Tahirim-pitaovana
Lesona 160: Môrônia 10:8–26, 30–34


Lesona 160

Môrônia 10:8–26, 30–34

Fampidirana

Rehefa avy nampianatra ny fomba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Môrônia dia namporisika an’ireo izay hamaky ny teniny izy mba handray sy hamantatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Nofaranan’i Môrônia tamin’ny famporisihana ny olona rehetra hanatona an’i Kristy sy hihazona ireo fanomezam-pahasoavana tsara rehetra omeny ary hatao tanteraka ao amin’i Kristy ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 10:8–26

Nampianatra mikasika ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sy ny tanjon’izany ao anatin’ny asan’ny Tompo i Môrônia

Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nanampian’ny Ray any an-danitra azy ireo hanao zavatra izay tsy vitan’izy ireo tamin’ny herin’ny tenany. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 10:8 mba hitady ilay andian-teny izay mamaritra ireo fahaiza-manao ara-panahy na ireo fitahiana omen’Andriamanitra ireo izay mahatoky (“fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra”). Hazavao fa matetika isika no miantso ireo fanomezam-pahasoavana ireo hoe fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy na fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Môrônia 10:8, nahoana Andriamanitra no manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ho an’ireo zanany? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mba hahasoa ny zanany Andriamanitra. Azonao atao ny manazava fa ny hevitry ny hoe hahasoa eto dia hoe hitahy na hanampy.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 10:9–16 mba hitady ireo fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra izay resahan’i Môrônia ao amin’ireo andininy ireo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hitanareo ao amin’ireo andininy ireo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona avy ireo ohatr’ireto fanomezam-pahasoavana ireto ka hitanareo tao am-piangonana?

  • Oviana ianareo no nahita olona nandray fitahiana satria nampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy nananany ny olona hafa? (Azonao atao ny miomana hizara ny ohatra hitanao.)

  • Ahoana no hanasoavan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny olona iray izay mahazo azy ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 10:19, 24. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hitady ny vato misakana amin’ny fandraisana sy famantarana ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy.

  • Inona no vato misakana hitanareo ka tsy ahafahana mandray na mamantatra ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no tsy afaka mamantatra na mahazo ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ny olona ao anatin’ny tsy finoana?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 10:25–26 ka hitady ny zavatra hitranga amin’ireo izay mandà ireo fanomezam-pahasoavana sy ny herin’Andriamanitra. Asao izy ireo hitatitra ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môrônia 10:20–23. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hitady ireo fitahiana avy amin’ny fananana finoana sy fanantenana ary fiantrana. (Alohan’ny hamakian’ny mpianatra izany dia azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “mety Amiko” ao amin’ny Môrônia 10:23 dia entina hilazana ireo zavatra izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.)

  • Inona ireo fitahiana nampianarin’i Môrônia fa ho tonga amin’ireo izay manana finoana sy fanantenana ary fiantrana?

Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka hanao izay tian’ny Mpamonjy hataontsika isika raha manam-pinoana. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika io fitsipika io ao amin’ny Môrônia 10:23.

  • Inona araka ny eritreritrareo no ifandraisan’ireo fitsipika roa eny amin’ny solaitrabe ireo? (Raha manam-pinoana isika dia hanome antsika ireo fanomezam-pahasoavana ilaintsika mba hanaovana ny asa tiany hataontsika Andriamanitra.)

  • Ahoana no hanampian’ny fahafantarana ireo fitsipika roa ireo anao amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny nambara tsy feno ireto. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba nahatanteraka na mety ho nahatanteraka teo amin’ny fiainan’izy ireo ilay fampanantenana hita ao amin’ny Môrônia 10:23 dia omeo minitra vitsy izy ireo hamenoana ny iray amin’ireo teny nambara ao anatin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina:

Tanteraka tamiko ilay fampanantenana ao amin’ny Môrônia 10:23 rehefa …

Ilay fampanantenana hita ao amin’ny Môrônia 10:23 dia afaka manampy ahy rehefa …

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara amin’ny namana iray ao an-dakilasy ny zavatra nosoratany.

Môrônia 10:30–34

Nanasa ny rehetra hanatona an’i Jesoa Kristy sy ho tanteraka ao Aminy i Môrônia

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Fahatanterahana. Soraty eo ambaniny ny hoe: Ho vita ve sa tsy ho vita?

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra eritreretin’izy ireo mikasika ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Aorian’ny fifanakalozan-kevitra fohifohy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 12:48.

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa tanjona faratampony indrindra ho an’ny tsirairay avy amintsika? (Ny ho tanteraka.) Ahoana no hanaovana izany?

Rehefa avy mizara ny heviny ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanazavana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha James E. Faust

“Tanjona mandrakizay ny fahatanterahana. Raha tsy mbola afaka ny ho tanteraka isika mandritra ny fiainana an-tany dia didy ny fiezahana hanao izany, izay azontsika hotandremana any am-parany any amin’ny alalan’ny Sorompanavotana” (“This Is Our Day,” Ensign, Mey 1999, 19).

Hazavao fa na dia tsy ho tratra eto amin’ity fiainana ity aza ny fahatanterahana dia afaka ny ho tonga lafatra isika amin’ny farany. Nampianatra ny zavatra azontsika atao mba ho tonga tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Môrônia. Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity ary aza adika ireo valinteny ao anaty fonon-teny.

Ny zavatra tsy maintsy ataoko …

Ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra …

(Mety ho anisan’ny valinteny ny hoe tsy maintsy manatona an’i Jesoa Kristy isika; mikatsaka sy mahazo ireo fanomezam-pahasoavana tsara; tsy mandray ireo fanomezana ratsy sy zavatra tsy madio; mandà ny tenantsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra; ary mitia an’Andriamanitra amin’ny hery sy ny saina ary ny tanjatsika rehetra.)

(Mety ho anisan’ny valinteny ny hoe hanatanteraka ny fanekempihavanany Izy; Ho ampy antsika ny fahasoavany; ho tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy isika; hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra isika; hohamasinina isika ary handray ny famelana ny fahotantsika; ho lasa masina tsy misy pentina isika.)

Asao ny mpianatra handalina ny Môrônia 10:30–33 ka hitady ireo andian-teny izay milaza ny zavatra tsy maintsy ataontsika sy ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra mba hataony hanampiana antsika ho lasa madio sy tanteraka. Asao ny mpianatra iray hirakitra an-tsoratra ny valintenin’ny mpianatra rehetra ao amin’ny faritra tokony hisy izany ao amin’ilay tabilao. Lazao amin’ny mpianatra fa ny teny hoe fahasoavana dia entina ilazana ny fanampian’Andriamanitra sy ny hery azontsika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no teny hosoratanareo eo ambanin’io tabilao io mba hamintinana ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny fahatongavana ho madio sy tanteraka? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra, kanefa tokony hahitana taratra ity fahamarinana manaraka ity ny valintenin’izy ireo: Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny hodiovina sy hatao tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.)

Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ity fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana ary ny sisa tavela amin’ny mpianatra kosa dia hanaraka sy hihaino. Alohan’ny hamakian’ilay mpianatra izany dia amporisiho ny iray kilasy hihaino tsara ary hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo atao hanatonana an’i Jesoa Kristy vokatry ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity tamin’ity.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ilay fiantsoana farany sy tokan’ny vato ifaharan’ny fivavahantsika sy ilay boky marina indrindra amin’ny boky voasoratra rehetra dia hoe ny tsy hikasihana ny zavatra tsy madio; fa mba ho masina sy tsy misy pentina; dia ny ho madio izany. Ary tsy afaka ny ho tonga izany fahadiovana izany raha tsy amin’ny alalan’ny ran’ilay Zanakondry izay nivesatra ny fahoriantsika ary nitondra ny alahelontsika, ilay Zanakondry izay noratraina noho ny fandikantsika lalàna ary notorotoroina noho ny helotsika, ilay Zanakondry izay nankahalaina sy nampahoriana, kanefa tsy nahoantsika (jereo ny Môsià 14). …

“Ny fahadiovana—amin’ny alalan’ny ran’ny Zanakondry. Izay no fiangaviana ataon’ity boky ity” (“A Standard unto My People” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra finoana ao amin’ny DFF, 9 Aog. 1994], 13–14, si.lds.org).

Asao ny mpianatra hamantatra ireo andian-teny ao amin’ny Môrônia 10:32–33 izay manantitrantitra fa tsy afaka ny ho tonga tanteraka isika afa-tsy “ao amin’i Kristy” ihany, na amin’ny alalan’ny hery sy ny fahasoavana manadion’ny Sorompanavotany.

  • Nahoana isika no mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba ho tonga madio sy tanteraka?

  • Inona ireo andian-teny ao amin’ny Môrônia 10:32–33 izay hitanareo fa mamporisika rehefa miezaka ny hadio sy hahatratra ilay tanjona mandrakizain’ny fahatanterahana ianareo?

Asao ny mpianatra hifidy ny iray na ny roa amin’ireo andian-teny avy ao amin’ilay tsanganana voalohany ao amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe. Omeo minitra vitsy izy ireo hanoratana ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina ny eritreritra na ny fahatsapana rehetra ananan’izy ireo mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mivoatra ao amin’ireo sehatra ireo.

Farano amin’ny alalan’ny famakiana ny Môrônia 10:34 amin’ny mpianatra ity lesona ity. Asao ny mpianatra mba hanaraka sy hihaino ary hitady ny porofo fa nanam-pinoana sy fanantenana an’i Jesoa Kristy i Môrônia. Rehefa avy milaza ny zavatra hitany izy ireo dia asao ny mpianatra hanoratra ny eritreritra sy ny fahatsapana ananany na inona izany na inona rehefa mamarana ny taranja Bokin’i Môrmôna izy ireo amin’ity taona ity. Asao ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenain’ny Ray any an-danitra azy ireo raha toa izy ireo ka hanatona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianarany sy hampihatra finoana amin’ny Sorompanavotany. Amporisiho ny mpianatra handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny fiainany.

Famerenana ny Môrônia

Makà fotoana hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ny bokin’i Môrônia. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ity boky ity na tamin’ny seminera na tamin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina. Raha ilaina dia asao izy ireo hamerina hijery fohifohy ny sasany amin’ireo sasintenin’ny toko ao amin’ny Môrônia mba hanampiana azy ireo hahatsiaro. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara zavatra avy ao amin’ny Môrônia, izay nanentana ny fanahin’izy ireo na nanampy azy ireo hanana finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrônia 10:8–19. Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Namariparitra ny tanjona sy ny antony hahazoana ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Loholona Bruce R. McConkie manao hoe:

“[Ny tanjon’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy] dia ny hanazava, hampahery, ary hanome hery ireo mahatoky mba handovan’izy ireo ny fiadanana eto amin’ity fiainana ity ary hotarihina any amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny hoavy. Ny fisian’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo dia porofon’ny fahamasinan’ny asan’ny Tompo. Any amin’ny toerana misy azy ireo ihany no misy ny Fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny fampanantenana dia hoe tsy ho levona na oviana na oviana izy ireo raha mbola mijoro koa ny tany, raha tsy noho ny tsy finoana (Môrô. 10:19), kanefa rehefa tonga ilay fotoan’ny fahatanterahana ary mahazo fisandratana ny olomasina dia tsy ilaina intsony izy ireo. Toy izao no nolazain’i Paoly mikasika izany: ‘Rehefa tonga ny tanteraka dia tsy hisy sombintsombiny intsony.’ (1 Kor. 13:10)

“Andrasana hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny fony manontolo ireo olona mahatoky. Izy ireo dia tokony ‘[haniry] fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra’ (1 Kor. 12:31; F. & F. 46:8), ‘maniry fatratra ny zava-panahy’ (1 Kor. 14:1), ‘hangataka amin’ Andriamanitra izay manome malalaka.’ (F. & F. 46:7; Mat. 7:7–8). Omena fanomezam-pahasoavana iray ny olona sasany; fanomezam-pahasoavana iray hafa ho an’ny olona sasany hafa; ary ‘azo omena ny sasany ny hanana ireo fanomezam-pahasoavana rehetra ireo, mba hisy filoha, mba hahazoan’ny mpikambana tsirairay tombontsoa amin’izany.’ (F. & F. 46:29.)” (Mormon Doctrine, famoahana faharoa. [1966], 314).

Nampianatra ny Loholona Marvin J. Ashton tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Araka ny hevitro dia iray amin’ireo zavatra mampivarahontsana lehibe eo amin’ny fiainana ny fanasokajian’ny olona iray ny tenany ho toy ny olona iray tsy manan-talenta na fanomezam-pahasoavana. …

“Manana ity fahamarinana ity isika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–12: ‘Fa ny tsirairay dia tsy manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra tsirairay omena azy; fa misy maro ireo fanomezam-pahasoavana, ary ny olona tsirairay dia omen’ny Fanahin’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana iray.’

“‘Ny sasany dia omena iray, ary ny hafa dia omena iray hafa mba hahazo tombontsoa amin’izany ny rehetra.’

“Nomen’ Andriamanitra talenta miavaka iray na mihoatra izany ny tsirairay avy amintsika. … Miankina amin’ny tsirairay amintsika ny mikatsaka sy manao zavatra avy amin’ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra. …

“Velona Andriamanitra. Tena manome fanomezam-pahasoavana antsika Izy. Rehefa mikolokolo sy mizara ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra antsika isika ary mahazo tombontsoa avy amin’ireo fanomezam-pahasoavana ananan’ireo olona manodidina antsika dia afaka ny ho tonga toerana tsaratsara kokoa izao tontolo izao ary handroso haingana kokoa ny asan’ Andriamanitra” (“There Are Many Gifts,” Ensign, Nôv. 1987, 20, 23).

Môrônia 10:22. “Tonga ny famoizam-po noho ny heloka”

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nizara ity hevi-baovao mikasika ny antony tokony hanaovana ny tsara ity mba hisorohana ny famoizam-po:

“Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny hoe ‘tonga ny famoizam-po noho ny heloka.’ (Môrô. 10:22.) ‘Manana fahatsapana tsara aho rehefa manao ny tsara,’ hoy i Abraham Lincoln, ‘ary tsy mahazo aina aho rehefa manao ratsy.’ Misintona ny olona hidina ao anatin’ny hakiviana sy ny famoizam-po ny fahotana. Raha toa ka mety migoka fahafinaretana tsy maharitra ao anatin’ny fahotana ny lehilahy iray dia fahoriana no vokany amin’ny farany. ‘Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.’ (Almà 41:10.) Miteraka tsy fifanarahana amin’ Andriamanitra ny fahotana ary mampikorontana ny fanahy. Noho izany dia tsara kokoa ho an’ny olona iray ny mandini-tena mba hahitany fa miaina mifanaraka amin’ny lalàn’ Andriamanitra rehetra izy. Ny lalàna tsirairay voatandrina dia mitondra fitahiana manokana. Ny lalàna tsirairay nodikaina dia mitondra voka-dratsiny manokana. Tokony hanatona ny Tompo ireo izay vesaran’ny famoizam-po satria mora ny ziogany ary maivana ny entany. (Jereo ny Mat. 11:28–30.)” (“Do Not Despair,” Ensign, Ôkt. 1986, 2).

Môrônia 10:34. Fanaovam-beloman’i Môrônia

Nizara ity hevitra manaraka ity ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny teny famaranana nataon’i Môrônia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Fahadiovana. Fahamasinana. Toetra sy feon’ny fieritreretana tsy misy pentina. Ireo rehetra ireo dia azo amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy, izay manadio ny fitafiantsika, manamasina ny fanahintsika, manavotra antsika amin’ny fahafatesana, ary mamerina antsika amin’ny laoniny amin’ny maha avy amin’ Andriamanitra antsika.

“Ny tenin’i Môrônia voarakitra farany dia ny fijoroany ho vavolombelona ny amin’ny finoany tsy voahozongozona tao anatin’ny fanavotana masina toy izany. …

“Dia nifarana tamin’ny fampanantenana ny Fitsanganana amin’ny Maty Masina ny Bokin’i Môrmôna izay nanidina toy ny hoe niaraka tamin’i Môrônia. [Jereo ny Apokalipsy 14:6.] Tena mety izany satria ity testamenta masina ity—izay nosoratan’ny mpaminany, nampahafantarin’ny anjely, narovan’ Andriamanitra—dia miresaka toy ny anankiray ‘mihiaka avy ao amin’ny maty,’ izay mamporisika ny olona rehetra hanatona an’i Kristy sy ho tanteraka ao Aminy, dingana izay mifarana any amin’ny fanatanterahan’ny voninahitra selestialy” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 339).

Hamoaka printy