Tahirim-pitaovana
Lesona 134: 3 Nefia 28


Lesona 134

3 Nefia 28

Fampidirana

Rehefa nanontany ny tsirairay tamin’ireo mpianany Nefita roambinifolo i Jesoa Kristy hoe inona no irian’izy ireo Aminy, dia nangataka ny mba hiverenan’izy ireo faingana any Aminy rehefa vita ny asa fanompoany ety an-tany ny sivy tamin’izy ireo. Ny telo kosa dia nangataka mba hijanona ety an-tany mba hitondra fanahy any Aminy mandrapahatonga ny Fiaviany Fanindroany. Samy notanterahin’ny Tompo ireo faniriana feno fahamarinana ireo. Nanome antsipiriany vitsivitsy momba ny asa fanompoan’ireo ’Nefita Telolahy’ i Môrmôna, ary nizara ny zavatra nambaran’ny Tompo taminy momba ny fiovana ara-batana niainan’ireo Nefita Telolahy mba ahafahany mijanona ety an-tany ihany koa izy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 28:1–11

Neken’i Jesoa Kristy ny fanirian’ireo mpianany Nefita

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ho fomba fihetsiny raha toa i Jesoa Kristy ka miseho amin’izy ireo sy manontany hoe: “Inona no irinareo Amiko?” Angataho izy ireo hanoratra ny valinteniny ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra nosoratany raha tsy manahirana azy ireo ny manao izany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 28:1–3 mba hitady ny navalin’ireo mpianatra Nefita sivy rehefa nametrahan’ny Tompo io fanontaniana io izy ireo. Rehefa avy manao tatitra momba ny zavatra nianarany ny mpianatra, dia manontania hoe:

  • Inona no tsapan’ny Mpamonjy mikasika ny fanirian’ireo mpianatra sivy ireo?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 28:4–9 mba hitady izay nirian’ireo mpianatra telo ambiny tamin’ny Mpamonjy. Asao hanao tatitra momba ny zavatra hitany ireo mpianatra. (Mety hanampy ny misarika ny sain’ireo mpianatra amin’ity teny manaraka ity, izay hita ao amin’ny 3 Nefia 28:9: “Nirinareo ny hahazoanareo mitondra ny fanahin’ny olona hakatỳ Amiko.”)

  • Inona no tsapan’ny Mpamonjy mikasika ny fanirian’ireo mpianatra telo ireo?

  • Araka ny voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 28:8–9, inona no nampanantenain’ny Mpamonjy ireo Nefita Telolahy mba hahatanteraka ny faniriana marina nananan’izy ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 28:10 ary angataho ny iray kilasy hitady ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo Nefita Telolahy.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo an’ireo Nefita Telolahy? Oviana no nahitanao fa ny fanompoana ny hafa dia mitondra fifaliana?

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo ao amin’ny 3 Nefia 28:1–10? (Ny valintenin’ny mpianatra dia mety ahitana hoe ny Tompo dia mitahy antsika araka ny faniriantsika feno fahamarinana sy hoe Faly ny Tompo rehefa maniry ny hanampy ny hafa hanatona Azy isika.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny faniriana feno fahamarinana dia vakio ireto fanambarana manaraka izao:

Hoy ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Izay zavatra iriantsika mafy sy iriantsika lalandava no ho tonga amintsika any am-parany ary horaisintsika any amin’ny mandrakizay. …

“Noho izany dia tokony hitohy tsy ankijanona ireo faniriana feno fahamarinana” (“According to the Desire of [Our] Hearts,” Ensign, Nôv. 1996, 21–22).

Nampianatra ny Filoha Brigham Young hoe:

“Ireo lehilahy sy vehivavy, izay maniry hahazo toerana ao amin’ny fanjakana selestialy dia hahita fa tsy maintsy miady amin’ny fahavalon’ny fahamarinana rehetra isan’andro izy ireo” (“Remarks,” Deseret News, Des. 28, 1864, 98).

  • Nahoana araka ny hevitrao no tsy maintsy miady isan’andro isika mba hahatanteraka ireo faniriantsika feno fahamarinana?

  • Oviana no nahatsapanao fa ny Tompo dia nitahy anao noho ny faniriana feno fahamarinana nananao?

Asaivo jeren’ireo mpianatra ireo faniriana izay nosoratany tany amin’ny fiantombohan’ny lesona. Asao izy ireo hanoratra fehezanteny vitsivitsy mikasika ny zavatra hataony manomboka androany mba hahazoany antoka fa ho tanteraka ireo faniriana feno fahamarinana ireo.

3 Nefia 28:12–35

Nilaza momba ny asa fanompoana nataon’ireo Nefita Telolahy i Môrmôna

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 28:12–16. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga tamin’ireo mpianatra Nefita taorian’ny nandaozan’ny Mpamonjy azy ireo. Hazavao fa ireo mpianatra dia nandalo fiovan-tarehy—fiovana tsy maharitra tamin’ny vatany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 28:15 dia inona no antony iray nilàn’ireo mpianatra hiova tarehy? (“Mba hahafahany mahita ny zavatr’Andriamanitra.”)

Hazavao fa manomboka eo amin’ny 3 Nefia 28:17, dia hitantsika ny filazalazan’i Môrmôna momba ny asa fanompoan’ireo Nefita Telolahy. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 28:17 mba hitady ny zavatra tsy fantatr’i Môrmôna mikasika ny toe-batan’ireo Nefita Telolahy rehefa nanoratra ity tantara ity izy. Azonao atao ny milaza amin’ireo mpianatra fa afaka fotoana vitsy ao anatin’ny lesona, dia hianatra bebe kokoa momba ny fiovana niainan’ireo Nefita Telolahy izy ireo.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 28:18–23. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fomba nitahian’ny Tompo ireo Nefita Telolahy ka nahafahan’izy ireo nanatanteraka ny faniriany feno fahamarinana.

  • Inona no nataon’ireo Nefita Telolahy mba hanatanterahany ny faniriany hitondra ny hafa hankany amin’ny Mpamonjy?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo azy ireo ka nahafahany nanatanteraka ny faniriany?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 28:25–32 mba hamantatra ireo olona izay nahazo tombontsoa na hahazo tombontsoa amin’ny asa fanompoan’ireo Nefita Telolahy. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. (Mariho fa ny 3 Nefia 28:27–28 dia mampiseho antony iray tokony hitandremantsika amin’ny finoana sy ny fizarana tantara avy amin’ny olona izay milaza fa nihaona tamin’ireo Nefita Telolahy: nilaza i Môrmôna fa ireo olona izay hanaovan’ireo Nefita Telolahy asa fanompoana dia “tsy hahafantatra azy ireo.”)

3 Nefia 28:36–40

Nianatra momba ny toetry ny olona novana i Môrmôna

Anontanio ireo mpianatra raha efa nanana fanontaniana mikasika ny filazantsara na raha efa namaky zavatra tao amin’ny soratra masina izay tsy azony. Ampahatsiahivo izy ireo fa tamin’ny fotoana voalohany nanoratan’i Môrmôna momba ny fiovan-tarehin’ireo Nefita Telolahy, dia nilaza izy fa tsy nahatakatra tanteraka ny hevitry ny fiovan’ny toe-batan’izy ireo nandritra ny asa fanompoana nataon’izy ireo tety an-tany (jereo 3 Nefia 28:17).

  • Iza foana no itodihanao rehefa manana fanontaniana mikasika ny filazantsara na mikasika andinin-tsoratra masina ianao? Nahoana?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 28:36–37 mba hahitany ny zavatra nataon’i Môrmôna hahitany ny valin’ny fanontaniany.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’i Môrmôna mikasika ny fomba handraisantsika fahatakarana bebe kokoa? (Na dia mety hamaly ity fanontaniana ity amin’ny fomba hafa aza ireo mpianatra, dia ataovy izay hahitany ity fitsipika ity: Rehefa tsy ampy ny fahatakarantsika dia tokony hangataka amin’ny Ray any an-danitra isika ka hahazo fitarihana.)

  • Inona ireo ohatra vitsivitsy izay maneho izany fitsipika izany?

  • Inona ireo toe-javatra vitsivitsy izay mety ilàntsika hangatahana fahatakarana bebe kokoa amin’ny Ray any an-danitra?

Vakio ity fanambarana manaraka ity, izay nanamafisan’ny Filoha Spencer W. Kimball toe-javatra iainana vitsivitsy tokony hangatahantsika fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Isika tsirairay dia tena mila ny fanampiany rehefa miezaka ny hianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ary avy eo dia hiaina azy ireny isika, rehefa mikatsaka ny fanampiany isika amin’ireo fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainantsika, fanapahan-kevitra mikasika ny fianarana, ny fanambadiana, ny asa, ny toerana hipetrahana, ny fitaizana ny fianakaviantsika, ny fifanompoana ao amin’ny asan’ny Tompo, ary mikatsaka ny famelàny heloka sy ny fitarihany tsy tapaka ary ny fiarovany amin’ny zavatra rehetra ataontsika. Lava sy tena misy ary avy amin’ny fo tokoa ny lisitry ny filàna ananantsika. …

“Rehefa nivavaka nandritra ny androm-piainako aho dia mahafantatra ny fitiavana sy ny fahefana ary ny hery izay azo avy amin’ny vavaka atao amin-kitsimpo sy avy amin’ny fo tokoa. Fantatro ny fahavononan’ny Raintsika hanampy antsika eo amin’ny fiainantsika ety an-tany, hampianatra antsika, hitarika sy hitondra antsika. Araka izany, ny Mpamonjy dia niteny tamim-pitiavana hoe: ’Izay lazaiko amin’ny anankiray dia lazaiko amin’ny rehetra; mivavaha mandrakariva.’ (F&F 93:49.)” (“Pray Always,” Ensign, Oct. 1981, 3, 6).

  • Ahoana no ahafahanao mampitombo ny finoanao amin’ny herin’ny vavaka? Oviana ianao sy ny fianakavianao no nandray valim-bavaka?

Amporisiho ny mpianatra hankany amin’ny Ray any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka rehefa mikatsaka ny hahatakatra ny filazantsara izy ireo ary hiatrika ireo olana eo amin’ny fiainana. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay azonao teo amin’ny fiainanao rehefa nentinao teo amin’ny Ray any an-danitra ireo olana sy fanontanianao.

Hazavao fa ilay fiovana niainan’ireo Nefita Telolahy dia antsoina hoe fanovana. Ny sasany amin’ireo mpanompo mahatokin’ny Tompo dia novana mba hahafahan’izy ireo manohy ny asa fanompoany ety an-tany. Rehefa nanohy ny fangatahany momba izany fiovana izany i Môrmôna, dia nianatra momba ny toetry ny olona novana izy.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Olona novana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 28:37–38. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nianaran’i Môrmôna mikasika ny fiovana izay nitranga tamin’ny vatan’ireo Nefita Telolahy.

  • Inona no zavatra nianaran’i Môrmôna momba ireo olona novana? (Mangataha mpianatra iray hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra hafa. Ireo valinteny dia tokony ahitana hoe ireo olona novana dia tsy “manandrana fahafatesana,” ary tsy mahatsapa fanaintainana izy ireo, ary tsy manana alahelo izy ireo afa-tsy ny alahelo tsapany noho ny otan’izao tontolo izao.)

  • Nahoana no nilaina izany fiovana tamin’ny vatan’izy ireo izany? (Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hijery indray ny 3 Nefia 28:6–7. Nilaina ilay fiovana mba ahafahan’izy ireo manatanteraka ny fanirian’izy ireo feno fahamarinana hijanona ety an-tany ka hanohy hitondra fanahy hankany amin’i Kristy mandrapahatongan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 28:39–40 mba hitady fampahalala fanampiny mikasika ireo olona novana. Rehefa manao tatitra ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hafa hanoratra ireo zavatra hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. (Ireo valinteny dia tokony ahitana fa ireo olona novana dia tsy afaka alain’i Satana fanahy, nohamasinina izy ireo ka dia masina, ary “tsy afaka nihazona azy ireo ny herin’ny tany.”) Azonao atao ny manazava fa na dia tsy mahatsapa ny fanaintainan’ny fahafatesana aza ireo olona novana, dia tsy natsangana tamin’ny maty izy ireo. Tsy handray ilay “fiovana lehibe kokoa” izy ireo mandrapahatongan’ny Andro Fitsarana, izay hanovana haingana azy ireo avy amin’ny maha mety maty ho tsy mety maty —“amin’ny indray mipi-maso” (jereo ny 3 Nefia 28:8, 40).

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitsipika sy fotopampianarana izay nifanakalozana hevitra nandritra ny lesona. Asao ny mpianatra hanao araka ny fitarihana izay azon’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 28. Fiovan-tarehy sy fanovana

Ireo Nefita Telolahy dia niova tarehy sy novana.

Ny fiovan-tarehy, izay voalaza ao amin’ny 3 Nefia 28:13–17, dia “toe-tenan’ireo olona izay novana vetivety ny endriny sy ny tenany—izany hoe nakarina amin’ny haavo ara-panahy ambony kokoa—mba hahafahany mahatanty ny fanatrehana sy ny voninahitr’ireo olon’ny lanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiovan-tarehy,” scriptures.lds.org; jereo koa ny F&F 67:11; Mosesy 1:11). Ny soratra masina dia miresaka momba ny olona izay niova tarehy, anisan’izany i Mosesy (jereo ny Mosesy 1:9–11); Jesoa Kristy, Petera, Jakôba, ary Jaona (jereo ny Matio 17:1–8); ary Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:14–20).

Ireo olona novana dia “olona novana mba tsy handalo fanaintainana na fahafatesana mandrapahatongan’ny fitsanganany ho amin’ny tsy fahafatesana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Olona novana,” scriptures.lds.org; jereo koa ny 3 Nefia 28:7–9, 20–22, 37–40). Ny tanjon’izy ireo dia ny hitondra fanahy hankany amin’i Kristy (jereo ny 3 Nefia 28:9). Ny soratra masina dia ahitana tantaran’ny olona izay novana, anisan’izany i Enôka (jereo ny Genesisy 5:24; Hebreo 11:5), Mosesy (jereo ny Almà 45:19), Elia (jereo ny 2 Mpanjaka 2:11), ary Jaona ilay tian’i Jesoa (jereo ny Jaona 21:22–23; F&F 7).

Hamoaka printy