Tahirim-pitaovana
Lesona 59: Môsià 12:18–14:12


Lesona 59

Môsià 12:18–14:12

Fampidirana

Rehefa nanontany an’i Abinadia ny Mpanjaka Noà sy ireo mpisorony dia nanome tsiny azy ireo ilay mpaminany noho izy ireo tsy nampianatra na tsy nitandrina ny didy. Nibaiko ireo mpisorony ny Mpanjaka Noà hamono an’i Abinadia, saingy narovan’Andriamanitra i Abinadia ary nomeny hery hanohizana ny filazana ny hafatra nentiny. Nijoro ho vavolombelona i Abinadia ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany rehefa nitanisa ny tenin’i Isaia.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià12:18–13:26

Nanome tsiny ny Mpanjaka Noà sy ireo mpisorony i Abinadia noho izy ireo nandà tsy hitandrina sy hampianatra ireo didy

Hanombohana ity lesona ity dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny manaraka ireto:

FANTATRO ny dikan’ny hoe miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

MIAINA ny filazantsaran’i Jesoa Kristy AHO.

Asao ireo mpianatra handinika amim-pahanginana hoe hatraiza no ahafahana mamaritra azy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 (ka ny isa 10 dia maneho fa mamaritra azy ireo tsara ilay fehezanteny).

  • Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny fahafahana manatanteraka amin-kitsim-po ireo fehezanteny roa ireo?

Hazavao fa rehefa mifanakalo hevitra mikasika ireo tenin’ny Abinadia ireo mpianatra dia hianatra misimisy kokoa mikasika ny maha zava-dehibe ny fiainana ny filazantsara. Ampahatsiahivo azy ireo fa nandritra ny lesona teo aloha izy ireo dia nifanakalo hevitra momba ny tantaran’ny Mpanjaka Noà sy ireo mpisorony izay nampiditra an’i Abinadia tao am-ponja noho ireo faminaniana nataony izay namely azy ireo (jereo ny Môsià 12:1–17). Fintino ny Môsià 12:18–24 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nentina teo anoloan’ny Mpanjaka Noà sy ireo mpisorony i Abinadia taty aoriana. Nohadihadian’ireo mpisorona izy, izay niezaka ny nampisafotofoto azy mba hilaza zavatra azon’izy ireo ampiasaina hiampangana azy. Avy eo dia nangataka azy ny iray tamin’izy ireo hanazava andinin-tsoratra masina iray.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 12:25–30 ka hikaroka ireo antony nanomezan’i Abinadia tsiny an’i Noà sy ireo mpisorony. Rehefa avy mitatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra dia manontania hoe:

  • Nilaza i Abinadia fa namilivily ny lalan’ny Tompo i Noà sy ny mpisorony (jereo ny Môsià 12:26). Izany hoe novain’izy ireo ny zava-masina ary nivily lalana niala tamin’ny fomba tsara tokony hiainana izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no naha meloka an’i Noà sy ireo mpisorony tamin’ny familiviliana ny lalan’ny Tompo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io dia azonao atao ny milaza amin’izy ireo fa ireo mpisorona dia nanambara fa ny famonjena dia tonga amin’ny alalan’ny lalàn’i Mosesy (jereo ny Môsià 12:32). Na izany aza anefa dia tsy nitandrina ny Didy Folo izy ireo, izay anisan’io lalàna io, ary tsy nampianatra ny olona izy ireo hitandrina ny didy (jereo ny Môsià 11:1–15; 12:27–29, 37; 13:25–26).

Tondroy ireo fehezanteny eny amin’ny solaitrabe.

  • Raha eo amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10, hatraiza no ahafahana mamaritra tsara an’i Noà sy ireo mpisorony amin’ny alalan’ireo fehezanteny ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 12:31–33. Angataho ny iray kilasy hamantatra ny fitsipika nampianarin’i Abinadia an’i Noà sy ireo mpisorony. (Nampianatra izy fa raha mitandrina ny didin’Andriamanitra isika dia ho voavonjy.)

Zarao ity ohatra manaraka ity izay nomen’ny Loholona F. Melvin Hammond ao amin’ny Fitopololahy. Amporisiho ireo mpianatra hihaino ny maha samy zava-dehibe ny fahalalana sy ny fitandremana ny didy.

“Taona maro lasa izay dia nijoro tamim-pahasahiana nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny misiônera iray avy nanao asa fitoriana ary nanambara tamin’ny feo avo fa fantany avy amin’ny fandalinana ny soratra masina nataony fa marina ny filazantsara ary vonona izy ny hamoy ny ainy ho an’ny Tompo sy ny Fiangonany. Roa herinandro taty aoriana dia nijoro teo anoloan’ny evekan’ny paroasy ho an’ny mpianatra nisy azy izy, afa-baraka sy natahotra, rehefa namboraka fa very tao anatin’ny fotoam-pahalemena ny fahadiovany. Izany dia toy ny hoe adino tao anatin’ny fahataitairan’ny firehetampony ny fahafoizan-tena ho an’ny Mpamonjy izay nambarany. Na dia mpianatra ny tenin’Andriamanitra aza izy dia tsy nampifandraisiny tamin’ny fampiharana isan’andro, dia ny fampiharana ny fiainana tahaka ny an’i Kristy ny fandalinana nataony.

“Nahavita hatramin’ny farany ireo zavatra rehetra notakiana hahazoana ny Distinction de la Jeune Fille Accomplie ny zatovovavy iray tsara tarehy. Voasoratra tamim-pandinihana tsara sy voapetraka tamim-pitandremana tsara tao anatin’ny diariny ireo tanjon’ny tenany manokana. Nosoratany tamin’ny foto-kevitra tsy azo hozongozonina fa tsy hiaraka afa-tsy amin’ny zatovolahy mendrika izy ary hitady ilay olona miavaka iray izay hitondra azy hanambady any amin’ny tempoly. Tamin’izy valo ambin’ny folo taona dia adinony ireo tanjony; nitsoaka ny trano fonenany izy ary nanambady zazalahy iray tsy mpikamban’ny Fiangonana. Be ireo ranomaso nalatsak’ireo olona tena tia azy indrindra—ireo ray aman-dreniny, ireo mpampianany, ary ireo namany. Tsy nampifandray ireo fitakian’ny lalàna sy ny maha mpanara-dia marina izy” (“Eliminating the Void between Information and Application,” Fanofanana nataon’ny DFF nampitaina tamin’ny alalan’ny zanabolana, Aog. 2003, 17, si.lds.org).

  • Nahoana no tsy ampy hahatonga antsika ho mendrika ny famonjena ny fahafantarana ny didy?

Abinadi before King Noah

Asehoy ilay sary hoe Abinadia eo anatrehan’ny Mpanjaka Noà (62042; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 75). Asao ireo mpianatra hilaza ny zava-mitranga ao amin’ilay sary. (Manome baiko ny mpanjaka ny mba hamonoana an’i Abinadia. Miaro an’i Abinadia ny Tompo.) Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ity tantara ity dia asao ny mpianatra telo hitsangana sy hilalao ny tantara eo am-pamakiana ny andinin-tsoratra masina. Hilalao eo amin’ny toeran’ny mpitantara ny mpianatra iray. Hamaky ireo tenin’ny Mpanjaka Noà ny mpianatra faharoa. Hamaky ny tenin’i Abinadia ny mpianatra fahatelo. Amin’ny voalohany, dia asao ilay mpitantara sy ilay mpianatra milalao eo amin’ny toeran’i Noà hamaky ny anjarany avy ao amin’ny Môsià 13:1–2. Avy eo dia asao ilay mpianatra milalao eo amin’ny toeran’i Abinadia hamaly amin’ny alalan’ny Môsià 13:3–4. Avy eo dia hamaky ny Môsià 13:5–6 ilay mpitantara. Aorian’izany dia hamarana amin’ny alalan’ny Môsià 13:7–11 ilay mpianatra milalao eo amin’ny toeran’i Abinadia.

Sariho amin’ny Môsià 13:11 ny sain’ireo mpianatra.

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe voasoratra ao am-pontsika ny didy? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa mba hananana ireo didy ho voasoratra ao am-pontsika dia tsy maintsy sady mahafantatra no miaina ny filazantsara isika.)

Lazao amin’izy ireo fa talohan’ny nikatsahan’i Noà ny hampamono an’i Abinadia dia nanomboka nitanisa andinin-tsoratra masina iray i Abinadia, izay mety ho fantatry ny mpanjaka sy ireo mpisorony tsara ary nanaporofo ny faharatsian’izy ireo. Asao ny iray kilasy hamaky ny Môsià 12:34–36 amim-pahanginana mba hijery raha toa ka ohatra an’ny efa mahazatra ilay soratra masina novakian’i Abiandia tamin’i Noà sy ireo mpisorony. Ampio izy ireo hahita fa nanomboka nitanisa ny Didy Folo i Abinadia.

Manaova sarin’ny takela-bato lehibe roa tsy misy na inona na inona. Asao ny mpianatra iray hanoratra didy iray amin’ireo Didy Folo ao amin’ny iray amin’ireo takela-bato. Angataho ilay mpianatra hanome ny tsaoka ho an’ny mpianatra iray hafa mba hanoratra didy iray hafa amin’ireo Didy Folo. Avereno izany fomba izany mandra-panoratr’ireo mpianatra izay rehetra tadidiny. Asao izy ireo hanamarina ireo valinteniny ao amin’ny Môsià 12:34–36 sy 13:12–24. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanisy marika ny Didy Folo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo sy ao amin’ny Eksodosy 20:3–17 (izay andinin-tsoratra masina fehezina).

takela-bato tsy misy na inona na inona

Zarao ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley:

“[No]soratan’ny rantsatanan’i Jehovah teo amin’ny takela-bato [ireo] Didy Folo mba ho famonjena sy fiarovana amin’ny loza, mba ho fiarovana sy hanomezana fifaliana ny zanak’Isiraely, ary ho an’ny taranaka rehetra izay handimby azy ireo” (“Our Solemn Responsibilities,” Ensign, Nôv. 1991, 51).

Amporisiho ireo mpianatra hamerina hijery ny Didy Folo sy hieritreritra amim-pahanginana ny ezaka ataon’izy ireo manokana hitandremana izany.

Môsià 13:27–14:12

Mampianatra momba ny famonjena amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Abinadia

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao (azonao atao ny manoratra izany alohan’ny hiatombohan’ny fotoam-pianarana). Asao ireo mpianatra hieritreritra izay azo ampidirina eo amin’ilay banga.

“Aorian’ny fankatoavantsika sy ny asa tsara rehetra ataontsika dia tsy afaka ny ho voavonjy amin’ny fahafatesana na ny vokatry ny fahotana ataontsika tsirairay isika raha tsy misy ny …”

Vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ity:

Aorian’ny fankatoavantsika sy ny asa tsara rehetra ataontsika dia tsy afaka ny ho voavonjy amin’ny fahafatesana na ny vokatry ny fahotana ataontsika tsirairay isika raha tsy misy ny fahasoavana atolotry ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Manazava tsara izany ny Bokin’i Môrmôna. Mampianatra izy fa ’ny famonjena dia tsy tonga amin’ ny alalan’ ny lalàna samirery’ (Môsià 13:28). Izany hoe tsy tonga fotsiny amin’izao amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy ny famonjena. … Na ireo izay miezaka ny hankatò sy hanompo an’Andriamanitra amin’ny fony sy ny heriny sy ny sainy ary ny tanjany manontolo aza dia ’mpanompo tsy mahasoa’ (Môsià 2:21). Tsy afaka mahazo ny famonjena ho azy manokana ny olombelona” (“Another Testament of Jesus Christ,” Ensign, Mar. 1994, 67).

Fenoy ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fanoratana hoe ny fahasoavana atolotry ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Avy eo dia mangataha mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môsià 13:28, 32–35. Asao ny iray kilasy hikaroka teny sy andian-teny mifandray amin’ny fanambarana nataon’ny Loholona Oaks. Asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra hitany. (Anisan’ny valiny azo omena ny hoe “ny sorompanavotana,” “ny fanavotan’Andriamanitra,” “ny fiavian’ny Mesia,” ary ny fampanantenana fa “Andriamanitra mihitsy no [Ho] avy eo anivon’ny zanak’olombelona.”)

Hazavao fa ny fanambaran’i Abinadia mikasika ny “lalàna” ao amin’ny Môsià 13:28 sy 32 dia entina ilazana ny lalàn’i Mosesy, izay nahitana andiana lalàna entitra maro nifandray tamin’ny sorona, sy ny firavoravoana, ary fomba amam-panao hafa. Nomena ny lalàna mba hanampiana ny Israelita hahatsiaro an’Andriamanitra sy hikatsaka fatratra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Rehefa nandeha ny fotoana dia maro ireo Israelita no tsy nahatakatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy tamin’ny naha Mpamonjy azy ireo Azy, ary nihevitra izy ireo fa afaka ny ho voavonjy tamin’ny alalan’ny fankatoavana fotsiny ny lalàn’i Mosesy.

  • Nijoro ho vavolombelona i Abinadia fa tsy misy olona azo vonjena raha tsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Môsià 13:28, 32). Nahoana no manan-danja ho antsika ny mahatakatra io fahamarinana io?

Hazavao fa rehefa niresaka tamin’i Noà sy ireo mpisorony i Abinadia dia nitanisa ny sasany tamin’ireo faminanian’i Isaia momba an’i Jesoa Kristy izy. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 14:3–12. Asao izy ireo hitady ireo teny na andian-teny izay milaza ny zavatra nataon’ny Mpamonjy mba hahatanteraka ny famonjena azy ireo.

Rehefa avy mandalina ireo andininy ireo mandritra ny minitra vitsy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Azonao atao ny manoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fanaintainana sy ny alahelo nentin’ny Mpamonjy ho azy ireo ary mba hanampiana azy ireo hieritreritra mikasika ny fijaliany noho ny fahotan’izy ireo dia vakio amin’izy ireo ireto fehezanteny manaraka ireto. Asao izy ireo hameno ireto fehezanteny ireto ao an-tsainy:

Nitondra ny alaheloko i Jesoa Kristy, toy ny …

Noratraina sy mangana noho ny fandikako lalàna Izy, toy ny …

Anontanio ireo mpianatra izay dikan’ity fehezanteny manaraka ity amin’izy ireo: “Ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika” (Môsià 14:5). Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe dian-kapoka dia entina ilazana manokana ireo ratra tavela teo amin’ny vatan’ny Mpamonjy tamin’ Izy nokaravasiana na nokapohina (jereo ny Jaona 19:1). Amin’ny ankapobeny dia entina ilazana ny fijaliany rehetra io teny io.

Rehefa avy mizara ny zavatra tsapany mikasika io fehezanteny io ireo mpianatra dia mijoroa ho vavolombelona fa afaka mahazo fiadanana sy famelan-keloka isika eto amin’ity fiainana ity ary famonjena any amin’ny fiainana ho avy amin’ny alalan’ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny ezaka ataontsika hitandremana ny didy (jereo ny F&F 59:23; Fanekem-pinoana 1:3). Asao ireo mpianatra haneho ny fitiavany sy ny fankasitrahany ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 13:34. “Izy Andriamanitra tenany mihitsy no hidina”

Ny teny hoe Andriamanitra amin’ny ankapobeny dia entina iresahana an’ny Raintsika any an-danitra, kanefa ao amin’ny Môsià 13:34 dia entina iresahana an’i Jesoa Kristy izany. Ireo Olomasina tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia nahafantatra an’i Jesoa Kristy ho i Jehovah sy ho ilay Andriamanitr’i Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba. Nampianatra ny Loholona James E. Talmage ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny soratra masina dia manampy antsika hahatakatra ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha Andriamanitra Azy, manao hoe:

“Izahay dia manambara ny fahefan’ny soratra masina amin’ny filazana fa i Jesoa Kristy no ilay Andriamanitra Mpahary, ilay Andriamanitra niseho tamin’i Adama, sy i Enoka, ary ireo patriaraka sy mpaminany rehetra talohan’ny safo-drano hatreo amin’i Noà; ilay Andriamanitr’i Abrahama, sy Isaka ary Jakôba; ilay Andriamanitr’i Isiraely amin’ny maha vahoaka iray azy, ary ilay Andriamanitr’i Efraima sy Joda taorian’ny faharavan’ny firenena Hebreo; Ilay Andriamanitra izay nampahafantatra ny tenany tamin’ireo mpaminany nanomboka tamin’i Mosesy ka hatramin’i Malakia; ilay Andriamanitry ny rakitsoratry ny Testamenta Taloha; ary ilay Andriamanitry ny Nefita. Manamafy izahay fa i Jesoa Kristy no Jehovah, Ilay Mandrakizay” (Jésus le Christ, edisiona fahatelo. [1916], 32).

Môsià 13:27–35. Ny lalàn’i Mosesy sy i Jesoa Kristy

Nampianatra ny fifandraisan’ny lalàn’i Mosesy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Ny lalàn’i Mosesy —tamin’ny andro fahiny na ao anatin’ny vaninandro maoderina—dia tsy tokony horaisin’ireo mpamaky amin’ny vanim-potoana maoderina ho toy ny fombafomba ara-pivavahana mankaleo fotsiny ihany izay narahan’ireo olona mafy hatoka an-katerena (ary tamim-pihetraketrahana indraindray) izay tsy nanaiky an’i Kristy sy ny filazantsarany. Ity fanekempihavanana manan-tantara natolotry ny tanan’ Andriamanitra mihitsy ity ary mitana ny laharana faharoa aorian’ny fahafenoan’ny filazantsara ho toy ny lalana iray mitondra ny olona ho amin’ny fahamarinana, dia tokony horaisina kosa ho toy ilay fitambarana ohatra, sy tandindona, sy sariohatra, ary fanehoana mialoha an’i Kristy izay izany mihitsy no tena izy. Noho io antony io dia tany aloha izy io (ary mbola toy izany hatrany, eo ifotony sy ny fahadiovany) dia fitarihana ho amin’ny fiainana ara-panahy, vavahady mitondra mankany amin’i Kristy, lalana ahitana fitandremana ny didy amin’ny fomba hentitra, izay hitarika, amin’ny alalan’ny lalàn’ny adidy sy ny fahamendrehana, ho any amin’ny lalàn’ny fahamasinana ambony kokoa eo amin’ny lalana mankany amin’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. …

“… Zava-dehibe tokoa ny mahatakatra fa voatsindry ny lalàn’i Mosesy ka noho izany dia nampidirina ireo ampahany fototra maro amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay efa nisy talohan’izany. Tsy natao velively ho zavatra iray mitokana na misaraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy io lalàna io, ary azo antoka fa tsy mifanohitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Tsy natao velively ho samy hafa amin’ny tanjon’ny lalàna ambony kokoa ny tanjon’izy io. Samy natao hitondra ny olona ho any amin’i Kristy izy roa ireo” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 136–37, 147; jereo koa ny 2 Nefia 11:4; Môsià 16:14–15).

Môsià 14:5. Fahasitranana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny fahasitranana mety ho azontsika noho ny fijalian’ny Mpamonjy nandritra ny Sorompanavotana nataony manao hoe:

“Tena fiadanana sy fampiononana tokoa ity fanomezana lehibe izay azo avy amin’ny fitiavana feno famindram-pon’i Jesoa Kristy ity, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra ny zanak’olombelona. …

“… Na dia nadio sy tsy nisy fahotana aza ny fiainany dia nanefa ny sazy faran’izay mafy indrindra noho ny fahotana Izy—ny ahy sy ny an’izay niaina rehetra. Ny fijaliany ara-tsaina, ara-piontanam-po, ary ara-panahy dia lehibe tokoa ka nahatonga Azy hivoa-dra tamin’ny mason-koditra rehetra (jereo ny Lioka 22:44; F&F 19:18). Kanefa dia nanaiky an-tsitrapo ny hijaly i Jesoa mba hahafahantsika rehetra ho voadio—amin’ny alalan’ny finoana Azy, ny fanaovana batisa amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mety amin’izany, ny fahazoana ny fanomezana manadion’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fandraisana ho mpikambana, ary ny fanekena ireo ôrdônansy rehetra ilaina. Raha tsy nisy ny Sorompanavotana nataon’ny Tompo dia tsy nisy mety ho azontsika ireo fitahiana ireo, ary tsy afaka ny ho lasa mendrika sy vonona ny hiara-honina amin’ Andriamanitra isika” (“The Atonement and the Value of One Soul,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 84–85).