Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano Fizarana 28


Lesona amin’ny Fandalinana Isan-kerinandro

4 Nefia 1Môrmôna 8:11 (Fizarana 28)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ny famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika manaraka izay ianaran’ireo mpianatra eo am-pandalinana ny 4 Nefia 1Môrmôna 8:11 (fizarana 28) dia tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesonao. Hifantoka amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo fotsiny ny lesona ampianarinao. Araho ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjana ireo zavatra ilain’ny mpianatra.

Andro 1 (4 Nefia 1)

Rehefa mandalina ny toe-javatra niainana teo anivon’ireo Nefita nandritra ny vanim-potoana saika ho efa 200 taona taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa rehefa miasa miaraka mba ho tonga hiova fo ho an’ny Tompo ny vahoaka dia hiray hina sy hahatsapa fahasambarana mihoam-pampana. Nahatakatra ihany koa izy ireo fa miteraka fisaraham-bazana sy mitarika amin’ny faharatsiana goavana ny fieboeboana.

Andro 2 (Môrmôna 1–2)

Nianatra mikasika ireo toetra matotra sy ny maha faingam-pandinika avy amin’ny ohatry ny fiainana am-pahamarinan’i Môrmôna ireo mpianatra. Nianatra izy ireo fa afaka misafidy ny hiaina am-pahamarinana isika na dia ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana aza. Hahatakatra ireto fitsipika manaraka ireto ireo mpianatra, avy amin’ny ohatry ny fiainana am-paharatsian’ireo vahoaka Nefita: Mampitsoaka ireo fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Tompo sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny faharatsiana sy ny tsy finoana. Raha mitaona ho amin’ny fibebahana ny alahelontsika dia hitarika antsika hanatona an’i Kristy amin’ny fo feno fanetren-tena izany. Raha alahelo fotsiny vokatry ny fahotana dia mitarika amin’ny fanamelohana (na ny fampitsaharana ny fandrosoantsika ho amin’ny fiainana mandrakizay).

Andro 3 (Môrmôna 3–6)

Nianatra ireo mpianatra fa manome fotoana ampy mba hahafahantsika mibebaka amin’ny fahotantsika ny Tompo, eo am-pandalinan’izy ireo ny faharetan’ny Tompo tamin’ireo Nefita. Na dia izany aza, nandà ny hibebaka sy nikatsaka hamaly faty amin’ireo Lamanita ny Nefita. Nisafidy ny hiala tamin’ny fitarihana ny tafika Nefita i Môrmôna satria nandrara ny fikatsahana hamaly faty ny Tompo. Namela ireo mpianatra hahatakatra fa handresy ny faharatsiana ny fitsaran’Andriamanitra ny vokatry ny ezaky ny Nefita hikatsaka valifaty. Nanatri-maso ny famongorana ny vahoakany iray manontolo i Môrmôna ary nitomany tamin’ny fahalavoan’izy ireo.

Andro 4 (Môrmôna 7:1–8:11)

Namarana ny rakitsorany tamin’ny firesahana amin’ireo taranaky ny Lamanita i Môrmôna. Nianatra ireo mpianatra fa manolotra fanavotana ho an’ny olon-drehetra izay manaiky ireo fitsipika sy ôrdônasin’ny filazantsarany ny Tompo. Maty i Môrmôna. Nanoratra ny toe-javatra nisy taorian’ny famongorana ny Nefita i Môrônia. Nianatra avy tamin’ny ohatr’i Môrônia ireo mpianatra fa na dia irery aza izy ireo dia afaka misafidy ny hijanona ho mahatoky.

Fampidirana

Hamerina hijery ny famongorana ny Nefita sy hianatra mikasika ny fanirian’i Môrmôna ho an’ny vahoakany mba “[hofihinina] eo an-tsandrin’i Jesoa” (Môrmôna 5:11) ireo mpianatra ato amin’ity lesona ity. Hianatra ny fomba handraisana ny fihin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny mpianatra. Ho takatry ny mpianatra avy amin’ny fandavan’ny Nefita ny hibebaka, ny voka-dratsy nahazo ny vahoaka rehefa tsy nibebaka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

4 Nefia 1Môrmôna 4

Niala tamin’ny fahamarinana sy ny fahasambarana ho amin’ny faharatsiana ny vahoaka Nefita

Asaivo faritan’ireo mpianatra hoe hafiriana teo amin’ny tantaran’ny Nefita no nianarany tamin’ity herinandro ity. Ampio izy ireo hampiasa ireo daty eo amin’ny famintinana ny toko na eny amin’ny faran’ny pejy ao amin’ny 4 Nefia 1 sy Môrmôna 8 mba hamaritana izany. (Nandrakotra saika ho efa 400 taona ireo toko ireo, na mihoatra ny iray am-pahatelon’ny tantaran’ny Nefita.)

Angataho ny antsasaky ny mpianatra hampiasa ny soratra masiny sy ny diary fandalinany ny soratra masina mba entina hamerenana hijery ny zavatra nianarany mikasika ny fahasambaran’ny Nefita ao amin’ny 4 Nefia 1. Asaivo mampiasa ny Môrmôna 1–2 sy ny diary fandalinany ny soratra masina ny antsasany ambiny mba hamerenana hijery hoe iza moa i Môrmôna ary nahoana no mendri-piderana izy. Asaivo mamintina ny zavatra nianarany ny vondrona tsirairay. Asao ireo vondrona hizara ny famintinana nataony avy eo.

Anontanio ireo mpianatra hoe: Inona no fahamarinana iray izay nianaranareo avy tamin’ny fandalinana ireo toko ireo, ary nahoana no zava-dehibe aminareo izany?

Hazavao fa na dia teo aza ny ezak’i Môrmôna hanampy ireo Nefita hiomana ara-panahy hiatrika ady dia nandà ny hibebaka sy hitodika amin’ny Tompo izy ireo. Vokatry ny faharatsian’izy ireo dia navela irery tamin’ny tanjany manokana izy ireo ary nanomboka nandresy azy ireo ny Lamanita (jereo ny Môrmôna 3–4).

Môrmôna 5:8–24

Manazava i Môrmôna fa ny rakitsoratra Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba entina handresena lahatra ny olona hino an’i Jesoa Kristy

Anontanio raha efa nahatsapa alahelo ho an’olona iray izay niaritra ny vokatry ny safidy ratsy nataony ireo mpianatra. Afaka mizara ohatry ny alahelo mifanaraka amin’izany (sy tsy misy fitsaratsarana) izay tsapanao ho an’ny olona iray izay ianjadian’ny voka-dratsin’ny safidy nataony ianao. Hazavao fa i Môrmôna dia nanoratra fa ny olona amin’ny andro farany dia halahelo rehefa mamaky mikasika ny famongorana ny Nefita.

Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 5:10–11 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra tokony ho azon’ireo Nefita araka ny nolazain’i Môrmôna. Aorian’ny famalian’ny mpianatra izany dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe: “[Hahazo fihina] eo an-tsandrin’i Jesoa”? (Ny dikan’ny hoe: fihina dia mihazona akaiky na mafy na voafihina, izay endrika maneho fiarovana sy fitiavana.)

  • Araka ny voalazan’ny Môrmôna 5:11, inona no azontsika atao mba handraisana ny karazam-pamihinana toy izany? (Afaka ny “[hahazo fihina] eo an-tsandrin’i Jesoa” amin’ny alalan’ny fibebahana isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity.)

Vakio ity zavatra manaraka nolazain’ny Loholona Kent F. Richards ao amin’ny Fitopololahy ity na manasà mpianatra iray hamaky izany. Angataho hihaino ny dikan’ny hoe: “[hahazo fihina] eo an-tsandrin’i Jesoa” ireo mpianatra.

“Izay rehetra hanatona dia afaka ny “[hofihinina] eny an-tsandrin’i Jesoa.” [Môrmôna 5:11.] Ny fanahy rehetra dia azo sitranina amin’ny alalan’ny Heriny. Ny fanaintainana rehetra dia azo alefahana. Ao Aminy dia afaka “mahita fitsaharana ho an’ny fanahin[tsika]” isika. [Matio 11:29.] Mety tsy tonga dia hiova ny toe-javatra iainantsika eto an-tany, saingy ny fanaintainantsika, ny ahiahintsika, ny fijaliantsika sy ny tahotra eo amintsika dia ho voatelina ao amin’ilay fiadanany sy ilay balsamany izay manasitrana.” (“Manasitrana ny Fanaintainana rehetra ny Sorompanavotana,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 16).

Asao hieritreritra ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo “[fihina] eo an-tsandrin’i Jesoa” ireo mpianatra, vokatry ny fibebahana. Angataho koa izy ireo hisaintsaina ny zavatra izay mety ilain’izy ireo atao mba hahazoany fihina eo an-tsandriny ankehitriny. Ijoroy ho vavolombelona ny fampiononana sy fiarovana azo vokatry ny fibebahana.

Mba hanehoana fitsipika iray hafa ao amin’ny Môrmôna 5 dia mametraha bosoa na zavatra mitsingevana iray hafa ao anatin’ny kaseraola misy rano. Asaivo mitsoka izany amin’ny zotra samihafa ny ankizy roa na telo. Anontanio hoe manana hery hamaritana ny zotra alehany ve ilay bosoa. Amporisiho ireo mpianatra, eo am-panohizana ny fandalinany, mba hijery ny mety mampitovy ity bosoa ity amin’ny Nefita.

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao: Rehefa mandà ny hibebaka isika … Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrmôna 5:2, 16–19 ary ny mpianatra ambiny kosa hikaroka ireo vokatry ny fandavan’ny Nefita ny hibebaka. Asaivo ampiasain’ireo mpianatra hamenoana ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe ny zavatra hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Rehefa eo am-pamaliana izy ireo dia mety afaka mametraka ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ianao mba entina hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo teny sy andian-teny sasantsasany ao amin’ireo andinin-tsoratra masina:

  • Ao amin’ny andininy 16, inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe: “tsy miaraka amin’i Kristy sy Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao”? (Miaina tsy manana finoana an’i Jesoa Kristy na Ray any an-danitra ary tsy mandray ny fitaomany sy ny fitarihany.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe: “avezivezy toy ny akofa eo anoloan’ny rivotra”? (Môrmôna 5:16). (Azonao hazavaina fa ny akofa dia entina hilazana ireo bozaka sy hoditry ny voam-bary izay tsofin’ny rivotra mandritra ny famolaona.)

  • Ahoana no mety ho fahatsapanareo raha toa ianareo mandeha sambo tsy misy vatofantsika, tsy misy fomba hamiliana eny an-dranomasina? Ahoana no mampitovy izany toe-javatra izany tamin’ny toe-javatra niainan’ireo Nefita?

Hazavao fa ny Môrmôna 5 dia mampianatra fa rehefa mandà ny hibebaka isika dia misintona ny Fanahy ary mamery ny fitarihana avy amin’ny Tompo isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity mba hamenoana ilay teny nambara nosoratanao tery aloha. Angataho hisaintsaina ireo fotoana teo amin’ny fiainany ireo mpianatra izay mety niainany ity fitsipika ity.

Azonao atao ny mangataka amin’ireo mpianatra haneho ny fahasamihafana eo amin’ireo fitsipika roa voasoratra eo amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fametrahana ity fanontaniana ity: Avy amin’ireo fahamarinana roa voasoratra eo amin’ny solaitrabe ireo dia inona no mahasamihafa ny vokatry ny fibebahana raha oharina amin’ny vokatry ny fandavana ny hibebaka?

Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 5:22–24 ireo mpianatra ary hikaroka ny fanasana nasain’i Môrônia nataontsika rehetra mba tsy hahatonga antsika ho toy ireo Nefita tamin’ny androny. Amporisiho ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

Ijoroy ho vavolombelona ireo fahamarinana roa voasoratra eo amin’ny solaitrabe ireo.

Môrmôna 6:1–8:11

Taorian’ny fanatrehany maso ny famongorana farany ny vahoakany dia nanoratra ho an’ireo taranaky ny Lamanita i Môrmôna ary avy eo dia nodimandry, namela irery an’i Môrônia zanany lahy

Asao hamintina ny famongorana farany ireo Nefita ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny fampidirana ny toko Môrmôna 6–8 raha ilaina.

Asao hamaky sy hisaintsaina am-pahanginana ny Môrmôna 7:10 ireo mpianatra, izay teny farany nataon’i Môrmôna talohan’ny nahafatesany

Fizarana Manaraka (Môrmôna 8:12Etera 3)

Niresaka tamin’i Jesoa Kristy i Môrônia ary nampisehoana izao androntsika izao. Inona no nampitandreman’i Môrônia antsika? Nanana finoana lehibe ihany koa ny rahalahin’i Jareda. Nahita an’i Jesoa Kristy izy ary nifanatri-tava sy niresaka Taminy. Ahoana no hanampiana anareo hahatoky ny tenin’izy ireo amin’ny alalan’ny fahafantaranareo fa nahita sy niresaka tamin’i Kristy i Môrônia sy ny rahalahin’i Jareda?

Hamoaka printy