Tahirim-pitaovana
Lesona 31: 2 Nefia 11 sy 16


Lesona 31

2 Nefia 11 sy 16

Fampidirana

Nasehon’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 11 ny fitiavany ny tenin’i Isaia. Nijoro ho vavolombelona koa izy fa i Jakôba sy i Isaia dia nahita ny “Mpanavotra, toy ny efa nahitako Azy.” (2 Nefia 11:2). Ny 2 Nefia 16 dia ahitana ny tantaran’i Isaia izay voadio tamin’ny fahotany sy voantso ho mpaminany rehefa “nahita … ny Tompo mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany” izy (jereo ny 2 Nefia 16:1, 5–8). Samy nampianatra ny maha zava-dehibe ny fampiharantsika ny zavatra nosoratan’i Isaia i Nefia sy i Jakôba (jereo ny 1 Nefia 19:23; 2 Nefia 6:5; 11:2), ary nanambara ny Tompo hoe: “lehibe ny tenin’i Isaia” (3 Nefia 23:1). Ny 2 Nefia 11 dia ahitana ny fanazavan’i Nefia amin’ny ampahany mikasika ny nampidirany ireo faminanian’i Isaia tao anatin’ny rakitsorany, ka nampiasaina ho fampidirana ny tenin’i Isaia ao amin’ny 2 Nefia 12–24 izany. Ny 2 Nefia 25 no famaranana ireo toko ireo izay ahitana ny torohevitr’i Nefia mikasika ny fomba hahatakarana ny tenin’i Isaia (jereo ny lesona 35 ao amin’ity boky ity).

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 11

I Nefia dia maneho ny fahafinaretany mijoro ho vavolombelona fa tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny famonjena

Asao ny mpianatra telo mba hanoratra amim-pahanginana fehezanteny iray mikasika ny zavatra nitranga nandritra ny fotoam-pianaran’izy ireo farany. Aza avela mampitaha na mifanakalo hevitra momba ny zavatra nosoratany izy ireo. Mba hampisehoana ny tombontsoa azo avy amin’ny fananana vavolombelona mihoatra noho ny iray dia asaivo vakian’ireo mpianatra telo mafy ny fehezanteniny. Rehefa avy mamaky ny fehezanteniny ilay mpianatra voalohany dia anontanio ny mpianatra ambiny raha toa ka maneho tanteraka ny zavatra nitranga nandritra ny fotoam-pianaran’izy ireo farany izany. Dia asaivo zarain’ilay mpianatra faharoa indray ny fehezan-teniny ary anontanio raha toa ka maneho tanteraka ny zavatra niseho nandritra ny fotoam-pianarany farany izany. Apetraho ihany io fanontaniana io rehefa avy namaky ny azy ny mpianatra fahatelo.

  • Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fananana vavolombelona maro?

Hazavao fa ny Tompo dia miantso mpaminany mba ho vavolombelony eo anatrehan’izao tontolo izao. Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina hoe nidika inona ho azy ireo ny fahenoany mpaminany mijoro ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity: Afaka manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy sy mifaly ao Aminy isika amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fijoroana ho vavolombelona nataon’ny mpaminany.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny 2 Nefia 11:2–3.

  • Inona no zavatra niainan’i Nefia sy i Isaia ary i Jakôba araka ireo andininy ireo izay nahafahan’izy ireo ho lasa vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny mpaminany maro? (Jereo koa ny Mosià 13:33–35.)

Asao ny mpianatra mba handinika lalina ny andalana roa voalohan’ny andinin-tsoratra masina tsirairay avy ao amin’ny 2 Nefia 11:4–6 ka hitady andian-teny izay naverin’i Nefia tao anatin’ny andininy tsirairay.

  • Inona no dikan’ny hoe “finaritra amin’ny” zavatra iray? (Azonao hazavaina fa ilay teny hoe finaritra dia midika ho fahatsapan-javatra izay lalina kokoa noho ny hoe tia fotsiny na liana amin’ny zavatra iray fotsiny. Mifono fahatsapana fifaliana sy fahafaham-po izany.)

Asaivo vakian’ny mpianatra amim-pahanginana ny 2 Nefia 11:4–7 ary asaivo tadiaviny ireo zavatra mahafinaritra an’i Nefia. Dia Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Angataho ny mpianatra mba hizara andian-teny izay tena nanaitra azy ireo ary asaivo lazainy ny antony. Asao koa izy ireo mba hizara ny zavatra mahafinaritra azy ireo na mitarika azy ireo hifaly ny amin’i Jesoa Kristy.

Vakio mafy ny 2 Nefia 11:8 ary asaivo mitady ny antony nampidiran’i Nefia ireo tenin’i Isaia tao amin’ny rakitsorany ny mpianatra.

  • Inona no nantenain’i Nefia mba ho tsapan’ny olony sy ireo mpamaky ny Bokin’i Môrmôna aty aoriana rehefa mamaky ny tenin’i Isaia izy ireo?

Ity lisitra manaraka ity dia manome ohatra vitsivitsy mikasika ny antony nampidiran’i Nefia ny tenin’i Isaia tao anatin’ny rakitsorany:

  1. I Isaia dia nahita ny Mpamonjy toa an’i Nefia sy i Jakôba koa (jereo ny 2 Nefia 11:2–3; jereo koa ny 2 Nefia 16:1–5, izay ahitana ny famaritan’i Isaia ny fahitana iray izay nahitany ny Mpamonjy).

  2. Finaritra amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy i Nefia ary i Isaia koa dia nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:4, 6; jereo koa ny 2 Nefia 17:14 ary ny 19:6–7, ohatra roa mikasika ireo faminanian’i Isaia momba ny Mpamonjy).

  3. Finaritra tamin’ny fanekempihavanan’ny Tompo i Nefia (jereo ny 2 Nefia 11:5). Mikasika ireo fanekempihavanan’ny Tompo ireo faminanian’i Isaia. Ohatra, naminany mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly amin’ny andro farany izy (jereo ny2 Nefia 12:1–3).

Hazavao fa ao anatin’ity lesona ity ary ireo lesona telo manaraka dia handalina sy hifanakalo hevitra momba ny tenin’i Isaia ny mpianatra ao amin’ny 2 Nefia 12–24. Amporisiho izy ireo mba hitady ireo fahamarinana ao anatin’ireo toko ireo izay manamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy ary manampy azy ireo hifaly ao Aminy. Asao ny mpianatra mba hizara amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ny namany ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina tena tiany avy ao amin’ireo toko ireo.

2 Nefia 16

Nantsoina mba ho mpaminany i Isaia

Hazavao fa handalina ny 2 Nefia 16 ny mpianatra amin’ny manaraka satria ahitana ny fitantaran’i Isaia ny fahitana iray izay nandraisany ny antsony mba ho mpaminany izany. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany fahitana izany dia hazavao fa misy fiteny mifono tandindona ny zavatra nosoratan’i Isaia. Ny soratra masina dia feno tandindona, ohatra miavaka ary hevi-teny itarina. Hamafiso fa tao anatin’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina novakian’izy ireo tany aloha ireo dia nilaza i Nefia hoe: “Ny zavatra rehetra izay efa nomen’Andriamanitra ny olona hatry ny fiandohan’izao tontolo izao dia tandindon’i [Jesoa Kristy]” (2 Nefia 11:4). Ny fampiasana tandindona sy ohatra miavaka dia fomba iray hampianaran’ny soratra masina antsika ny asa famonjena nataon’ny Tompo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny sy andian-teny manaraka ireto: ebaneban’akanjo, serafima (anjely) nanana elatra enina avy, setroka, vainafo.

Anontanio ireo mpianatra hoe inona no tonga ao an-tsainy rehefa mahita na mandre ireo teny ireo izy ireo. Aorian’ny fifanakalozan-kevitra fohy dia hazavao fa nampiasain’i Isaia tao anatin’ny fitantarany ny niantsoana azy ho mpaminanin’Andriamanitra ireo teny ireo. (Ampio ny mpianatra hahatakatra ny hevitra tian’i Isaia hampitaina. Tandremo sao manao famakafakana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy mikasika ny dikan’ireo fiteny mifono tandindona ireo. Fa ampio kosa ny mpianatra hahita ny fiantefan’ny hafatr’i Isaia eo amin’ny fiainan’izy ireo.)

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky ny 2 Nefia 16:1.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 16:2–3. Hazavao fa ny “serafima” dia anjely mipetraka eo anatrehan’Andriamanitra.

  • Maneho inona ireo elatra enina nananan’ny serafima? (Azonao atao ny mampamaky ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:4 mba hahitana fanorotoroana. Ny elatra dia maneho ny hery hihetsehana sy hanaovana zavatra.)

  • Inona avy ireo teny izay mampahafantatra ny toetra nasehon’ny serafima tamin’ny Tompo?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa naneho toetra mitovy amin’izany koa tamin’Andriamanitra?

Asaivo vakian’ny mpianatra mafy ny 2 Nefia 16:4 ary ny Apokalypsy15:8. Angataho ny mpianatra mba hitady ny dikan’ilay andian-teny hoe “feno setroka.” (Azonao atao ny manampy ny mpianatra hahatakatra fa ilay setroka dia maneho ny fanatrehan’ny Tompo sy ny heriny ary ny voninahiny.) Toroy hevitra ny mpianatra mba hanoratra hoe Apokalypsy 15:8 eny amin’ny sisiny tsy misy soratra ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny 2 Nefia 16:4.

Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny 2 Nefia 16:5. Angataho ny mpianatra mba hitady andian-teny izay maneho ny zavatra tsapan’i Isaia teo anatrehan’ny Tompo.

  • Inona araka ny hevitrao no tian’i Isaia nolazaina raha nilaza izy hoe: “Lozako! maty aho; satria lehilahy maloto molotra aho”?, Nasehon’i Isaia fa tsy nahatsapa ho tsy mendrika ny ho eo anatrehan’ny Tompo izy.)

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny antony nahatonga an’i Isaia hahatsapa izany. Hazavao fa mpaminany maro no naneho fa toy ny tsapan’izy ireo ho tsy sahaza azy izany ireo antso nomena azy ireo. Notantarain’ny Filoha Spencer W. Kimball ny antso an-tariby avy amin’ny Filoha J. Reuben Clark Jr. tao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay nampahafantatra azy fa voantso ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy:

“’Ô ry Rahalahy Clark a! Tsy izaho mihitsy e? Ahoana no ilazanao hoe izaho? Mety tena nisy fahadisoana tany. Mety tsy henoko tsara angamba izay nolazainao.’ Tsy tafapetraka teo amin’ny seza aho fa tamin’ny tany. …

“’Ô ry Rahalahy Clark a! Toy ny tsy azo inoana izany. Olona tena manam-pahalemena sy tsy manan-danja aho ary voafetra sy tsy ampy ny fahaiza-manaoko’” (Edward L. Kimball sy Andrew E. Kimball Jr., Spencer W. Kimball: Twelfth President of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints [1977], 189).

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa i Isaia izay lehilahy marin-toetra dia nahatsapa ho toy ny hoe “maty” (tsy mahavita na inona na inona) sy “maloto” teo anatrehan’ny Tompo. Iza amintsika ireo no tsy hahatsapa ho toy ny tsy mendrika raha mijoro eo anatrehan’Andriamanitra?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka ny ho voadio amin’ny tsy fahamendrehantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Raha azo atao dia mampisehoa singan’arintany iray na tapa-kazo nodorana iray. Anontanio izy ireo hoe ahoana ny endrik’izany raha vao iny raisina avy ao anaty afo iny.

  • Inona no hitranga amin’ny olona iray izay nikasika vainafo?

Vakio mafy ny 2 Nefia 16:6–7. Angataho ny mpianatra mba hamaky izany amim-pahanginana ka hitady ny zava-niseho tamin’i Isaia mikasika ilay vainafo. )

  • Araka ny 2 Nefia 16:7, inona no dikan’ilay hoe natehiky ny anjely an-tsary an-tsaina tamin’ny molotr’i Isaia ilay vainafo? (Azonao atao ny manazava fa ny vainafo dia mariky ny fahadiovana. Rehefa natehik’ilay anjely tamin’ny molotr’i Isaia ilay vainafo tao anatin’ny nofiny, dia naneho ny fanadiovana ny tsy fahamendrehan’i Isaia izany sy ny famelana ny fahotany.)

Omeo fotoana fohy ny mpianatra hieritreritra fotoana izay nahatsapany ny hery manadion’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 16:8–13. Asao ny mpianatra mba hamintina ny zavatra nolazain’ny Tompo mikasika ny asa fanompoana nataon’i Isaia teo anivon’ny olony. (Azonao hazavaina ny hoe nambaran’ny Tompo tamin’i Isaia fa ho be ny tsy hiraharaha ny fitoriany teny amin’ireo Isiraelita mikomy saingy tokony hanohy hitory izy “mandra-panjarian’ny tanàna ho foana.” Amin’ny teny hafa dia hanohy soa aman-tsara ny asa famonjeny ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony “raha mbola haharitra koa ny fotoana, na hijoro koa ny tany, na hisy koa olona iray hovonjena eto amboniny” [Môrônia 7:36].)

Hazavao fa i Isaia dia lasa vavolombelona mahery vaika mikasika an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany. Mijoroa ho vavolombelona fa tena misy ny Mpamonjy ary afaka mamela ny fahotantsika Izy ary rehefa miaina ny herin’ny Sorompanavotana isika eo amin’ny fiainantsika dia afaka ny ho vavolombelon’ny Mpamonjy koa isika.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 16:2–3. Manana elatra ve ny anjely?

“Tsy manana elatra velively ny anjelin’ Andriamanitra” (Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 3:392). Dia nahoana i Isaia no namaritra ny anjely ho manana elatra? Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nanazava fa fanehoana tandindona ilay famaritana: “Ny antony nampisehoana ireo olona masina ireo taminy ho toy ny manana elatra dia mba hanehoana fotsiny ny ’hery ananany mba hahafahany mihetsika, miasa sy ny sisa.’ ary toy izany koa no niseho tao anatin’ireo fahitana hitan’ny hafa. (F&F 77:4.)” (Mormon Doctrine, ed. faha-2 [1966], 703).