Tahirim-pitaovana
Lesona 97: Almà 40


Lesona 97

Almà 40

Fampidirana

Rehefa nampitandrina an’i Kôriantôna zanany lahy ny amin’ny vokatry ny fahotana i Almà dia nampianatra mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana ihany koa izy. Nampianatra izy fa hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nampianatra mikasika ny tontolon’ny fanahy izy, izay toerana hiandrasan’ny maty, arakaraka ny safidy nataony tety an-tany, na ao amin’ny paradisa na ao amin’ny trano maizina mandrapahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty.

Fanamarihana: Hanana fahafahana hifampianatra ny mpianatra ato amin’ity lesona ity. Manomana taratasy hozaraina mialoha ny fotoam-pianarana, izay mirakitra ireo torolalana miaraka amin’izany ho an’ireo mpiara-miasa. Fantaro tsara ireo vondron-torolalana tsirairay mba hahafahanao manampy ny mpianatra rehefa miomana hampianatra izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 40

Nampianatra an’i Kôriantôna mikasika ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty i Almà

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pianarana:

  1. Inona no mahatonga antsika ho afaka ny hiaina aorian’ny fahafatesantsika? Iza no hitsangana amin’ny maty?

  2. Ho aiza isika aorian’ny hahafatesantsika? Manao ahoana ny any?

  3. Inona no atao hoe fitsanganana amin’ny maty? Inona no hampiavaka ny vatantsika natsangana tamin’ny maty amin’ny vatantsika mety maty? Hanao inona isika rehefa avy atsangana amin’ny maty?

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa misiônera izy ireo ary manana fotoana hihaonana amin’ny olona iray izay mikatsaka ny valin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe izy ireo. Hazavao fa ny Almà 40 dia tohin’ny fampianaran’i Almà an’i Kôriantôna zanany ary mirakitra ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 40:1. Asao ny mpianatra hamantatra ny antony niresahan’i Almà mikasika ny fitsanganana amin’ny maty tamin’ny zanany lahy.

  • Nahoana i Almà no nampianatra an’i Kôriantôna mikasika ny fitsanganana amin’ny maty?

  • Rehefa mieritreritra ny safidin’i Kôriantôna ianareo dia inona no mety ho antony nahatonga azy nitebiteby mikasika ny fitsanganana amin’ny maty?

Ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra. Omeo ny isa 1, 2 na 3 ny mpianatra mandeha tsiroaroa. Asao ireo mpianatra mandeha tsiroaroa rehetra mba hiasa toy ny hoe misiônera mpiara-mitory, hiomana ny hampianatra lesona fohy mba hamaliana ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe, izay mifanandrify amin’ny isa nomena azy ireo. Mba hanampiana azy ireo hanomana dia omeo azy ireo ny torolalana mifanandrify amin’ny isa nomena azy ireo (jereo etsy ambany). Rehefa miasa ny mpianatra dia azonao atao ny mandehandeha ao amin’ny efitrano mba hahafahanao mihaino sy manampy araka izay ilaina.

Mpiara-mitory 1—Almà 40:1–5

Fanontaniana: Inona no mahatonga antsika ho afaka ny hiaina aorian’ny fahafatesantsika? Iza no hitsangana amin’ny maty?

Miomana hampiasa ny Almà 40:1–5 mba hamaliana ireo fanontaniana ireo. Rehefa manomana ianao dia manapaha hevitra hoe ampahany inona amin’ny lesona no hampianarin’ny mpiara-mitory tsirairay. Mivonòna hanao izao manaraka izao:

Manaova fitantarana fohifohy mikasika ireo andinin-tsoratra masina asaina hiasanao. (Rehefa mampianatra avy ao amin’ny soratra masina ianao dia hazavao hoe iza no miteny, iza no hiresahana, ary ireo toe-javatra hafa iainana izay mety hanampy ireo mpianatra hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina.)

Vakio ireo andininy izay mamaly ireo fanontaniana. Hazavao ny fomba hanampian’ireo fahamarinana ao anatin’ireo andininy ireo amin’ny famaliana ireo fanontaniana. Rehefa manao izany ianao dia ataovy izay hahazoana antoka fa mahatakatra avokoa ny rehetra hoe hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra noho i Jesoa Kristy. Azonao atao koa ny milaza amin’ireo izay ampianarinao mba hanoratra io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Almà 40:1–5.

Zarao ny antony maha manan-danja aminao ny fampanantenana ny fitsanganana amin’ny maty. Azonao atao koa ny manontany an’ireo izay ampianarinao ny antony hitiavany ilay fampanantenana ny fitsanganana amin’ny maty.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana nampianarinao.

Mpiara-mitory 2—Almà 40:6–14

Fanontaniana: Ho aiza isika aorian’ny hahafatesantsika? Manao ahoana ny any?

Miomana hampiasa ny Almà 40:6–7, 11–14 mba hamaliana ireo fanontaniana ireo. Rehefa manomana ianao dia manapaha hevitra hoe ampahany inona amin’ny lesona no hampianarin’ny mpiara-mitory tsirairay. Mivonòna hanao izao manaraka izao:

Manaova fitantarana fohifohy mikasika ireo andinin-tsoratra masina asaina hiasanao. (Rehefa mampianatra avy ao amin’ny soratra masina ianao dia hazavao hoe iza no miteny, iza no hiresahana, ary ireo toe-javatra hafa iainana izay mety hanampy ireo mpianatra hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina.)

Vakio ireo andininy izay mamaly ireo fanontaniana. Hazavao ny fomba hanampian’ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo amin’ny famaliana ireo fanontaniana. (Mety hanampy ny manamafy fa tsy niresaka ny toetra hiafaran’i Satana sy ireo voaozona i Almà rehefa nampiasa ny andian-teny hoe “haizina ivelany.” Niresaka mikasika ny toetra hiainan’ny ratsy fanahy eo anelanelan’ny fotoana hahafatesany sy ny fotoana hitsanganany amin’ny maty izy. Matetika isika amin’izao fotoana izao no miantso an’io toetra io hoe tranomaizina ho an’ny fanahy.) Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia ataovy izay hahazoana antoka fa mahatakatra avokoa ny rehetra hoe mitoetra ao amin’ny paradisa ny fanahin’ireo olo-marina ary mitoetra ao amin’ny trano maizina ny fanahin’ireo ratsy fanahy eo anelanelan’ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty. Azonao atao ny milaza amin’ireo izay ampianarinao mba hanoratra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Almà 40:11–14.

Zarao ny fomba fiantraikan’ny fahatakaranao io fahamarinana io amin’ny safidy ataonao eto amin’ity fiainana ity. Azonao atao koa ny manontany ireo izay ampianarinao ny fomba nanampian’ny fahatakaran’izy ireo ny fiainana aorian’ny fahafatesana azy ireo.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana nampianarinao.

Mpiara-mitory 3—Almà 40:21–26

Fanontaniana: Inona no atao hoe fitsanganana amin’ny maty? Inona no hampiavaka ny vatantsika nitsangana tamin’ny maty amin’ny vatantsika mety maty? Hanao inona isika rehefa avy atsangana amin’ny maty?

Miomana hampiasa ny Almà 40:21–26 mba hamaliana ireo fanontaniana ireo. Rehefa manomana ianao dia manapaha hevitra hoe ampahany inona amin’ny lesona no hampianarin’ny mpiara-mitory tsirairay. Mivonòna hanao izao manaraka izao:

Manaova fitantarana fohifohy mikasika ireo andinin-tsoratra masina asaina hiasanao. (Rehefa mampianatra avy ao amin’ny soratra masina ianao dia hazavao hoe iza no miteny, iza no iresahana, ary ireo toe-javatra hafa iainana izay mety hanampy ireo mpianatra hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina.)

Vakio ireo andininy izay mamaly ireo fanontaniana. Hazavao ny fomba hanampian’ireo fahamarinana ao anatin’ireo andininy ireo amin’ny famaliana ireo fanontaniana. (Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia mety hanampy ny mahatakatra fa ny teny hoe fanahy ao amin’ireo andininy ireo dia entina hilazana ny fanahin’ny olona iray.) Ataovy izay hahazoana antoka fa mahatakatra avokoa ny rehetra hoe fanakambanana ny fanahy sy ny vatana ny fitsanganana amin’ny maty, ary haverina amin’ny laoniny avokoa amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana ny zava-drehetra. Azonao atao koa ny milaza amin’ireo izay ampianarinao mba hanoratra io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Almà 40:21–23.

Zarao ny antony maha feno fankasitrahana anao amin’ny fahafantarana fa haverina amin’ny laoniny amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana ny vatanao sy ny fanahinao indray andro any. Azonao atao koa ny mamaritra ny fiantraikan’ny fahalalanao izao manaraka izao eo amin’ny safidinao: hijoro eo anatrehan’Andriamanitra ianao indray andro any ary hotsaraina. Asao ireo izay ampianarinao mba hizara ny fahatsapan’izy ireo mikasika ireo fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana farany.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana nampianarinao.

Rehefa avy niomana hamaly ireo fanontaniana nomena azy ny mpianatra dia alamino ao anatin’ny vondrona kelikely maromaro izy ireo mba hahafahany mifampianatra amin’ny alalan’ny filalaovana tantara mikasika ny asa fitoriana. Tokony hisy mpiara-mitory mandeha tsiroaroa miisa telo ao anatin’ny vondrona tsirairay ary samy nanomana valinteny samy hafa avokoa ny tsirairay avy amin’ireo mpiara-mitory mandeha tsiroaroa. (Raha kely ny efitrano fianarana dia asao hampianatra ny mpianatra rehetra ny vondrona tsirairay avy.) Amporisiho ny mpianatra hijanona amin’ny maha-izy azy ireo rehefa mampianatra sy rehefa mianatra avy amin’ny hafa mandritra ilay filalaovana tantara. Omeo antoka izy ireo fa afaka mitaona azy ireo sy ireo izay ampianarin’izy ireo ny Fanahy Masina raha mahitsy fo amin’ny fampianaran’izy ireo ny valinteniny izy ireo. Mihainoa rehefa mifampianatra izy ireo ary manomeza hevi-baovao rehefa mahatsapa ny fitaomam-panahy ianao.

Rehefa avy nomena fotoana hifampianarana ao anatin’ny vondrona misy azy izy ireo dia apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nianaranareo rehefa niomana hamaly ireo fanontaniana nomena anareo? Inona no nianaranareo rehefa nampianarin’ny mpiara-mitory hafa ianareo?

  • Noho ny fahafantaranareo fa nanana olana tamin’ny fankatoavana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Kôriantôna, amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no nanampian’ny fahatakarana ny toetran’ny fiainana aorian’ny fahafatesana azy nanohitra ireo fakam-panahy tamin’ny hoavy?

  • Nahoana no manan-danja aminareo ireo fahamarinana noresahantsika androany?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 40:25–26 mba hikaroka ireo fahasamihafana eo amin’ny toetoetran’ny olo-marina amin’ny farany sy ny toetoetran’ny ratsy fanahy amin’ny farany. Rehefa avy milaza ny zavatra hitany izy ireo dia asao hizara ny fomba niantraikan’ireo andinin-tsoratra masina ireo teo amin’ny fanolorantenany hiaina ny filazantsara. Azonao atao ny mizara ny valinteninao amin’io fanontanianao io ihany. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny fanaovana izay nisian’ireo fitahian’ny fitsanganana amin’ny maty.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Hitombo ny fahatakaran’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina rehefa mamorona ny fanontaniany manokana mikasika ireo andinin-tsoratra masina izy ireo. Asao ny mpianatra rehetra hiara-hiasa mitambatra na ao anatina vondrona kely maromaro mba hanoratra teny famantarana izay manondro andinin-tsoratra masina fehezina manokana. (Azonao atao ny mifidy vondron’andinin-tsoratra masina izay tianao hianaran’ny mpianatra na haveriny.) Asao izy ireo avy eo hamaky aminao ny teny famantarana nosoratany. Omena isa ianao raha afaka mamantatra tsy misy diso ny soratra masina fehezina iray. Omena isa ny mpianatra rehetra raha tsy afaka mamantatra araka ny tokony ho izy ianao.

Fanamarihana: Mety hanome fotoana hanaovana ity famerenana soratra masina fehezina ity ny halavan’ity lesona ity. Kanefa azonao atao ny mampiasa ity famerenana ity any amin’ny faran’ny fotoam-pianarana raha misy fotoana mba hakana antoka fa manana fotoana ampy hiomanana handray anjara mandritra ny lesona ny mpianatra. Raha tsy manana fotoana hampiasana ity famerenana ity ianao mandritra ity lesona ity dia azonao ampiasaina amin’ny andro hafa izany. Jereo ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity ahitana ireo asa atao ho an’ny famerenana.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 40:11. “Entina mody any amin’Ilay Andriamanitra izay nanome aina azy”

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ireo teny ao amin’ny Almà 40:11 dia tsy mampianatra hoe hoentina ho eo amin’ Andriamanitra avy hatrany isika aorian’ny hahafatesantsika:

“Ireo tenin’i Almà [Almà 40:11–14] araka ny fahatakarako azy dia tsy mikasa ny hampita ny eritreritra fa miverina any amin’ Andriamanitra mba hahazo toeram-pitsaharana na toerana fanasaziana ireo fanahy rehetra ary handray ny didim-pitsarana ho azy ireo tsirairay avy eo anatrehany. Ny hoe ‘Entina mody any amin’ilay Andriamanitra,’ [ampitahao amin’ny Mpitoriteny 12:7] dia midika fotsiny hoe tapitra ny fisian’izy ireo teto an-tany, ary niverina any amin’ny tontolon’ny fanahy izy ireo, izay toerana hanomezana azy ireo toerana mifandraika amin’ny asany niaraka tamin’ny marina na ny tsy marina, ary miandry ny fitsanganana amin’ny maty ao. Ny hoe ‘miverina any amin’ Andriamanitra’ dia andian-teny manana dikany hafa amin’ny toe-javatra hafa fantatry ny rehetra. Ohatra hoe: mandeha manao asa fitoriana any amin’ny sahan’ny misiona any ampita mandritra ny fotoana voafetra ny lehilahy iray. Rehefa isaorana izy ary miverina ao Etazonia dia afaka miteny hoe ‘Mahafinaritra ilay mody ato an-trano indray’; mety ao amin’ny toerana iray ao Utah na Idaho na faritra hafa any Andrefana anefa no misy ny tranony” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 2:85).

Almà 40:11–15. Aiza no misy ny tontolon’ny fanahy?

Nampianatra ny Filoha Brigham Young hoe:

“Aiza no misy ny tontolon’ny fanahy? Eto ihany no misy azy. … Mandeha any ivelan’ny faritry ny tany voalamina ve izy ireo [ny fanahin’ireo izay maty]? Tsia, tsy mandeha any izy ireo. Entina eto ambonin’ity tany ity izy ireo” (Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe [1954], 376).

Almà 40:11–15. Inona no mitranga amin’ireo fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy?

“Rehefa maty ny vatana dia mitohy miaina ny fanahy. Any amin’ny tontolon’ny fanahy, ny fanahin’ireo marina “dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo” (Almà 40:12). Misy toerana iray antsoina hoe tranomaizin’ny fanahy ho an’ “ireo izay efa maty tao amin’ ny fahotany, tsy nahalala ny fahamarinana, na tao amin’ ny fandikan-dalàna sady efa nitsipaka ireo mpaminany” (F&F 138:32). Ireo fanahy ao amin’ny tranomaizina dia “nampianarina ny finoana an’ Andriamanitra, ny fibebahana amin’ny fahotana, ny batisa isoloana tena ho famelana ny fahotana, ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ary ireo fitsipika hafa rehetra an’ny filazantsara” (F&F 138:33–34). Raha manaiky ireo fitsipiky ny filazantsara izy ireo, mibebaka amin’ny fahotany, ary manaiky ireo ôrdônansy natao ho azy ireo tany amin’ny tempoly dia horaisina ho ao amin’ny paradisa izy ireo” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 46–47).

Almà 40:13–14. Haizina ivelany

Rehefa nampiasa ilay andian-teny hoe “haizina ivelany” i Almà dia niresaka mikasika ny toerana tsy maharitra ao amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fahafatesana izy, izay toerana hiandrasan’ireo ratsy fanahy ny fitsanganana amin’ny maty (jereo ny Almà 40:13–14). Ny mpaminany hafa dia niantso io toerana io hoe tranomaizina (jereo ny 1 Petera 3:18–20; F&F 76:73; 138:28–42).

Hamoaka printy