Tahirim-pitaovana
Jarôma


Fampahafantarana nyBokin’i Jarôma

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ity boky ity ireo mpianatra dia hahita fa mitana ny fampanantenana nataony Andriamanitra mba hitahiana ireo izay mitandrina ny didiny. Hianatra ihany koa izy ireo mikasika ny ezaka nataon’ireo mpanjaka, sy mpaminany, sy mpampianatra ary mpisorona Nefita tamin’ny andron’i Jarôma mba hanampiana ny olona hibebaka sy hisoroka ny famongorana.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Jarôma zanakalahin’i Enôsa no nanoratra ity boky ity. Nanana ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana i Jarôma, tahaka ny rainy—sy tahaka an’i Jakôba raibeny ary i Lehia rain’ny raibeny—(jereo ny Jarôma 1:2). Rehefa nahavita ny rakitsorany izy dia nomeny an’i Ômnia zanany lahy ireo takelaka.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity?

Nilaza i Jarôma fa “[n]anoratra teny vitsivitsy araka ny didin’ i Enôsa rai[ny izy] mba hahazoana mitahiry ny tetiaran[’izy ireo]” (Jarôma 1:1). Nilaza ihany koa izy fa ny rakitsorany dia “[no]soratana … hahasoa ny Lamanita rahalahi[ny]” (Jarôma 1:2; jereo koa ny Enôsa 1:13–18). Tsy nanoratra ny faminaniany sy ny fanambarana azony i Jarôma satria nino izy fa ireo izay nosoratan’ireo razambeny dia “nanambara ny drafitry ny famonjena” tamin’ny fomba feno (Jarôma 1:2). Namariparitra kosa ny asa nataon’ireo mpitondra Nefita nandritra ny fotoana nanompoany izy. Ireo mpitondra ireo dia “lehilahy mahery tamin’ ny finoana ny Tompo” (Jarôma 1:7) izay namporisika hatrany ny olona hibebaka sy hankatò ny didy (jereo ny Jarôma 1:3–5, 10–12). Nahatsikaritra i Jarôma fa rehefa nisafidy ny hanaraka ny torohevitr’ireo mpitondra marina ny olona dia niroborobo ary afaka nampahery ny tenany hanohitra ny Lamanita. Nijoro ho vavolombelona izy hoe, “Fa nohamarinina kosa ny tenin’ ny Tompo izay nolazainy tamin’ ny razanay, manao hoe: Arakaraka ny hitandremanareo ny didiko no hiroboroboanareo eo amin’ ny tany” (Jarôma 1:9; jereo koa ny 1 Nefia 2:19–20).

Oviana ary taiza no nanoratana azy io?

Ny bokin’i Jarôma dia mahafaoka eo amin’ny 59 taona eo, nanomboka tamin’ny taona 420 teo ho eo Talohan’i J.K ka hatramin’ny taona 361 Talohan’i J.K (jereo ny Enôsa 1:25; Jarôma 1:13). Tany amin’ny tanin’i Nefia no nanoratana azy.

Inona avy ireo toetoetra mampiavaka ity boky ity?

Ny bokin’i Jarôma no boky fohy indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Manambara ny antsipiriany amin’ny fandrosoan’ny vahoaka Nefita izany, ka milaza fa “nitombo isa fatratra tokoa [izy ireo] ary niely patrana tambonin’ ny tany” (Jarôma 1:8). Nanjary mpanefoefo koa izy ireo tamin’ny loharanon-karena maro ary lasa kinga tamin’ny fanaovana taozavatra voakaly vita tamin’ny hazo sy ny metaly, ny tao-trano, ny fanamboarana milina, ary ny fanamboarana fitaovana sy fitaovam-piadiana (jereo ny Jarôma 1:8).

Votoatin-kevitra

Jarôma 1:1–2 Nahazo ireo takelaka i Jarôma ary nanazava ny tanjona nanoratany tao amin’izany.

Jarôma 1:3–12 Noraketin’i Jarôma ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo ny hitahy sy hampiroborobo ireo Nefita rehefa nitandrina ny didiny izy ireo. Nijoro ho vavolombelona izy momba ny herin’ny Mpamonjy hahafahany mamonjy ny olony amin’ny fahotana, eny fa na dia talohan’ny nanaovany asa fanompoana teto an-tany aza, ka nahafahan’ny olona “hino Azy … ho toy ny efa tonga sahady” (Jarôma 1:11).

Jarôma 1:13–15 Nilaza i Jarôma fa notehirizina ao amin’ireo takelaka lehibe an’i Nefia ny fitantarana ny ady nisy teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Nomeny an’i Ômnia zanany lahy ireo takelaka kely.

Hamoaka printy