Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 14


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Môsià 26Almà 4 (Fizarana 14)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana manaraka an’ireo fotopampianarana sy fitsipika ity izay nianaran’ireo mpianatra tamin’izy ireo nandalina ny Môsià 26Almà 4 (fizarana 14) dia tsy natao ho ampianarina mandritra ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ianao.

Andro 1 (Môsià 26)

Tamin’ny alalan’ny fandalinana mikasika ny taranaka Nefita izay tsy nanana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara no nahitan’ireo mpianatra fa raha te hanana sy hikolokolo fijoroana ho vavolombelona isika dia mila mivoky amin’ny tenin’Andriamanitra, sy mivavaka am-pinoana, ary mankatò ireo didin’ny Tompo. Avy tamin’ny ezaka nataon’i Almà hanampiana ny hafa hibebaka no nianaran’ireo mpianatra fa ny Tompo dia hamela heloka an’ireo izay mibebaka amin-kitsim-po.

Andro 2 (Môsià 27)

Rehefa nandalina ny fiovam-pon’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià ireo mpianatra dia nianatra ireto fahamarinana ao amin’ny filazantsara telo manaraka ireto: Mamaly ireo vavaka ataontsika amim-pinoana ho an’ny hafa ny Tompo kanefa mbola mamela azy ireo hanana fahafahana misafidy; tsy maintsy ateraka indray isika tsirairay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; ary mba hibebahana marina dia tsy maintsy manao izay rehetra tratrany ny olona iray hanarenana izay tsy nety nataony. Noraketin’ireo mpianatra tao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ny fomba niovan’izy ireo tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana.

Andro 3 (Môsià 28–29)

Rehefa nianatra mikasika ny fanirian’ireo zanakalahin’i Môsià hitory filazantsara amin’ireo Lamanita ireo mpianatra dia nianatra fa rehefa mihalalina ny fiovam-pontsika dia mitombo ny faniriantsika hizara ny filazantsara. Nanoratra koa izy ireo mikasika ireo zavatra niainan’izy ireo izay nanampy azy ireo ho te-hizara ny filazantsara. Namaky mikasika ny fiovana nisy teo amin’ny fitondram-panjakana Nefita ireo mpianatra ary nianatra fa manana adidy ireo olom-pirenena hanohana ireo lalàna marina sy ireo mpitondra marina.

Andro 4 (Almà 1–4)

Tamin’ny alalan’ny fandalinana ny ohatra nasehon’ireo Nefita manetry tena no nianaran’ireo mpianatra fa rehefa miaina ny filazantsara isika dia afaka mahita fiadanana eo amin’ny fiainantsika, eny fa na dia enjehina aza. Rehefa namaky mikasika ny fikomian’ireo Amlisita izy ireo dia nahita fa mahazo fahasambarana na fahoriana isika arakarak’izay safidiantsika ho antakoavina. Ohatra iray tamin’ireo izay nisafidy ny hankatò ny Tompo i Almà. Ny fanolorantenany tsy voahozongozona hiantsoana ireo Nefita be ambom-po hibebaka dia nanampy ireo mpianatra hahita fa ireo mpanompon’ny Tompo dia mijoro ho vavolombelona sy miantso ireo mpanota hibebaka.

Fampidirana

Ity lesona ity dia manome fahafahana ireo mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fibebahana sy handinika ny filantsika miova amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy—tahaka ny nataon’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià. Mivavaha mba hahazoana fitarihana ahafantarana izay fomba ahafahanao manampy amin’ny fomba tsara indrindra ireo mpianatra hikatsaka io fiovana io eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 26

Nahazo fitaomam-panahy i Almà mikasika ny fomba hitsarana ireo izay mahavita fahotana lehibe

Mba hanombohana ity lesona ity dia asao ny mpianatra iray hamaky ilay famintinana ny toko eo amin’ny fiantombohan’ny Môsià 26. Vakio amin’ireo mpianatra ireto toe-javatra manaraka ireto. Asaivo eritreretin’ireo mpianatra izay azon’izy ireo atao hanampiana ilay olona ao anatin’ny toe-javatra tsirairay.

  1. Nahavita fahotana lehibe ny zatovovavy iray kanefa matahotra izy hiresaka amin’ny evekany.

  2. Manana faniriana hibebaka ny zatovolahy iray kanefa tsy hainy hoe ahoana no hataony.

  3. Mamerina manao fahotana iray izay efa nataony teo aloha ny zatovovavy iray ary manahy izy hoe tsy hamela heloka azy intsony ny Tompo.

  4. Manapa-kevitra ny hibebaka ny zatovolahy iray, saingy tsy manaiky hamela ny olona iray izay nanafintohina azy izy.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity toko sy andininy ity: Môsià 26:21–23, 29–31. Hazavao amin’ireo mpianatra fa ireto andinin-tsoratra masina ireto dia mirakitra ny fanambaran’ny Tompo tamin’i Almà mikasika ny olona izay nahavita fahotana lehibe. Asao ireo mpianatra hamaky ireo andininy ireo ary hamantatra farafahakeliny fitsipika iray izay afaka manampy ny iray amin’ireo olona voalaza ao amin’ilay lisitra etsy ambony. Mangataha mpianatra maromaro hizara ny valiny hitan’izy ireo amin’ny iray kilasy. Afaka mizara valinteny iray koa ianao sy ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fitsipika iray momba ny fibebahana izay hita ao amin’ny Môsià 26.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nanao drafitra izy ireo hampiharana ny iray amin’ireo fitsipika izay nianaran’izy ireo tao amin’ny Môsià 26 eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hibebahana. Amporisiho izy ireo hahatanteraka ny drafitr’izy ireo.

Môsià 27–28

Nibebaka i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià ary teraka indray

Mba hanomezana ireo mpianatra ohatra iray amin’ny olona izay niaina fiovam-po mahery vaika dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo hifandimby hamaky mafy ity traikefa manaraka ity izay nozarain’ny Loholona Keith K. Hilbig, ao amin’ny Fitopolahy:

“Nahita lehilahy iray teo amin’ny 40 na 50 taona teo antsoina hoe Ivan ny [misiônera iray nanompo tany Eorôpa Andrefana] sy ny namana mpiara-mitory taminy ary nampianatra azy io. … Avy amin’ny sokajin’olona sahirana ilay mpianatr’izy ireo, araka ny hita taratra tamin’ny fitafiny efa tonta, sy ny volombavany lava sy nikorontandrontana, ary ny fihetsika toa miahotrahotra. Nijaly izy teo amin’ny fiainana ary tsy mba nahita rirany.

“Noho ny tsy fanana fahazarana na dia kely aza teo aloha mikasika ny fivavahana, dia maro no zavatra tsy maintsy noresen’i Ivan. Tsy maintsy nafoy ireo fomba amam-panao izay tsy nifanaraka tamin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Fitsipika vaovao maro no nilaina nekena ary avy eo nampiharina. Te hianatra i Ivan, ka niomana tamim-pahazotoana izy ho an’ny batisany sy ny fandraisana azy ho mpikambana. Mbola rovidrovitra hatrany ny fitafiany ary mbola lava sy nikorontana ny volombavany, saingy efa nahavita ireo dingana voalohany izy. Fotoana fohy taorian’ny batisan’i Ivan dia nafindra toerana hiasana ilay misiônera. Nanantena izy fa ho afaka hifanena amin’i Ivan indray.

“Enim-bolana taty aoriana dia naverin’ny Filohan’ny Misiona niasa tao amin’ilay sampana nisy azy teo aloha ilay misiônera. Taitra ihany ilay elder kanefa tsindrin-daona ny hiverina, ka tonga aloha izy niaraka tamin’ny namana mpiara-mitory iray vaovao, hanatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ny alahady voalohany niverenany tao amin’ilay sampana. …

“Saika fantatr’ilay elder daholo ireo olona rehetra tao anatin’ilay vondrona mpiangona kely. Saingy herim-po very maina ny azy rehefa nikaroka tamin’ireo endrika tazany ilay lehilahy izay nampianarin’izy sy ny namany ary nataon’izy ireo batisa enim-bolana lasa talohan’io. Teo dia nipoitra tao amin’ilay elder ny fahatsapana fahadisoam-panantenana sy alahelo. …

“Tapaka teo ny tahotr’ilay elder sy ny eritreriny noho ny lehilahy iray tsy fantany loatra izay nirohitra nandroso hamihina ilay misiônera. Nanana fitsiky feno fahatokian-tena ilay lehilahy izay voadion’ny hareza tsara ny tavany, ary nibaribary ny hatsaram-panahy izay nibaliaka teny amin’ny endriny. Nitafy lobaka fotsy izy sy karavato voafatotra tsara, ary handeha hanomana ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo mpiangona vitsivitsy tonga tamin’io marainan’ny Sabata io. Rehefa nanomboka niteny ilay lehilahy izay vao fantatr’ilay elder izy. Ivan vaovao io olona io, fa tsy ilay Ivan nampianarin’izy ireo sy nataon’izy ireo batisa! Hitan’ilay elder nivaingana tao amin’io namany io ny fahagagan’ny finoana sy ny fibebahana ary ny famelan-keloka. Hitany ny maha tena misy ny Sorompanavotana.

“… niaina ’fiovam-po’ i [Ivan] (Almà 5:26) izay sady ampy hanaovana batisa azy no ampy handrosoany eo amin’ilay zotra mitohin’ny fiovam-po” (“Experiencing a Change of Heart,” Ensign, Jona 2008, 29–31).

Anontanio hoe: Inona no porofo hita tao amin’ilay tantara izay maneho fa efa niova i Ivan? (Ataovy azo antoka fa mazava amin’ireo mpianatra fa ireo fiovana hita tety ivelany teo amin’i Ivan dia mariky ny fiovana iray lalindalina kokoa tao anatiny.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Môsià 27 dia mitantara tranga iray hafa izay niainana fiovana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Asao ny mpianatra iray hijoro eny anoloana ary hamintina amin’ny mpiara-mianatra ny Môsià 27. Raha misy izany dia azon’ilay mpianatra atao ny mampiseho ilay sary hoe Ny Fiovam-pon’i Almà Zanany (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 77). Angataho ny mpianatra iray hafa hamaky ny Môsià 27:24–26. Avy eo dia asaivo fantarin’ireo mpianatra hoe iza no tsy maintsy ovaina amin’ny alalan’ny Sorompanavotana, “na aterak’Andriamanitra.” Rehefa mamaly ireo mpianatra dia tokony haneho fahatakarana an’ireto fahamarinana manaraka ireto: Tsy maintsy ateraka indray isika tsirairay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Anontanio hoe: Ahoana no fomba nahitanao olona iray niova ho tsaratsara kokoa tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Asao ireo mpianatra handinika ireo fanontaniana napetrak’ilay misiônera tao amin’ilay tantara tamin’ny tenany ihany rehefa tafahaona indray tamin’i Ivan: “’Hatraiza no “fiovam-po” efa niainako tato anatin’ny enim-bolana lasa teo?’ … ’Moa ve aho efa “nateraka indray”?’” (voalaza tao amin’ny Keith K. Hilbig, “Experiencing a Change of Heart,” 31).

Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 27:24, 28, ka hitady izay zavatra nataon’i Almà sy izay zavatra nataon’ny Tompo ka nahatonga ilay fiovana tao amin’i Almà. Asaivo hazavain’izy ireo ny antony hinoan’izy ireo fa samy tsy maintsy mandray anjara na ilay olona na ny Tompo ao anatin’ny fiovam-po iray mahery vaika.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa efa nameno tabilao iray izy ireo izay nampiseho ny fahasamihafana teo amin’i Almà teo aloha sy tao aorian’ny fiovam-pony (nandritra ny lesona ho an’ny andro 2). Tao amin’ny asa nampanaovina faha-2 ho an’ny andro 2 izy ireo dia nanoratra tao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina fehezanteny iray avy ao amin’ilay tsanganana hoe “Taoriana” izay nantenain’izy ireo fa hamariparitra azy ireo mandritra ny androm-piainany ary nanazava ny anton’izany. Manasà mpianatra maromaro hizara izay zavatra nosoratany. Hijoroy ho vavolombelona fa afaka mitranga amintsika ny fiovam-po mahery vaika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Asaivo dinihin’ireo mpianatra ny fomba niovan’izy ireo tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hizara ny ao an-tsainy raha toa ka maniry hanao izany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fomba niovanao tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana.

Amporisiho ireo mpianatra hiezaka mba hahafahana miaina fiovam-po mba hahafahan’izy ireo hanatona kokoa ny Tompo sy hamela ny Sorompanavotana hanova zavatra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Adikao eo amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pampianarana ity tabilao manaraka ity, na hanaovy tahadika ho an’ny mpianatra tsirairay:

Môsià 27:32–37

Môsià 28:1–4

Ahoana no fomba niovan’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià?

Inona no fitsipika nianaranareo tamin’ireo andininy ireo?

Nahoana araka ny hevitrao no ampahany manan-danja ao amin’ny fibebahana ny fanonerana?

Ahoana no fomba niovan’ireo zanakalahin’i Môsià?

Inona no fitsipika nianaranao tamin’ireo andininy ireo?

Inona avy ireo traikefa teo amin’ny fiainanao izay nahatonga anao haniry hizara ny filazantsara amin’ny hafa?

Asaivo mamaly ireo fanontaniana ao amin’ny tsanganana voalohany amin’ilay tabilao ny antsasaky ny kilasy, ary asaivo mamaly ireo fanontaniana ao amin’ny tsanganana faharoa ny antsasany ambiny. Asaivo miasa tsirairay ireo mpianatra tsirairay. Manasà mpianatra vitsivitsy avy amin’ny vondrona tsirairay hitatitra ny valintenin’izy ireo.

Asao ireo mpianatra handinika ny fomba mety ahafahan’izy ireo manao fanonerana ho an’ny fahotan’izy ireo sy mampitombo ny fanirian’izy ireo hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Môsià 29Almà 4

Notahian’Andriamanitra ireo Nefita izay nijanona ho marina nandritra ny fotoana nisian’ny fanenjehana

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ireo toko voalohandohany ao amin’ny Almà dia mitantara fotoan’ny korontana sy fanenjehana ho an’ireo Nefita marina. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 1:25, 27. Asaivo fantarin’izy ireo izay zavatra nataon’ireo Nefita ireo nandritra ny fotoan’ny fanenjehana.

Mariho fa notahian’ny Tompo ireo Nefita marina mba hiroborobo kokoa noho ireo izay ratsy fanahy (Jereo ny Almà 1:29–32). Asaivo miezaka ireo mpianatra hanaraka ny ohatr’ireo Nefita mahatoky ireo rehefa miatrika fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fizarana Manaraka (Almà 5–10)

Ahoana no ahafantaranao fa efa teraka indray ianao? Inona no dikan’ny hoe teraka indray? Rehefa mandalina ny Almà 5–10 ireo mpianatra dia hahita fanontaniana izay azon’izy ireo apetraka amin’ny tenan’izy ireo mba hanombantombanana raha toa ka efa teraka indray izy ireo ka efa niaina fiovam-po mahery vaika. Ankoatra izany dia hahazo fahatakarana lehibe kokoa izy ireo mikasika ny halalin’ny Sorompanavotana sy ny heriny.

Hamoaka printy