireo tombontsoa ara-panahy ananantsika, ary ireo andraikitra izay mifamatotra amin’izy roa ireo. Notafiana hery isika ary nomena ny Fanahy Masina. Manana mpaminany velona isika mitari-dalana antsika, sy ôrdônansy mamatotra antsika amin’ny Tompo sy mampifamatotra antsika samy isika, ary manana ny herin’ny fisoronana eo anivontsika. Takatsika hoe aiza no misy antsika eo amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana. Ary mahafantatra isika fa Raintsika Andriamanitra ary ny Zananilahy dia mpisolo vava antsika tsy mamitaka.

“Andraikitra lehibe no miara-dalana amin’ireo tombontsoa ireo, satria ‘amin’izay omena be no takiana be’ (F&F 82:3)” (“We Are Women of God,” Ensign, Nôv. 1999, 98).

Almà 10:6–11. Ny fanarahana ny torolalan’ny Tompo dia mitondra fitahiana ho an’ny hafa

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nizara tantara iray izay maneho ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny fitaoman’ny Fanahy Masina:

“Indray tolakandro izay efa harivahariva ihany, dia nilomano tao amin’ny Deseret Gym aho ary nandinika ny tafon’ny kianja mitafo sady nilomano nitsilany nandroso sy niverina im-betsaka. Tamim-pahanginana, kanefa tena nazava tokoa no nahatongavan’ny eritreritra iray tao an-tsaiko: ‘Indro ianao milomano tsara tsy mila miezaka mafy ery kanefa i Stan namanao malemy eo am-pandriana ao amin’ny hôpitaly, tsy afa-mihetsika.’ Nahatsapa ilay fitaomana aho nanao hoe: ‘Mankanesa any amin’ny hôpitaly ary omeo tsodrano izy.’

“Natsahatro ny filomanosana ka niakanjo ary nandeha faingana tany amin’ny efitrano nisy an’i Stan tany amin’ny hôpitaly aho. Foana ny fandriany. Nilaza ny mpitsabo mpanampy iray hoe nitaingina ny seza misy kodiarana izy ary any amin’ny dobo filomanosana, miomana hanao kiné. Nihazakazaha tany aho ary dia indro i Stan irery, ery amoron’ilay faritra lalina indrindra amin’ny dobo filomanosana. Nifampiarahaba izahay ary niverina nankany amin’ny efitranony izay nanomezana azy tsodrano.

“Niverina nahazo hery tsikelikely kanefa tena azo nitokisana ireo tongotr’i Stan ary afaka nihetsika indray. …

“Matetika i Stan no mandray fitenenana mandritra ny fivoriam-piangonana ary manambara ny hatsaran’ny Tompo taminy. Amin’ny sasantsasany amin’izy ireny no hanambarany ireo eritreritra maizin’ny fahakiviana izay nanenika azy tamin’io hariva io raha teo ambonin’ilay seza misy kodiarana izy, teo amoron’ny dobo filomanosana izy, toa ireny hoe voaozona hanana fiainana feno hakiviana. Tantarainy ny fomba nandinihany ny safidy teo aminy. Toa mora ery ny mampandroso ilay seza efa nankahalainy ho ao amin’ny rano manginan’ilay dobo lalina. Amin’izay dia ho tapitra ny fiainana. Saingy tamin’izay fotoana izay indrindra no nahatazanany ahy, izay namany. Tamin’io andro io no nianaran’i Stan ara-bakiteny fa tsy mandeha irery isika. Izaho koa dia nianatra lesona tamin’io andro io: Aza manemotra na oviana na oviana ny fanarahana fitaomam-panahy” (“The Spirit Giveth Life,” Ensign, Mey 1985, 70).

Almà 10:22–23. “Fivavaky ny marina”

Mariho ny vokatry ny fivavaky ny marina teo amin’ny vakoakan’i Amônihà. Taty aoriana, dia niaro ireo Nefita koa ny fivavaky ny marina mba tsy ho rava nandritra ny andron’ny Kapiteny Môrônia sy i Samoela ilay Lamanita (jereo ny Almà 62:40; Helamàna 13:12–14).

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nilaza izao manaraka izao mikasika ireo vavaka atolotra amin’izao androntsika izao:

“Maro dia maro ireo olo-marina sy mahatoky izay miaina ireo didy rehetra ary ny fiainan’izy ireo sy ny fivavak’izy ireo no mihazona izao tontolo tsy ho rava” (“Voices of the Past, of the Present, of the Future,” Ensign, Jiona 1971, 16).

Raha vantany vao fongotra na nesorina niala tao Amônihà ireo olo-marina, dia nitsahatra tsy niaro ilay tanàna intsony ny fivavaky ny marina, ary “ny olona tsirairay tamin’ny Amônihahita dia [nofongoran’” ireo Lamanita (Almà 16:9).