Lesona 131
3 Nefia 23
Fampidirana
Rehefa avy namerina ireo tenin’i Isaia i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 22), dia nandidy ireo Nefita Izy mba hanadihady ny tenin’io mpaminany io. Nilaza Izy fa ny tenin’i Isaia dia fitahiana satria i Isaia dia “[niteny] … ny mikasika ny zavatra rehetra momba ny oloko izay isan’ny mpianakavin’i Isiraely” (3 Nefia 23:2). Nilaza ihany koa Izy fa ireo tenin’i Isaia rehetra dia efa tanteraka na ho tanteraka. Nandidy ny Nefita ny Mpamonjy avy eo hanadihady ny tenin’ireo mpaminany rehetra ary nanome torolalana azy ireo mba hanampy ireo soratra ao amin’ny rakitsorany.
Sosokevitra Enti-mampianatra
3 Nefia 23:1–5
Nandidy ny vahoaka i Jesoa Kristy mba hanadihady ireo tenin’ny mpaminany
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fehezanteny manaraka izao: Fitahiana azo avy amin’ny fandalinako soratra masina. Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainany nandritra ny fandalinany ny Bokin’i Môrmôna tany an-trano sy nandritra ny seminera tamin’ity taona ity. Asao izy ireo ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra teny na fehezanteny fohy izy milaza fitahiana iray izay tonga teo amin’ny fiainan’izy ireo vokatry ny fandalinany soratra masina. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy hilazalaza amin’ny antsipiriany kokoa ny zavatra nosoratany. Avy eo dia tondroy ireo fitahiana voasoratra eny amin’ny solaitrabe.
-
Nahoana araka ny hevitrareo no voatahy tahaka izany isika rehefa mamaky soratra masina?
Asao ny mpianatra hitadidy avy amin’ny lesona farany hoe tenin’iza no naverin’i Jesoa Kristy notenenina rehefa nampianatra ny Nefita Izy. (tenin’i Isaia.) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 23:1–3. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hataontsika amin’ireo tenin’i Isaia. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ireo teny na fehezanteny izay nanaitra azy ireo manokana tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany.
-
Nahoana no tian’ny Tompo ny hohadihadian’ny vahoaka ireo tenin’i Isaia? (Jereo ny 3 Nefia 23:2–3.)
-
Nahoana no fitahiana ny mahafantatra fa ireo tenin’i Isaia rehetra dia ho tanteraka?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 23:4–5. Hamafiso fa rehefa avy naniraka hanadihady ireo tenin’i Isaia ny Mpamonjy, dia nilaza Izy hoe “hadihadio ny mpaminany.” Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity; Ny Mpamonjy dia mandidy antsika hanadihady am-pahazotoana ireo tenin’i Isaia sy ireo mpaminany hafa.
-
Araka ny voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 23:5, inona no tsy maintsy hataontsika mba hamonjena antsika? Ahoana no hanampian’ireo tenin’ny mpaminany antsika mba hanaraka ireo didy ireo?
-
Inona no maha samy hafa ny fandalinana ny tenin’ny mpaminany am-pahazotoana sy ny mijery fotsiny ireo tenin’ny mpaminany? Nahoana araka ny hevitrareo no zava-dehibe ny manadihady am-pahazotoana ireo tenin’i Isaia sy ireo mpaminany hafa?
-
Inona no fomba fandalinana soratra masina manampy anareo indrindra mba hanadihadiana ireo tenin’i Isaia sy ireo mpaminany hafa mba ho ampahany manan-danja eo amin’ny fiainanareo?
Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona Merrill J. Bateman ao amin’ny Fitopololahy:
“Misy ireo fitahiana azo rehefa manadihady ny soratra masina ny olona iray. Rehefa mandalina sy mankato ny tenin’ny Tompo ny olona iray dia manakaiky kokoa ny Mpamonjy izy ary mahazo faniriana bebe kokoa hiaina fiainana marina. Mitombo ny hery hanoherana ny fakam-panahy ary resy ireo fahalemena ara-panahy. Sitrana ireo ratra ara-panahy” (“Coming unto Christ by Searching the Scriptures,” Ensign, Nôv. 1992, 28).
-
Ankoatra ireo soratra masina dia aiza no ahafahantsika mahita ny tenin’ireo mpaminany?
Angataho ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina:
-
Inona no fanovana azonao hatao mba handalinana ny tenin’ireo mpaminany am-pahazotoana kokoa?
Asao ny mpianatra vitsivitsy hijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fanadihadiana ny tenin’ireo mpaminany.
3 Nefia 23:6–14
Nanome torolalana ireo mpianany ny Mpamonjy mba hanampiany zava-nitranga iray manan-danja ao amin’ny rakitsoratr’izy ireo
Asaivo milaza ny tantara tiany indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny ankizy vitsivitsy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Fafao avy eo ny iray amin’ireo valinteny. Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe i Môrmôna na i Nefia na ny mpitana rakitsoratra iray hafa dia nanadino nampiditra io tantara io.
-
Inona ireo lesona manan-danja izay tsy ho ao amin’ny Bokin’i Môrmôna raha toa ka tsy nampidirina tao io tantara io?
Hazavao fa rehefa nampianatra ny Nefita ny Mpamonjy dia nohamafisiny fa ireo mpitana ny rakitsoratr’izy ireo dia nanadino nampiditra zava-nitranga iray lehibe izay niseho mba ho fanatanterahana ny faminaniana. Angataho ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky ny 3 Nefia 23:6–13. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra tsy voasoratr’ireo Nefita.
-
Ny Nefita dia efa nanana rakitsoratra momba ny faminanian’i Samoela (jereo ny Helamàna 14:25). Nahoana araka ny hevitrao no ho nanan-danja ho azy ireo ny nanana rakitsoratra mikasika ny fahatanterahan’izany?
Hamafiso fa na dia tsy nodidiana aza isika hanao rakitsoratra ho an’ny Fiangonana, dia nomena torohevitra isika mba hanoratra ny diarintsika manokana.
-
Amin’ny fomba ahoana no iharan’ny torohevitry ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 23:6–13 amin’ny ezaka ataontsika hanoratra ny diarin’ny tenantsika manokana?
Mba hanampiana ny mpianatra hahita fomba iray ahafahan’izy ireo manoratra diary, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity, izay niainan’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Tara fodiana aho rehefa avy namita andraikitra tany am-piangonana. Efa maizina be tamin’izay. Nanaitra ahy ny rafozan-dahiko, izay mipetraka eo akaikinay, raha izaho nandeha namonjy ny varavaran’ny tranoko iny. Nitondra fantsona maromaro teo amin’ny sorony izy, nandeha haingana ary fitafy fitondra miasa no nanaovany. Fantatro fa nanamboatra fitaovana izy hisintonana rano avy amin’ilay renirano eo ambanin’ny tranonay ho ao amin’ny toerana nonenanay.
“Nitsiky izy, niteny malefaka, ary avy eo nandeha haingana teo alohako tao amin’ny aizina hanohy ny asany. Namindra nankany amin’ilay trano aho, sady nieritreritra momba ilay zavatra ataony ho anay, ary vao tonga teo amin’ny varavarana aho, dia nahare tao an-tsaiko—tsy tamin’ny feoko—ireto teny ireto; ’Tsy nataoko ho anao irery ireo zavatra iainanao ireo. Soraty izany.’
“Niditra tao an-trano aho. Tsy nandeha natory. Na dia reraka aza aho, dia naka taratasy ary nanomboka nanoratra. Ary rehefa nanao izany aho, dia nahatakatra ilay hafatra reko tao an-tsaiko. Tokony hanoratra aho mba hovakian’ireo zanako, indray andro any aoriana any, mikasika ny nahitako ny tanan’Andriamanitra nitahy ny fianakaviako. Tsy voatery hanao izay zavatra nataony ho anay i Dadabe. Azony nampanaoviny olon-kafa izany, na azony tsy nataony mihitsy. Saingy nanompo anay fianakaviany izy, tamin’ny fomba fanaon’ireo mpianatr’i Jesoa nanao fanekempihavanana. Fantatro fa marina izany. Noho izany dia nosoratako mba hananan’ireo zanako fahatsiarovana indray andro rehefa mila izany izy ireo.
“Nanoratra andalana vitsy aho isan’andro nandritra ny taona maro. Tsy mbola nisy andro tsy nanoratako mihitsy na manao ahoana na manao ahoana faharerahako na tokony hiditra aloha aza aho ny ampitso. Alohan’ny hanoratako, dia misaintsaina izao fanontaniana izao: ’Nahita ny tanan’Andriamanitra nanampy anay na ny zanakay na ny fianakavianay ve aho androany?’” (“O Remember, Remember,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 66–67).
-
Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja amintsika ny manoratra momba ireo traikefa izay mankahery antsika ara-panahy?
-
Ahoana no mety hahazoantsika tombontsoa amin’ny fanarahana ny ohatry ny Filoha Eyring? Ahoana no mety hanampian’ny rakitsoratra tanantsika ny hafa?
Hazavao fa ny Filoha Eyring dia nilaza momba ireo fitahiana azony noho ny fanoratany isan’andro ny nitahian’Andriamanitra ny fianakaviany. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity. (Mety efa nizara ny ampahan’ity teny ity ianao tao amin’ny lesona 117. Mety ho tombony ho an’ireo mpianatra ny hahare izany indray.)
“Rehefa nanao izany foana aho, dia nanomboka nisy zavatra nitranga. Rehefa nieritreritra ny zava-nitranga nandritra ny tontolo andro aho, dia nahita miharihary ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’ny ’iray [amin’ireo fianakavianay] izay tsy fantatro tao anatin’ny fotoana nahasahirana ahy nandritra ilay andro. Rehefa nitranga izany, ary nitranga matetika, dia hitako fa ny fiezahana hahatsiaro dia nahafahan’Andriamanitra nampiseho tamiko ny zavatra izay nataony.
“Nihoatra noho ny fankasitrahana ny zavatra nitombo tao am-poko. Nitombo ny fijoroana ho vavolombelona. Nanomboka nahazo antoka mihoatra noho ny hatrizay aho fa ny Raintsika any an-danitra dia mihaino sy mamaly vavaka. Nahatsapa fankasitrahana bebe kokoa aho noho ny fanalefahana sy ny fanadiovana ny fon’ny olona avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ary lasa nahazo toky kokoa aho fa ny Fanahy Masina dia afaka mampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra—na dia ireo zavatra izay tsy tsikaritsika na tsy noraharahiantsika aza tamin’ny fotoana nisehoany” (“O Remember, Remember,” 67).
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny tantara hita ao amin’ny 3 Nefia 23 sy avy amin’ny zavatra niainan’ny Filoha Eyring? (Mety hamaly io fanontaniana io amin’ny fomba samihafa ireo mpianatra. Tokony haneho ity fahamarinana manaraka ity ny valintenin’izy ireo Rehefa mirakitra an-tsoratra ireo traikefa ara-panahy isika, dia hahazo fitahiana ho an’ny tenantsika manokana sy ny fianakaviantsika )
Mety hahatsapa ny mpianatra sasany fa tsy nisy zavatra nitranga tamin’izy ireo, izay mety manan-danja ka horaketina an-tsoratra. Mba hanampiana azy ireo dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Loholona John H. Groberg ao amin’ny Fitopololahy:
“Ny olona sasany dia miteny hoe: ’Tsy manana na inona na inona horaketina an-tsoratra aho. Tsy misy zavatra ara-panahy mitranga amiko.’ Hoy aho hoe: ’Atombohy ny firaketana an-tsoratra, dia hitranga ireo zavatra ara-panahy. Eo foana izy ireny, saingy mora mahita azy ireo kokoa isika rehefa manoratra” (“Writing Your Personal and Family History,” Ensign, Mey 1980, 48).
Asao ireo mpianatra hanontany ny tenany raha toa izy ireo ka efa nanadino nanoratra momba ny zavatra niainany izay nampahery azy ara-panahy. Amporisiho izy ireo hanoratra momba ireo zavatra niainany ireo ary hanohy hirakitra an-tsoratra ireo traikefa hafa mandritra ny fiainany. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanaraka ny ohatra nasehon’ny Filoha Eyring mba hanoratra zavatra isan’andro.