Tahirim-pitaovana
Lesona 87:27–29


Lesona 87

Almà 27–29

Fampidirana

Rehefa tsy nahomby ireo Lamanita tamin’ny fanafihany an’ireo Nefita dia natodiny ho any amin’ireo Antia-Nefia-Lehia indray ny fahatezerany. Noho ilay fanekempihavanana izay nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia ny tsy handatsa-dra an’olon-kafa intsony, dia tsy nanaiky handray fitaovam-piadiana izy ireo hiarovana ny tenany. Notarihin’i Amôna ho any Zarahemlà ireo Antia-Nefia-Lehia, ary tany izy ireo no nahazo fiarovana avy tamin’ny Nefita ary lasa nantsoina hoe vahoakan’i Amôna. Rehefa niaro ny vahoakan’i Amôna tamin’ny Lamanita ireo Nefita, dia an’arivony tamin’ireo Nefita sy tamin’ireo Lamanita no maty an’ady. Na teo aza ny alahelo izay tsapan’ireo Nefita noho ny namoizany ireo malalan’izy ireo, dia maro tamin’izy ireo no nahita fanantenana sy fifaliana tao amin’ny fampanantenan’ny Tompo fa ny olo-marina dia ho “atsangana mba hitoetra eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, ao amin’ny toetry ny fiadanana tsy mifarana na oviana na oviana” (Almà 28:12).

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 27

Notarihin’i Amôna ny vahoaka Antia-Nefia-Lehia mba ho voaro eo anivon’ireo Nefita

Asaivo manangan-tanana ireo mpianatra raha toa efa nisy olona nampanantena zavatra azy ireo kanefa tsy nitana izany fampanantenana izany ilay olona avy eo. Ary avy eo asaivo manangan-tanana indray izy ireo raha toa efa nisy olona nampanantena zavatra azy ireo ary tena nitazona izany.

  • Inona no fahatsapana anananao eo anatrehan’ny olona izay mitana ny fampanantenana nataony? Nahoana?

  • Araka ny eritreritrao, toy ny ahoana no mety ho fahatsapan’ny Tompo mikasika ireo izay mitana ny fampanantenana natao Taminy?

Ampahafantaro ny Almà 27 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy niezaka nandrava an’ireo Nefita ny Lamanita ka tsy nahomby, dia nanafika indray an’ireo Antia-Nefia-Lehia, izay Lamanita niova fo tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataon’i Amôna sy ireo rahalahiny. Asaivo tadidian’ireo mpianatra ny zavatra nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia mba hanehoana amin’ny Tompo fa hitandrina ny fanekempihavanana nataony izy ireo dia ny hoe na oviana na oviana izy ireo dia tsy “[ha]mpiasa ny fitaovam-piadiana … handatsahana ran’olona” (Almà 24:18) intsony. (Nalevin’izy ireo ny fitaovam-piadiany.) Mba hahitana hoe hatraiza ny fahavononan’ireo Antia-Nefia-Lehia hitandrina ny fampanantenana nataony, dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 27:2–3. (Azonao atao ihany koa ny manome soso-kevitra azy ireo hamaky ny Almà 24:18–19 sy hanoratra izany eny amin’ny sisiny eo akaikin’ny Almà 27:3.)

  • Raha toa ianao ka iray amin’ireo Antia-Nefia-Lehia, hatraiza no maha-sarotra ho anao ny hitandrina ny fanekempihavanana nataonao, sy ny tsy handeha hiady mba hiarovana ny tenanao sy ireo malalanao?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 27:4–10, ary hijery ny soso-kevitra izay natolotr’i Amôna ho atao mba hiarovana ny Antia-Nefia-Lehia sy hanampiana azy ireo hitandrina ny fanekempihavanana nataony. Asaivo mamintina io andalan-tsoratra masina io ny mpianatra iray.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 27:11–12 ary asao ny ambiny hijery ny torolalana noraisin’i Amôna tamin’ny Tompo. Hazavao fa ny Antia-Nefia-Lehia dia nanaraka an’i Amôna ho any Zarahemlà (jereo ny Almà 27:13–15). (Azonao atao ihany koa ny mamintina ny Almà 27:16–19, sady manamarika fa teo amin’izany toe-javatra izany no tafahaona tamin’i Almà indray i Amôna sy ireo zanakalahin’i Môsià, araka ny voatantara ao amin’ny Almà 17:1–4.)

Hazavao fa ny lohan’ny mpitsaran’ny Nefita dia nanontany ny vahoaka raha toa izy ireo ka hamela ny Antia-Nefia-Lehia hiara-honina aminy. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 27:22–24, ary hitady ny valintenin’ny Nefita tamin’ny fanambarana nataon’ny lohan’ny mpitsara.

  • Ahoana no fomba nitenenan’ireo Nefita fa hanampy ireo Antia-Nefia-Lehia izy ireo?

  • Fa nahoana araka ny hevitrao no vonona hiaro ny fahavalony fahiny ireo Nefita?

Asaivo mamaky mangina ny Almà 27:26 ny mpianatra mba hahitana ny anarana nanombohan’ny Nefita niantsoana ireo Antia-Nefia-Lehia.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky ny ao amin’ny Almà 27:27–30. Asaivo manaraka tsara ny mpianatra ambiny, ary mitady ny zavatra izay nanomboka nahafantarana ny vahoakan’i Amôna. Asao ireo mpianatra hitatitra ny zavatra izay hitan’izy ireo.

  • Inona no zavatra manaitra anao mikasika ny vahoakan’i Amôna? Nahoana?

  • Inona no ampianarin’ny Almà 27:27–30 mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ny hoe miova fo ho an’ny Tompo sy ny fitandremana fanekempihavanana? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra kanefa tokony haneho izy ireo hoe takany tsara ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa miova fo tanteraka ho an’ny Tompo isika, dia mitandrina ny fanekempihavanana izay nataontsika Taminy. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Iza teo amin’ny fiainanao no ohatra iray amin’io fitsipika io?

Almà 28

Resin’ireo Nefita nandritra ny ady iray lehibe ireo Lamanita

Mariho fa na dia betsaka aza ny Nefita no nahatoky, dia mbola nisedra fitsapana sarotra ihany izy ireo.

Hazavao fa ny Filoha Thomas S. Monson dia nizara ity tantara ity avy tamin’ny zavatra niainany tamin’ny fahatanorany. Rehefa henony fa maty nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ny namany iray nantsoina hoe Arthur Patton, dia nandeha i Thomas Monson mbola tanora hamangy ny renin’i Arthur izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Nitantara izy taty aoriana hoe:

“Nisy hazavana iray maty teo amin’ny fiainan-dRamatoa Patton. Nitsapatsapa tao anatin’ny haizim-pito sy ny hakiviana lalina izy.

“Nivavaka tao am-poko aho, ka nanatona ilay lalana nahazatra mankany amin’ny tranon-dry Patton, ary naminavina ireo teny fankaherezana izay mety hivoaka avy eo imolotr’ity mbola tovolahy kely ity.

“Nisokatra ilay varavarana ary namihina ahy i Patton toy izay ho nataony tamin’ny zanany lahy. Lasa toy ny trano fiangonana ny trano rehefa nandohalika nivavaka ity reny nidonam-pahoriana sy ity tovolahy miambakavaka vao herotrerony ity.

“Rehefa nitsangana avy nandohalika izahay dia nobanjinin-dramatoa Patton ny masoko ary hoy izy: ’Tommy, tsy mba manana fiangonana aho, fa ianao no manana. Lazao ahy, mbola ho velona indray ve i Arthur?’” (“Ramatoa Patton—Mitohy ny Tantara,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 22).

  • Ahoana no fomba mety hamalianao ny fanontanian-dRamatoa Patton?

Vakio ny valin-tenin’ny Filoha Monson:

“Araka izay tsara indrindra vitako no nijoroako ho vavolombelona taminy fa tena mbola ho velona indray i Arthur” (“Ramatoa Patton—mitohy ny Tantara,” 22).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahalalana ny drafitry ny famonjena manova ny fijerin’ireo izay namoy ny malalany?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 28:1–3. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny sarany nefain’ireo Nefita mba hanampiana ny vahoakan’i Amôna hitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 28:4–6 ary hijery ny habetsaky ny fahafatesana nihatra tamin’ireo Nefita. Asao ireo mpianatra hikaroka ao amin’ny Almà 28:11–12 ireo antony mahatonga ny olona sasany hahatsapa tahotra rehefa maty ny havan’izy ireo, raha ny hafa kosa mety hahatsapa fanantenana.

  • Fa nahoana ny olona sasany no mety hahatsapa tahotra rehefa maty ireo malalany?

  • Fa nahoana no afaka mahatsapa fanantenana ny olona sasany rehefa maty ireo malalany? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra saingy tokony haneho izy ireo hoe rehefa manam-pinoana an’i Jesoa Kristy sy ireo fampanantenana nataon’ny Tompo isika dia afaka mahazo fanantenana sy fifaliana amin’ny fotoana hisian’ny fahafatesana.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny banga ity: Ary dia toy izany no ahitantsika …

Anontanio an’ireo mpianatra ny fomba hamenoan’izy ireo io fehezanteny io raha miainga avy amin’ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Almà 28.

Rehefa nahazo fotoana hamaliana tsara izy ireo dia manasà mpianatra iray hamaky ny Almà 28:13–14. Asaivo ampitahain’izy ireo amin’ny fitsipika izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ny valintenin’izy ireo. (Azonao atao ny manome torohevitra azy ireo mba hanisy marika ny teny hoe “ary dia toy izany no ahitantsika ” isaky ny mipoitra ao amin’ireo andininy ireo izany. Hazavao fa matetika i Môrmôna no nampiasa an’io teny io, mba hampidirana ireo lesona manan-danja izay azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Inona no novakianao tao amin’ny Almà 27–28 ka manohana ny tenin’i Môrmôna hoe “ary dia toy izany no ahitantsika”?

  • Oviana ianao no nahita olona iray niatrika ny fahafatesany na ny fahafatesan’ny havany tamim-panantenana noho ny finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no hanazavanao ny fitsanganana amin’ny maty, mba hanampiana olona iray hanana fanantenana eo am-piatrehana ny fahafatesany na ny fahafatesan’ny anankiray amin’ny havany?

Almà 29

Niantsoantso fiderana i Alma teo am-pitondrana fanahy hanatona an’Andriamanitra

Lazao ny mpianatra fa ny Almà 29 dia ahitana ny teny nataon’i Almà nanehoany ny faniriany ho tonga fitaovana eo an-tanan’ny Tompo. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 29:1–3. Asaivo jeren’ny mpianatra ny zavatra ho nataon’i Almà raha toa afaka nanana ny “fanirian’ny fo[ny] izy.” (Ho “[niantsoantso] fibebahana amin’ny vahoaka rehetra” izy)

  • Araka ny ao amin’ny Almà 29:2, dia nahoana i Almà no naniry izany?

Asaivo mamaky mangina ny Almà 29:4–5 ireo mpianatra, ary hijery izay omen’ny Tompo an’ireo izay manana faniriana marina. (Raha mila fanampiana ireo mpianatra amin’ny famaliana io fanontaniana io dia azonao marihina ny teny hoe “Fantatro fa toviny amin’olona araka ny fanirian’izy ireo.” Hazavao fa raha maniry zavatra marina isika, dia hitahy antsika ny Tompo araka ireo faniriana ireo. Mariho fa raha tsy tanteraka mandritra ity fiainana ity daholo ireo faniriana marina rehetra ananantsika, dia ho tanteraka any amin’ny mandrakizay.)

Asaivo karohin’ireo mpianatra tsirairay ao amin’ny Almà 29:10, 14, 16 ny fitahiana noraisin’i Almà tamin’izy nanampy ny hafa hanatona an’i Kristy. Asaivo mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Inona no teny nampiasain’i Almà mba hamariparitana ny zavatra tsapany mikasika ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy? (Azonao atao ny manome sosokevitra an’ireo mpianatra hanisy marika ny teny hoe fifaliana isaky ny miseho ao amin’ireo andininy ireo izany.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny traikefan’i Almà amin’ny fanampiana ny hafa hibebaka sy hanatona an’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa tokony haneho izy ireo fa mahatakatra ity fitsipika ity: Hahita fifaliana isika rehefa manampy ny hafa hibebaka sy hanatona an’i Kristy.)

  • Oviana ianao no nahatsapa ny fifaliana izay azo avy amin’ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy?

Amporisiho ireo mpianatra hitady fotoana hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy. Diniho ny hizarana zavatra iray niainanao manokana mikasika ny fitoriana filazantsara.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 28:11–12. Mitady fiadanana rehefa mitranga ny fahafatesana

Ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka mikasika ny fomba ahafahan’ny asa ataontsika amin’ity fiainana ity mitondra fiadanana ho antsika rehefa mitranga ny fahafatesana:

“Ry rahalahy sy anabavy, velona mba ho faty isika ary maty mba ho velona—any amin’ny fanjakana hafa. Raha toa niomana tsara isika dia tsy mitondra horohoro ny fahafatesana. Raha mijery ny mandrakizay dia tsy tonga aloha loatra izany ny fahafatesana raha tsy ho an’ireo izay tsy vonona hihaona amin’ Andriamanitra.

“Izao no fotoana hiomanana. Ary avy eo rehefa tonga ny fahafatesana, dia afaka mifindra isika mankany amin’ilay fanjakana selestialy izay nomanin’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany mahatoky. Mandritra izany, ho an’ireo olon-tiana malahelo izay nilaozana … dia ho lasa malefaka ny fanindronan’ny fahafatesana noho ny finoana tsy mihozongozona an’i Kristy, sy ny fanantenana mamirapiratra tanteraka, sy ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra, ary ny faniriana lalina hanompo azy ireo” (“Now Is the Time to Prepare,” Ensign na Liahona, Mey 2005, 18).

Ny Loholona Wilford W. Andersen avy ao amin’ny Fitopololahy dia nitantara ny fomba niatrehan’ireo namany sasany ny fahafatesan’ny rain’izy ireo:

“Nisy namako iray matin’ny homamiadana vao haingana. Olona nanam-pinoana lehibe izy sy ny fianakaviany. Tena nampientana ny fanahy ny fahitana ny fomba nitantanan’ny finoany azy ireo tao anatin’izany fotoana tena sarotra izany. Heniky ny fiadanana tao anaty izy ireo izay nanohana sy nanome hery azy ireo. Rehefa nahazo lalana tamin’izy ireo aho dia te hamaky sombiny avy amin’ny taratasy izay nosoratan’ny olona iray avy tao amin’ny fianakaviana izay nosoratana andro vitsivitsy monja talohan’ny nahafatesan’ny rainy:

“‘Tena sarotra tokoa ireo andro vitsivitsy lasa farany teo. … Rehefa nitangorona teo amin’ny fandrian’i Dada izahay omaly alina dia tena azo tsapain-tanana ny fanahin’ny Tompo ary tena niasa nankahery anay izany. Nahatsapa fiadanana izahay. … Izany no zavatra faran’izay mafy indrindra nihatra taminay hatrizay, saingy nahatsapa fiadanana izahay noho ny fahafantarana fa … nampanantena ny Ray any An-danitra fa hiara-hiaina toy ny fianakaviana iray indray izahay. Taorian’ny nilazan’ny dokotera tamin’i Dada tany amin’ny hôpitaly fa tsy misy zavatra azo natao intsony, dia nibanjina anay rehetra tamim-pinoana izy ary nanontany tamim-pahasahiana hoe: “Misy olona manana olana amin’ny drafitry ny famonjena ve ato amin’ity efitra ity?” Izahay dia … feno fankasitrahana noho ny rainay sy ny reninay izay nampianatra anay mba hanana fahatokiana tanteraka an’ilay drafitra’” (“Ilay Vatolampin’ny Mpanavotra Antsika,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 17–18).

Hamoaka printy