Lesona 95
Almà 38
Fampidirana
Misiônera niara-niasa tamin’i Almà rainy teo anivon’ny Zôramita i Siblôna (jereo ny Almà 31:7). Naneho ny hafaliany tamin’ny fiorenana sy ny fahatokiana nasehon’i Siblôna rehefa niaritra fanenjehana i Almà taorian’io asa fitoriana io. Nijoro ho vavolombelona tamin’i Siblôna mikasika ny herim-panafahan’ny Mpamonjy ihany koa i Almà ary nanome azy torohevitra mikasika ny tokony hanohizan’i Siblôna hampianatra ny filazantsara.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Almà 38:1–3
Naneho ny hafaliany tamin’ny fahatokian’i Siblôna i Almà
Raha nanasa ny mpianatra hanao ilay enti-mody fampiharana ianao tamin’ny fiafaran’ny lesona teo aloha, dia ampahatsiahivo azy ireo ireo fanontaniana roa nasainao nanontanian’izy ireo ireo ray aman-dreniny na olon-dehibe iray hafa atokisana manao hoe:
-
Ahoana no nanampian’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra anao?
-
Inona no torohevitra omenao ahy izay afaka manampy ahy ho hendry kokoa amin’ny fahatanorako?
Asao ny mpianatra hanao tatitra mikasika ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ilay enti-mody. Rehefa avy mizara izany ny mpianatra dia manontania hoe:
-
Inona no fiantraikan’io zavatra niainana io teo amin’ny fanirianao hitandrina ny didin’Andriamanitra?
Hazavao fa ny Almà 38 dia mirakitra ireo torohevitra nomen’i Almà an’i Siblôna zanany lahy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 38:1–3. Asao ny iray kilasy mba hihaino ary hitady ireo andian-teny izay mamaritra ny zavatra tsapan’i Almà mikasika an’i Siblôna sy ny antony nahatsapany izany. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Inona no azontsika hianarana avy amin’ny Almà 38:2–3 mikasika ny zavatra miantefa amin’ireo ray aman-dreny avy amin’ireo zanaka miaina amim-pahamarinana? (Mety tsy hitovy ny valintenin’ny mpianatra. Ataovy izay ahazoana antoka fa izy ireo dia mahita ny fahamarinana hoe afaka mitondra fifaliana lehibe ho an’ny ray aman-dreniny ny tanora rehefa miorina sy mahatoky amin’ny fitandremana ny didy.)
-
Oviana ireo ray aman-dreninareo no nahatsapa fifaliana lehibe noho ny fanapahan-kevitra tsara noraisinareo na noho ny ezaka nataonareo hiaina ny filazantsara?
-
Amin’ny fomba ahoana no hiantraikan’ny ezaka ataonareo hitandrina ny didy amin’ny fifandraisanareo amin’ireo ray aman-dreninareo?
Azonao atao ny mizara ohatra mikasika ny fomba naha voataona ny fianakavianao tamin’ny safidy marina nataon’ireo zanaka tao amin’ny fianakaviana.
Almà 38:4–9
Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny herim-panafahan’ny Mpamonjy i Almà
Hazavao fa nampahatsiahy an’i Siblôna i Almà fa samy nahatsapa ny herim-panafahan’ny Mpamonjy izy ireo. Omano amin’ny taratasy hozaraina ity tabilao ity, na asehoy eny amin’ny solaitrabe izany ary asao ny mpianatra handika izany ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina.
Siblôna (Almà 38:4–5) |
Almà (Almà 38:6–8) | |
---|---|---|
Nafahana tamin’ny inona izy? | ||
Nahoana izy no nahazo ny fitahian’ny fanafahana? | ||
Inona no azontsika hianarana avy amin’ny zavatra niainany? |
Fenoy miaraka amin’ny mpianatra rehetra ilay tabilao, na asao ny mpianatra hiaraka tsiroaroa ary hameno izany. Asao ny mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina milahatra eo amin’ny solaitrabe rehefa mamaly ireo fanontaniana. Amporisiho izy ireo hampiditra ny zavatra efa fantany mikasika ny fanafahan’ny Tompo an’i Siblôna (jereo ny Almà 38:2–3) sy i Almà (jereo ny Môsià 27; Almà 36). Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy mameno ilay tabilao ny mpianatra mba hanampiana azy ireo hifanakalo hevitra mikasika ireo fitsipika nianaran’izy ireo:
-
Inona no azontsika hianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Siblôna? (Mety hahita fitsipika samy hafa ny mpianatra. Ataovy izay hahazoana antoka fa nahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Hanafaka antsika amin’ny fizahan-toetra, ny fahasahiranana, ary ny fahoriana Andriamanitra raha mizaka ny zava-drehetra amin’ny faharetana sy ny fahatokiana Azy isika, ary hanandratra antsika Izy amin’ny andro farany.)
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Almà? (Na mety hamaly amin’ny fomba hafa aza ny mpianatra dia ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia milaza hoe tsy maintsy maneho finoana an’i Jesoa Kristy isika ary mikatsaka ny famindram-pony mba hahazoantsika ny famelana ny fahotantsika sy hahitana fitsaharana ho an’ny fanahintsika.)
Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Almà 38:9. Asao hihaino ny iray kilasy mba hikaroka ny zavatra tian’i Almà hianaran’ny zanany lahy momba ny Mpamonjy.
-
Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra fa “tsy misy lalan-kafa na fomba izay ahafahana mamonjy [antsika]” afa-tsy ao amin’i Kristy?
-
Tamin’ny fomba ahoana no niainanao fanafahana tamin’ny alalan’ny herin’ny Mpamonjy? (Azonao atao ny manome fotoana ireo mpianatra hieritreretana io fanontaniana io alohan’ny hangatahana azy ireo hamaly.) Inona no nataonao mba hikatsahana izany fanafahana izany?
Omeo fotoana fohy ny mpianatra hisaintsainana ny fomba ahafahan’izy ireo mikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny zava-tsarotra lalovan’ny tena manokana.
Almà 38:10–15
Nanoro hevitra an’i Siblôna hanohy hampianatra ny filazantsara sy hampitombo toetra marina i Almà
Hazavao fa namporisika an’i Siblôna hampitombo toetra izay hanampy azy i Almà rehefa manohy mampianatra ny filazantsara sy manompo ny hafa izy. Ny fananaran’i Almà an’i Siblôna dia azo ampiharina amin’ny olona rehetra izay te hanompo, hampianatra, na hitaona ny hafa hanao ny tsara. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 38:10–15 mba hikarika torohevitra izay hanampy azy ireo indrindra. Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.
Omeo ny tahadikan’ny torolalana ho an’ny fandalinana ny mpianatra amin’ny fiafaran’ity lesona ity. Hazavao fa rehefa mampiasa ilay torolalana izy ireo dia ho hitan’izy ireo ny fomba hanomanan’ny ezaka ataontsika hampitombo toetra tsara antsika mba hampianatra sy hanompo ny hafa. Asao izy ireo hifidy ampahany iray amin’ny torohevitr’i Almà ao amin’ny tsanganana havia ao amin’ilay torolalana sy hamita ilay asa atao mba hianarana ao amin’ny tsanganana havanana. (Raha tsy afaka manome ny tahadikan’ny torolalana ho an’ny fandalinana ianao dia amboary ilay asa atao amin’ny alalan’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy sy ny fampiasana ny fampahalalana ao anatin’ny torolalana ho an’ny fandalinana mba ho loharanom-pitaovana.)
Rehefa avy nomena fotoana ampy hamitana ny iray amin’ireo asa atao hianaran-javatra ao amin’ny torolalana ho an’ny fandalinana ny mpianatra dia anontanio ny maro amin’izy ireo hizara ny zavatra nianarany avy amin’ity asa atao ity sy ny drafitra nataony mba hampiharana izany. Raha nomenao ny tahadikan’ilay torolalana ho an’ny fandalinana ho an’ny mpianatra ianao dia amporisiho izy ireo hitondra izany any an-trano ary hianatra misimisy kokoa mikasika ny fananaran’i Almà an’i Siblôna.
Torolalana ho an’ny Fandalinana ho an’ny Almà 38:10–12
Diniho ireo ampahany samy hafa amin’ny torohevitr’i Almà izay voatanisa etsy ambany ary mifidiana iray izay tianao hatsaraina ao aminao. Fenoy ny asa atao hianaran-javatra mifandraika amin’izany mba hanampiana anao hampihatra io torohevitra io eo amin’ny fiainanao.
Torohevitr’i Almà |
Asa atao Hianaran-javatra |
---|---|
“Tiako ianao ho mazoto sy mahonon-tena amin’ny zava-drehetra” (Almà 38:10). |
Ny hoe mazoto dia ezaka mitohy sy atao amim-pitandremana ary voakajy. Ny hoe mahonon-tena dia ny “fampiasana fandanjalanjana amin’ny zava-drehetra na fampiasana ny fifehezan-tena” (Kent D. Watson, “Being Temperate in All Things,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 38). Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony ilana ireo toetra roa ireo rehefa mampianatra ny filazantsara sy manompo ny hafa ny olona iray. Manorata koa mikasika ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainanao izany ahafahanao ho mazoto sy mahonon-tena kokoa ary ahoana ny hanampian’ny fivoarana amin’ireo sehatra ireo anao hampianatra sy hanompo ny hafa amin’ny fomba mahomby kokoa. |
“Ezaho izay tsy hanandratanao tena ao amin’ny avonavona; … ataovy izay tsy hireharehanao” (Almà 38:11). |
Fomba iray hisehoan’ny avonavona ny fametrahana fitokisana lehibe kokoa amin’ny tena toy izay amin’Andriamanitra. Hita ihany koa ny fireharehana rehefa mieritreritra ny olona iray fa ambony kokoa na manan-danja kokoa noho ny olona hafa. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra mety hitranga raha toa ka mieboebo amin’ny antsony ny olona iray. Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Miresaka amin’ny fahatokian-tena any anaty ny mpianatra marina fa tsy amin’ny fireharehana” (“Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 73). Mieritrereta olona iray fantatrao izay mampianatra ny filazantsara “amin’ny fahatokian-tena ao anaty.” Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika io olona io sy ny fiantraikan’ny fampianarany taminao. Manorata ihany koa fomba iray na roa hikatsahanao ny hisoroka ny fireharehana. |
“Mampiasà fahasahiana fa tsy fianjonanjonana” (Almà 38:12). |
Vakio ny tenin’i Paoly ao amin’ny Filipiana 1:14 mba hahitana ny fomba hanehoan’ny mpanompon’Andriamanitra fahasahiana. Nampianatra ny fomba ahafahantsika misoroka ny fianjonanjonana ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany manao hoe: “Mino aho fa tsy tokony … hivatravatra, haneritery, na ho mafy fo isika amin’ny fampianarantsika olona [amin’ny asa fitoriana]” (in James P. Bell, In the Strength of the Lord: The Life and Teachings of James E. Faust [1999], 373). Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ny olona iray ho sahisahy kanefa tsy mianjonanjona. Manoratra fomba iray miavaka hampiharanao ny torohevitra mba ho sahisahy fa tsy hianjonanjona. Soraty ihany koa ny fomba hanampian’io torohevitra io anao hahomby amin’ny fampianarana sy fanompoana ny hafa. |
“Ataovy izay hifehezanao ny filanao rehetra” (Almà 38:12). |
Ny hoe mifehy dia midika hoe tsy mifady na mitarika na manara-maso. Fiontanam-po mahery vaika ny filana. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe: Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe amintsika ny mifehy ny filana? Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny fifehezana ny filana anao mba ho feno fitiavana? Inona no hataonao hanarahana ny torohevitr’i Almà mba hifehy ny filanao rehetra? |
“Ataovy izay hifadianao ny fidonanaham-poana” (Almà 38:12). |
Jereo ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy eo ambanin’ny hoe “Midonana-poana.” Mitadiava torohevitra mikasika ny dikan’ny hoe midonana-poana sy ny mifanohitra amin’ny hoe midonana-poana. Misafidiana andinin-tsoratra masina roa voatanisa eo ambanin’ilay lohateny ary halalino izany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy amin’ireo andininy nofidianao. Soraty ny fomba hanampian’ilay torohevitra hifady ny fidonanaham-poana anao hampianatra sy hanompo ny hafa amin’ny fomba mahomby kokoa. Farany dia manorata fomba manokana hifadianao ny fidonanaham-poana. |