Tahirim-pitaovana
Lesona 96: Almà 39


Lesona 96

Almà 39

Fampidirana

Nibedy an’i Kôriantôna zanany lahy mafy loha i Almà, izay nandao ny asa fanompoana ary nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Nampianatra azy ny halehibiazan’ny zavatra nataony i Almà ary naneho ny fahadisoam-panantenany fa meloka tamin’ny fahotana lehibe toy izany i Kôriantôna. Nandidy ny zanany lahy tsy handeha intsony araka ny fitsiriritan’ny masony sy hibebaka i Almà. (Mitohy ao amin’ny fizarana 40–42 ny torohevitr’i Almà ho an’i Kôriantôna.)

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 39:1–8

Nanazava tamin’i Kôriantôna zanany lahy ny halehiben’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Almà

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no lehibe kokoa noho ny hafa ny fahotana sasany?

Asao ny mpianatra hieritreritra mangina ny valin’io fanontaniana io. Lazao amin’ny mpianatra fa ny torohevitr’i Almà izay voarakitra ao amin’ny Almà 39 dia afaka manampy antsika hahatakatra ny toetra lozabe hananan’ny fahotana sasany.

Asao ny mpianatra hijery ilay fanamarihana eo ambonin’ny sasintenin’ny toko 39. Asao izy ireo hamantatra hoe iza no miteny ao amin’io toko io ary miresaka amin’iza izy (Miresaka amin’i Kôriantôna zanany lahy i Almà). Hazavao fa niaraka tamin’i Siblôna rahalahiny sy i Almà i Kôriantôna mba hitory ny filazantsara teo anivon’ny Zôramita, saingy lavo tao anatin’ny fahotana izy. Hamafiso fa ny fahatakarana ny zavatra tsy nety nataon’i Kôriantôna dia hanampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny torohevitra nomen’i Almà azy ao amin’io toko io sy ireo toko telo manaraka.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 39:1–5. Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra tsy nety nataon’i Kôriantôna. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe vehivavy janga ao amin’ny andininy 3 dia entina hiantsoana vehivavy ratsy fitondrantena na mpivaro-tena.)

  • Inona no zavatra tsy mety nataon’ i Kôriantôna? Inona tamin’ny fahotana nataony no tena lehibe? (Fahavetavetana.)

  • Nirehareha tamin’ny heriny sy ny fahendreny teo anivon’ny Zôramita i Kôriantôna (jereo ny Almà 39:2). Amin’ny fomba ahoana no hitarihan’ny fihetsika feno fireharehana amin’ny fahotana lehibe toy ny fahavetavetana? Inona avy ireo ohatry ny fihetsika feno fireharehana amin’izao andro izao, izay mitarika ny olona handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia lazao amin’izy ireo fa rehefa mirehareha ny olona matetika dia mihevitra ny tenany ho manana hery lehibe, ao anatin’izany ny fahafahana manohitra ny fakam-panahy. Ny fampiarahana aloha loatra sy ny fiarahana amin’ny olona iray no anisan’ny ohatra amin’izany amin’izao androntsika izao.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 39:5 ary hikaroka ny fomba nanazavan’i Almà ny maha lehibe ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. (Mety hanampy ny fanazavana fa ny teny hoe fahavetavetana dia entina hilazana fa fahotana, ratsy, ary maharikoriko ny zavatra iray.)

  • Inona no tsapan’ny Tompo mikasika ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ny fahamarinana hoe fahavetavetana eo imason’ny Tompo ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ny fijangajangana no manakaiky indrindra ny famonoana olona raha alahatra amin’ny halehibeny?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fenitra sy ny fampanantenan’ny Tompo mifandray amin’ny fahadiovam-pitondrantena dia asao izy ireo hamaky mangina ireo andiam-pehezanteny roa voalohany ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Pureté Sexuelle” (Fahadiovam-pitondrantena) ao amin’ny Jeunes, soyez forts. Asao izy ireo hitady ny valin’ity fanontaniana manaraka ity rehefa eo am-pamakiana izany. (Azonao atao ny manoratra ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny valinteny hitan’izy ireo ao amin’ilay boky kely.)

  • Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena?

Rehefa avy nomena fotoana ampy namakiana sy nilazana ny valinteny hitan’izy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hamaky mangina ny ambin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fahadiovam-pitondrantena” ary hikaroka ny valin’ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona avy ireo fenitra napetraky ny Tompo mba hijanonantsika ho madio ara-pitondrantena?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny hafatra izay tian’ny Tompo ianaran’izy ireo avy amin’ny zavatra izay vao avy novakiany. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahalehibeazan’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fitahiana azo avy amin’ny fahadiovam-pitondrantena.

Hamafiso fa nanao ny adidiny tamin’ny naha ray azy i Almà tamin’ny alalan’ny fananarana ny zanany lahy mikasika ny olana maha tohina iray. Asao ny mpianatra hieritreritra ny mety ho fihetsik’izy ireo amin’ny torohevitr’ireo ray aman-dreniny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ny fahadiovam-pitondrantena. Asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 39:7–8 mba hikaroka ny tanjon’i Almà tamin’ny fampianarany an’i Kôriantôna mikasika ny halehiben’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

  • Inona no antony nampianaran’i Almà an’i Kôriantôna mikasika ny halehiben’ny fahotany? (Mba hanampiana an’i Kôriantôna hibebaka ka tsy hijoroany ho meloka eo anatrehan’Andriamanitra.)

  • Inona no tokony hataontsika rehefa manasa antsika hibebaka ny olona iray?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony hanasan’ny ray aman-dreny tahaka an’i Almà ny zanany hibebaka dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona D. Todd Christofferson

“Fomba iray hanehoana fitiavana ny fanasana olona iray hibebaka. … Raha toa ka tsy manasa ireo hafa hiova isika na tsy mampihatra ny fibebahana eo amin’ny tenantsika dia tsy mahatanteraka ny adidy fototra izay tokony hifanaovantsika isika ary tokony ho ataontsika amin’ny tenantsika. Ireo ray aman-dreny diso malala-tsaina loatra, sy ireo namana izay tsy mba manakana ny fanaovana ota ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay saro-tahotra dia miahiahy kokoa ny momba ny tenany noho izay mahasoa sy izay mahasambatra an’ireo izay azony ampiana. Marina fa indraindray ilay fanasana mba hibebaka dia raisina ho toy ny tsy mba mandefitra na toy ny manafintohina na mampatezitra, kanefa rehefa eo ambany fitaoman’ny Fanahy, raha marina, dia fihetsika hanehoana fitiavana izany” (“Ilay Fanomezana Masin’ny Fibebahana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 39).

Almà 39:9–19

Namporisika an’i Kôriantôna hibebaka i Almà

Mba hampahafantarana ilay torohevitra nomen’i Almà ny zanany lahy mikasika ny fomba hibebahana sy hitodihana amin’ny Tompo dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Tafiditra ao anatin’ny fibebahana …

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 39:9–13. Mijanòna isaky ny andininy iray mba hametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny mpianatra:

Almà 39:9

  • Inona no dikan’ny hoe “[mahafoy] ny fahotanao”? (Mitsahatra tsy manao izany.)

  • Inona no hifandraisan’ireo fehezanteny hoe “tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao” sy ny hoe “lavo amin’ny tenanao kosa ireny zavatra rehetra ireny”? (Mety hanampy ny fanazavana fa ny fehezanteny hoe “fitsiriritan’ny masonao” amin’izao androntsika izao dia azo ilazana ny sary sy ny fialam-boly mamoafady amin’ny endriny rehetra. Mba hanantitranterana ny loza ateraky ny pôrnôgrafia dia asao ny mpianatra hamaky ny torohevitra mikasika izany ao amin’ny pejy 17 ao amin’ny Jeunes, soyez forts. Azonao atao koa ny manazava fa ny andian-teny hoe “lavo amin’ny tenanao” dia midika hoe mampihatra fandavan-tena na fifehezan-tena; jereo ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 9b.)

  • Inona avy ireo fomba ahafahan’ny tanora Olomasin’ny Andro Farany mampihatra fifehezan-tena mikasika ny fahadiovam-pitondrantena sy hisorohany ny fandehanana amin’ny fitsiriritan’ny mason’izy ireo? (Mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny antsipiriany mikasika io fanontaniana io dia azonao atao ny mamaritra toe-java-misy mifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny toe-javatra iainan’ny mpianatrao. Azonao atao ohatra ny milaza zavatra tahaka izao manaraka izao: Nisafidy ny “[handa ny tenany]” ny zatovovavy Olomasin’ny Andro Farany iray kanefa nanasa azy hamonjy fety iray tsy mendrika ny zatovolahy iray izay tiany. Inona no tokony hataony?)

Lazao amin’ny mpianatra fa soratra masina fehezina ny Almà 39:9. Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marika io andininy io ao amin’ny soratra masin’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mahita mora foana ny misy izany.

Almà 39:10

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fikatsahana sakafo ara-panahy—mety ho avy amin’ny ray aman-dreny, mpitarika ao amin’ny Fiangonana, mpiray tampo, na namana atokisana—antsika hibebaka?

Almà 39:11

  • Inona no dikan’ny hoe “aza avela ho voatari[ka] … ny tenanao”? (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe mamela dia midika hoe manome lalana.)

  • Inona avy ireo “[zava]-poana sy tsy misy fotony” hitanao mitarika ny olona amin’izao fotoana izao?

Almà 39:12

  • Inona no dikan’ny hoe mitsahatra amin’ny heloka? (Miala amin’ny fahotana.)

Almà 39:13

Hazavao fa ny fibebahana dia midika hoe “fampitodihana ny fo sy ny sitrapo amin’Andriamanitra” (jereo ny Bible Dictionary, “Repentance”). Ny andian-teny hoe “mitodika amin’ny Tompo” ao amin’ny soratra masina dia entina hiresahana ny fibebahana matetika.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “[mitodika] amin’ny Tompo amin’ny sainao rehetra, ny herinao rehetra, ary ny tanjakao rehetra”?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nitarika olona maro tsy hino ny tenin’i Almà ny fitondrantenan’i Kôriantôna nandritra ny asa fitoriana natao tamin’ny Zôramita (jereo ny Almà 39:11).

  • Rehefa misy fiantraikany amin’ny hafa ny fahotantsika dia inona no anisan’ny zavatra tsy maintsy ataontsika ao anatin’ilay fibebahantsika? (Miaiky na mibaboka ny fahadisoantsika amin’ireo nanaovantsika ratsy ary mikatsaka ny hanonitra ilay ratsy natao.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny fanekena sy ny fialana amin’ny fahotantsika ary ny fitodihana amin’ny Tompo amin’ny saintsika rehetra, ny herintsika rehetra, ary ny tanjatsika rehetra. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanoratra io fehezanteny io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Almà 39:13. Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina mikasika ny zavatra tsapan’izy ireo fa tian’ny Tompo hataon’izy ireo mba hampitodika ny fony sy ny sitrapon’izy ireo bebe kokoa Aminy.

Mba hanantitranterana ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’ny dingan’ny fibebahana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 39:15–16, 19. Asao ny iray kilasy hitady andian-teny iray izay miverina in-telo ao amin’ireo andininy ireo. (“Vaovao mahafaly” ilay andian-teny izay azonao hazavaina, izay midika hoe “vaovao tsara.”)

  • Inona no “vaovao mahafaly” nampianarin’i Almà ny zanany lahy? (Tokony ho isan’ny valinteny omen’ny mpianatra ny fahamarinana hoe Tonga hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.)

  • Nahoana no vaovao mahafaly ho an’i Kôriantôna ny fahatongavan’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra rehefa mamaly io fanontaniana io izy ireo fa nibebaka tamin’ny fahotany i Kôriantôna taty aoriana ary niverina tamin’ny naha-misiônera azy [jereo ny Almà 49:30].)

Zarao amin’ny mpianatra ny naha “vaovao mahafaly” taminao na tamin’ny olona fantatrao ny hafatra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ampio firesahana mikasika ireo fitsipika nifanakalozan’ny mpianatra hevitra tao amin’ny Almà 39 ny fijoroanao ho vavolombelona. Amporisiho ny mpianatra hanaraka ireo bitsika mety ho voarain’izy ireo nandritra ny lesona mba hiarovany ny fahadiovany sy hitodihany amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fibebahana.

sary famantarana ny soratra masina fehezinaSoratra Masina Fehezina—Almà 39:9

Zarao ho ao anatina vondrona misy olona efatra na dimy ny mpianatra. Omeo kodiakely misy lafiny enina sy pensily ny vondrona tsirairay. (Raha tsy misy kodiakely dia ataovy izay hanamboarana ilay fiaraha-mientana amin’ny fanisiana taratasy kely enina ao anaty valopy na fitoeran-javatra hafa, ay misy ny isa 1 ka hatramin’ny 6 amin’ireo taratasy kely ireo.) Mila taratasy tsy mbola misy soratra ihany koa ny mpianatra tsirairay. Asao ny vondron’ny mpianatra tsirairay hipetraka mifanakaiky manodidina ny latabatra iray na manao fari-bolana. Asao izy ireo hanokatra ny soratra masin’izy ireo ao amin’ny Almà 39:9.

Hazavao fa ny tanjon’ity fiaraha-mientana ity dia ny hahavita hanoratra feno voalohany ao anatin’ny vondrona ny Almà 39:9. Kanefa olona iray isak’izay mandeha ao amin’ny vondrona ihany no afaka manoratra satria iray ihany ny pensily isaky ny vondrona. Afaka mampiasa ilay pensily ny olona iray raha mahita isa 1 rehefa manipy ilay kodiakely.

Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona tsirairay hifandimby hanipy ilay kodiakely (na haka taratasy kely ary hamerina izany). Rehefa mahita amin’ny fanipazana (na mahasarika) isa 1 ny olona iray dia mandray ilay pensily izy ary manomboka manoratra sady miteny mafy ny teny tsirairay rehefa manoratra izany. Etsy ankilan’izay dia mifandimby manipy ilay kodiakely ireo olona hafa ao amin’ny vondrona mba hahafahany hampiasa ilay pensily. Rehefa mahita isa 1 ny mpianatra iray hafa ao amin’ilay vondrona dia alain’io olona io amin’ilay olona teo aloha ilay pensily ary manomboka manoratra ilay andininy amin’ny taratasiny izy sady manonona ireo teny. Miaraka amin’ny sisa ao amin’ny vondrona mba hanipy kodiakely ilay mpanoratra teo aloha. Rehefa afaka mampiasa ilay pensily ny mpianatra ary efa nanoratra ampahany tamin’ilay andininy teo amin’ny taratasiny dia tsy maintsy mamaky mafy ilay ampahany nosoratany izy ireo alohan’ny hanoratana teny fanampiny ao amin’ilay andininy. (Izany dia mahatonga ilay famerimberenana izay hanampy ny mpianatra hitadidy ilay andininy.) Tapitra ilay fiaraha-mientana rehefa misy mpianatra iray isaky ny vondrona mahavita manoratra feno ny Almà 39:9.

Asao ny iray kilasy hiara-hamerina amin’ny feo mafy ilay andininy

Fanamarihana: Noho ny toetoetrany sy ny halavan’ity lesona ity dia azonao atao ny mampiasa io fiaraha-mientana io amin’ny andro hafa rehefa manana fotoana fanampiny ianao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 39:3. Vokatry ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Niresaka mikasika ny maha fahotana lehibe ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny vokatr’izany ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Rehefa nosokajian’ Andriamanitra ho zava-dehibe toy izany io filana ara-nofo izay nomena ny rehetra io dia inona no tiany holazaina amintsika mikasika ny toerana tanan’izany ao anatin’ny drafitra nataony ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra? Tiako holazaina aminareo fa manao izany indrindra Izy—manazava mikasika ny drafitry ny fiainana. Mazava tokoa fa anisan’ireo zavatra lehibe indrindra hifantohany mikasika ny fiainana an-tany ny fomba hahatongavan’ny olona iray eto amin’ity tany ity sy ny ialan’ny olona iray eto. Nametraka fetra hentitra tokoa mikasika ireo zavatra ireo izy. …

Ampahany manan-danja amin’ny maha-olona ny vatana. Manamafy ny antony maha lehibe tokoa ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ity fotopampianarana an’ny Olomasin’ny Andro Farany miavaka sy tena manan-danja ity. Manambara izahay fa ny olona iray izay mampiasa ny vatan’ny olona iray izay nomen’ Andriamanitra kanefa tsy nahazo lalana dia manararaotra ny maha-olona izany olona izany, manararaotra ny tanjona fototra sy ny dingana fototry ny fiainana ‘ilay fanalahidin’ny fiainana’ araka ny niantsoan’ny Filoha Boyd K. Packer izany indray andro [jereo ny Ensign, Jolay 1972, 113]. Raha manararaotra ny vatan’ny olona iray—izay midika hoe manararaotra ny fanahiny—ny olona iray dia maniratsira ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay nanavotra izany fanahy izany sy mahatonga ny fanomezana ny fiainana mandrakizay ho azo tanterahina. Ary rehefa mamingavinga ny Zanaky ny Fahamarinana ny olona iray dia miditra ao amin’ny fanjakana iray mahamay kokoa sy masina kokoa noho ny masoandron’ny mitataovovonana izy. Tsy maintsy ho voadoro ianao raha manao izany.

“Aza milaza mihitsy hoe: “Fa mampaninona moa izany? Nahoana aho no tsy afaka hanana fahalalahana kely? Afaka mandika lalàna aho amin’izao ary mibebaka any aoriana any.’ Aza manao hadalana sy ratsy fanahy toy izany. Tsy afaka ‘manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ny hazo fijaliana’ ianao ary tsy ho voasazy. [Jereo ny Hebreo 6:6.] Niantsoantso mafy i Paoly hoe: ‘Mandosira ny fijangajangana,’ [jereo ny 1 Korintiana 6:18], ary nampian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe mandosira ny ‘zavatra toy izany,’ [jereo ny F&F 59:6; nampiana fanamafisana]. Nahoana? Vokatry ny antony iray izay noho ny fijaliana tsy hay refesina niaretan’ny vatana sy ny fanahin’ny Mpamonjy izao tontolo izao mba hahafahan[tsika] mandositra [jereo indrindra fa ao amin’ny F&F 19:15–20]. Ananany trosa amin’izany isika. Raha ny marina dia tokony hanome azy ny zava-drehetra noho izany isika. ‘Tsy tompon’ny tenanareo hianareo,’ hoy i Paoly. ‘Fa [efa] olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ny tenanareo [sy amin’ny fanahinareo izay an’ Andriamanitra].’ [1 Korintiana 6:19–20; nampiana fanamafisana; jereo koa ny and. 13–18.] Tandindomin-doza ny maha-olona ao anatin’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena—ny vatana sy ny fanahy. …

Tsy maintsy miandry ianao amin’ny fampiasana sy fikasihana ny faritra manokana eo amin’ny samy olombelona! Tsy maintsy miandry ny fotoana ahafahanao manome ny zavatra rehetra ianao, ary tsy afaka manome ny zavatra rehetra ianao raha tsy efa vita mariazy ara-dalàna. Ny manome amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny zavatra izay tsy anjaranao ny manome azy (tadidio hoe ‘tsy tompon’ny tenanareo hianareo’) sy ny manome ny ampahany fotsiny ihany amin’ny zavatra izay tsy azo hanolorana ny tenanareo iray manontolo akory avy eo dia toy ny milalao amin’ny fahafatesana. Raha misisika manohy izany fanomezana fahafaham-po ny nofo izany ianao kanefa tsy nahazoana lalana avy any an-danitra dia tandindomin-doza amin’ny fahasimbana ara-panahy sy ara-tsaina ianao, izay mety hanimba ireto zavatra roa ireto: ny fanirianao haneho fitiavana amin’ny firaisana ara-nofo sy ny fahafahanao manome fahafoizan-tena amin’ny fo manontolo amin’ny fitiavana aty aoriana izay tena marina. Mety rehefa tonga amin’izay fotoana hahatsapana fitiavana marina kokoa sy voatendry izay ianao, fanambadiana tena izy, vao hahita amin’ny horohoro fa ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany no afaka mamerina ilay fahaverezana tsikelikelin’ilay fahadiovana izay nomenao fahatany ny hafa. Ny fanomezana tsara indrindra azonao omena ilay vadinao mandrakizay amin’ny mariazinao dia ny tsara indrindra avy aminao—madio ary mendrika ny hahazo ny fahadiovana tahaka izany koa” (“Personal Purity,” Ensign, Nôv. 1998, 76–77).

Almà 39:6. Inona ilay fahotana tsy hahazoana famelan-keloka?

Nanome fahalalana fanampiny mikasika ilay fahotana tsy hahazoana famelan-keloka ny mpaminany Joseph Smith manao hoe:

“Ho voavela avokoa ny fahotana rehetra afa-tsy ny fahotana atao amin’ny Fanahy Masina satria hanavotra ny olon-drehetra i Jesoa afa-tsy ny zanaky ny fahaverezana ihany. Inona no tsy maintsy ataon’ny olona mba hanaovana ilay fahotana tsy hahazoana famelana? Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina izy, nisokatra taminy ny lanitra ary mahafantatra an’ Andriamanitra izy, ary avy eo dia nanota Taminy taty aoriana. Tsy misy fibebahana ho an’ny olona iray rehefa avy nanota tamin’ny Fanahy Masina izy. Mila milaza izy fa tsy mamiratra ny masoandro kanefa mahita izany izy, mila mandà an’i Jesoa Kristy izy rehefa avy nosokafana taminy ny lanitra ary mandà ny drafitry ny famomjena kanefa mahita ny fahamarinan’izany ny masony; ary amin’izay fotoana izay dia manomboka ho lasa fahavalo izy. Toy izany ny maro amin’ireo olona ao anatin’ny apôstazia ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (ao amin’ny History of the Church, 6:314).

Ny olona mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny Fanahy Masina ary lasa mania na lasa malaindaina ao amin’ny Fiangonana dia tsy meloka amin’ilay fahotana tsy hahazoana famelana.

Almà 39:13. Fibebahana: “miverina amin’ Andriamanitra”

Namaritra ny fibebahana ho toy ny fitodihana na fiverenana amin’ Andriamanitra ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Rehefa manota isika dia miala amin’ Andriamanitra. Rehefa mibebaka isika dia miverina amin’ Andriamanitra.

“An-kavitsiana ny maha fanasaziana ny fanasana mba hibebaka fa fiantsoana amim-pitiavana mba hitodika indray sy ‘hiverina’ amin’ Andriamanitra kosa izany” (“Repent … That I May Heal You,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 40).

Almà 39:15. Hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy

Nanazava ny fomba hahazoantsika ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Ny fibebahana ihany no mitondra amin’ny fiainana tsaratsara kokoa. Ary mazava ho azy fa amin’ny alalan’ny fibebahana ihany no hahazoantsika ny fahasoavan’ny fanonerana avy amin’i Jesoa Kristy sy ny famonjena. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny fibebahana ary tokony ho mirana ny endritsika rehefa miresaka mikasika izany isika. Mitondra antsika amin’ny fahafahana, ny fahatokian-tena ary ny fiadanana izany. Anton’ny fankalazana lehibe ny fanomezana ny fibebahana fa tsy mampitsahatra ny fankalazana amim-pifaliana.

“Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahana mampisy ny fibebahana. Ny sorona tsy misy fetra nataony no ‘mitondra fitaovana ho an’ny olona mba hahazoany manana finoana ho amin’ny fibebahana’ (Almà 34:15). Ny fibebahana no fepetra ilaina ary ny fahasoavan’i Kristy no hery izay ‘[hanefan’ny] famindram-po … ny fitakian’ny fahamarinana’ (Almà 34:16). …

“… Mitaky ny olona hanana tanjona matotra sy fahavononana hanohy ny ezaka handresy ny fahotana ny fibebahana na dia tsy maintsy mandalo amin’ny fanaintainana aza. Mety hanampy ny olona sasany ny miezaka mamorona lisitra amin’ireo dingana manokan’ny fibebahana kanefa mety hitarika ihany koa amin’ny fomba fibebahana mandeha ho azy sy tsy noeritreretina izany, izay tsy tena avy amin’ny fo na mitondra fiovana. Tsy marivo tototra ny fibebahana marina. Manao fitakiana fototra roa ny Tompo manao hoe: ‘Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany’ (F&F 58:43)” (“The Divine Gift of Repentance,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 38, 40).