Tahirim-pitaovana
Lesona 20: 1 Nefia 19


Lesona 20

1 Nefia 19

Fampidirana

Ato amin’ity fizarana ity dia manazava i Nefia fa tsy hanaja ny Andriamanitry ny Isiraely dia i Jesoa Kristy ny olona sasany. Raha lazaina amin’ny sarin-teny dia hanosihosy an’i Jesoa Kristy amin’ny tongony izy ireo amin’ny fanaovana Azy ho tsinontsinona. I Nefia ihany koa dia nitantara ireo fampianaran’ny mpaminany fahiny izay nilaza mialoha fa ireo izay tompon’andraikitra amin’ny fampijaliana sy ny fanomboana ny Mpamonjy sy ireo taranany ihany koa dia haparitaka sy ampahoriana mandra-pitodiky ny fon’izy ireo any amin’ny Tompo. Amin’izany fotoana izany dia “hotsaroany kosa amin’ izany ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ ny razany” (jereo ny 1 Nefia 19:15). Nanazava i Nefia fa nanoratra ireo zavatra ireo izy mba handresen-dahatra ny olony hahatsiaro ny Tompo sy hino Azy. Nampianatra ny olony ihany koa izy mba hampiharan’izy ireo amin’ny tenany ny soratra masina hanampiana azy ireo hino ny Tompo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 19:1–19

Nirakitra an-tsoratra ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy i Nefia mba hanampiana ny olona hahatsiaro ny Mpanavotra azy ireo.

Atsangano ambony amin’ny tanana ny Bokin’i Môrmôna. Fintino ny 1 Nefia 19:1–4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nodidiana hanao takelaka roa karazana i Nefia—ny iray dia hiraketana tantara masina (ara-pinoana) ary ny iray hafa dia hiraketana ny tantaran’ny olony. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 19:3, 5–6. Asao ny mpianatra sisa hitady ny zavatra lazain’i Nefia mikasika ireo zavatra “masina.”

  • Inona no antony nolazain’i Nefia ho nanaovany raki-tsoratra momba ny zava-masina?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 19:7. Alohan’ny hamakiany dia hazavao fa ny andian-teny hoe: “Andriamanitry ny Isiraely” ao amin’ity andininy ity dia entina hilazana an’i Jesoa Kristy. Ilay andinin-tsoratra masina ihany koa dia ahitana ny teny hoe tsinontsinona, izay midika hoe “tsy misy.” Ny hoe manao ho tsinontsinona ny olona iray dia manao izany olona izany ho toy ny tsy manan-danja.

  • Rehefa avy nilaza i Nefia fa tsy hanoratra afa-tsy izay mahakasika ny zavatra masina, dia inona no nosoratany voalohany?

  • Araka ny voalazan’ny 1 Nefia 19:7, ahoana no fomba hanitsahan’ny olona ny Mpamonjy amin’ny tongony na “[manao Azy ho] tsinontsinona”?

  • Inona no mampitovy ny fandavana hihaino ny torohevitry ny Tompo amin’ny fanaovana tsinontsinona Azy na ny fanitsahana azy amin’ny tongotra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 19:8–10. Asao ny iray kilasy hitady ireo fomba hitondran’ny olona ny Mpamonjy ho toy ny tsinontsinona nandritra ny asa fanompoany tety an-tany. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ireo teny sy andian-teny hitany.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny olona ny Mpamonjy ho toy ny tsinontsinona nandritra ny asa fanompoanany tety an-tany?

  • Inona ireo antsipiriany ao amin’ireo andininy ireo izay maneho fa tsy nandray antsika ho toy ny “tsinontsinona” ny Mpamonjy? (Tokony hahatakatra ireo mpianatra fa niaritra izay rehetra nataony ny Mpamonjy “noho ny lemim-panahiny sy ny fitiavany ary ny faharipony amin’ ny zanak’ olombelona.”)

  • Rehefa mieritreritra mikasika ireo andinin-tsoratra masina ireo ianareo dia inona no tsapanareo momba ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra iray hamaky ny 1 Nefia 19:13−14, ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nolazain’ny mpaminany Zenôsa fa ho antony “[hi]karavasian’ny olon-drehetra” ireo izay nanombo ny Mpamonjy (sy ny taranak’izy ireo).

  • Inona ireo antony nolazain’i Zenôsa fa “[hi]karavasian’ny olon-drehetra” ireo izay nanombo ny Mpamonjy (sy ny taranak’izy ireo)?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: Mamily lalana ny fony izy ireo.

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mamily lalana ny fon’ny tena hanalavitra ny Tompo?

Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia lazao amin’izy ireo fa mangataka ankizy maromaro ianao hanampy mba hanazava ny fomba hampiharana izany fehezanteny izany eo amin’ny fiainantsika ankehitriny. Asao ho eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra maromaro. Asao ny tsirairay avy amin’izy ireo hanoratra ohatra amin’ny asa iray izay mety manambara fa mamily lalana ny fony hanalavitra ny Tompo ny olona iray. Avy eo dia asao izy ireo hanazava ireo mety ho vokatry ny familiana ny fon’ny tena amin’ny lalana izay nataon’izy ireo lisitra. (Ohatra, ny mpianatra iray dia mety hanoratra hoe mijanona tsy mamaky ny soratra masina ary aorian’izay dia hazavao fa vokatra iray avy amin’izany zavatra atao izany ny fihenan’ny fahafahana mandray fanambarana.)

Rehefa avy nanazava ny ohatra hitan’izy ireo ny mpianatra maromaro dia lazao amin’ny iray kilasy fa na inona na inona mety ho antony namiliantsika ny fontsika hanalavitra ny Tompo dia afaka misafidy ny hampitodika ny fontsika Aminy indray isika. Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 19:14−17 am-pahanginana mba hikaroka ireo fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay mampitodika ny fony any Aminy indray.

  • Oviana ny Tompo no nampiely an’i Isiraely? (Rehefa namily ny fony hiala Aminy izy ireo.)

  • Rahoviana ny Tompo no hanangona an’i Isiraely? (Rehefa mampitodika ny fony Aminy izy ireo.)

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa ho ataony ho an’ireo izay tsy mamily intsony ny fony hanohitra Azy?

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe hahatsiaro ireo olona ireo sy ny fanekempihavanana nataony tamin’ireo razany ny Tompo?

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa tsy nanadino ireo olona ireo ny Tompo. Niaina tamin’ny fomba izay tsy nahafahany nanome azy ireo ny fitahian’ny Filazantsara ireo olona ireo. Rehefa mampitodika ny fony amin’ny Tompo ny taranak’izy ireo dia mampanantena Izy fa hahatsiaro azy ireo sy hanangona azy ireo ao amin’ny Fiangonany ary hanome ireo fitahian’ny filazantsara ho azy ireo.

  • Aaka ny eritreritrao, midika inona amintsika ireo fampanantenana ao amin’ny andininy faha 15–17? (Hevitra iray izay tokony hivoaka avy amin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny hoe rehefa mampitodika ny fontsika amin’ny Tompo isika dia hanaja ny fanekempihavanana nataontsika taminy Izy.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanoratra ny valinteny ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.)

  • Karazan-javatra atao toy ny inona no maneho fa nampitodika ny fonareo tamin’ny Tompo ianareo sy ny fianakavianareo?

  • Oviana no nanampy anareo na ny fianakavianareo handray ireo fitahiana avy amin’ny Tompo ny zavatra natao toy izany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy. Ampahatsiahivo azy ireo fa tsy tokony hizara zavatra tokony ho tazoniny ho azy samirery sy tsiambaratelo izy ireo.

Hazavao fohifohy fa nataon’i Nefia ho an’ny olona rehetra ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely —ao anatin’izany isika, ireo raki-tsoratra nataony. Asao ny mpianatra iray hamaky ny 1 Nefia 19:18−19, ary asao ny iray kilasy hamantatra izay nilain’i Nefia mba handresena lahatra antsika ho atao. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mahatsiaro ny Tompo isika ary mampitodika ny fontsika Aminy dia manome antsika ireo fitahian’ny filazantsarany Izy.

1 Nefia 19:20–24

Nanazava ny antony nampiasany ny soratra masina fahiny i Nefia mba hampianarany ny olony

Zarao ity fanambarana nataon’i Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity izay notsongaina avy amin’ny lahateny iray natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana:

“Hanome ity fampanantenana mikasika ny famakiana ny Bokin’ny Môrmôna ity aminareo aho: ho voasinton’izany ianareo rehefa mahatakatra fa noraketin’ny Tompo ao anatiny ny hafatra avy Aminy ho anareo. I Nefia, i Môrmôna, ary i Môrônia dia nahafantatra izany ary ireo izay nanambatra ny Bokin’i Môrmôna dia nametraka ireo hafatra ho anareo ao anatin’izany. Manantena aho fa ianareo dia mahatoky fa nosoratana ho an’ny mpianatrareo ilay boky. Misy hafatra tsotra sy mahitsy ho azy ireo izay hilaza aminy ny fomba hiovana ao anatin’izany. Izany no votoatin’ilay boky. Fijoroana ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary ny fomba mety hiasan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna. Hanana traikefa ianareo amin’ity taona ity hiaina ny fiovana izay tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana noho ny fandalinana ity boky ity” (“The Book of Mormon Will Change Your Life,” Ensign, Feb. 2004, 11).

  • Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo, nahoana no manampy ny fahafantarana fa nampiditra hafatra ho anareo ao anatin’izany i Nefia sy i Môrmôna ary i Môrônia?

Zarao ireto fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ireto:

“Nosoratana ho antsika amin’izao fotoana izao ny Bokin’i Môrmôna. Andriamanitra no mpanoratra ny boky. Rakitsoratra momba ny vahoaka lavo iray izany, izay natambatr’ireo lehilahy notaomin’ny Fanahy mba ho fitahiana ho antsika. Tsy nahazo ilay boky mihitsy ireo vahoaka ireo—natao ho antsika ilay izy. I Môrmôna, mpaminany fahiny, izay ny anarany no nampitondraina ilay boky no namintina rakitsoratra nosoratan’ny olona nandritra ny taon-jato maro. Andriamanitra, izay mahafantatra ny farany hatrany am-boalohany, dia nilaza taminy izay tokony ampidirina ao anatin’ny famintinana nataony izay ilaintsika amin’izay androntsika izao” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, Jan. 1988, 3).

“Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy izany no antony tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nitaoman’ny Tompo fanahy an’i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’izany izay hanampy ahy hiaina amin’izao andro izao sy amin’izao vanimpotoana izao?’” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, Nôv. 1986, 6).

Asao ny mpianatra hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 19:22−23, mba hitady ny famaritan’i Nefia ny fomba nanampiany ny rahalahiny hahita ireo hafatra ho an’ny tenan’izy ireo manokana ao anatin’ny soratra masina.

  • Inona no vokatra nandrasan’i Nefia avy amin’ny fampiharana ny soratra masina tamin’ny tenany sy ny olony?

  • Inona no dikan’ny teny hoe tombontsoa? (Soa, tombony, zava-tsarobidy azo.)

Omano amin’ny taratasy ity tabilao manaraka ity mba hozaraina amin’ireo mpianatra na asehoy eny amin’ny solaitrabe izany ary asao ireo mpianatra handika izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Mampihatra ny Soratra Masina amin’ny Tenantsika

Mampihatra ireo Fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina

Inona no toe-java-misy na zava-mitranga resahina ao amin’ilay andini-tsoratra masina?

Ahoana no hitovian’izany amin’ny toe-java-misy eo amin’ny fiainako na eo amin’ny tontolo manodidina ahy?

Inona no fahamarinana na hafatra ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io?

Ahoana no ahafahako manao zavatra momba izany fahamarinana na hafatra izany amin’ny toe-java-misy iainako?

Resaho amin’ny mpianatra ilay tabilao amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny hoe mampihatra dia midika hoe mampitaha. Ny fampiharana ny soratra masina amin’ny tenantsika dia midika fa mampitaha ny zava-miseho iray ao amin’ny soratra masina amin’ny toe-java-misy eo amin’ny fiainantsika manokana na eo amin’ny tontolo manodidina antsika isika. Ny fahafantarana ny zavatra hitovian’ireo toe-java-miseho ao amin’ny soratra masina sy ny toe-java-miseho eo amin’ny fiainantsika manokana dia manomana antsika hitady sy hampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina. Ireo fahamarinana izay nihatra tamin’ireo olona izay hitantsika tao amin’ny soratra masina dia afaka ampiharina amintsika rehefa ao anatin’ny toe-java-miseho mitovy amin’izany isika.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba hitarihan’ny fampitahana amin’ny fampiharana dia asao izy ireo hameno ny tabilaony rehefa miara-mamerina amin’izy ireo ny andinin-tsoratra masina fehezina voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ianao, 1 Nefia 3:7. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 3:7.

  • Inona no toe-java-niseho izay nanehoan’i Nefia hevitra rehefa nilaza ireo teny ireo izy? (Nasain’ny mpaminany izy—dia ny rainy, i Lehia—mba hiverina any Jerosalema haka ireo takela-barahina. Nimonomonona mikasika ny fahasarotan’ilay asa ireo rahalahiny.)

  • Toe-javatra toy ny ahoana eo amin’ny fiainanareo no mitovy amin’ny toe-java-niseho teo amin’ny fiainan’i Nefia? Oviana ny Tompo no niandry anao hanao zavatra sarotra?

  • Inona no fahamarinana nanampy an’i Nefia tamin’ny toe-java-nisy niainany? (Nahafantatra i Nefia fa rehefa manome didy ireo zanany ny Tompo dia manomana lalana ho azy ireo hanatontosana izany.)

  • Inona no azonao atao mba hanaovanao zavatra mikasika ity fahamarinana ity eo amin’ny toe-java-miseho iainanao?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba nampiharany ny 1 Nefia 3:7 tamin’ny tenany ary ahoana no fomba azony hampiharana izany eo amin’ny fiainany. (Ampahatsiahivo azy ireo fa tsy tokony hiresaka zavatra tokony hotazoniny ho azy samirery na tsiambaratelo izy ireo.)

Mba hamintinana ny lesona dia atsangano ambony amin’ny tanana indray ny Bokin’i Môrmôna. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa noraisin’i Nefia ho masina sy manan-danja lehibe ho azy sy ny hafa ireo zavatra nosoratany mikasika ny Mpamonjy. Amporisiho ireo mpianatra handalina ny soratra masina sy hitady ireo hafatra noraketin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny ho antsika ao anatin’izany. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika isika dia afaka hianatra sy hahazo tombontsoa avy amin’izany.

Amporisiho ireo mpianatra handalina manokana ny soratra masina sy hitady ireo andinin-tsoratra masina izay azony ampiharina amin’ny tenany. Mety hanandrana hampiditra ny anarany ao amin’ny andinin-tsoratra masina sasany izy ireo ary hamaky izany andininy izany toy ny hoe miresaka mivantana amin’izy ireo ny Tompo sy ny mpaminaniny. Ohatra, mety hamaky ny tapany voalohany amin’ny 2 Nefia 31:20 izy ireo tahaka izao: “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy (mampidira anarana eto) ianareo.”

Azonao atao ny manome ny tahadikan’ny tabilao izay tsy mbola nofenoina ho an’ireo mpianatra mba hampiasainy any an-trano. Asao izy ireo ho avy hanatrika ny fotoam-pianarana manaraka miaraka amin’ny fahavononana hizara ny fomba nampiharany ny soratra masina tamin’ny tenany sy ny fomba nianarany sy nahazoany tombontsoa avy amin’ny zavatra niainany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 19:10–16. Zenôka, Neoma ary i Zenôsa

Nitsonga teny sy nilaza izany avy ao amin’ny rakitsoratr’i Zenôka sy Neoma ary i Zenôsa i Nefia. Mpaminany tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha izy ireo, ary ny faminaniany momba an’i Jesoa Kristy dia nosokirina teo amin’ny takela-barahina; noho izany dia fantatsika fa niaina talohan’ny 600 talohan’i J.K. izy ireo. Niresaka mikasika ny asa fanompoana nataon’i Mesia sy ny hoavin’ny mpianakavin’i Isiraely izy ireo (jereo ihany koa ny Helamàna 8:19−20). Niresaka mikasika ny asa fanompoana nataon’i Mesia sy ny hoavin’ny mpianakavin’i Isiraely izy ireo (jereo ihany koa ny Helamàna 8:19−20).

Hamoaka printy