Tahirim-pitaovana
Ômnia


Fampahafantarana NYBokin’i Ômnia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Mandritra ny fandalinan’ ireo mpianatra ny bokin’i Ômnia dia hianatra izy ireo fa niaro ireo Nefita izay niaina tamim-pahamarinana ny Tompo ary nitarika azy ireo ho any amin’ny tanin’i Zarahemlà (jereo ny Ômnia 1:7, 12–13). Hianatra ihany koa izy ireo mikasika ireo andian’olona hafa—ny Miolekita (na ny vahoakan’i Zarahemlà) sy ny Jaredita—izay notarihin’ny Tompo nankany amin’ny tany nampanantenaina.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ny bokin’i Ômnia dia nosoratan’ny lehilahy dimy samy hafa: Ômnia, Amarôna, Kamisa, Abinadôma, ary i Amalekià. I Ômnia dia zanakalahin’i Jarôma ary zafin-dohalik’i Lehia sy Sarià. Namaritra ny tenany ho toy ny “olon-dratsy” izy, izay “tsy nahatandrina … ny didin’ ny Tompo” (Ômnia 1:2). I Amarôna (zanakalahin’i Ômnia) sy i Kemisa (rahalahin’i Amarôna) ary i Abinadôma (zanakalahin’i Kemisa) dia samy nanampy andalan-tsoratra vitsy avy. I Amalikià zanakalahin’i Abinadôma dia nanoratra ny ankabeazan’ny bokin’i Ômnia ary izy no olona farany nanoratra tao amin’ireo takelaka kelin’i Nefia. Nankininy tamin’i Benjamina Mpanjaka ireo takelaka ireo.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Nilaza i Ômnia fa “nandidy [azy] i Jarôma rai[ny], ny … hanorata[ny] … mba hitsimbinana ny tetiaran’[izy ireo]” (Ômnia 1:1). Ity fehezanteny ity dia milaza fa i Ômnia dia nanoratra mba ho tombontsoan’ireo taranany. Ireo mpanoratra telo manaraka ao amin’ny bokin’i Ômnia dia tsy miresaka amin’ny olona tiana hiresahana manokana na milaza ny tanjon’izy ireo tamin’ny nanoratany. Saingy ny fanasan’i Amalekià dia miantefa amin’ny olon-drehetra mba “[hanatona] … handraisan’[izy ireo] anjara amin’ ny famonjeny” (Ômnia 1:26) dia manambara fa sahiran-tsaina tamin’ ny famonjena ireo izay hamaky ny teniny izy.

Oviana ary taiza no nanoratana azy?

Ireo mpanoratra samihafa ao amin’ny bokin’i Ômnia dia nanoratra tamin’ny fotoana teo anelanelan’ny taona 361 Talohan’i J.K sy ny taona 130 Talohan’i J.K Ireo mpanoratra efatra voalohany dia nanoratra tany amin’ny tanin’i Nefia. I Amalekià dia nanoratra ny rakitsorany tany amin’ny tanin’i Zarahemlà.

Inona avy ireo toetoetra mampiavaka ity boky ity?

Ny bokin’i Ômnia no boky farany ao amin’ireo takelaka kelin’i Nefia. Ny bokin’i Ômnia dia mahafaoka vanim-potoana lavalava kokoa noho ny boky hafa rehetra ao amin’ireo takelaka kely. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo dia ireo bokin’ny 4 Nefia sy i Etera ihany no mahafaoka vanim-potoana lavalava kokoa noho izay voafaoka ao amin’ny Ômnia.

Fanehoana an-tsary ireo takelaka kely

Ny bokin’i Ômnia dia manome ihany koa antsipiriany mikasika ny nanjakan’i Môsià Mpanjaka voalohany, izay rain’i Benjamina Mpanjaka ary raiben’i Môsià Mpanjaka faharoa. I Môsià Mpanjaka voalohany, dia nitarika ireo Nefita izay niaina tamim-pahamarinana hiala tao amin’ny tanin’i Nefia ary nampitambatra azy ireo tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà (jereo ny Ômnia 1:12–23). Ny bokin’i Ômnia dia mitantara fa notarihin’ny Tompo avy any Jerosalema nankany amin’ny tany nampanantenaina ny vahoakan’i Zarahemlà (izay antsoina koa hoe Miolekita), tsy ela akory taorian’ny nandaozan’i Lehia sy ny fianakaviany an’i Jerosalema (jereo ny Ômnia 1:15).

Ômnia no boky voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay miresaka momba ny Jaredita. Milaza ihany koa ny bokin’i Ômnia fa nandao an’i Zarahemlà ny Nefita sasany mba hiverina ho any amin’ny tanin’i Nefia, ary nilaza mialoha ireo zava-nitranga voatantara ao amin’ny Môsià 7–24. Farany, ny bokin’i Ômnia dia mampahafantatra mikasika an’i Benjamina Mpanjaka sy manazava ny antony nanankinan’i Amalekià ireo rakitsoratra masina taminy (jereo ny Ômnia 1:25).

Votoatin-kevitra

Ômnia 1:1–3 Niresaka mikasika ny vanim-potoana maromaro nisian’ny fandriam-pahalemana sy ny ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita i Ômnia.

Ômnia 1:4–11 Nanoratra tao amin’ireo takelaka kelin’i Nefia i Amarôna sy i Kemisa ary i Abinadôma. Tao anatin’ny fihemorana ny Nefita tamin’izany fotoana izany.

Ômnia 1:12–30 Noraketan’i Amalekià an-tsoratra ireo zava-nitranga lehibe izay niseho nandritra ny nanjakan’i Môsià Mpanjaka sy i Benjamina Mpanjaka. Nanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy izy.