Tahirim-pitaovana
Lesona 64: Môsià 23–24


Lesona 64

Môsià 23–24

Fampidirana

Rehefa avy nandositra ny miaramilan’ny Mpanjaka Noà i Almà sy ny olony dia nanangana tanàna niaina tamim-pahamarinana izy ireo. Na dia niova fo tamin’ny filazantsara aza izy ireo dia niaina fahoriana sy zava-tsarotra. Nandevozin’ny Lamanita izy ireo. Rehefa nino sy nanam-paharetana i Almà sy ny olony, dia nanamaivana ny entany ny Tompo ary nanafaka azy ireo tamin’ny fanandevozana tamin’ny farany. (Mariho fa ny Môsià 23–24 dia miresaka mikasika ny ankamaroan’ny fotoana resahina ao amin’ny Môsià 19–22.)

Soso-kevitra Enti-mampianatra

Môsià 23:1–20

Nanampy an’i Almà sy ny olony handositra ny miaramilan’ny Mpanjaka Noà sy hanangana tanàna niaina tamim-pahamarinana ny Tompo

Sary
Alma Baptizes in the Waters of Mormon

Asehoy ny mpianatra ny sary mitondra ny lohateny hoe Manao Batisa ao amin’ny Ranon’i Môrmôna i Almà (62332; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 76). Asao ny mpianatra iray hilaza amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra fantany mikasika ilay lehilahy manao batisa ireo olona hafa ao amin’ilay sary. (Raha manana olana amin’ny famaliana izany ireo mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hamaky ny famintinana ny toko ho an’ny Môsià 18 mba hampahatsiahivana azy ireo ilay tantaran’i Almà sy ny olony teo amin’ny ranon’i Môrmôna.)

Ampiaraho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpiara-miasa tsirairay hifandimby hamaky ho an’ny namany ny Môsià 23:1–5, 19. Angataho izy ireo hikaroka fehezanteny izay maneho ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Almà sy ny olony rehefa nibebaka sy nisafidy ny hiaina amim-pahamarinana izy ireo. (Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo fehezanteny ireo.) Asao ireo mpianatra hilaza izay zavatra hitany.

Asao ireo mpianatra hijery ilay fanehoana an-tsary nataon’izy ireo izay maneho ny fijerena amin’ny ankapobeny ireo dia natao ao amin’ny Môsià 7–24. Omeo torolalana izy ireo hanao ny sarin’ny tanin’i Helama eo amin’ny fanehoana an-tsarin’izy ireo eo amin’ny toerana tokony hisy izany. Asao ihany koa izy ireo hanao sarin-jana-tsipìka avy eo amin’ny Ranon’i Môrmôna mankeo amin’ny tanin’i Helama, ary angataho izy ireo hanome anarana ilay zana-tsipìka hoe “Niainga i Almà sy ny olony.” (Mba hahitana ilay fanehoana an-tsary iray manontolo dia jereo ireo pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.)

Fijerena amin’ny ankapobeny ireo dia natao ao amin’ny Môsià 7–24

Sary
dia natao ao amin’ny Môsià 7–24

Hazavao fohifohy fa ao amin’ny Môsià 23:6–14, dia mahita isika fa nolavin’i Almà ny fangatahan’ny vahoaka mba hahatonga azy ho mpanjakan’izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 23:9–10, 12. Asao ny iray kilasy hitady ny famaritan’i Almà ny fiantraikan’ny fitaoman-dratsin’ny Mpanjaka Noà taminy sy tamin’ny olony. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona no ampianarin’ireo fehezanteny hoe “voan’ny fandrika” sy “nogejain’ny famatoran’ny heloka” mikasika ny fiantraikan’ny fahotana?

  • Nahoana no manampy antsika ny mahafantatra ireo hery fitaomana izay nitarika antsika hanota teo aloha?

  • Rehefa avy mibebaka isika, nahoana no mety ho manan-danja ny mahatsiaro fa tena “marary” tokoa izany fibebahana izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 23:13. Asongadino ny torohevitr’i Almà mba “[hiorenana] mafy ao amin’ ity fahafahana izay efa nanafahana anareo ity.”

  • Amin’ny fomba ahoana no hampiharana io torolalana io amin’ny dingan’ny fibebahana? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa rehefa nanafaka antsika tamin’ny fahotana ny Tompo ary nahatsapa ny fahafahana sy ny famelan-keloka isika, dia tsy maintsy manao safidy tsara isika mba hihazonana izany fahafahana izany.)

Asao ireo mpianatra handalina amim-pahanginana ny Môsià 23:14–18, hikaroka ireo zavatra nampianarin’i Almà ny vahoaka mba ho ataony mba hihazonan’izy ireo ny fahafahany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 23:19–20. Asao ny iray kilasy hamantatra ilay fehezanteny izay milaza fa nitahy ilay vahoaka ny Tompo rehefa nisafidy ny hiaina tamim-pahamarinana izy ireo (“niroborobo izaitsizy”).

  • Amin’ny fomba ahoana no hamintinanareo ny zavatra nianaranareo avy amin’ny zavatra niainan’i Almà sy ny olony? (Ao anatin’ireo fahamarinana hafa dia mety hiteny ireo mpianatra fa rehefa mibebaka sy mifidy ny hiaina amim-pahamarinana isika, dia hitahy antsika ny Tompo ary hanafaka antsika amin’ny famatoran’ny heloka.)

  • Oviana ianareo no nahita ny fahatanterahan’io fitsipika io teo amin’ny fiainanareo na ny fiainan’ny namana iray na olona ao amin’ny fianakaviana? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy voatery hizara zavatra niainana tokony hotazoniny ho azy samirery na tsiambaratelo izy ireo.)

Môsià 23:21–29

Namarina an’i Almà sy ny olony tao amin’ny fanandevozana ny miaramilan’ny Lamanita sy ireo mpisorona ratsy fanahin’i Noà

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa tsy maintsy mbola hiaritra fitsapana ihany ireo olo-marina dia asao izy ireo hieritreritra fotoana iray teo amin’ny fiainan’izy ireo izay nahatsapany fa nisy nifandraisany tamin’ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ny fitsapana … dia ilaina na dia rehefa miaina fiainana mendrika sy marina aza ianao, ary mankatò ireo didi[n’Andriamanitra]. Rehefa iny toa mandeha tsara iny avokoa ny zava-drehetra no matetika hahatongavan’ireo zava-tsarotra maro be izay miara-mihatra amin’ny tena” (“Trust in the Lord,” Ensign, Nôv. 1995, 16).

Asao ireo mpianatra handalina ny Môsià 23:21–22 mba hahita ny antony hamelan’ny Tompo ireo izay misafidy ny hiaina amim-pahamarinana hiaritra fitsapana sy fahoriana. Rehefa milaza ny zavatra hitany ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra fa hizaha toetra ny faharetantsika sy ny finoantsika ny Tompo mba hanampiana antsika hampitombo ny fahatokiantsika Azy.

Asao ireo mpianatra hanoratra ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy. Asao izy ireo hisaintsaina ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ny sisa tavela amin’ny Môsià 23. Tsy tokony hanoratra ny valinteniny izy ireo mandra-pitenenanao azy ireo hanao izany afaka fotoana kely, mandritra ny lesona.

  • Inona ireo fitsapana lalovanao amin’izao fotoana izao?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampihatra finoana sy fahatokiana an’Andriamanitra mandritra ny fotoana hizahana toetra anao?

Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 23:23–29. Asao izy ireo hitady ny fomba nizahana toetra an’i Almà sy ny olony sy ny zavatra nataony nanehoany ny fahatokian’izy ireo an’Andriamanitra.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fivavahana sy ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany antsika mandritra ny fizahan-toetra? (Afaka manampy antsika izy ireo hampitombo ny faharetantsika sy ny finoantsika. Afaka manampy antsika ihany koa izy ireo hahazo hery, sy fanambarana ho an’ny tena manokana, sy fiadanana, ary fahatokiantena, mba hahafahantsika miaritra ny fizahan-toetra antsika na mahazo fanafahana avy amin’izy ireo.)

Môsià 23:30–24:25

Niaritra fanenjehana i Almà sy ny olony, saingy nanamaivana ny entany ny Tompo ary nanafaka azy ireo tamin’ny fomba mahagaga

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fifandraisan’i Amiolôna tamin’ny Lamanita sy ny mpanjakany dia fintino ny Môsià 23:30–39 sy 24:1–7. Hazavao fa mpitarika ireo mpisorona ratsy fanahin’ny Mpanjaka Noà i Amiolôna, izay nandroaka an’i Almà noho izy nanohana an’i Abinadia. Nitambatra tamin’ny Lamanita i Amiolôna, niaraka tamin’ny mpisorona ratsy fanahy hafa sy ireo vehivavy Lamanita vadin’izy ireo. Nahazo sitraka avy amin’ny mpanjakan’ny Lamanita i Amiolôna, izay nanendry azy, taorian’izay, hanapaka ireo Nefita rehetra tao amin’ny tanin’i Helama, anisan’izany ny olon’i Almà.

Asao ho eny aloha ny mpianatra iray, ary angataho izy hitondra kitapo babena tsy misy na inona na inona. (Mila mitondra ny soratra masiny eny aloha ilay mpianatra.) Anontanio ilay mpianatra ny mety ho fahamoran’ny filanjana ilay kitapo babena tsy misy na inona na inona mandritra ny tontolo andro. Asao io mpianatra io hamaky mafy ny Môsià 24:8–11. Isak’izay mamaky mikasika ny zavatra iray izay mety ho fizahan-toetra ho an’i Almà sy ny olony ilay mpianatra dia asio vato na zavatra hafa mavesatra ao anatin’ilay kitapo babena. Rehefa vita ny famakian’ilay mpianatra dia anontanio azy ny mety ho fahamoran’ny filanjana ilay kitapo babena novesarana zavatra mandritra ny tontolo andro. (Tokony hijanona eny aloha ilay mpianatra ary milanja ilay kitapo babena mandra-panasana azy hipetraka.) Anontanio ny mpianatra rehetra:

  • Mety ho inona eo amin’ny fiainanao ireo vato na zavatra mavesatra?

  • Amin’ny fomba ahoana no hisian’ireo enta-mavesatra ireo fiantraikany eo amintsika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 24:10–12. Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nataon’ny olon’i Almà mba hahazoana fanampiana tamin’ny enta-mavesatr’izy ireo. Asao ireo mpianatra hanazava ny zavatra hitany.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny vavaka antsika rehefa manana enta-mavesatra isika?

  • Rehefa mandalo fizahan-toetra isika, nahoana no mety hampionona ny fahalalana fa mahafantatra ny “fihevitry ny fo[ntsika] Andriamanitra?

Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 24:13–15 mba hamantatra ny zavatra nitranga tamin’ny olon’i Almà rehefa nanohy nivavaka nangataka fanampiana izy ireo.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo ho ataony ho an’ny olon’i Almà? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia azonao atao ny manontany mpianatra iray hafa na roa hanainga ny vodin’ilay kitapo babena mba hanamaivanana ny enta-mavesatr’ilay mpianatra mitondra izany—mba hanehoana ny fomba hanamaivanan’ny Tompo ny entatsika.) Amin’ny fomba ahoana no hifandraisan’io fampanantenana io amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tany amin’ny Ranon’i Môrmôna? (Jereo ny Môsià 18:8–10.)

  • Nahoana no manampy ny mahafantatra fa tsy manaisotra avy hatrany ny enta-mavesatsika na manaisotra ireo zava-tsarotra eo amintsika ny Tompo?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba fihetsik’i Almà sy ny olony nanoloana ny fizahan-toetra azy ireo?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nanome hery anao ny Tompo mba haharitra fitsapana na hitondra enta-mavesatra?

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 24:16–17, 21. Asao izy ireo hitady teny na fehezanteny izay mamaritra bebe kokoa ny fomba fihetsika nasehon’ireo vahoaka nanoloana ny fizahan-toetra azy ireo sy ny fomba nanampian’ny Tompo azy ireo. Asao ny mpianatra iray na roa hanazava amin’ny teniny manokana ny ady rehetra hitan’izy ireo eo amin’ny zavatra ataon’ny vahoaka sy ny zavatra ataon’ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manaiky amim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo isika, dia hankahery antsika Izy ary hanafaka antsika amin’ny fizahan-toetra lalovantsika amin’ny fotoana voatendriny.

Asao ilay mpianatra eny aloha mba hanala ilay kitapo babena. Angataho izy hamaritra ny fahatsapana ananana rehefa tsy misy enta-mavesatra. Asao io mpianatra io ihany hamaky ny Môsià 24:21–22. Azonao atao ny mangataka ilay mpianatra hizara izay mampitovy azy amin’ny zavatra nataon’ireo olona ao amin’ireo andininy ireo.

Fintino ny Môsià 24:18–25 amin’ny alalan’ny fanazavana fa afaka nandositra i Almà sy ny olony satria nahatonga torimaso lalina tamin’ny Lamanita ny Tompo. Nitondra an’i Almà sy ny olony ho any Zarahemlà ny Tompo avy eo, izay nandraisan’ny Mpanjaka Môsià azy ireo tamim-pifaliana. “Namboraka ny fisaorany an’ Andriamanitra” i Almà sy ny olony noho izy nahalala fa “tsy ho nisy nahafaka azy tamin’ izany afa-tsy ny Tompo Andriamaniny” (Môsià 24:21; jereo koa ny Môsià 25:16).

Asao ireo mpianatra hanao sarin-jana-tsipìka avy eo amin’ny tanin’i Helama mankeo amin’ny tanini’ Zarahemlà eo amin’ny fanehoana an-tsary nataon’izy ireo izay maneho ireo dia ao amin’ny Môsià 7–24. Omeo torolalana izy ireo hanisy anarana ity dia natao ity hoe “Nandositra ny olon’i Almà.”

Sary
dia natao ao amin’ny Môsià 7–24

Hamaranana izany dia asao ireo mpianatra hanoratra ireo valinteny ho an’ireo fanontaniana roa nosoratan’izy ireo tao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina tany am-piandohan’ny lesona. Asao izy ireo hisaintsaina mikasika ny fizahan-toetra azy ireo sy ny fomba hahafahany mampihatra finoana sy mametraka ny fitokiany amin’Andriamantra mba hanampy azy ireo haharitra. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona fa rehefa manaiky amim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo isika dia hampahery antsika sy hanafaka antsika amin’ny fizahan-toetra antsika Izy amin’ny fotoana voatendriny. Azonao atao koa ny manasa ireo mpianatra hizara ohatra mikasika ny fomba nampaherezan’ny Tompo azy ireo nandritra ny fizahan-toetra azy ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 21–24. Fampitahana ny fanandevozana ny vahoakan’i Limia sy ny fanandevozana ny vahoakan’i Almà

Ny vahoakan’i Limia

Ny vahoakan’i Almà

Natao teo ambanin’ny fanandevozana izy ireo taorian’ny fandatsahan-dra be (jereo ny Môsià 21:5–13).

Natao teo ambanin’ny fanandevozana izy ireo ary tsy nisy fandatsahan-dra (jereo ny Môsià 23:35–38).

Nitaredretra tamin’ny fihainoana ny fitalahoany ny Tompo noho ny fahotan’izy ireo (jereo ny Môsià 21:15).

Namaly haingana ny vavak’izy ireo ny Tompo (jereo ny Môsià 23:10–13).

Namaivanina ny enta-mavesatr’izy ireo satria nampalefaka ny fon’ny Lamanita ny Tompo (jereo ny Môsià 21:15).

Nampahery azy ireo ny Tompo mba hahafahan’izy ireo nitondra mora foana ny enta-mavesatra teo aminy (jereo ny Môsià 24:14–15).

Nanomana drafitra handosirana i Gideôna (jereo ny Môsià 21:36; 22:1–9).

Hoy ny Tompo tamin’izy ireo hoe “Manàna fahatokiana fa rahampitso Aho dia hanafaka anareo hiala amin’ny famatorana” (Môsià 24:16).

Nataon’izy ireo mamo ireo mpiambina (jereo ny Môsià 22:10).

Nampatorian’ny Tompo ireo mpiambina (jereo ny Môsià 24:19).

Môsià 23:21. Amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’ny fizahan-toetra antsika ho tombony ho antsika?

Na dia nibebaka sy nahatoky aza ireo vahoaka nanaraka an’i Almà dia namela azy ireo ho ampijalian’ny Lamanita nandritra ny fotoana fohy ny Tompo mba hizahana toetra ny faharetana sy ny finoan’izy ireo.

Nampianatra ny Loholona Orson F. Whitney ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny zavatra rehetra iainantsika dia mampianatra antsika lesona manan-danja manao hoe:

“Tsy misy very ny fijaliana izay iaretantsika sy ny fitsapana izay iainantsika. Mampianatra antsika izany mba hampitomboantsika ny toetra toy ny faharetana, finoana, risi-po, ary fanetren-tena. Ny zavatra rehetra mihatra amintsika sy ny zavatra rehetra iaretantsika, indrindra fa rehefa miaritra izany amim-paharetana isika, dia manefy ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika, ary mahatonga antsika ho be fitavana kokoa sy tia miantra, mendrika kokoa ny ho antsoina ho zanak’ Andriamanitra … ary amin’ny alalan’ny alahelo sy ny fijaliana, ny zava-tsarotra sy ny fahoriana no hahazoantsika ny fanabeazana izay nahatongavantsika ety mba ho azo sy hahatonga antsika bebe kokoa ho tahaka ny Raintsika sy ny Renintsika any an-danitra” (ao amin’ny Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [1972], 98).

Nanazava misimisy kokoa ny lanjan’ny tanjon’ny fitsapana ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Porofon’ny fahatsapan’ny Tompo ny fahavononanao hivoatra bebe kokoa ireo fitsapana ireo rehefa tsy vokatry ny tsy fankatoavanao (jereo ny Ohabolana. 3:11–12). Noho izany dia manome anao zavatra iainana izay mandrisika ny fivoarana, ny fahatakarana, ary ny fangorahana Izy, izay manatsara anao mba ho tombontsoanao mandrakizay. Mba hahatonga anao ho eo amin’izay tiany hahatongavanao avy eo amin’izay misy anao amin’izao fotoana izao dia ilainy ianao mba handalo fiovana maromaro, ary amin’ny ankapobeny dia mahatonga fanohantohanana sy fijaliana” (“Trust in the Lord,” Ensign, Nôv. 1995, 16–17).

Môsià 24:15–16. Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fitondrantenantsika fiantraikany amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana ao anatin’ny fizahan-toetra?

Namporisika antsika hiantehitra amin’ny Tompo rehefa miatrika zava-tsarotra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Mifantoka amin’ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny tenanao manokana ny Tompo. Mihahaingana izany fandrosoana izany rehefa mamela Azy an-tsitrapo hitarika anao ao anatin’ireo traikefan’ny fivoarana izay atrehinao ianao, na tianao hatrany am-piandohana izany na tsia. Rehefa mahatoky ny Tompo ianao, rehefa vonona ny hamela ny fonao sy ny sainao hifantoka amin’ny sitrapony, rehefa mangataka ny hotarihin’ny Fanahy hanao ny sitrapony ianao, dia ho azonao antoka ny hahazo ilay fahasambarana lehibe kokoa eny an-dalana eny sy ny zava-bita mampivoatra indrindra avy amin’ity traikefa eto an-tany ity. Raha hiadianao hevitra avokoa ny zavatra rehetra asaina ataonao, na manohitra mafy isak’izay misy zava-tsarotra tsy mahafaly, dia manao izay hahasarotra kokoa ny hitahian’ny Tompo anao ianao” (“Finding Joy in Life,” Ensign, Mey 1996, 25).

Hamoaka printy