Tahirim-pitaovana
Lesona 81: Almà 17


Lesona 81

Almà 17

Fampidirana

Ho fiomanana hitory filazantsara amin’ireo Lamanita dia nikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ireo zanakalahin’i Môsià tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka. Nankahery azy ireo ny Tompo ary nampanantena fa ho tonga fitaovana eo am-pelatanany izy ireo “ho famonjena fanahy maro” (Almà 17:11). Talohan’io Izy dia nampanantena azy ireo, tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny rain’izy ireo, fa Izy no “hanafaka [azy ireo] eo an-tanan’ny Lamanita” (Môsià 28:7). Mafy orina noho ireo fampanantenan’ny Tompo izy ireo ary nahatoky fa ho tafahaona indray, ka dia nisaraka mba hizara ny filazantsara any amin’ny toerana samy hafa. Nankany an-tanin’i Ismaela i Amôna, ary tany izy no niomana hampianatra ny vahoaka tamin’ny fanompoana ny mpanjakan’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 17:1–16

Nandalina ny soratra masina ireo zanakalahin’i Môsià sy nivavaka ary nifady hanina mba hahafahana mahalala ny tenin’Andriamanitra sy mampianatra amin-kery

Alohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nambara misy banga ity: “Ny hany zavatra manan-danja indrindra azonao atao mba hiomanana ho an’ny antso hanompo [hanao asa fitoriana] dia ny …” (Hiresaka momba an’io ianao aoriana kely ao mandritra ny lesona.)

Anontanio ireo mpianatra raha toa ka efa nanatrika ny fiverenan’ny havana na ny namana avy tany amin’ny fanaovana asa fitoriana rehefa avy nanompo tamim-pahatokiana. Manasà mpianatra vitsivitsy hamariparitra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ananan’ireo misiônera ireo rehefa tafaverina.

  • Inona no fiovana tsara izay hitanareo teny amin’izy ireo taorian’ny asa fitoriana? Inona araka ny hevitrareo no nahatonga ireo fiovana ireo?

Hazavao fa rehefa avy nitory filazantsara nandritra ny 14 taona tany an-tanin’ny Nefia ireo zanakalahin’i Môsià dia teo am-piverenana ho any Zarahemlà izy ireo no tafahaona tamin’i Almà indray. Raha ilain’ireo mpianatra ny famerenana fohy ny tantaran’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià dia anontanio hoe:

  • Inona no fifandraisana nisy teo amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià? (Raha mila fanampiana ireo mpianatra eo amin’ny famaliana io fanontaniana io dia asaivo mamaky ny famintinana ny toko Môsià 27 izy ireo.)

Hazavao fa nandritra ny fotoana nitorian’i Almà fibebahana sy nanorenany ny Fiangonana tany anivon’ireo Nefita tany amin’ny tanin’i Zarahemlà sy ny faritra hafa, dia nitory filazantsara tamin’ireo Lamanita tany amin’ny tanin’i Nefia ireo zanakalahin’i Môsià. (Azonao atao ny mijery ny fanamariham-pejin’ny Bokin’i Môrmôna mba ho anisan’ny fanazavana izany.) Ny anaran’ireo zanakalahin’i Môsià dia i Amôna, sy i Aharôna, sy i Ômnera ary i Himnia (jereo ny Môsià 27:34). Ny Almà 17–26 dia mitantara ny sasany amin’ireo zavatra niainan’izy ireo nandritra ny asa fitoriana.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 17:1–2.

  • Manao ahoana no fahatsapan’i Almà raha tafahaona indray tamin’ireo namany? Fa nahoana hoy ianao no nanana izany fahatsapana izany izy?

Sariho ny sain’ireo mpianatra ho any amin’ilay teny nambara misy banga nosoratanao teny amin’ny solaitrabe. Manasà mpianatra maromaro hanolotra fomba ahafahana mameno io teny nambara io. Avy eo dia zarao amin’izy ireo ny fomba namenoan’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo an’io teny nambara io: “Ny hany zavatra manan-danja indrindra azonao atao mba hiomanana ho an’ny antso hanompo [hanao asa fitoriana] dia ny ho tonga misiônera fotoana ela mialoha ny handehananao hanao asa fitoriana” (“Becoming a Missionary,” Ensign na Liahona, Nôv. 2005, 45). Fenoy ilay teny nambara eo amin’ny solaitrabe.

Mariho fa ny fomba iray ahafahantsika mahafantatra ny fomba hahatongavana ho misiônera dia ny mianatra mikasika ny asa fanompoana nataon’ireo misiônera mahatoky ao amin’ny soratra masina. Asao ny iray kilasy hamaky mangina ny Almà 17:2–4 sady mitady ireo antony nahazoan’ireo zanakalahin’i Môsià fahombiazana tamin’ny fitaomana ny olona hahalala ny fahamarinana.

  • Inona no zavatra nataon’ireo zanakalahin’i Môsià ka nanampy azy ireo ho tonga misiônera mahomby? (Mety ho valinteny ny hoe nandinika “tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina” izy ireo, sy nivavaka ary nifady hanina.)

  • Inona avy no fitahiana voarain’izy ireo noho ny fandalinana sy fifadian-kanina ary vavaka nataon’izy ireo? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ireo mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandalina ny soratra masina isika sy mivavaka ary mifady hanina dia afaka mahazo ny Fanahy Masina sy mampianatra amin-kery.)

Asaivo mamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Bednar manaraka ity ny mpianatra iray, sady manantitrantitra ny zavatra azontsika atao mba ho tonga misiônera:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Azonao ampitomboana ny fanirianao hanompo an’Andriamanitra (jereo ny F&F 4:3), ary afaka manomboka misaina toa an’ireo misiônera ianao, mamaky izay zavatra vakian’ireo misiônera ary mahatsapa ny zavatra tsapan’ireo misiônera. Azonao hialana ireo fitaomana arak’izao tontolo izao izay mahatonga ny Fanahy Masina hisintaka, ary afaka mampitombo ny fahatokianao tena eo amin’ny famantarana sy ny famaliana ireo bitsika ara-panahy ianao. Fitsipika anampy fitsipika, kely etsy ary kely eroa no ahafahanao ho lasa tsikelikely ilay misiônera antenainao hahatongavana sy ilay misiônera antenain’ny Mpamonjy. …

“Ny fiomanana izay fariparitako dia tsy natao ho an’ny asa fitoriana ataonao amin’ny maha 19- na 20 na 21 taona fotsiny ihany. … Miomana ho amin’ny asa fitoriana mandritry ny androm-piainana manontolo ianao. … Misiônera lalandava isika” (“Becoming a Missionary,” 46).

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika nampianarin’ny Loholona Bednar sy ao amin’ny Almà 17:2–4, dia asaivo manoratra ao amin’ny kahieny izy ireo na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika izay zavatra ho ataon’izy ireo mba hahatongavany ho misiônera mialoha ny fiantsoana azy ireo hanompo.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 17:9 ary hamantatra ny zavatra nangatahin’ireo zanakalahin’i Môsià sy ireo namany tamim-bavaka. Rehefa avy nitatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra dia asaivo mamaky ny Almà 17:10–12 izy ireo, ka hikaroka ny namalian’ny Tompo ny vavaka nataon’izy ireo.

  • Fa nahoana araka ny eritreritrao no “nahazo hery” ny fon’izy ireo rehefa novalian’ny Tompo ny vavaka nataony?

  • Ny Almà 17:11 dia ahitana ny fampanantenana nataon’ny Tompo fa Izy dia hahatonga ireo misiônera ireo ho fitaovana eo an-tanany. Inona no hevitr’izany aminao? Amin’ny fomba ahoana no mety ahatongavantsika ho fitaovana eo an-tanan’ny Tompo?

  • Nampianatra ireo misiônera ireo ny Tompo mba “haneho ohatra tsara” (Almà 17:11). Fa nahoana araka ny hevitrao no ampahany manan-danja tamin’ny asa fitoriana nataon’izy ireo ny fanehoana ohatra tsara? (Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefa maneho ohatra tsara isika, dia afaka mahatonga antsika ho fitaovana eo an-tanany ny Tompo. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona avy ireo zavatra azon’ny olona ianarana mikasika ny filazantsara rehefa mahita ny ohatra tsara asehontsika izy ireo?

  • Oviana no nanampy anao ny ohatra tsara nasehon’ny hafa?

    Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fanehoana ohatra tsara, ary entano ireo mpianatra mba ho ohatra tsara ho an’ny manodidina azy ireo. Raha toa ianao afaka mieritreritra ny fotoana manokana izay nahitanao ireo mpianatra naneho ohatra tsara, dia azonao atao ny mankasitraka azy ireo tamin’izay zavatra nataony. Na izany aza anefa dia aza manao fandokafana faobe na tsy dia mazava izay mety hoheverina fa tsy vokatry ny fo.

Asaivo mamaky mangina ny Almà 17:13–16 ireo mpianatra sady mieritreritra mikasika ny fahasarotan’ny fampianarana ireo Lamanita tamin’izany andro izany.

  • Fa nahoana ireo zanakalahin’i Môsià no nanana fahavononana hiaritra fijaliana sy handeha ho any anivon’ireo Lamanita? (Jereo ny Almà 17:16; jereo ihany koa ny Môsià 28:1–3.)

Almà 17:17–39

Lasa mpanompon’i Lamônia Mpanjaka i Amôna ary niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka

Fintino ny Almà 17:18–20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa mialoha ny nisarahan’ireo misiônera ireo mba hitory ny filazantsara tany amin’ny faritra samy hafa, dia nampianarin’i Amôna aloha izy ireo sy nomeny tsodrano. Ary avy eo izy dia nankany amin’ny tany iray antsoina hoe Ismaela. Rehefa niditra tany amin’io tany io izy dia nosamborina ary nentina teo anatrehan’ny mpanjaka. Manasà mpianatra roa hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Almà 17:21–25.

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitr’i Amôna tamin’ny fitenenana tamin’ny mpanjaka hoe “Ho mpanomponao aho”? (Almà 17:25).

  • Oviana no nahitanao fa nitondra nankany amin’ny fotoana nahafahana nizara ny filazantsara ny asa fanompoana?

Fintino fohy ny Almà 17:26–27 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa niambina ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna dia nisy andiana Lamanita nanaparitaka ny andian’ondry.

Zarao ho vondrona maromaro misy mpianatra telo isan’isany ny kilasy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto: Almà 17:28–32; Almà 17:33–35; Almà 17:36–39. Asaivo mifampizara ireo andinin-tsoratra masina ireo ireo mpianatra ao amin’ny vondrona tsirairay. Asaivo mamaky mangina ny andinin-tsoratra masina azon’izy ireo ireo mpianatra, ary hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo.)

  • Inona no zava-nitranga teo amin’ny ampahan’ny tantara azonao?

  • Ahoana no mety nahafahan’izany nanampy tamin’ny fanomanana ireo olona handray ny filazantsara?

  • Inona avy ireo toetra nasehon’i Amôna?

Omeo fotoana ireo vondrona mpianatra hifampiresahana ny valiny. Avy eo dia anontanio hoe:

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity? (Mety hizara valiny samy hafa ireo mpianatra. Ohatra, mety hiteny izy ireo hoe amin’ny alalan’ny asa fanompoana no ahafahantsika manampy ireo hafa hiomana hanaiky ny filazantsara na hoe rehefa eo am-panompoana ny Tompo isika, dia afaka manana herim-po sy ho feno fifaliana. Azonao atao ny manentana ireo mpianatra hanoratra ireo fitsipika ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina mikasika ny zavatra izay azony atao mba hanehoana ohatra tsara eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Ho an’ny zatovovavy, io tanjona io dia afaka manampy azy ireo hanatanteraka asa atao iray fanampiny (“Activité supplémentaire”) mikasika ny hasina ao amin’ny Mon Progrès Personnel (Fivoaran’ny Tena Manokana) ao anatin’ny sokajy “Dévouement” (asa soa) Ho an’ireo mpisorona, io tanjona io dia afaka manampy azy ireo hianatra sy hanatanteraka ny adidin’izy ireo arak’izay voatanisa ao amin’ny bokikely Devoir envers Dieu (Ny adidiko amin’Andriamanitra) ao amin’ny “Devoirs de la Prêtrise” (ireo adidin’ny fisoronana) ao amin’ny “Inviter tout le monde à aller au Christ” (manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy).

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 17. Asa fitoriana amin’ny fotoana feno ataon’ny zatovolahy sy ny zatovovavy

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanome izao torolalana izao ho an’ireo zatovolahy sy zatovovavy mikasika ny andraikitra hoe hanompo amin’ny fotoana feno:

“Ho an’ireo zatovolahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna sy ho an’ireo zatovolahy izay ho lasa Loholona dia mamerina izay efa nampianarin’ireo mpaminany hatry ny ela aho—fa ny zatovolahy rehetra izay mendrika sy afaka ara-batana sy ara-tsaina dia tokony hiomana hanao asa fitoriana. Ny asa fitoriana ny filazantsara dia andraikitry ny fisoronana—adidy izay andrasan’ny Tompo amintsika izay nomena be dia be. Ry zatovolahy, manentana anareo aho mba hiomananareo amin’ny asa fitoriana. Meteza ho madio sy masina ary mendrika [ny] hisolo tena ny Tompo. Kolokoloy ny fahasalamanareo sy ny tanjakareo. Halalino ny soratra masina. Mandraisa anjara amin’ny seminera na institiota amin’ny toerana izay hisian’izany. Fantapantaro ilay boky torolalana ho an’ireo mpitory ny filazantsara hoe: Torio ny Filazantsarako.

“Teny kely ho anareo ry zatovovavy: na dia tsy manana andraikitra mitovy amin’ny ao amin’ny fisoronana tahaka ny ananan’ireo zatovolahy mba hanompo ho mpitoryny filazantsara amin’ny fotoana feno aza ianareo, dia afaka mandray anjara lehibe amin’ny maha mpitory anareo koa ianareo, ary mandray anareo an-tanan-droa ao amin’izany asa izany izahay” (“Eto Am-pihaonana Indray Isika Izao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 5–6).

Hamoaka printy