Tahirim-pitaovana
Lesona 93: Almà 36


Lesona 93

Almà 36

Fampidirana

Nananatra tsirairay ny zanany i Almà taorian’ny asa fitoriany teo anivon’ny Zôramita. Hita ao amin’ny Almà 36 sy 37 ny fananarany an’i Helamàna zanany lahy. Nijoro ho vavolombelona tamin’i Helamàna i Almà fa hanafaka ireo izay mametraka ny fitokiany Aminy Andriamanitra. Mba hanehoana io fahamarinana io dia nitantara ny zavatra niainany taona maro teo aloha i Almà rehefa nafahana tamin’ny fanaintainana noho ny fahotany izy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nitantara ny ezaka nataony hitondrana ny hafa ho ao amin’i Kristy sy hahatsapan’izy ireo ny fifaliana avy amin’ny fibebahana koa izy.

Fanamarihana: Ny lesona 94 dia manome fahafahana mpianatra telo hampianatra. Raha tsy mbola nanao izany ianao dia azonao atao izao ny mifidy mpianatra telo ary manome azy ireo ny tahadikan’ny ampahan’ny lesona nofidiana ao amin’ny lesona 94 mba hahafahan’izy ireo manomana. Amporisiho izy ireo handalina amim-bavaka ny fitaovana fanomanana ny lesona sy hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantaran’izy ireo ny fomba ampifanarahana ny lesona amin’ny zavatra ilain’ireo mpiara-mianatra aminy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 36:1–5

Nampianatra an’i Helamàna mikasika ny herim-panafahan’Andriamanitra i Almà

Asao ny mpianatra hieritreritra fomba tsara nitaoman’ny fijoroana ho vavolombelona na ny fampianarana miavak’ireo ray aman-dreniny azy ireo. Asao ny mpianatra iray na roa hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.

Hazavao fa ny toko 36–42 ao amin’ny bokin’i Almà dia mirakitra ny fananaran’i Almà ireo zanany lahy. Ny toko 36–37 dia natao ho an’i Helamàna, ny toko 38 dia natao ho an’i Siblôna, ary ny toko 39–42 dia natao ho an’i Kôriantôna.

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny tenany hoe eo amin’ny toeran’i Almà rehefa mihaino ny fijoroan’ny rainy ho vavolombelona ao amin’ny Almà 36:1–5. Asao ny mpianatra hamaky mangina ireo andininy ireo sy hitady ny zavatra manaitra azy ireo momba ny fijoroan’i Almà ho vavolombelona.

  • Inona no manaitra anareo indrindra ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

Almà 36:6–22

Nilazalaza momba ny fikomiany i Almà ary nanazava ny fomba nahazoany famelan-keloka

Hazavao fa ankoatra ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny herin’Andriamanitra hanafahana ireo izay mametraka ny fitokiany aminy dia nizara ny zavatra niainany tamin’ny nanafahana azy tamin’ny fanaintainana noho ny fahotany i Almà. Asao ny mpianatra hamaky amin’ny antsipiriany ny Almà 36:6–9 sy hamintina ny zavatra nitranga tamin’i Almà rehefa nikatsaka ny handrava ny Fiangonana i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 36:10. Asao ny mpianatra hamantatra ny faharetan’ny fotoana nijalian’i Almà noho ny fahotany. Hazavao fa mahazo antsipiriany misimisy amin’ny fitantarana ny zavatra niainan’i Almà nandritra ireo telo andro sy telo alina nijaliany isika ao amin’ny Almà 36:11–17 raha ampitahaina amin’ireo fitantarana hafa mikasika ny fiovam-pony (jereo ny Môsià 27 sy Almà 38). Tendreo hiasa tsiroaroa ny mpianatra. Asao ireo mpiara-miasa handalina ny Almà 36:11–17 mba hikaroka ny fanehoan’i Almà tahotra sy fanaintainana. Azonao atao ny miteny ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. Asao ireo mpianatra hilaza ny teny sy andian-teny hitan’izy ireo. (Azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.) Azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra ireo teny sy andian-teny lazain’izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’io andian-teny (na teny) io? Inona no nahatonga an’i Almà hanana fahatsapana toy izany?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra misimisy kokoa ireo teny hoe nampijaliana, norotidrotehana, ary fijaliana, dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Midika hoe ’nampahoriana’ ny hoe “nampijaliana. Fitaovana fampijaliana iray ny chevalet tamin’ny andro fahiny, izay nampatoriana ilay voaheloka ka nafatotra tamin’ny kofehy mifandray amin’ny hazo boribory ny kihon-tanana sy kihon-tongony, izay azo nahodina avy eo mba hiteraka fanaintainana tsy hay zakaina.

“Fitaovana misy vy maranitra ny fihogon-tany. Rehefa atosika amin’ny tany izany dia mandrovitra sy mamaky ny tany. Matetika ny soratra masina no miresaka momba ny fanahy sy ny saina ’nampijaliana’ tamin’ny fahamelohana.

Ny hoe “Fijaliana dia midika hoe ’mampanaintaina’, izay fomba fampijaliana iray tena mamparary mafy tokoa ka na ny tsy manan-tsiny aza dia hibaboka ho nanao ny zavatra tsy nataony akory” (“The Touch of the Master’s Hand,” Ensign, Mey 2001, 23).

  • Inona no azon’ny zavatra niainan’i Almà ampianarina antsika mikasika ny vokatry ny fahotana? (Ampio ny mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Mitarika amin’ny fanaintainana sy fijaliana ary nenina lehibe ny fahotana.)

  • Moa ve hita ho nandalo fanaintainana sy nenina tamin’ny fahotany avy hatrany i Almà taorian’ny nanaovany fahotana? Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra fa mety tsy hahatsapa eo no ho eo ny vokatry ny fahotantsika isika?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo zavatra niainany izay nahatsapany fanaintainana na nenina noho ny fahotany. Aorian’izay dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Packer ity:

“Samy efa nahatsapa farafahakeliny ny fanaintainana avy amin’ny feon’ny fieritreretana, izay tsapa aorian’ny fahadisoantsika, isika rehetra. …

“Raha vesaran’ny fahatsapana fikorontanan-tsaina na fahamelohana na fahadisoam-panantenana, na tsy fahombiazana na henatra ianao dia misy ny fanasitranana izany” (“The Touch of the Master’s Hand,” 22).

Lazao amin’ireo mpianatra fa rehefa nahatsapa fanaintainana mafy dia mafy sy nenina noho ny fahotany i Almà dia nahatsiaro ny fanafodin’ny fanaintainany izy.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 36:17, nahatsiaro inona izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 36:18. Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nataon’i Almà mba hampiharana ny fampianaran’ny rainy. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ireo andininy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Nahakasika ny fon’i Almà ny fampianaran’ny rainy fa zava-dehibe tokoa ny hoe faminaniana iray mikasika ny ’fiavian’izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao’ no tadidiny. (Almà 36:17.) Izany no anarana ary izany no hafatra tsy maintsy ho ren’ny olona rehetra. … Na inona na inona vavaka hafa ataontsika, na inona na inona zavatra hafa ilaintsika dia toa miankina amin’ity fitalahoana ity avokoa izy rehetra: ’Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’Andriamanitra, mamindra fo amiko.’ Voaomana hanome izany famindram-po izany Izy. Ny ainy mihitsy no nataony onitra mba hanomezana izany” (However Long and Hard the Road [1985], 85).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy ny mianatra mikasika an’i Jesoa Kristy ihany no zava-dehibe amintsika fa ny mangataka ireo fitahian’ny Sorompanavotany ihany koa?

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra mangina raha toa izy ireo ka efa nivavaka mba hahazo ireo fitahiana avy Sorompanavotan’i Jesoa Kristy na tsia, ao anatin’izany ny fitahiana avy amin’ny famelan-keloka.

Asao ny mpianatra handalina mangina ny Almà 36:19–22 ary hikaroka ireo teny sy andian-teny mamaritra ny hoe niova ho toy ny ahoana ny fahatsapan’i Almà taorian’ny nangatahany famindram-po.

  • Inona ireo teny na andian-teny hitanareo izay mamaritra ny hoe niova ho toy ny ahoana ny fahatsapan’i Almà?

Apetraho ity fanontaniana manaraka ity mikasika ny tsirairay amin’ireo teny sy andian-teny hitan’ny mpianatra:

  • Inona no ampianarin’izany andian-teny (na teny) izany anareo mikasika ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita fa tsy ny fanaintainan’i Almà ihany no nesorina taminy fa nofenoina fifaliana ihany koa izy.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity: Raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika dia … Izy.

  • Avy amin’ny zavatra niainan’i Almà, inona no azontsika hianarana mikasika ny zavatra ataon’ny Tompo ho antsika rehefa mibebaka marina tokoa isika? (Mety hizara fitsipika hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia milaza hoe raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika dia hanafaka antsika amin’ny fanaintainana noho ny fahotantsika sy hameno fifaliana antsika Izy. Azonao atao ny mameno io fehezanteny io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona no azontsika atao hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy mba hanafahana antsika amin’ny fahatsapana fanaintainana na nenina avy amin’ny fahotantsika?

Vakio mafy ity toe-javatra manaraka ity ary asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba hamaliany izany:

Naneho ny namana iray izay namaky ny Bokin’i Môrmôna fa manana olana mikasika ny tenin’i Almà ao amin’ny Almà 36:19 izy. Manontany anao ny namanao hoe: “Raha toa ka tsaroako ny fahotako ary mbola mahatsiaro nenina amin’izy ireny aho, midika ve izany fa tsy voavela ny heloko?”

Angataho ny mpianatra hanazava ny fifandraisan’ny zavatra niainan’i Almà amin’io toe-javatra io. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Hiezaka hampino antsika i Satana fa tsy voavela ny helotsika satria afaka mahatsiaro azy ireny isika. Mpandainga i Satana; miezaka ny mampanjavozavo ny fahitantsika sy mitondra antsika lavitra ny lalan’ny fibebahana sy ny famelan-keloka izy. Tsy nampanantena Andriamanitra fa tsy hahatsiaro ny fahotantsika intsony isika. Hanampy antsika hiala amin’ny famerenana indray ilay fahadisoana ny fahatsiarovana. Kanefa halefahana eny an-dalana eny ny fahatsiarovana ny fahotantsika raha toa ka mijanona ho marina sy mahatoky isika. Ho ampahan’ny fanasitranana ilaina sy ny dingan’ny fanadiovana izany. Nijoro ho vavolombelona i Almà fa taorian’ny nihiakany tamin’i Jesoa mba hahazoany famindram-po, dia mbola afaka nahatsiaro ny fahotany izy, kanefa ny fahatsiarovana ny fahotany dia tsy nankarary na nampijaly azy intsony, satria fantany fa voavela ny helony (jereo ny Almà 36:17–19).

“Andraikitsika ny misoroka ny zavatra rehetra izay mety hamerina ireo fahatsiarovana feno fahotana taloha. Rehefa manana ’fo torotoro sy fanahy manenina’ hatrany isika (3 Nefia 12:19), dia afaka mahatoky fa ’tsy hahatsiaro [ny fahotantsika] intsony Andriamanitra (Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 101).

  • Miainga avy amin’ny fanambaran’ny Filoha Uchtdorf, amin’ny fomba ahoana no hanazavanareo ny dikan’ny hoe “tsy norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotan[tsika] intsony”? (Almà 36:19).

Mijoroa ho vavolombelona fa raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika dia hanafaka antsika amin’ny fanaintainana noho ny fahotantsika sy hameno fifaliana antsika Izy. Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hampiharan’izy ireo ny zavatra nianarany avy amin’ny zavatra niainan’i Almà. Raha mbola misy ny fotoana dia asao ny iray kilasy hihira ny hoe “Où pourrais-je chercher?” (Cantiques, no. 68).

Almà 36:23–30

Nanazava ny antony niasany tsy an-kitsahatra mba hitondra ny hafa ho amin’ny fibebahana i Almà

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony niasan’i Almà mba hitondrana ny hafa ho amin’ny fibebahana dia ampiasao ity fiaraha-mientana manaraka ity. (Raha tsy afaka manome sakafo mamy ho an’ny mpianatrao ianao dia azonao fariparitana ilay fiaraha-mientana.)

Manehoa sakafo mamy (toy ny cookie na vatomamy) ary manontania raha toa ka misy mankafy io karazan-tsakafo mamy io ao an-dakilasy. Manaikera kely amin’izany ary lazao amin’izy ireo ny hatsaran’ny tsirony. Lazao amin’ny mpianatra fa tsara tokoa ilay sakafo mamy ka te hizara izany amin’ny iray kilasy ianao. Manehoa betsaka kokoa amin’io karazan-tsakafo mamy io ary manontania raha misy olona hafa te hanandrana izany. Zarao amin’ireo izay te hahazo izany ilay sakafo mamy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 36:23–24. Asao hanaraka sy hihaino izany ny iray kilasy ary hikaroka ny fomba hifandraisan’ilay fiaraha-mientana fanandraman-tsiro amin’ny zavatra niainan’i Almà taorian’ny fiovam-pony.

  • Inona no mampitovy ny asa nataon’i Almà amin’ilay fiaraha-mientana fanandraman-tsiro? Inona ihany koa no tian’i Almà mba handraman’ny olona hafa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 36:25–26. Asao ny iray kilasy hamantatra ny fiantraikan’ny ezaka nataon’i Almà hampianatra ny filazantsara teo amin’ny tenany sy ny hafa.

  • Ahoana no fiantraikan’ny fampianaran’i Almà teo amin’ny tenany sy teo amin’ny hafa?

  • Inona ireo fitsipika ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra fa ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia milaza hoe mahazo fifaliana lehibe isika rehefa mikatsaka ny hitondra ny hafa ho ao amin’i Kristy.)

Fintino ny Almà 36:27–30 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nijoro ho vavolombelona tamin’i Helamàna indray i Almà fa hanafaka ireo izay mametraka ny fitokiany Aminy ny Tompo. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fifaliana mety ho tsapantsika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mamporisika ny hafa hanao toy izany koa isika. Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany tao amin’ny Almà 36 dia asao izy ireo hamita ny iray amin’ireto asa atao eto ambany ireto. (Azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.)

  1. Eritrereto raha toa ianao ka efa nahatsapa ny nanafahan’ny Tompo anao tamin’ny fahotana sy namenoany fifaliana anao. Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hataonao mba handraisanao ireo fitahiana ireo.

  2. Mieritrereta olona iray (toy ny namana, mpiray tam-po, na mpikambana ao amin’ny paroasy) izay mety ho nahazo tombony avy amin’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy. Manorata taratasy amin’io olona io ary soraty ao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manafaka antsika amin’ny fanaintainana avy amin’ny fahotana sy mameno antsika amin’ny fifaliana.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 36:12. “Ny fanahiko dia … nampijalian’ny fahotako rehetra”

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa lafiny manan-danja amin’ny fibebahana ny haben’ny fijaliana noho ny fahotantsika:

“Ny fahamarinana dia mitaky ny mpandika lalàna tsy mibebaka hijaly noho ny fahotany [jereo ny F&F 19:16–19]. …

“… Ary ahoana ny amin’ireo mpandika lalàna mibebaka? Voasazy ve izy ireo? Tsy maintsy mijaly ve izy ireo? …

“… Tsy mila mijaly ‘tahaka’ ny nijalian’ny Mpamonjy noho izany fahotana izany ny olona iray izay mibebaka. Hiaritra fijaliana ireo mpanota mibebaka, kanefa, noho ny fibebahan’izy ireo sy noho ny Sorompanavotana dia tsy hiaritra ny fahafenoana ‘tanteraky’ ny fijaliana mandrakizay izay niaretan’ny Mpamonjy ho an’izany fahotana izany izy ireo.

“Ny Filoha Spencer W. Kimball, izay nanome fampianarana ho an’ny rehetra mikasika ny fibebahana sy ny famelan-keloka dia nilaza fa ‘ampahany tena manan-danja amin’ny fibebahana ny fijalian’ny tena manokana. Tsy mbola nanomboka nibebaka ny olona iray raha toa izy ka tsy mbola nijaly mafy noho ny fahotany’ (Teachings of Spencer W. Kimball, p. 88).

“Raha tsy nijaly ny olona iray dia tsy nibebaka izy. … Tsy maintsy nandalo fiovana tao anatiny izy ka noho izany dia mijaly ary azo tanterahana ny famelan-keloka aorian’izay’ (Teachings of Spencer W. Kimball, p. 99). …

“Ny zavatra rehetra niainantsika dia manamafy fa tsy maintsy miaritra fijalian’ny tena manokana isika ao anatin’ny dingan’ny fibebahana—ary mety ho henjana sy maharitra izany fahoriana izany ho an’ny fahotana lehibe. Mino aho fa ny olona rehetra izay tena mahitsy fo amin’ny tenany dia manaiky ny fahamarinan’ity fitsipika ity. Nahatsapa izany teo amin’ny fiainantsika isika ary nahita izany teo amin’ny fiainan’ny hafa.

“Tokony hahatsikaritra ihany koa isika fa an’ny tena manokana ny fijaliantsika fa tsy ho an’ny rehetra. Matetika dia ilay mpanota sy ny Tompo ary ny mpanompon’ny Tompo no mahalala ny zavatra mitranga. Mifanohitra amin’ny sazy ampiharina amin’ny alalan’ny lalàn’olombelona, izay ampahafantarina ny besinimaro, ny fijaliana izay mitondra amin’ny famindram-po eo ambanin’ny lalàn’ Andriamanitra dia tena an’ny tena manokana” (“Sins, Crimes, and Atonement” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara eo anivon’ny DFF 7 Feb. 1992], 4–6, si.lds.org).

Almà 36. Kiasima (vadi-drafi-pehezanteny mifanaraka)

Ny Kiasima (izay antsoina matetika hoe vadi-drafi-pehezanteny mifanaraka) dia fitaovana amin’ny literatiora izay nampiasain’ny besinimaro fahiny tao anatin’ny tononkalo Hebreo (tamin’ny andron’ny taranak’i Sema) sy ny tononkalo Grika ary toy izany koa ny literatioran’ny kolontsaina hafa. Ny teny na ny hevitra ao anatin’ny kiasima dia alamina amin’ny filaharana iray ary avy eo dia averina lazaina amin’ny filaharana mivadika. Manantitrantitra hevitra sy teny manan-danja izany famerenana izany. Matetika ny hevi-dehiben’ny mpanoratra no hita eo afovoan’ilay kiasima. Jereo ao anatin’ity tabilao manaraka ity fa mifantoka amin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainan’i Almà ny hafatra lehibe ao amin’ilay kiasima ao amin’ny Almà 36, izay fotoana nitodihany tamin’i Jesoa Kristy mba hahatsapany ho maivamaivana.

A. andininy 1

 B. andininy 2

  D. andininy 3

   E. andininy 4–5

    F. andininy 6

     G. andininy 10

      H. andininy 14

       I. andininy 16

        J. andininy 17

        J. andininy 18

       I. andininy 19–21

      H. andininy 22

     G. andininy 23

    F. andininy 24

   E. andininy 26

  D. andininy 27

 B. andininy 28–29

A. andininy 30

Hamoaka printy