Lesona 27
2 Nefia 5
Fampidirana
Nisaraka tamin’i Lamàna sy i Lemoela ary ireo zanakalahin’i Ismaela i Nefia sy ny mpanara-dia azy rehefa nandre fampitandremana avy amin’ny Tompo. Niaina tao anatin’ny fahamarinana sy fifaliana izy ireo raha nanalavitra ny Tompo kosa ireo mpanara-dia an’i Lamàna sy i Lemoela.
Sosokevitra Enti-mampianatra
2 Nefia 5:1–8
Nosarahan’ny Tompo tamin’ireo mpanara-dia an’i Lamàna sy i Lemoela ireo mpanara-dia an’i Nefia
Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireo olana sy fanapahan-kevitra sasany izay atrehiny. Amporisiho izy ireo mba hieritreritra ao an-tsainy ireo olana manokana atrehiny rehefa mandalina ny fomba niatrehan’i Nefia olana izy ireo. Ampahatsiahivo izy ireo fa rehefa maty i Lehia dia i Nefia no tavela ho lasa mpitarika ara-panahin’ny fianakaviana. Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 5:1–4 mba hahitana ny olana natrehan’i Nefia.
-
Araka ny 2 Nefia 5:1, inona no nataon’i Nefia mba hamahana ny olany?
-
Na dia efa nivavaka mba hahazo fanampiana aza i Nefia dia inona no nokasain’i Lamàna sy i Lemoela hatao?
Rehefa mizara ny valinteniny ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa tsy voavaly eo no ho eo na amin’ny fomba itiavantsika azy foana ny vavaka ataontsika.
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 5:5–8. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ary hitady ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanampiana an’i Nefia sy ny mpanara-dia azy.
Angataho ny mpianatra mba hamintina ny zavatra nianarany avy ao amin’ny 2 Nefia 5:1–8. Ny fahamarinana iray izay mety tokony hohamafisina dia ny hoe mitarika an’ireo izay mikatsaka Azy amim-pahatokiana ao anatin’ny vavaka ny Tompo. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto izay mifandray amin’ireo andininy ireo:
-
Nahoana no zava-dehibe ny manohy ho mahatoky rehefa tsy voavaly eo no ho eo na tamin’ny fomba itiavantsika azy ny vavaka nataontsika?
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hanomezan’ny Tompo fampitandremana antsika?
Rehefa mamaly izany fanontaniana izany ny mpianatra dia vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Tsy afaka manomboka mankany amin’ny lalan-diso isika raha tsy hoe nandà fampitandremana iray aloha” (quoted in Kenneth Johnson, “Yielding to the Enticings of the Holy Spirit,” Ensign, Nôv. 2002, 90).
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Nefia rehefa miatrika olana isika?
Ao anatin’ilay fifanakalozan-kevitry ny mpianatra mikasika ny 2 Nefia 5:1–8, hazavao fa ilay fisarahan’ny Nefita tamin’ny Lamanita dia vokatry ny fankahalan’i Lamàna sy i Lemoela an’i Nefia. Nitohy nandritra ny taonjato maro izany fisarahana izany niaraka tamin’ny fampianaran’ireo taranak’i Lamàna sy i Lemoela ny zanany mba hankahala ny taranak’i Nefia (jereo ny Môsià 10:12–17).
2 Nefia 5:9–18, 26–27
Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana ny Nefita
Tariho ny mpianatra ao anatin’ny fiarahana mamaky mafy ny 2 Nefia 5:27. Azonao toroina hevitra ny mpianatra mba hanisy marika io andininy io. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fahasambarana.
-
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana”?
Angataho ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Marlin K. Jensen ao amin’ny Fitopololahy ity:
“Mitondra fifaliana eo amin’ny fiainantsika ireo fitsipika sy fahamarinana tsy miova sasantsasany. Lohahevitra nahaliana ahy izany nandritra ny taona maro satria na dia mahazo fitahiana maro aza aho ary manana ny antony rehetra tokony hahafaly ahy, dia sahirana aho matetika ary tsy manana foana ilay fitiavana ara-boajanahary ny fahasambarana sy toe-tsaina amam-panahy faly izay toa ananan’ny olona sasany.
“Noho izany antony izany dia nisarika ny saiko taona maro lasa izay ny andinin-tsoratra masina iray tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. … Nanorina fiaraha-monina izay niorina teo amin’ny fahamarinan’ny filazantsara i Nefia ary hoy izy mikasika izany fiaraha-monina izany: “Ary ny zava-nitranga dia niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay” (2 Ne. 5:27). Nanaitra lalina ny saiko izany andinin-tsoratra masina izany. … Nanontany tena aho hoe … mety ho inona ireo singa manokana hita ao anatin’ny fiaraha-monina sy fiainana tena sambatra iray, ary dia nanomboka nikaroka tao amin’ireo rakitsoratr’i Nefia aho mba hahitana fanazavana. Manasa … anao aho mba hanao ny fikarohanao manokana koa. Mety ho fikarohana atao mandritra ny fiainana sy tsy hanenenana izany.
“… Mandaitra tsara torak’izany ankehitriny ireo lamina sy ireo singa eo amin’ny fiainana andavanandro izay nanome fahafahana an’i Nefia sy ny vahoakany mba ho sambatra 560 taona talohan’i Kristy” (“Living after the Manner of Happiness,” Ensign, Des. 2002, 56, 61).
Amporisiho ny mpianatra mba hanaiky ny fanasan’ny Loholona Jensen. Angataho izy ireo mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 5:6, 10–18, 26–27 ka hitady ireo “singa ao anatin’ny fiaraha-monina sy fiainana tena sambatra.” Azonao toroina hevitra izy ireo mba hanisy marika ireo fitsipika izay nanampy ny Nefita hahazo fahasambarana. Minitra vitsy aorian’izay dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe. (Ny valiny dia mety ahitana hoe, nandeha niaraka tamin’ny fianakaviany i Nefia sy ny mpanara-dia azy [jereo ny andininy 6]; nankato ny Tompo [jereo ny andininy 10]; niasa mafy mba hamelomana ny tenany [jereo ny 11, 15–17]; nitondra soratra masina niaraka tamin’izy ireo [jereo ny 12]; nanorina tempoly [jereo ny andininy 16]; ary nanaraka mpitarika marina [jereo ny andininy 18, 26].)
Asao ny mpianatra mba hisafidy fitsipika iray na roa eny amin’ny solaitrabe ary hizara ny fomba nanampian’ireo fitsipika ireo azy ireo mba “hiaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana.”
Azonao atao, fa miankina amin’ny zavatra nohamafisin’ny mpianatra, ny mamantatra ny vokatry ny zavatra nampanaovina azy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana vitsy toy ireto manaraka ireto:
-
Araka ny 2 Nefia 5:10–11, 16, inona avy ireo fitahiana izay azon’ny olona noho ny fitandreman’izy ireo ny didin’ny Tompo? Oviana ianao no nahatsapa fa niaraka taminao ny Tompo? Ahoana no fomba nitondran’ilay hery mitarika an’ny Tompo fifaliana teo amin’ny fiainanao?
-
Ahoana no fomba mety nanampian’ny tempoly ny olona mba “hiaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana”? Ahoana no fomba nitondran’ny tempoly fahasambarana lehibe kokoa ho anao na ho an’ny olona iray hafa izay fantatrao?
-
Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny fiasana mafy fahasambarana?
Asao ny mpianatra mba hamintina ny zavatra nianarany mikasika ny fomba hampitomboana ny fahasambarany. Na dia mety mizara fitsipika samihafa aza ny mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa rehefa lasa fomba fiainantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitombo ny fahasambarantsika. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe.
Asao ny mpianatra mba handinika ny fiainany ary hanapa-kevitra ny hanao zavatra iray mba hiaina feno kokoa “ao amin’ny toetry ny fahasambarana.” Amporisiho izy ireo mba hanoratra izany zavatra hatao izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny any an-dakilasy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika sy fomba fanao izay nitondra fahasambarana teo amin’ny fiainanao.
2 Nefia 5:19–25
Voaozona ny Lamanita noho ny tsy fankatoavan’izy ireo
Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 5:19–24, ary hitady ireo fahasamihafana nisy teo amin’ny fomba fiainan’ny Lamanita sy ny fomba fiainan’ny Nefita.
-
Araka ny 2 Nefia 5:20, inona no vokatry ny tsy fankatoavan’ny Lamanita?
-
Ahoana no fomba hanampian’ny 2 Nefia 5:21 anao hahatakatra ny antony nanesorana ny Tompo tsy ho eo anatrehan’ny Tompo? (Azonao atao ny manazava fa ny afovato dia vato mafy. Nentin’i Nefia hanamafisana ny hamafin’ny fon’ny Lamanita ny filazany hoe “nanjary toy ny afovato” ny Lamanita.)
-
Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo mikasika an’ireo Nefita manambady Lamanita izay nandà ny filazantsara? (Jereo ny 2 Nefia 5:23.)
-
Nahoana no zava-dehibe ny misoroka ny fiarahana amin’olona sy ny fanambadiana olona izay tsy manaraka ny Tompo? Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety hitondran’ny olona izay iarahanao ary ho lasa vadinao amin’ny farany fiovana eo amin’ny ezaka ataonao hiaina ny filazantsara? (Mety hanampy ny mampahatsiahy ny mpianatra fa nanoro hevitra ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Manaova safidy ny tsy hiaraka afa-tsy amin’ireo izay miaina fitsipika ambony ihany ary afaka mihazona ny fitsipika iainanao ianao rehefa miaraka aminy” [For the Strength of Youth (booklet, 2011), 4].)
-
Inona avy ireo fitsipika sasantsasany izay azonao ianarana avy amin’ny 2 Nefia 5:20–24? (Rehefa mizara fitsipika ny mpianatra dia ataovy izay ahatakaran’izy ireo fa manasaraka ny tenany amin’ny Tompo ny olona rehefa manamafy ny fony Aminy.)
Hamafiso fa maneho fahasamihafana lehibe eo amin’ny Nefita sy ny Lamanita ny 2 Nefia 5. Afaka misafidy izay ohatra harahintsika isika. Amporisiho ny mpianatra mba hahatsiaro ny zavatra nanapahany hevitra fa hataony mba hiaina feno kokoa “amin’ny toetry ny fahasambarana.” Zarao ny fanananao fahatokiana fa afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Nefita izy ireo ary ho sambatra marina.