Tahirim-pitaovana
Lesona 120: 3 Nefia 11:1–17


Lesona 120

3 Nefia 11:1–17

Fampidirana

Taorian’ilay famongorana sy haizina nandritra ny telo andro, izay fampahafantarana ny nahafatesan’ny Mpamonjy, dia tokotokony ho 2.500 ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy Nefita tafavory manodidina ny tempoly tao an-tanin’i Soafeno (jereo ny 3 Nephi 17:25). Raha mbola niresaka izy ireo dia nahare ny feon’ny Ray any an-danitra izay nampahafantatra an’i Jesoa Kristy Zanany, izay niseho taorian’izay. Nanasa ny vahoaka i Jesoa Kristy mba hahita maso fa efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao Izy. Nanatona Azy tsirairay izy ireo ary nitsapa ny holatra teo amin’ny lanivoany sy ny mariky ny fantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nephi 11:1–7

Nahare ny feon’ny Ray nanambara ny fisehoan’ny Zanany ireo Nefita

Eo am-pidiran’ny mpianatra ao an-dakilasy, dia asio raki-peo misy mozika masina na fihaonamben’ny fiangonana mandeha moramora ao an-dakilasy— ataovy amin’izay handrenesana azy ny hamafiny. Hajanony ilay raki-peo rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny vavaka fanombohana. Aorian’ny vavaka dia anontanio ireo mpianatra raha nahare ilay raki-peo izy ireo. (Raha tsy manana ny loharanom-pitaovana ilaina hanaovana ity asa ampanaovina ity ianao dia angataho ny mpianatra iray hamaky amin’ny feo malefaka ny 3 Nefia 11 rehefa miditra ao an-dakilasy ny mpianatra. Raha misafidy io farany io ianao dia mety kokoa raha omenao iray andro mialoha ilay andraikitra, mety hoe omena mpianatra iray izay mazàna no tonga aloha.)

  • Inona no tokony hataon’ny olona iray mba handrenesany sy hahatakarany feo malefaka?

  • Inona no hafatr’ilay hira (na lahateny tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana na andinin-tsoratra masina) izay nandeha nandritra ny fidiranareo tato amin’ny efitrano fianarana androany?

  • Mora ve sa sarotra ny nandre sy nahatakatra ireo teny rehefa niditra tato am-pianarana ny rehetra? Nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 11:1–3. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra izay sarotra tamin’ireo Nefita ny nahatakatra azy.

  • Manao ahoana ilay feo voalaza ao amin’ny 3 Nefia 11:3? (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ilay famaritana ny toetran’ilay feo ao amin’ny soratra masiny.)

  • Nitondra inona tamin’ireo izay nahare azy ilay feo?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 11:4–7 mba hitady izay zavatra nataon’ireo Nefita tamin’ny fomba hafa mba hahatakarany ilay feo tamin’ny nandrenesany izany fanintelony.

  • Inona no nataon’ireo Nefita tamin’ny fomba hafa tamin’izy ireo nahare ilay feo fanintelony?

  • Araka izay novakianao tao amin’ny 3 Nefia 11:7, dia feon’iza no ren’ny vahoaka ? (Nandre ny feon’ny Ray any an-danitra, mampahafantatra an’i Jesoa Kristy Zanany izy ireo.)

Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hamaky ny Helamàna 5:30 mba hitady fomba hafa namaritana ny toetran’ilay feon’ny Tompo.

  • Ahoana no itovizan’ilay feo ren’ireo Nefita amin’ny bitsika azontsika avy amin’ny Fanahy Masina? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Matetika ny Fanahy Masina no miresaka amintsika amin’ny alàlan’ny fahatsapantsika.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny mihaino ny fitaomam-panahy azontsika avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra niainany rehefa nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina tao an-tsainy na tao am-pony. Asaivo milaza ny fahatsapana nananany izy ireo. Azonao atao koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana.

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny zavatra ilaintsika hatao mba hihainoantsika sy hahatakarantsika ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Tsy misarika ny saintsika amin’ny fivazavazana ny Fanahy. Tsy manozongozona antsika amin’ny tanana mahery izy. Mibitsibitsika ny Fanahy. Eny, mikasika moramora Izy, ka raha sahiran-tsaina isika dia tsy hahatsapa azy mihitsy.

“Indraindray dia mety hanindry mafy antsika na matetika araka izay ilaina ny Fanahy mba hihainoantsika Azy; kanefa araka ny traikefa ananako, raha toa isika ka tsy manaraka ilay fahatsapana malefaka, raha toa isika ka tsy mihaino ireo fahatsapanaireo ireo dia hiala ny Fanahy amin’ny ankamaroan’ny fotoana ary miandry Izy mandrapahatonga antsika hikatsaka sy hihaino, amin’ny fombantsika sy ny fihetsintsika” (How Does the Spirit Speak to Us?” New Era, Feb. 2010, 3).

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny 3 Nefia 11:1–7 sy avy amin’ny Filoha Packer? (Mety hanome valinteny samihafa ireo mpianatra, kanefa ataovy izay hahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa mianatra ny fomba fihainoana ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika, dia ho afaka ny hahatakatra ny zavatra resahiny amintsika.)

  • Inona no manampy anao hanomana ny sainao sy ny fonao mba handre sy hahatakatra ny bitsiky ny Fanahy Masina?

3 Nefia 11:8–17

Niseho tamin’ireo Nefita i Jesoa Kristy ary nanasa azy ireo tsirairay mba hitsapa ny mariky ny holatra teo amin’ny tanany, sy ny tongony ary ny lanivoany

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 11:8–10. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra ary haka sary an-tsaina hoe mety ho nanao ahoana raha toa izy ireo ka teo anivon’ny Nefita tamin’izany fotoana izany. Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Nampianatra tany amin’ny Ilambolan-tany Andrefana i Jesoa (62380; Boky Mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 82), ary manontania hoe:

Sary
Nampianatra tany amin’ny Ilam- bolatany Andrefana i Jesoa
  • Inona avy ireo eritreritra sy fahatsapana heverinao fa ho nanananao raha toa ianao ka teo anivon’ireo Nefita tamin’ny namangian’ny Mpamonjy azy ireo?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay haizina sy famongorana izay niainan’ireo Nefita taloha kelin’ny nisehoan’ny Mpamonjy. Asao avy eo ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny maha-zava-dehibe ny fisehoan’ny Mpamonjy tamin’ireo Nefita:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Izany fisehoana sy izany fanambarana izany no mametraka ny zavatra ifantohana indrindra, ny fotoana lehibe indrindra ao amin’ny tantara manontolo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Izany no seho sy lalàna izay nampahafantatra sy nanome fitaomam-panahy ho an’ny mpaminany Nefita rehetra nandritra ny enin-jato taona lasa, ankoatra ireo razambeny Isiraelita sy Jaredita arivo taona maro talohan’izany.

“Niresaka momba Azy avokoa ny rehetra, nihira momba Azy, nanonofy Azy, ary nivavaka mba hisehoany— saingy tamin’io Izy no niseho marina. Ilay andro tsy misy toa azy! Tonga ilay Andriamanitra manova ny alina maizina rehetra ho lasa fahazavan’ny maraina” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 250–51).

Hazavao amin’ireo mpianatra fa ny ampahany manaraka amin’ny lesona dia natao mba hanomezana azy ireo fahafahana hisaintsaina mikasika ny fitsidihan’ny Mpamonjy. Alohan’ny fotoam-pianarana dia ataovy ao amin’ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra tsirairay ireto torolalana sy fanontaniana manaraka ireto (na soraty eny amin’ny solaitrabe na amin’ny peta-drindrina). Omeo fotoana ampy ny mpianatra hamakiany ny 3 Nefia 11:11–17 ary araho ireo torolalana ao amin’ny taratasy nozaraina. Amporisiho izy ireo hisaintsaina tsara ny hevitr’ireo andinin-tsoratra masina ireo eo am-pandalinana izany.

  1. Vakio mangina ny 3 Nefia 11:11–12. Tadiavo izay tian’i Jesoa Kristy ho fantatry ny vahoaka momba Azy sy momba ny zavatra nataony nandritra ny asa fanompoany tety an-tany. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona amin’ireo teny nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 11:11 no tena manan-danja indrindra ho anao? Nahoana?

    • Inona no tian’ny Mpamonjy ambara rehefa nilaza izy hoe: “nisotro tamin’ilay kapoaka mangidy izay efa nomen’ny Ray Ahy Aho”? Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa nanaiky hatrany ny sitrapon’ny Ray any an-danitra i Jesoa Kristy?

  2. Vakio ny 3 Nefia 11:13–15, ary saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no nasain’ny Mpamonjy ho ataon’ireo Nefita? Inona no tiany ho fantatr’izy ireo vokatry ny fanaovana io zavatra io?

    • Nankeny amin’ny Mpamonjy “tsirairay […] ambara-pandroson’izy rehetra” ny vahoaka (3 Nephi 11:15). Raha heverina fa nisy olona tokotokony ho 2.500 tao amin’ny valalabemandry (jereo ny 3 Nefia 17:25), inona no ampianarin’izany anao mikasika ny fahatsapan’ny Mpamonjy momba antsika tsirairay avy?

  3. Valio ao amin’ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hahita sy hitsapa Azy “tsirairay” ny vahoaka?

    • Ahoana araka ny hevitrao ny mety ho fahatsapanao raha toa ianao ka afaka nitsapa ireo holatra azon’ny Mpamonjy tamin’ny sorompanavotana nataony noho ny otantsika?

  4. Soraty eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 3 Nefia 11:11–15 izao fahamarinana manaraka izao. Manasa ahy hahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenako manokana i Jesoa Kristy fa Izy no Mpamonjy ahy. Valio ao anatin’ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona ireo zavatra niainanao, izay nahatonga anao hahazo fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy anao?

    • Inona araka ny hevitrao no tian’ny Mpamonjy hataonao mba hampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona momba Azy?

    • Oviana no nahatsapanao fa mahafantatra anao sy nitahy anao manokana ny Mpamonjy?

Rehefa avy nomena fotoana sahaza hamitàna io asa nampanaovina io ireo mpianatra, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 11:16–17. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady izay nataon’ny vahoaka rehefa avy niaina io traikefa io ho an’ny tenany manokana niaraka tamin’ny Mpamonjy izy ireo. Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe hosana dia teny Hebreo izay midika hoe “mamonje ankehitriny” na “mba vonjeo izahay” ary ampiasaina ao amin’ny soratra masina izany mba entina milaza fiderana sy fitalahoana (jereo ny Bible Dictionary, “Hosanna”; Torolalana ho an’ny soratra masina,“Hosana,” scriptures.lds.org).

  • Nahoana araka ny hevitrao no niantso hoe “hosana” ny vahoaka taorian’ny zavatra niainany niaraka tamin’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra hijery akaikikaiky kokoa ny 3 Nefia 11:15. Asao izy ireo hitady ny zavatra nataon’ny vahoaka taorian’ny nahitan’izy ireo sy nahatsapany ireo holatra teo amin’ny Mpamonjy. (Ny vahoaka dia vavolombelona nanambara, na nijoro ho vavolombelona, fa Izy no Jesoa Kristy.)

  • Mila mahita sy mitsapa ny Mpamonjy ve isika vao mahafantatra fa velona Izy? (Jereo ny Môrônia 10:5.) Ahoana no ahafahantsika ho tonga “vavolombelona manambara” an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ampiharantsika ny 3 Nefia 11:15 amin’ny tenantsika? Inona no tokony hataon’ny tsirairay avy amintsika rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? (Rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy isika dia andraikitsika ny ho tonga vavolombelona manambara Azy.)

Ho famaranana ny lesona dia asao ireo mpianatra hilaza ny fotoana nizaran’izy ireo ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny hafa. Raha ampy ny fotoana, dia asao hizara fijoroana ho vavolombelona fohy momba ny Mpamonjy sy hilaza, raha tiany, ny zavatra nataony hahazoany ny fijoroany ho vavolombelona ireo rehetra izay maniry ny hanao izany. Raha ampy ny fotoana, dia azonao atao koa ny manasa azy ireo hizara ny sasany amin’izay nosoratan’izy ireo na tsapan’izy ireo nandritra ny fandalinany ny 3 Nefia 11 androany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 11:3. “Feo tony”

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba fiasan’ilay feo tonin’ny Fanahy Masina ao amin’ny saintsika sy ny fontsika:

“Tonga toy ny fahatsapana ny feon’ny Fanahy fa tsy toy ny feon-javatra. Hianatra ianareo, tahaka ny nianarako, ‘hihaino’ io feo io izay tsapa fa tsy re. …

“Ny fanomezana ny Fanahy Masina, raha toa ka mamela izany ianareo, dia hitarika sy hiaro ary hanitsy mihitsy ny fihetsikareo. Feo ara-panahy izay tonga ao an-tsaina izany toy ny eritreritra na fahatsapana tsapa ao am-po. …

“Marina fa tsy maintsy hanao fahadisoana ianareo eo amin’ny fiainana, kanefa tsy hahavita hadisoana goavana ianareo raha tsy efa nampitandreman’ilay bitsiky ny Fanahy Masina” (“Torohevitra ho an’ireo Tanora,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 17–18).

Hamoaka printy