Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 18


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Almà 25–32 (Fizarana 18)

Fitaovana Fanomanana Ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona Isan’andro Ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity rehefa nandalina ny Almà 25–32 (fizarana 18) dia tsy natao ho anisan’ny ampianarina ao anatin’ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao.

Andro 1 (Almà 25–29)

Nianatra ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra rehefa nandalina mikasika ny hafalian’i Amôna tamin’ny fahombiazana azon’izy sy ireo rahalahiny rehefa nitory ny filazantsara: Rehefa manetry ny tenantsika isika dia mampatanjaka antsika ny Tompo ary mampiasa antsika ho toy ny fitaovana eo an-tànany; mahatsapa fifaliana isika rehefa manompo amim-pahatokiana ny Tompo sy ireo zanany. Mahakasika ireo Lamanita niova fo ho an’ny filazantsara sy nandà ny hampiasa fitaovam-piadiana indray dia nianatra ireo mpianatra fa rehefa miova fo tanteraka ho an’ny Tompo isika dia mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika taminy. Nahafantatra ireo mpianatra, avy amin’ny ohatra nasehon’i Almà, fa hahatsapa fifaliana isika rehefa manampy ny hafa hibebaka sy hanatona an’i Kristy.

Andro 2 (Almà 30)

Rehefa namaky momba ny fampianaran’i Kôrihôra, izay antikristy, ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa mampiasa fotopampianarana diso i Satana mba hitaomana antsika hanota. Namaly ny fampianaran’i Kôrihôra i Almà tamin’ny alalan’ny fanambarana fa mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’Andriamanitra amin’ny maha-Mpahary Faratampony Azy ny zava-drehetra. Nahatakatra ny fitsipika noraketin’i Môrmôna ireo mpianatra taorian’ny namakian’izy ireo fa voahosihosy ambara-pahafatiny i Kôrihôra manao hoe: “Tsy hanohana ny zanany [ireo mpanara-dia azy] ny devoly amin’ny andro farany” (Almà 30:60).

Andro 3 (Almà 31)

Rehefa namaky mikasika ny fikasan’i Almà hanaisotra ny Zôramita tao anatin’ny fihemorana ireo mpianatra dia nianatra ireto fitsipika manaraka ireto izy ireo: Hitarika antsika hanao izay tsara ny tenin’Andriamanitra rehefa mandalina izany isika. Mampatanjaka antsika hanohitra ny fakam-panahy ny ezaka ataontsika isan’andro mba hivavaka sy hitandrina ny didy. Raha mivavaka sy manao asa amim-pinoana isika dia hahazo ny fanampian’Andriamanitra mandritra ny fizahan-toetra antsika.

Andro 4 (Almà 32)

Rehefa namaky mikasika ny fahombiazan’i Almà tamin’ny fitoriana tamin’ireo mahantra teo anivon’ny Zôramita ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa manomana antsika handray ny tenin’Andriamanitra ny fanetren-tena. Nampitaha ny fampiharana ny finoana tamin’ny fambolena voa kely iray sy ny fanolokoloana izany i Almà. Nianatra ireo mpianatra fa hitombo ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany rehefa manolokolo amim-pahazotoana ny finoantsika ny tenin’Andriamanitra ao am-pontsika isika.

Fampidirana

Atombohy amin’ny alalan’ny asa atao hanampiana ireo mpianatra hikatsaka ny ho lasa fitaovana eo an-tànan’Andriamanitra ny lesona. Hifantoka amin’ny vokatry ny finoana sy ny fanaovana asa avy amin’ny fiheveran-diso anefa ny ampahany be indrindra amin’ny lesona, izay ampitahaina amin’ny finoana sy ny fanaovana asa avy amin’ny tenin’Andriamanitra, araka izay aseho ao amin’ny Almà 30–32.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 25–29

Nirehareha tao amin’ny Tompo i Amôna sy ireo zanakalahin’i Môsià rehefa nisy Lamanita maro niova fo ho an’ny filazantsara

Araka izay voarakitra ao amin’ny Almà 26 dia nifaly tamin’ny fahombiazany tamin’ny asan’ny Tompo i Amôna sy ireo rahalahiny. Angataho ireo mpianatra hamaky ny Almà 26:1–4, 11–13 ary hikaroka ny zava-bitan’i Amôna sy ireo rahalahiny sy ny fomba nanatontosan’izy ireo izany. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa mampianatra ity fitsipika manaraka ity ireo andininy ireo: Rehefa manetry ny tenantsika isika dia mampatanjaka antsika ny Tompo ary mampiasa antsika ho toy ny fitaovana eo an-tànany.

Almà 30

Namingavinga ny fotopampianaran’i Kristy i Kôrihôra

Mampisehoa voa kely iray amin’ny mpianatra. Asao izy ireo hanao lisitra ny ohatr’ireo zavatra tian’izy ireo izay azo avy amin’ny voa. Etsy ankilan’ireo zavamaniry, voankazo, ary anana izay mety hotononin’ireo mpianatra dia lazao amin’izy ireo fa mety hisy ny voa kely iray izay mety ho lasa zavamaniry mamokatra voa mangidy na misy poizina aza, na mety hamono ireo zavamaniry tsara hafa.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe hevitra sy finoana ary manontania hoe: Inona no mety mampitovy ny voa iray amin’ny hevitra na ny finoana?

Hazavao fa rehefa mandalina sy mifanakalo hevitra momba ny Almà 30–32 ao an-dakilasy ireo mpianatra androany dia hampitaha ny vokatry ny fanarahana fiheveran-diso amin’ny vokatry ny fanarahana ny tenin’Andriamanitra izy ireo.

Asao ireo mpianatra hanazava hoe iza i Kôrihôra. Asao izy ireo hamaky ny Almà 30:12–18, 23 ary hamantatra ireo fiheveran-diso nampianarin’i Kôrihôra. Rehefa avy nomena fotoana hamakiana ny mpianatra dia asao izy ireo hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy ny roa na ny telo amin’ireo fiheveran-dison’i Kôrihôra, izay heverin’izy ireo fa mampidi-doza indrindra ny finoan’ny olona iray. Dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona avy ireo asa mety haterak’ireo hevitra ireo? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia lazao amin’izy ireo fa ny hevitra iray mitarika amin’ny asa dia toy ny voa iray maniry ka lasa zavamaniry.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 30:18 Nitarika ny olona hanao inona ny fampianaran’i Kôrihôra? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia hamafiso fa Mampiasa fotopampianarana diso i Satana mba hitaomana antsika hanota.)

Asao ny mpianatra iray hamintina ny zavatra nitranga tamin’i Kôrihôra. (Raha mila fanampiana ireo mpianatra dia asao izy ireo hampiasa ny sasin-tenin’ny toko an’ny Almà 30 na hamaky ny Almà 30:52–53, 59–60.)

Almà 31

Nitarika asa fitoriana iray i Almà mba hamerenana ireo Zôramita nihemotra

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nino ireo fiheveran-diso ny Zôramita ary tafalatsaka tao anatin’ireo fomba amam-panao diso na nihemotra. Mianatra isika ao amin’ny Almà 31:5 fa mitarika antsika hanao izay tsara ny tenin’Andriamanitra rehefa mandalina izany isika.

Almà 32

Nampianatra ireo mahantra tamin’ny Zôramita ny fomba hampiharana finoana i Almà

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa na dia maro tamin’ireo Zôramita aza no nandà ny handray ny tenin’Andriamanitra dia nanomboka nahita fahombiazana teo anivon’ny mahantra i Almà. Nampianatra azy ireo ny fomba hampiharana finoana izy. Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Almà 32:21, izay andinin-tsoratra masina fehezina. Angataho izy ireo hanazava ny zavatra ampianarin’ity andininy ity azy ireo mikasika ny finoana.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nampiasa voa iray i Almà mba hampianarana mikasika ny dingana hampitomboana finoana. Dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona ireo andian-teny ao amin’ny Almà 32:28 izay milaza fa tsara ny voa iray, na ny tenin’Andriamanitra araka ny tiana holazaina eto?

  • Inona no fiantraikan’ny tenin’Andriamanitra amintsika rehefa avelantsika ho voavoly ao am-pontsika izany?

Lazao amin’ireo mpianatra fa namporisika ireo Zôramita hanao fanandramana amin’ny teny i Almà, na hamboly izany ao am-pon’izy ireo amin’ny alalan’ny finoana izany sy ny fanaovana asa avy amin’izany. Asao izy ireo hamaky ny Almà 33:22–23 ary hikaroka ny “teny” izay nirian’i Almà manokana mba hovolen’ny olona ao am-pony. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra ireo andininy ireo ho toy ny soratra masina mifandray eo akaikin’ny Almà 32:28.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Almà 32:28–29, 31, 37, 41–43 ary hikaroka ireo valisoa azontsika avy amin’ny finoana sy fanaovana asa avy amin’ny tenin’Andriamanitra. Rehefa mamaly ireo mpianatra dia ataovy izay hahazoana antoka fa mazava ity fitsipika manaraka ity: Hitombo ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany rehefa manolokolo amim-pahazotoana ny finoantsika ny tenin’Andriamanitra ao am-pontsika isika.

Hamaranana ity lesona ity dia asao ireo mpianatra hizara ny valinteniny ho an’ny lesona 4, asa nampanaovina 4 ao amin’ny diary fandalinany soratra masina—mikasika ireo vokatra hitan’izy ireo teo amin’ny fiainany rehefa nanao ny fanandramana nolazain’i Almà ao amin’ny Almà 32 izy ireo.

Fizarana manaraka (Almà 33–38)

Inona no loza ateraky ny fanemorana ny fibebahana? Namaly io fanontaniana io i Amioleka ary nanome fampitandremana. Nananatra ny roa tamin’ireo zanany ihany koa i Almà rehefa nihananakaiky ny andro hahafatesany. Nanome antsipiriany mikasika ny fiovam-pony izy—izay niala tamin’ny naha-olona mpiady tamin’Andriamanitra azy ary niova ho olona niady ho an’Andriamanitra—ary mikasika ny zavatra tsapany rehefa nafahana tamin’ny fahatsapana ho meloka sy ny fanaintainana noho ny fahotany izy.

Hamoaka printy