Tahirim-pitaovana
Lesona 33: 2 Nefia 17–20


Lesona 33

2 Nefia 17–20

Fampidirana

Noraketin’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 17–20 ny tantaran’i Isaia niezaka nandresy lahatra ny mpanjakan’i Joda mba hatoky ny Tompo toy izay hatoky ireo fifanekena atao eto amin’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny fampiasana ohatra sy tandindona no naminanian’i Isaia mikasika ireo zava-niseho tamin’ny androny, ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ary ny famongorana ny ratsy fanahy amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 17–18; 19:1–7

Tsy nahavita nametraka ny fitokiany tamin’i Jesoa Kristy ny olona tao amin’ny fanjakan’i Joda

Atombohy amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra mba hitanisa araka izay vitany ireo anarana maro iantsoana an’i Jesoa Kristy ny fotoam-pianarana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valiny nomen’izy ireo. Dia asao izy ireo avy eo hamaky ny 2 Nefia 17:14. Ampidiro ao anatin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ilay anarana hoe Imanoela na ataovy ao anaty faribolana izany raha toa ka efa eo. Asao ny mpianatra hitady ny dikan’io anarana io ao amin’ny Matio 1:23 na ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

  • Inona no dikan’ilay anarana hoe Imanoela? (“Andriamanitra miaraka amintsika.”)

Hazavao fa ny tena dikan’ny faminanian’i Isaia mikasika an’i Imanoela dia hita ao amin’ny Matio 1:18–25. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Ahoana no fomba nahatanterahan’ny faminanian’i Isaia mikasika an’i Imanoela?

  • Oviana ianao no efa nahita ny fisian’ny Tompo amin’ny maha Imanoela azy, na “Andriamanitra miaraka amintsika,” teo amin’ny fiainanao?

Hazavao fa ny 2 Nefia 19:6–7 dia iray amin’ireo faminaniana tena be mpahafantatra indrindra mikasika ny Mpamonjy. Vakio mafy ireo andinin-tsoratra masina ireo. Mariho manokana fa ahitana anarana maro iantsoana an’i Jesoa Kristy ireo andinin-tsoratra masina ireo. (Raha toa ka mbola tsy ao anatin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo anarana ireo dia ampidiro ao.)

  • Iza amin’ireo anarana ireo no tena mamaritra tsara ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy? Nahoana?

Alohan’ny hampianaranao ny ambin’ity lesona ity dia omeo fampahalalana vitsivitsy ara-tantara ny mpianatra mikasika ny 2 Nefia 17–18. Hazavao fa ireo toko ireo dia miresaka matetika momba ny firenena kely anankitelo—Joda, Isiraely ary Syria— sy ny mpanjakany ary koa ny Fanjakana Asyriana izay nikasa ny hambabo ireo firenena kely anankitelo ireo. Raha toa ny mpianatra ka manana ny Baiboly navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia tsara ny mangataka azy ireo hijery ireo Sarintany 1, 3 sy 5 izay mampiseho ireo faritra ara-jeografika lazaina ao amin’ireo toko ireo. Azonao atao koa ny manampy ny mpianatra hahatakatra ny votoatin’ireo toko ireo amin’ny alalan’ny fampisehoana azy ireo ity tabilao manaraka ity (izay nalaina avy tamin’ny Victor L. Ludlow, Isaiah: Prophet, Seer, and Poet [1982], 140). Ampiasao izy ity rehefa ilaina ao anatin’ny lesona.

Firenena

Joda

Syria

Isiraely

Renivohitra

Jerosalema

Damaskosy

Samaria

Faritra na foko voalohany indrindra

Joda

Arama

Efraima

Mpitarika

Ahaza (mpanjaka), avy amin’ny mpianakavin’i Davida

Rezina (mpanjaka)

Peka (mpanjaka), zanakalahin’i Remalia

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe fikambanan’ny firenena.

  • Inona no atao hoe fikambanan’ny firenena? (Mety ahitana ireto ny valiny: fiaraha-miasa, firaisana, fifanekena, na fifanarahana.)

  • Inona avy ireo antony vitsivitsy mety hitadiavan’ny firenena iray hikambana amin’ny firenena hafa?

Hazavao fa nandritra ny asa fanompoana nataon’ny mpaminany Isaia tany amin’ny fanjakan’i Joda, dia tian’ireo mpanjakan’i Isiraely sy Syria hikambana aminy ny mpanjakan’i Ahaza avy ao Joda mba hanafika ny fanjakana matanjak’i Asyria. Rehefa nandà ny Mpanjaka Ahaza dia namaky ady tamin’i Joda i Isiraely sy i Syria mba hanerena ilay fikambanana ary dia nametraka mpitarika iray teo amin’ny fanjakan’i Joda (Jereo ny 2 Nefia 17:1, 6). Ny 2 Nefia 17–18 dia mamelabelatra ny torohevitra nomen’ny mpaminany Isaia ho an’ny Mpanjaka Ahaza rehefa niezaka nandinika ny fomba hiarovana an’i Joda amin’ireo fampitahorana ataon’i Isiraely sy Syria ary i Asyria ny mpanjaka.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny 2 Nefia 17:1–2.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “nihararetra ny fon’i [Ahaza] sy ny fon’ny vahoakany toy ny fihararetran’ny hazo any an’ala amin’ny rivotra”? (Natahotra i Ahaza sy ny vahoakany ary tsy nahafantatra izay tokony hatao taorian’ny nanafihan’i Isiraely sy Syria azy ireo.)

Hazavao fa noho i Ahaza natahotra an’i Isiraely sy Syria dia nieritreritra ny hikambana amin’i Asyria izy mba hiarovana ny fanjakany (jereo ny 2 Mpanjaka16:7). Nolazain’i Isaia i Ahaza fa raha toa izy (Ahaza) ka mametraka ny finoany eo amin’ny Tompo fa tsy manao fikambanana ara-pôlitika dia harovan’ny Tompo ny fanjakan’i Joda.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 17:3–8. (Raha toa ka misy ilay Baibolin’ny Mpanjaka James navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia asao ny mpianatra hamaky ny Isaia 7:4, fanamarihana hanovozan-kevitra a. Raha tsy misy izany dia hazavao fa ilay andian-teny hoe tapa-porohana dia ilazana kitay hazo efa may nirehitra ny ilany. Ny tian’ny Tompo holazaina dia hoe “Aza matahotra amin’ilay fanafihana. Kely sisa ny afon’ireo mpanjaka roa ireo.” Lany ny herin’i Isiraely sy Syria. Hopotehin’i Asyria izy ireo atsy ho atsy ary tsy ho loza manambana ho an’i Joda intsony.)

Asaivo mifandimby mamaky mafy ny 2 Nefia 17:9, 17–25 ny mpianatra maromaro. Rehefa mamaky izy ireo dia asaivo tadiavin’ny mpianatra ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ny vahoakan’i Joda raha toa izy ireo ka miantehitra amin’ny fikambanana ara-pôlitika fa tsy amin’ny Tompo.

  • Inona no hitranga araka ireo andinin-tsoratra masina ireo raha toa ka tsy mahatoky ny Tompo i Ahaza? (Ho ringana i Joda.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 17:10–12. (Azonao atao ny manazava fa rehefa nasain’i Isaia nangataka famantarana i Ahaza dia namporisika an’i Ahaza izy raha ny marina mba hikatsaka torohevitra avy amin’ny Tompo mikasika izany olana izany. Rehefa nandà i Ahaza dia nilaza fa tsy mila ny fanampian’Andriamanitra izy ary mikasa ny hiantehitra amin’ny heviny manokana.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny 2 Nefia 17:13–14. Tariho ny mpianatra hijery indray ilay teny hoe Imanoela ao amin’ny 2 Nefia 17:14 ary ny dikany dia hoe “Andriamanitra miaraka amintsika.”

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’i Ahaza ny mitady an’Andriamanitra mba hiaraka aminy ao anatin’ilay olana mianjady amin’ny fireneny?

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mitodika any amin’ny Tompo fa tsy miantehitra amin’ny fahendrentsika fotsiny?

Vakio mafy amin’ny mpianatra ny 2 Nefia 18:5–8. Rehefa mamaky ny andininy faha 6 ianao dia hazavao fa ny teny hoe Siloa dia indraindray ilazana an’i Jesoa Kristy. Rehefa mamaky ny andininy faha 8 ianao, dia hazavao ilay andian-teny hoe “hisondrotra havozona aza” amin’ny alalan’ny fanamarihana manokana fa ny renivohitr’i Joda dia i Jerosalema. Naminany i Isaia fa handroso eo amin’ny rindrin’i Jerosalema izy ireo—na amin’ny teny hafa dia hoe eo amin’ny vozon’ilay tanàna. Tanteraka io faminaniana io rehefa tonga mba hanafika an’i Jerosalema ireo miaramila Asyriana miisa 185.000 ary nijanona teo amin’ny rindrin’ilay tanàna. Narovan’ny Tompo ny vahoakany tamin’ny alalan’ny fandefasana anjely handringana ilay tafika mpanafika. (Jereo ny 2 Mpanjaka 19:32–35.)

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 18:9–10 ary hitady ny fampitandreman’ny Tompo an’ireo izay hiara-hiasa mba hanafika an’i Joda.

  • Inona no ho vokany hianjady amin’ireo izay hanafika an’i Joda?

  • Araka ny 2 Nefia 18:10, nahoana no ho ringana ireo firenena ireo?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa natahotra ny fampitahoran’i Isiraely sy Syria ny Mpanjaka Ahaza ka nieritreritra ny hivondrona amin’i Asyria. Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 18:11–13.

  • Inona no nolazain’ny Tompo mikasika ny hoe tokony hanao firaisam-panjakana ve i Joda sa ahoana (hivondrona amin’i Asyria)?

  • Nasain’i Isaia nametraka ny fahatokiany tamin’iza ny vahoaka?

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo toko ireo eo amin’ny fiainany dia anontanio hoe:

  • Inona no loza ateraky ny fametrahana ny fitokiantsika amin’ireo hery sy zava-misarika an’izao tontolo izao fa tsy amin’ny Tompo? (Amporisiho ny mpianatra mba hieritreritra toe-javatra izay mety hahatonga azy ho alaim-panahy handray fanapahan-kevitra izay mifototra amin’ny tahotra.)

  • Oviana ianao no nitodika tany amin’Andriamanitra nangataka hery rehefa nalaim-panahy hitodika tany amin’ny loharano hafa aloha tamin’ny voalohany? Ahoana no fomba nanampian’Andriamanitra anao? Inona no zavatra nianaranao avy amin’izany zavatra niainana izany?

Mijoroa ho vavolombelona fa Hiaraka amintsika Andriamanitra rehefa mahatoky Azy isika na dia mandritra ny fotoam-pahasahiranana sy fotoana isian’ny tahotra aza. (Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo amin’ny solaitrabe.)

2 Nefia 19:8–21; 20:1–22

Namaritra ny famongorana ny olon-dratsy amin’ny Fiaviana Fanindroany i Isaia

Fintino ny votoatiny ara-tantaran’ny 2 Nefia 19–20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nolavin’i Ahaza ny torohevitr’i Isaia ary nisafidy ny hivondrona amin’i Asyria izy (jereo ny 2 Mpanjaka 16:7–20). Lasa fanjakana tompomenakely i Joda ary nandoa hetra tamin’i Asyria mba hiarovana azy amin’ny fampitahorana ataon’i Syria sy Isiraely. Babon’i Asyria ihany tamin’ny farany ireo fanjakana kely ireo araka ny efa naminanian’i Isaia—Damaskosy (Syria) tamin’ny 732 Talohan’i J.K. ary Samaria (Isiraely) tamin’ny 722 Talohan’i J.K. Notafihan’i Asyria koa i Joda iray manontolo afa-tsy i Jerosalema teo amin’ny 701 Talohan’i J.K.

Hazavao fa rehefa nobaboin’i Asyria i Syria sy i Isiraely ary nametraka fitondra-miaramila vonjy taitra tao Jerosalema renivohitr’i Joda, dia tsy mpanjaka intsony i Ahaza. I Hezekia izay mpanjaka marin-toetra iray no teo amin’ny seza fiandrianana tamin’izany. Noho i Hezekia nametraka ny fitokiany teo amin’ny Tompo dia narovan’ny Tompo tamin’ilay fanaovan’ny miaramila Asyriana fahirano ny tanànan’i Jerosalema. Nisy anjelin’ny Tompo tonga namely ny tobin’ny Asyriana nandritra ny alina. Miaramila Asyriana 185.000 no hita fa maty nony maraina (jereo ny 2 Mpanjaka 19:34–35; 2 Tantara 32:21; Isaia 37:36).

Ireo faminanian’i Isaia ao amin’ny 2 Nefia 19–20 dia mifantoka amin’ny fanasaziana izay hitranga amin’i Isiraely sy i Joda amin’ny alalan’ny tanan’i Asyria. Nampitandrina an’i Isiraely i Isaia fa hianjadian’ny famongorana sy ny fahababoana izy ireo atsy ho atsy ary nampilaza mialoha ny fanafihan’i Joda any aoriana any izy. Ireo faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny 2 Nefia 17–18 dia mivelabelatra kokoa ao amin’ny 2 Nefia 19–20. Mitombo ny faminaniana momba an’i Imanoela ao amin’ny 2 Nefia 19 rehefa nampanantena hazavana vaovao sy mpitarika vaovao i Isaia: I Hezekia ara-tantara ary ny Mesia ara-paminaniana. Karazana faminaniana iray izay ahitana fahatanterahan-javatra roa izany. Ohatra maneho tandindona iray koa izany, izay midika hoe ny zava-miseho iray dia faminaniana ny zavatra hiseho iray amin’ny ho avy. Ny faminanin’i Isaia mikasika ny famongorana an’i Asyria ao amin’ny 2 Nefia 20 dia tandindon’ny fandringanana ny olon-dratsy amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto soratra masina manaraka ireto: 2 Nefia 19:12, 17, 21; 20:4. Asaivo mitady andian-teny iray izay miverimberina ao amin’ireo andininy ireo ny mpianatra. Soraty eo amin’ny solaitrabe ilay andian-teny. (“Tsy mitony ny fahatezerany fa mbola mihinjitra ny tanany.”) Hazavao fa ireo andininy ireo dia mikasika ireo zavatra miantraika amin’ny olona izay mikomy amin’ny Tompo sy mandà tsy hibebaka. Izy ireo dia maneho ny fahasosoran’ny Tompo amin’ireo olona manohy manota.

Hazavao fa any anatin’ny andinin-tsoratra masina hafa dia misy teny mitovy amin’izany izay ampiasaina mba hanehoana ny famindram-pon’ny Tompo amin’ireo izay mibebaka. Na dia Andriamanitry ny fahamarinana aza Izy dia maneho famindram-po tsy manam-petra koa amin’ireo izay manatona Azy. Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny 2 Nefia 28:32. Dia vakio avy eo ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ho anareo rehetra izay mieritreritra fa very sy tsy manam-panantenana, na mieritreritra fa nanao ratsy nandritra ny fotoana ela loatra, ho anareo tsirairay izay miahiahy fa tafahitsoka any amin’ny lohasaha mamirifirin’ny fiainana any ho any ary simba teny an-dalana teny ny saretinareo, dia averina mafy ao anatin’ity fihaonambe ity ilay hafatra miverimberina avy amin’i Jehovah hoe: ’Mbola mihinjitra ihany ny tana[ny]’ [jereo ny Isaia 5:25; 9:17, 21]. ’Hanolotra ny tanako amin’izy ireo aho,’ hoy Izy, ’[ary na dia] handà Ahy [aza] izy; … dia ho feno famindram-po aminy Aho, … ary raha mibebaka izy sy manatona Ahy; fa ny tànako dia mitolotra mandritra ny manontolo andro hoy ny Tompon’ny Maro’ [2 Nefia 28:32]. Maharitra mandrakizay ny famindram-pony ary mbola mihinjitra ihany ny tanany. Izy no fitiavana madion’i Kristy, ilay fiantrana tsy levona mandrakizay, ilay fangorahana maharitra na dia manjavona aza ireo hery rehetra hafa [jereo ny Môrônia 7:46–47]” (“Prophets in the Land Again,” Ensign, Nôv. 2006, 106–7).

Asao ny mpianatra mba hanambara amin’ny teniny manokana ny fahamarinana iray izay nianaran’izy ireo avy amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto. (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa i Jesoa Kristy dia Andriamanitry ny fahaiza-mandanjalanja sy ny famindram-po. Atolotra an’ireo izay mibebaka sy mitandrina ny didiny ny famindram-pony.)

  • Ahoana no fomba hampiharanao izany fitsipika izany eo amin’ny fiainanao?

Hitan’i Isaia mialoha fa amin’ny andro farany dia hiverina any Aminy ny vahoakan’ny Tompo ary hitsahatra tsy hiantehitra amin’ny fiarahana manao zavatra tsy masina amin’ny hafa mba hahazoana fiarovana sy fiadanana. Omeo toky ny mpianatra fa rehefa mametraka ny fitokiantsika amin’ny Tompo isika dia tsy mila matahotra ny fitsarana izay hihatra amin’ny olona eto an-tany izay mitondra any amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 19:6–7. “Ny fanapahana dia ho eo an-tsorony”

Nanoratra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa na dia ampifandraisintsika matetika amin’ny fahaterahan’i Kristy aza ny faminanian’i Isaia ao amin’ny 2 Nefia 19:6–7 dia ho tanteraka koa izany amin’ny fotoan’ny Arivotaona:

“Ilay hoe ho eo an-tsorony ny fanapahana amin’ny farany dia manamafy fa indray andro any izao tontolo izao dia hiaiky—fa Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka ary hitantana ny tany sy ny Fiangonana mihitsy Izy indray andro any” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 80).

Nohazavain’ny Loholona Holland koa ny dikan’ireo anarana maro nomena an’i Jesoa Kristy Tompo ao amin’ireto andininy ireto:

“Amin’ny maha ‘Mahagaga, Mpanolotsaina’ Azy, dia ho mpanelanelana sy mpanalalana antsika izy ary hiaro ny zavatra niainantsika Izy any amin’ny toeram-pitsaran’ny lanitra. …

“Mazava ho azy araka ny nomarihin’i Isaia dia tsy ho mpanelanelana antsika fotsiny i Kristy fa ho mpitsara antsika koa [jereo ny Môsià 3:10; Môrônia 10:34; Mosesy 6:57]. Ao anatin’izany anjara asa amin’ny maha-mpitsara izany no ahafahantsika mahazo fahatakarana lehibe kokoa ny ao anatin’ilay teny miverimberina nolazain’i Abinadia hoe ‘Izy Andriamanitra tenany mihitsy’ no hidina hanavotra ny olony [Môsià 13:28; jereo koa ny Môsià 13:34; 15:1; Almà 42:15]. Izany dia toy ny hoe ilay mpitsara ao amin’ilay efitranom-pitsarana any an-danitra, izay tsy vonona ny hangataka an’iza na iza afa-tsy ny tenany ihany mba hitondra ny enta-mavesatr’ireo olo-meloka mijoro eo amin’ny toerana natokana ho an’ny olo-meloka, no manala ny akanjo maha mpitsara azy ary midina ety an-tany mba hiaretan’ny tenany manokana ny mafy tokony hiaretan’izy ireo. Ilay hoe Kristy mpitsara be famindram-po dia tena tsara sy mahagaga mitovy amin’ilay fahalalana iray an’i Kristy ho toy ny mpanolotsaina, mpanelanelana ary mpisolo vava.

“ Ilay hoe ‘Andriamanitra Mahery’ dia maneho ny herin’ Andriamanitra, ny tanjany, ny halehiben’ny fahefany ary ilay fitarihany izay tsy hay resena. Raisin’i Isaia ho toy ny afaka mandresy foana ny vokatry ny fahotana sy ny fandikan-dalàna nataon’ny olony Izy ary afaka mandresy mandrakizay ireo izay mihevi-tena ho mpanao tsindry hazo lena ny zanak’ Isiraely.

“‘Ilay Ray Mandrakizay dia manamafy ilay fotopampianarana tena lehibe hoe i Kristy dia Ray—Mpahary tontolo maro tsy tambo isaina, Rain’ilay ain’ny vatana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Fitsanganana tamin’ny maty, Rain’ny fiainana mandrakizay ho an’ireo zanany lahy sy vavy malalany ara-panahy ary Ilay manao asa ho an’ny Ray (Elohima) amin’ny alalan’ny fanomezana fahefana amin’ny fomba masina. Tokony hikatsaka ny hateraka ao aminy ny rehetra ary ho lasa zanany lahy sy vavy [jereo ny Môsià 5:7].

“Farany dia faly isika amin’ilay andian-teny hoe ’Andrian’ny Fiadanana,’ fa rehefa ho avy ny Mpanjaka dia tsy hisy ady intsony ao am-pon’ny olombelona sy eo anivon’ireo firenena eto amin’izao tontolo izao. Mpanjaka tia fandriampahalemana izany, mpanjakan’i Salema, ilay tanàna izay lasa Jero-Salema taty aoriana. Hitondra fiadanana ho an’ireo izay manaiky azy eto an-tany i Kristy na tamin’ny vanimpotoana inona na inona niainan’izy ireo ary hitondra fiadanana ho an’ireo rehetra ao anatin’ny fanjakam-boninahiny mandritra ny arivotaona sy aorian’ny arivotaona Izy” (Christ and the New Covenant, 80–82).