Tahirim-pitaovana
Lesona 153: Môrônia 4–5


Lesona 153

Môrônia 4–5

Fampidirana

Nirakitra an-tsoratra ny torolalan’ny Mpamonjy ho an’ny Nefita mikasika ny fitantanana ny fanasan’ny Tompo i Môrônia, ao anatin’izany ireo vavaka izay nampiasain’ny mpihazona ny fisoronana tamin’ny fitsofan-drano ny mofo sy ny divay.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 4–5

Nohazavain’i Môrônia ny fomba tokony hitantanana ny fanasan’ny Tompo

Raha azo atao dia mampisehoa lovia ho an’ny mofon’ny fanasan’ny Tompo sy lovia ho an’ny ranon’ny fanasan’ny Tompo. (Raha mety ny hampisehoana ireo zavatra ireo dia tsy tokony hanandrana hanao ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ianao na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.) Omeo taratasy ny mpianatra ary asao izy ireo hanoratra araka izay vitany izay zavatra tadidin’izy ireo ao anatin’ny iray amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia hazavao fa nampidirin’i Môrônia ho isan’ny rakitsorany ireo vavaka nomen’ny Tompo ireo ho an’ny fitantanana ny fanasan’ny Tompo. Asao izy ireo hamadika ny bokiny ao amin’ny Môrônia 4:3 na Môrônia 5:2 ary hanamarina ny valinteniny. Avy eo dia manontania hoe:

  • Raha misy namana avy ao amin’ny antokom-pivavahana hafa manapa-kevitra ny hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo miaraka aminareo dia ahoana no hanazavanareo ny dikan’ny fanasan’ny Tompo sy ny lanjan’izany aminareo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny iray amin’ireo tanjon’ny fanasan’ny Tompo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 4:1–3 ary mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Môrônia 5:1–2. Asao ny mpianatra hamantatra ireo fehezanteny ao amin’ny Môrônia 4:3 sy ny Môrônia 5:2 izay manazava hoe maneho inona ny mofo sy ny ranon’ny fanasan’ny Tompo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo fehezanteny ireo ao amin’ny soratra masiny. (Azonao atao ny mampahatsiahy ny iray kilasy fa mampiasa rano ny Fiangonana amin’izao fotoana izao mandritra ny fanasan’ny Tompo fa tsy divay araka izay nahazoana lalana avy amin’ny fanambarana nomena an’i Joseph Smith [jereo ny F&F 27:2].)

  • Maneho inona ny mofo? (Ny vatan’i Jesoa Kristy. Jereo ny Matio 26:26; 3 Nefia 18:6–7.)

  • Maneho inona ny rano? (Ny ran’i Jesoa Kristy. Jereo ny Matio 26:27–28; 3 Nefia 18:8–11.)

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny vatana sy ny ran’ny Mpamonjy? (Tokony hilaza ny fijalian’ny Mpamonjy ara-batana sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ny mpianatra rehefa mamaly io fanontaniana io. Tokony hilaza ny Fitsanganany amin’ny Maty izy ireo rehefa natambatra tamin’ny fanahiny ny vatany telo andro taorian’ny nitondrany ny fahafatesana teo Aminy. Tokony hilaza ihany koa ny fijaliany sy ny alahelony lehibe ara-panahy izy ireo rehefa nitondra teo amin’ny tenany ny fahotantsika Izy, izay nahatonga Azy nivoa-dra tamin’ny mason-koditra rehetra. Hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra satria nitondra teo Aminy ny fahafatesana ara-batana Izy. Afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika isika rehefa mibebaka satria nijaly noho ny fahotantsika Izy.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Manampy antsika hahatsiaro … ireo mari-pamantarana ny fanasan’ny Tompo. Anontanio ny mpianatra ny fomba hamintinan’izy ireo ity tanjona manan-danjan’ny fanasan’ny Tompo ity. Aorian’izay dia fenoy eny amin’ny solaitrabe tahaka izao manaraka izao ilay fahamarinana: Manampy antsika hahatsiaro ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo mari-pamantarana ny fanasan’ny Tompo.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka napetraky ny Loholona David B. Haight ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona David B. Haight

“Manao ahoana isika amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika amin’ny fahatsiarovana ny Tompo sy Mpamonjy antsika, ny sorona nataony, ary ny fananantsika trosa Aminy?” (“Remembering the Savior’s Atonement,” Ensign, Apr. 1988, 7).

  • Inona no azontsika atao mba hifantohana amin’ny fahatsiarovana ny Sorompanavotana mandritra ny fanasan’ny Tompo?

  • Inona no zavatra niainanao rehefa nisaintsaina tamin-kitsimpo mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ianao nandritra ny fanasan’ny Tompo?

Rehefa avy mizara ny hevi-baovaony ny mpianatra dia asao izy ireo hanoratra fomba iray ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina, izay azon’izy ireo ampifantohana ny eritreriny amin’ny Sorompanavotana mandritra ny fahafahana manaraka ananan’izy ireo handray ny fanasan’ny Tompo. (Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo tanjon’ny fanasan’ny Tompo fanampiny dia ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity mialoha ny fotoam-pianarana, ary aza soratana ireo valinteny ao anaty fonosana. Asao ny mpianatra handika ilay tabilao ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina.

Ny zavatra nanaovako fanekena fa hataoko

Izay heveriko fa dikan’ny hoe mitandrina io ampahany amin’ny fanekempihavanako io

Ny zavatra azoko atao hitandremana io ampahany amin’ny fanekempihavanako io

  1. (Vonona ny hitondra ny anaran’ny Tompo eo amiko)

  1. (Hahatsiaro Azy Mandrakariva)

  1. (Hitandrina ny didiny)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa manao fanekempihavanana na fifanarahana masina amin’Andriamanitra isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Asao ny mpianatra hamerina hijery mangina ny Môrônia 4:3. Angataho izy ireo hanoratra ao amin’ny faritra voalohany ao amin’ilay tabilao ireo fampanantenana telo ataon’izy ireo rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Asao izy ireo hanamarina ny valinteniny miaraka amin’ny olona iray mipetraka eo akaikiny. Asao izy ireo avy eo hameno samirery ilay faritra faharoa. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany. Rehefa mizara ny zavatra nosoratany ny mpianatra dia ampiasao ny sasany amin’ireto fitaovana manaraka ireto na izy rehetra mba hanampiana azy ireo hampitombo ny fahatakarany ny ampahany tsirairay amin’ilay fanekempihavanana.

Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny dikan’ny hoe mitondra eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Mampanantena isika fa hitondra ny anarany eo amintsika. Midika izany fa tsy maintsy mahita ny tenantsika ho toy ny Azy isika. Hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika isika. Hila izay ilainy isika fa tsy izay ilaintsika na izay ampianarin’izao tontolo izao fa tokony hilaintsika” (“That We May Be One,” Ensign, Mey 1998, 67).

Hazavao fa rehefa mahita ny fahavononantsika hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika isika dia manolo-tena ny hiaina amin’ny maha mpianany antsika. Mampanantena isika fa tsy hitondra henatra na kiana ho an’ny anarany. Manolo-tena ny hanompo Azy sy ny namantsika isika. Maneho ihany koa isika fa vonona ny ho fantatra hoe miaraka Aminy sy ny Fiangonany.

  • Tamin’ny fomba ahoana no niezahanao naneho ny fahavononanao hitondra ny anaran’ny Tompo teo aminao? Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao?

Asao ny mpianatra hampitaha ny vavaka ho an’ny mofo ao amin’ny Môrônia 4:3 amin’ny vavaka ho an’ny divay ao amin’ny Môrônia 5:2. Anontanio azy ireo ny fahasamihafana sy ny fitoviana tsikaritr’izy ireo. Lazao amin’izy ireo fa ny fampanantenana hoe “hotsaroany mandrakariva Izy” dia hita ao amin’ireo vavaka roa.

  • “Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe “hotsaroany mandrakariva Izy”?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny iray kilasy hihaino sy hamantatra ny zavatra azontsika atao hanampiana ny tenantsika hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Tokony hametraka ho lohalaharana ireo zavatra izay hahatonga antsika hahatsiaro Azy mandrakariva isika—toy ny vavaka sy fandalinana soratra masina tsy tapaka, fandalinana amim-pahalianana ny fampianaran’ireo apôstôly, fiomanana isan-kerinandro amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana, fandehanana miangona isaky ny Alahady, ary ny firaketana sy fahatsiarovana ireo zavatra ampianarin’ny Fanahy sy ny zavatra iainantsika mikasika ny maha mpanara-dia.

“Mety hisy zavatra hafa tonga ao an-tsainao izay ilainao manokana amin’izao fotoana iainanao izao. …

“… Afaka manamarina aho fa rehefa mandeha ny fotoana dia hitombo ny faniriana sy ny fahafahantsika hahatsiaro sy hanaraka mandrakariva ny Mpamonjy. Tokony hiasa hanatratra ny tanjona isika ary hivavaka mandrakariva mba hahazo ny fahaizana mamantatra sy ny fanampian’Andriamanitra izay ilaintsika” (“To Always Remember Him,” Ensign, Apr. 2011, 51).

  • Inona no nataonao mba “hahatsiaro Azy mandrakariva”?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahatsiarovana mandrakariva ny Mpamonjy antsika hitandrina ireo ampahany hafa amin’ny fanekempihavanantsika?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho antsika ny mandray isan-kerinandro ny fanasan’ny Tompo?

Mba hanantitranterana ny fampanantenantsika hitandrina ny didy dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nalaina tao amin’ny Jeunes, Soyez Forts ity:

“Nanome fahafahana misafidy ho anao ny Ray any an-danitra, ny fahafahana misafidy ny tsara amin’ny ratsy sy ny mihetsika ho an’ny tenanao. Aorian’ny fanomezana ny aina dia ny zo hitantana ny fiainanao no iray amin’ireo fanomezana tsara indrindra avy amin’Andriamanitra ho anao. Raha mbola eto an-tany dia zahana toetra ianao hijerena raha toa ka hampiasa ny fahafahanao misafidy hanehoana ny fitiavanao an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny” (Jeunes, Soyez Forts [2011], 2).

  • Inona no ataonao isan’andro mba hanampiana ny tenanao hitandrina ny didin’Andriamanitra?

Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ireo fampanantenana havaozintsika amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ny mpianatra dia asao izy ireo hanoratra ao amin’ilay faritra fahatelo ny zavatra iray hataon’izy ireo mandritra ny herinandro mba hitandremana tsara kokoa ny ampahany tsirairay amin’ilay fanekempihavanana. Asao izy ireo hizara ny sasany amin’ny hevitr’izy ireo (kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia mahatakatra fa tsy tokony hizara zavatra mikasika tenany manokana tena saro-pady na inona izany na inona).

Hazavao fa rehefa mitandrina ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo isika dia mampanantena ny hitahy antsika Izy (jereo ny F&F 82:10). Asao ny mpianatra handalina ny Môrônia 4:3 sy ny Môrônia 5:2 mba hitady ny zavatra ampanantenain’ny Tompo antsika raha toa isika ka mitandrina ny fampanantenana izay havaozintsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay tabilao ity teny nolazaina ahitana banga ity: Rehefa mitandrina amim-pahatokiana ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo isika … Asao ny mpianatra hameno ilay teny nolazaina eny amin’ny solaitrabe miainga amin’ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Môrônia 4:3 sy ny Môrônia 5:2. (Fomba iray hamenoana ilay teny nolazaina ity manaraka ity: Rehefa mitandrina amim-pahatokiana ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo isika dia afaka manana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka amintsika.)

  • Nahoana no mendrika ny ezaka ataontsika hitandrina io fanekempihavanana io ilay fampanantenana hoe hiaraka amintsika mandrakariva ny Fanahy?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra azon’ny Fanahy atao ho antsika.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Afaka ny ho mpitarika antsika ny Fanahin’ny Tompo ary hanome antsika fitarihana, torolalana, ary fiarovana ara-panahy mandritra ny fiainantsika eto an-tany” (“That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 31).

  • Oviana ianareo no nahazo fitarihana, torolalana, na fiarovana noho ny fanananareo ny Fanahy Masina ho namana? (Azonao atao ny mizara zavatra iray niainanao ho fanampin’ny fanasanao ny mpianatra hizara zavatra niainana.)

  • Isan-kerinandro mandritra ny fanasan’ny Tompo dia manana fahafahana isika hieritreritra ny fomba hitandremantsika ny fanekempihavanana voalaza ao amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo. Ahoana no ahafahan’izany manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hanana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika?

  • Rehefa mandinika ny zavatra nianaranareo androany mikasika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ianareo dia ampahany inona amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo no manan-danja indrindra aminareo? Nahoana?

Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Asao izy ireo hamerina hijery ireo tabilao ary hanohy hanatanteraka ny hevitr’izy ireo mikasika ny fitandremana feno kokoa ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo. Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay fampanantenan’ny Tompo ho antsika rehefa mitandrina io fanekempihavanana io isika, izay manao hoe: hanana ny Fanahiny miaraka amintsika mandrakariva isika. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana izay ho tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa mahatsiaro sy mitandrina ilay fanekempihavanana ataontsika isan-kerinandro isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Azonao atao ny manao fandaharam-potoana hanaovana fitsapana farany amin’ny fifehezana soratra masina na zavatra atao mba hamerenana izany mba hanampiana ny mpianatra hanamafy ny fifehezany ireo andinin-tsoratra masina nofantenina tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Manapaha hevitra ny amin’izay fomba tianao hitsapana ny fahalalan’izy ireo ary manomana zavatra hatao iray izay mety amin’izany tanjona izany. Afaka mamorona fitsapana ahitana fampifandraisana andinin-tsoratra masina sy teny manan-danja na rafi-tantara kely ianao na famenoana ny banga amin’ny alalan’izany, na afaka mitsapa ny mpianatra ny fitadidiany ny andinin-tsoratra masina sasantsasany ianao. Fomba hafa iray entina manao izany ny manome andraikitra ny mpianatra tsirairay hampianatra lesona fohy na manome lahateny iray izay ampiasana ireo andinin-tsoratra masina fehezina ho toy ny loharano fototra. Na inona na inona fomba entinao mba hanefena traikefa famaranana amin’ireo soratra masina fehezina dia omeo fotoana handalinana sy hiomanana ny mpianatra. Mety hanome fotoana hanombohana io fiomanana io ny halavan’ny lesona androany.

Hamoaka printy