Tahirim-pitaovana
2 Nefia


Fampidirana NYBoky Faharoan’i Nefia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny boky 2 Nefia dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ireo fotopampianarana fototry ny filazantsara, toy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary ny fahafahana misafidy. Ankoatra izany dia feno faminaniana avy amin’i Nefia sy i Jakôba ary i Isaia izay vavolombelona manokan’ny Mpamonjy ity boky ity. Izy ireo dia naminany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany, ny fampielezana sy fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra, ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ary ny Arivotaona. Ny boky 2 Nefia koa dia ahitana ny fanazavan’i Nefia ny fotopampianaran’i Kristy ary mifarana amin’ny fijoroan’i Nefia ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Nefia zanakalahin’i Lehia no nanoratra ity boky ity. I Nefia dia mpaminany iray ary mpitarika lehibe voalohan’ny vahoaka Nefita taorian’ny fisarahan’izy ireo tamin’ny Lamanita. Ny rakitsorany dia maneho fa niaina ilay hery manavotra avy amin’ny Tompo izy (jereo ny 2 Nefia 4:15–35; 33:6) ary naniry tamin’ny fony iray manontolo mba hitondra famonjena ho an’ny vahoakany (jereo ny 2 Nefia 33:3–4). Mba hanatanterahana izany tanjona izany dia nampianatra ny olony izy mba hino an’i Jesoa Kristy sy hanorina tempoly.

Ho an’iza no nanoratana io boky io ary nahoana?

Nanoratra ho an’ny karazan’olona telo izay tao an-tsainy i Nefia: ireo taranaky ny rainy, ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo amin’ny andro farany ary ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao (jereo ny 2 Nefia 33:3, 13). Ny boky 2 Nefia dia nosoratana teo amin’ny takelaka kelin’i Nefia izay nasain’ny Tompo natao ho rakitsoratry ny “asa fanompoana sy ny faminaniana” nataon’i Nefia ary rakitsoratra mikasika ny taranany (1 Nefia 19:3–5). Teo amin’izany takelaka izany no niraketan’i Nefia ny “zavatry ny fanahi[ny] sy ny ankamaroan’ny soratra masina izay voasokitra amin’ny takela-barahina.” Nohazavainy fa izy dia nanoratra “ho fianarana sy ho tombontsoan’ny zana[ny]” (2 Nefia 4:15). Nanambara izy hoe: “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” (2 Nefia 25:26). Ny rakitsorany dia nofaranany tamin’ny alalan’ny fanasana ny olona rehetra “mba hihaino ny teni[ny] sy [h]ino an’i Kristy” (2 Nefia 33:10).

Oviana ary taiza no fotoana nanoratana azy?

I Nefia dia nanomboka nanoratra ilay tantara izay lasa 2 Nefia, teo ho eo amin’ny 570 Talohan’i Kristy, 30 taona taorian’ny nandaozan’izy sy ny fianakaviany an’i Jerosalema. Nosoratany izany rehefa tany amin’ny tanin’i Nefia izy (jereo ny 2 Nefia 5:8, 28–34).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Na dia i Nefia aza no mpanoratra ny 2 Nefia, dia fitambaran’ireo fampianarana avy amin’ny loharano samihafa ny ao anatin’ilay boky. Araka ny aseho eto amin’ity lisitra manaraka ity dia toko maro ao anatin’ilay boky no ahitana teny nambaran’ireo mpaminany hafa. Satria nahita an’i Jesoa Kristy ary vavolombelona momba azy i Lehia sy i Jakôba ary i Isaia dia nampidirin’i Nefia tao anatin’izany ny sasany tamin’ireo fampianarany mba ho entina handresena lahatra an’ireo mpamaky mba hino an’i Jesoa Kristy. Nindrana ny tenin’ireo mpaminany hafa koa i Lehia sy i Jakôba tao anatin’ny toriteniny.

Ny boky 2 Nefia koa dia miresaka momba ny fahafatesan’i Lehia (jereo ny 2 Nefia 4:12) ary ny fizaran’ny taranak’i Lehia ho vahoaka roa—ny Lamanita sy Nefita (jereo ny 2 Nefia 5).

Topi-maso Ankapobeny

2 Nefia 1–4 Fotoana fohy taorian’ny nahafatesany dia nanoro hevitra sy nitsodrano ny taranany i Lehia.

2 Nefia 4–8 Nifaly tao amin’ny Tompo i Nefia. Notarihiny tany amin’ny tany iray nantsoin’izy ireo hoe Nefia ny mpanara-dia azy. Noraketiny ireo fampianaran’i Jakôba mikasika ny fampielezana sy fanangonana an’i Isiraely.

2 Nefia 9–10 Nampianatra mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Jakôba. Izy koa dia naminany mikasika ny fandavan’ireo Jiosy an’i Jesoa Kristy sy ny fanangonana ny Jiosy sy ny Jentilisa any amin’ny tany nampanantenaina amin’ny ho avy.

2 Nephi 11–24 Naneho ny fifaliany amin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy i Nefia. Nolazainy ireo faminanian’i Isaia mikasika ny fampielezana sy fanangonana an’i Isiraely, ny fanetrena ny mpiavonavona sy ny olon-dratsy alohan’ny Fiaviana Fanindroany, ary ny fahaterahan’ny Mesia sy ny fanaovany ny asa nanirahana Azy ary ny fanjakany mandritra ny arivo taona.

2 Nefia 25–27 I Nefia dia naminany mikasika ny fanomboana ny Mpamonjy, ny Fitsanganany amin’ny maty ary ny famangiany ny Nefita, ny fampielezana sy fanangonana ny Jiosy, ny famongorana ny Nefita, ny Apôstazia, ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ary ny Famerenana amin’ny laoniny.

2 Nefia 28–30 I Nefia dia nampitandrina mikasika ny faharatsiana amin’ny andro farany, nanazava ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hoavy ary naminany mikasika ny fanangonana fanahy ao anatin’ny fanekempihavanana.

2 Nefia 31–33 Nanentana antsika i Nefia mba hanaraka an’i Kristy sy hivoky ny teniny ary haharitra hatramin’ny farany. Nijoro ho vavolombelona izy fa nanoratra ny tenin’i Kristy.

Hamoaka printy