Tahirim-pitaovana
Lesona 88: Almà 30


Lesona 88

Almà 30

Fampidirana

Tafatoetra teo amin’ny tany ny fandriampahalemana taorian’ny ady lehibe teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Tokotokony ho roa taona taty aoriana dia nanomboka nitory ny lehilahy iray nantsoina hoe Kôrihôra fa tsy misy Andriamanitra, fa tsy hisy Kristy izany, ary tsy nisy ny fahotana. Naniratsira ireo mpitarika tao amin’ny fiangonana izy ary nanambara fa nampianatra fomban-drazana adaladala izy ireo. Nitarika olona maro hanao fahotana lehibe ny fampianaran-disony. Nentina teo anatrehan’i Almà i Kôrihôra, i Almà izay nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy nampianatra fa mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’ny Mpahary Lehibe ny zava-drehetra. Nozoin’ny hamoanana tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra i Kôrihôra taty aoriana ary resy lahatra ny amin’ny fahamarinana. Kanefa rehefa nangataka ny hamerenana amin’ny laoniny ny feony izy dia nandà ny fangatahany i Almà, izay nilaza fa raha miverina aminy ny feony dia hampianatra fotopampianarana diso indray izy. Nandany ny androny sisa tamin’ny fangatahana sakafo i Kôrihôra mandra-pahatonga ny fotoana nanosihosen’ny andiana Nefita mpiedaka, nantsoina hoe Zôramita, azy ambara-pahafatiny.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 30:1–18

Namingavinga ny fotopampianaran’i Kristy i Kôrihôra izay antikristy

Alohan’ny hiantombohan’ny fotoam-pianarana dia asio lavaka kely ny vodin’ny cannette iray fitoerana ranom-boankazo ary avelao hiraraka daholo ny ao anatiny. Asehoy ny mpianatra ilay cannette kanefa tsy ampahafantarina azy ireo fa foana izany. Manontania hoe iza no te hahazo ilay cannette ary vonona ny hanome ohatrinona izy ireo hividianana izany. Asao handroso ny mpianatra iray hijery ilay cannette ary hilaza amin’ny iray kilasy hoe inona no ao anatiny. (Ho solon’ny cannette iray fitoerana ranom-boankazo dia afaka mampiasa boaty tsy misy na inona na inona, harona, na fonon-javatra ihany koa ianao, izay misy zavatra tian’ny mpianatra ao anatiny raha ny mahazatra.)

  • Inona no hitovian’ny fampianaran-diso amin’ity kanetin-tsôdà ity? (Matetika izy ireny no mitaona avy ety ivelany kanefa poak’aty.)

Hazavao fa hianatra mikasika ny lehilahy iray antsoina hoe Kôrihôra ny mpianatra mandritra ny lesona androany. Eo am-pandalinan’izy ireo ny Almà 30 dia amporisiho izy ireo hieritreritra ny fomba namelan’ny fampianaran’i Kôrihôra ny tenany sy ireo olona hafa ho poak’aty ara-panahy.

Lazao amin’ireo mpianatra fa taorian’ny fotoan’ny ady tamin’ny Lamanita dia niditra tao anatin’ny fotoan’ny fandriampahalemana ny vahoakan’i Amôna (ny Anti-Nefia-Lehia) sy ny Nefita. Nampitsahatra ny fandriampahalemana nisy teo amin’izy ireo anefa i Kôrihôra. Asao ireo mpianatra hamaky ny Almà 30:6, 12 ary hikaroka teny iray izay mamaritra ity lehilahy ity. (Ilay teny dia hoe Antikristy. Hazavao fa famaritana iray ho an’ity teny ity ny hoe “rehefa mety ho olona na zavatra izay misandoka ny drafitry ny famonjen’ny filazantsara marina ary manohitra ankitsirano na mangingina an’i Kristy” [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Antikristy,” scriptures.lds.org].)

Omano amin’ny taratasy hozaraina na eny amin’ny solaitrabe ity fanazaran-tsaina manaraka ity. Raha ataonao eny amin’ny solaitrabe izany dia asao ireo mpianatra handika izany ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina. Hanampy azy ireo hahita ny fomba ampiasan’i Satana sy ireo manompo azy ny fotopampianarana diso izany mba hitaomana antsika hanota.

Fampianaran-dison’i Kôrihôra ilay Antikristy

Fampianaran-diso

Hafatra

1. Almà 30:13–14

a. Tsy afaka mahafantatra ianao fa marina ny zavatra iray raha tsy hitanao izany. Noho izany dia tsy afaka mahafantatra ianao fa hisy i Kristy.

2. Almà 30:15

b. Tsy misy izany fahotana izany. Tsy misy fenitra iraisana mikasika ny mety sy ny tsy mety.

3. Almà 30:16

d. Miroborobo amin’ny herin’ny tenany ny olona. Tsy misy izany sorompanavotana izany.

4. Almà 30:17 (manomboka amin’ny hoe “fa ny olona tsirairay kosa dia nandia …”)

e. Tsy azo heverina ny ahafantarana mikasika ny zavatra hitranga amin’ny hoavy ka noho izany dia tsy tokony hino an’i Kristy na hanaraka ny tenin’ny olona izay milaza ny tenany ho mpaminany ianao.

5. Almà 30:17 (manomboka amin’ny hoe “na inona na inona nataon’ny olona …”)

f. Hevitra adaladala avy amin’ny fomban-drazana diso ny famelana ny fahotana.

6. Almà 30:18

g. Tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana ka noho izany dia tsy ilaina ny miahiahy momba ny fitsarana aorian’ity fiainana ity.

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Asao izy ireo hiara-hamaky ny Almà 30:12–18. Omeo torolalana izy ireo hampifandray ireo fampianaran-dison’i Kôrihôra eo amin’ny sisiny havian’ny fanazaran-tsaina amin’ireo hafatra avy amin’ireo fampianarana ireo, izay hita eo amin’ny ilay havanana. (Valiny: 1–e, 2–a, 3–f, 4–d, 5–b, 6–g.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hamotopototra ireo fampianaran’i Kôrihôra sy hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo fampianarana renao izay mitovy amin’ny fampianaran’i Kôrihôra?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 30:18, nitarika ny olona hanao inona ireo fampianaran’i Kôrihôra?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitarika ny olona hanaiky ho azon’ny fakam-panahy ireo fampianarana ireo?

  • Inona no azontsika hianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ireo loza avy amin’ny fampianaran-diso? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Mampiasa fotopampianarana diso i Satana mba hitaomana antsika hanota.)

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny tenany hoe ao anatin’ity toe-javatra ity:

Manasa anao hilalao jeux-vidéo ny namana iray. Rehefa tonga tany an-tranon’ilay namanao ianao dia nahita fa mahery setra ilay kilalao ary ahitana mpilalao manao fitafy tsy maotina ao anatin’izany. Rehefa nisalasala tsy te hilalao ilay kilalao ianao dia nangataka anao hanazava ilay namanao hoe nahoana ianao no tsy hilalao izany.

  • Inona no holazainao? (Mety hanazava ireo mpianatra fa mandika ny fenitry ny finoan’izy ireo ilay kilalao.)

  • Raha manomboka manakiana ny finoanao ilay namanao ka milaza fa mametra ny fahalalahanao ireo fenitra ireo dia ahoana no mety hamalianao izany?

Almà 30:19–60

Nangataka famantarana avy amin’i Almà i Kôrihôra ary nozoin’ny fahamoanana tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra

Fintino ny Almà 30:19–30 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampianatra fotopampianarana diso tao amin’ny tanàna telo samy hafa an’ny Nefita i Kôrihôra. Nentina teo anatrehan’ny lohan’ny mpitsara teo amin’ny tany sy teo anatrehan’i Almà, izay mpitarika ny Fiangonana, izy tamin’ny farany. Azonao atao ny milaza fa iray tamin’ireo hevitra nenti-nandresy lahatra nampiasain’i Kôrihôra ny hoe mihazona ny olona ho ao amin’ny fanandevozana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana—manaisotra ny fahafahan’ny vahoaka ny fivavahan’izy ireo. Niampanga ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny fikatsahana izay ho an’ny tenany avy amin’ny asan’ny vahoaka koa izy.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 30:31 ary hikaroka ireo fiampangana nataon’i Kôrihôra nanohitra an’i Almà sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Almà 30:32–35 mba hahita ny fomba namalian’i Almà an’i Kôrihôra.

  • Ahoana no fahitanao ny fahamarinan’ny valintenin’i Almà eo amin’ny fiainan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

Asao ho eny aloha ny roa amin’ireo mpianatra. Asao izy ireo hamaky mafy ny Almà 30:37–45 ka ny iray hamaky ny tenin’i Almà ary ny iray hamaky ny tenin’i Kôrihôra. Asao ny mpianatra sisa hitady ny zavatra natolotr’i Almà ho porofon’ny fisian’Andriamanitra.

  • Inona ireo porofo nomen’i Almà momba ny fisian’Andriamanitra? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Antitrantero mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity fa mijoro ho vavolombelona ny amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra.

  • Iza no mahery vaika indrindra aminao amin’ireo porofo notanisain’i Almà ireo? Nahoana?

Omeo minitra vitsy hanoratana ireo mpianatra. Asao izy ireo hanao lisitra ireo porofo izay hitan’izy ireo fa “maneho fa misy andriamanitra” (Almà 30:44). Asao ny maro amin’ireo mpianatra hizara ny lisitra nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Inona no fiantraikan’ireo porofo ireo eo aminareo? Amin’ny fomba ahoana no mety hampatanjahan’izy ireo ny finoanareo sy ny fijoroanareo ho vavolombelona?

Fintino ny Almà 30:46–50 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Kôrihôra, izay tsy mbola nanaiky ireo famantarana nomena azy, dia nangataka an’i Almà mba haneho aminy ny famantarana ny fisian’Andriamanitra. Ho valin’izany dia nozoin’ny fahamoanana tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra i Kôrihôra. Rehefa resy lahatra tamin’ny herin’Andriamanitra i Kôrihôra dia nanoratra momba ny antony nitoriany nanohitra an’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanazavan’i Kôrihôra ao amin’ny Almà 30:51–53.

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Kôrihôra nolazaina rehefa nilaza izy fa nampianatra zavatra izay “nahafinaritra ny sain’ny nofo”? (Azonao atao ny manazava fa nanintona ny fanirian-dratsy ara-nofon’ny olona ny fampianaran’i Kôrihôra fa tsy nanintona ny faniriana tsara ara-panahin’izy ireo.)

Fintino ny Almà 30:54–59 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nangataka an’i Almà hivavaka i Kôrihôra mba hialan’ilay ozona taminy. Tsy nanaiky i Almà ary nilaza fa raha omena fahafahana hiteny i Kôrihôra dia hampianatra fotopampianarana diso amin’ny olona indray. Noroahina hiala i Kôrihôra ary nitety trano nangataka sakafo izy. Nandeha tany amin’ny Zôramita, izay nisaraka tamin’ny Nefita, izy tamin’ny farany ary voahosihosy ambaram-pahafatiny.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 30:60 ary hikaroka ireo fitsipika nampianarin’i Môrmôna.

  • Inona no fitsipika ampianarin’i Môrmôna ao amin’io andininy io?

Ataovy izay hahazoana antoka fa ireo mpianatra dia mahatakatra fa “tsy hanohana ny zanany [ireo mpanara-dia azy] ny devoly amin’ny andro farany.”

  • Inona no maha-samy hafa an’izany amin’ny fomba hikarakaran’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy antsika? (Rehefa mifanakalo hevitra mikasika io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao atao ny mangataka azy ireo hamaky ny Almà 36:3.)

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana izay nifanakalozanao sy ny mpianatrao hevitra tao anatin’ity lesona ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 30:52. “Nahafantatra mandrakariva aho fa nisy Andriamanitra”

Nampianatra momba ny maha zava-dehibe ny fanekena ireo famantarana noraisintsika mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Raha tsy mihaino ny fitaomana malefaky ny Fanahy Masina isika dia mampidi-doza ny tenantsika amin’ny fahatongavana ho tahaka an’i Kôrihôra, izay antikristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsy vitan’ny hoe tsy nino an’ Andriamanitra fotsiny i Kôrihôra fa namingavinga ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotana ary ny fanahin’ny faminaniana ihany koa izy, izay nanome fampianaran-diso fa tsy misy Andriamanitra ary tsy misy i Kristy.

“Tsy nijanona fotsiny tamin’ny fandavana an’ Andriamanitra ary nandeha nanohy ny lalany i Kôrihôra. Naneso ireo mpino izy ary nangataka ny mpaminany Almà mba handresy lahatra azy tamin’ny alalan’ny famantarana ny amin’ny fisian’ Andriamanitra sy ny heriny. Manan-danja tokoa amin’izao fotoana izao tahaka ny tamin’izany andro izany ny valintenin’i Almà manao hoe: “Efa manana famantarana ampy ianao; moa haka fanahy an’ Andriamanitrao va ianao? Moa hilaza va ianao hoe, anehoy famantarana iray aho, kanefa anananao ny fanambaran’ ireo rahalahinao rehetra ireo ary koa ny an’ ny mpaminany masina rehetra? Apetraka eo anoloanao ny soratra masina, eny, ary ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; eny, na dia ny tany aza sy ny zavatra rehetra izay eo amboniny, eny, ary ny fihodiny, eny, ary ny planeta rehetra koa izay mihodina araka ny laminy ara-dalàna dia vavolombelona fa misy ny Mpahary Faratampony.’ [Almà 30:44.]

“Nomena famantarana i Kôrihôra ny niafarany. Nozoin’ny hamoanana izy. ‘Ary nandroso ny tànany i Kôrihôra sy nanoratra, nanao hoe: … Fantatro fa tsy misy na inona na inona afaka mampitondra izao ahy afa-tsy ny fahefan’ Andriamanitra; eny, nahafantatra mandrakariva aho fa nisy Andriamanitra.’ [Almà 30:52.]

“Ry rahalahy sy rahavavy, mety efa fantatrareo lalina ao anatinareo fa velona Andriamanitra. Mety tsy mbola mahafantatra ny zava-drehetra momba Azy ianareo ary tsy mahatakatra ny lalany rehetra, kanefa ao anatinareo ny hazavan’ny finoana, izay miandry ny hofohazina sy ampitomboina amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra sy ny hazavan’i Kristy, izay niaraka taminareo tamin’ny nahaterahanareo” (“Seeking to Know God, Our Heavenly Father, and His Son, Jesus Christ,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 31–32).

Hamoaka printy