Tahirim-pitaovana
Lesona 13: 1 Nefia 10–11


Lesona 13

1 Nefia 10–11

Fampidirana

Rehefa avy nihaino ny fitantaran’i Lehia rainy i Nefia dia nanana faniriana ny hahita sy handre ary hahalala ho an’ny tenany manokana ireo zavatra izay hita sy ren’i Lehia izy (jereo ny 1 Nefia 10:17). Raha mbola nandinika tao am-pony ny fampianaran’ny rainy i Nefia dia “nentina tao amin’ ny Fanahin’ ny Tompo” izy (1 Nefia 11:1) ary nahita fahitana izay azy manokana. Tantaraina ao amin’ny 1 Nefia 11–14 io fahitana io. Ao amin’ny 1 Nefia 11 dia mamaky momba ny hazon’aina, ny anja-by, sy ilay trano lehibe sy malalaka isika ary koa momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy, ny batisany, sy ny asa fanompoana nataony ary ny fanomboana Azy. Rehefa nahita ireo zavatra ireo i Nefia dia niaiky ny fitiavan’Andriamanitra ireo zanany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 10:1–16

Naminany momba ny Mesia i Lehia

Fintino fohifohy ny 1 Nefia 10:1–16 amin’ny filazana amin’ny mpianatra fa rehefa avy nitantara ny fahitany ny hazon’aina i Lehia, dia nanambara ihany koa faminaniana maro. Tafiditra ao anatin’izany ireo antsipiriany amin’ny fotoana hahatongavan’i Jesoa Kristy eto an-tany (jereo ny 1 Nefia 10:4), ny batisany tamin’ny alalan’i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny 1 Nefia 10:7–10), ny fanomboana Azy sy ny fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny 1 Nefia 10:11), ary ny fampielezana sy fanangonana an’i Isiraely izay efa antomotra (jereo ny 1 Nefia 10:12–14).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 10:4–6. (Azonao atao ny manazava fa ny hoe Mesia dia “voambolana Aramaika sy Hebreo izay midika hoe ’ilay voahosotra.’ Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia i Kristy, izay mitovy dika amin’ny Mesia amin’ny teny Grika, no iantsoana an’i Jesoa. Ny heviny dia ilay Mpaminany, Mpisorona, Mpanjaka ary Mpanafaka voahosotra izay nandrasan’ny Jiosy fatratra ny fiaviany” [Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” scriptures.lds.org; jereo ihany koa ny Bible Dictionary, “Messiah”].)

  • Araka ny faminanian’i Lehia, rahoviana no ho avy ny Mpamonjy? (Jereo ny 1 Nefia 10:4.)

  • Inona no hitranga amin’ny olona raha tsy miantehitra amin’ny Mpamonjy izy ireo? (Jereo ny 1 Nefia 10:6.)

1 Nefia 10:17–22; 11:1–6

Nikatsaka ny hahita sy handre ary hahalala ny marina nampianarin’ny rainy i Nefia

Asao ny mpianatra hieritreritra ity ohatra manaraka ity: Manatrika fivorian’ny Fiangonana iray mitovy ihany ny zatovolahy telo. Rehefa tonga tany an-trano dia nahatsapa ny zatovolahy iray fa nankaleo ilay fivoriana ary nandany ny fotoany. Ny iray hafa dia nihevitra fa nahafinaritra ilay fivoriana saingy tsy nahakasika azy izany. Ilay iray fahatelo dia nody tany an-trano nahazo hery avy amin’ny Fanahy Masina sy nahazo fitaomam-panahy ary fitarihana ho an’ny fiainany ary nihoatra izay nampianarina nandritra ny fivoriana aza.

  • Ahoana no nahatonga ny hoe afaka nanatrika fivoriana iray ihany ireo zatovolahy telo saingy niaina zavatra samy hafa toy izany?

Hazavao fa ity ohatra ity dia mitovy amin’ny zavatra niainan’i Lamàna sy i Lemoela ary i Nefia rehefa nandre ireo faminanian’ny rainy sy ny fitantarana ny fahitany izy ireo. Tsy nahatakatra ny tenin’ny rainy i Lamàna sy i Lemoela ary niady hevitra momba izay reny (jereo ny 1 Nefia 15:2). I Nefia kosa tetsy an-kilan’izay dia nitodika tany amin’ny Tompo mba hahatakatra izany. Nanome ohatra tena tsara amin’ny fomba hikatsahana sy handraisana fanambarana izy.

Lazao amin’ireo mpianatra fa rehefa mandalina ny traikefan’i Nefia izy ireo dia hahita fitsipika izay hanampy azy ireo hikatsaka sy handray fanambarana ho an’ny tenany. Amporisiho izy ireo hijery ireo zavatra nataon’i Nefia izay namela azy hahazo fanambarana mitovy amin’ilay iray azon’ny rainy.

Zarao ho vondrona telo ireo ankizy ao am-pianarana. Apetraho amin’ny vondrona tsirairay avy ny iray amin’ireo karazam-panontaniana sy vondrom-panontaniana ao amin’ity tabilao manaraka ity. (Azonao atao ny maneho ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hiantombohan’ny fianarana.) Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 10:17 sy 11:1–6 ary hanomana valinteny ho an’ireo fanontaniana nomena azy ireo.

Faniriana

Inona no zavatra nirian’i Nefia ho hita, sy ho re ary ho fantatra?

Ahoana no fiantraikan’ny faniriantsika amin’ny fahafahantsika handray fanambarana?

Inona no iriko ho fantatra avy amin’ny Tompo?

Zavatra inoana

Inona avy ireo zavatra ninoan’i Nefia ka nambarany rehefa nikatsaka fanambarana izy?

Ahoana no mety hiantraikan’ireo zavatra inoana ireo amin’ny fahafahantsika mandray fanambarana?

Ahoana no ahafahako mampitombo ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny finoana Azy?

Mandinika ao am-po

Inona no mitranga rehefa nipetraka nisaintsaina tao am-pony i Nefia?

Nahoana ny fandinihina no afaka mitondra mankany amin’ny fanambarana?

Inona no azoko atao mba handinihako amim-pahazotoana kokoa ny tenin’ireo mpaminany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy avy ao amin’ny vondrona tsirairay mba hizara ny valinteny ho an’ireo fanontaniana roa voalohany napetraka taminy. (Afaka manasa mpianatra hamaly ny fanontaniana fahatelo ihany koa ianao saingy omeo toky izy ireo fa tsy ilaina ny hizaran’izy ireo valinteny izay tsy tokony hozaraina na tsiambaratelo.)

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 10:19 ny mpianatra iray.

  • Iza no afaka mahafantatra ireo mistery momba an’Andriamanitra?

  • Amin’ny alalan’ny herin’ny inona no hampahafantarana ireo mistery momba an’Andriamanitra?

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazo fanambarana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina?

  • Midika ho inona araka ny eritreritrao ny hoe mikatsaka amim-pahazotoana?

  • Inona no nataon’i Nefia izay maneho fa nikatsaka tamim-pahazotoana ny hahita sy handre ary hahalala ireo zavatra nampianarin’ny rainy izy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity:

Andriamanitra dia mampahafantatra ny fahamarinana amin’ny …

Asao ireo mpianatra hamintina izay nianarany avy amin’ny zavatra niainan’i Nefia amin’ny famenoana ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe. Koa satria mahazo misafidy teny samy hafa ireo mpianatra dia tokony hirakitra ny fahamarinana fa Andriamanitra dia mampahafantatra ny fahamarinana amin’ireo rehetra izay mikatsaka Azy amim-pahazotoana. (Azonao atao ny manoratra ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe.)

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nitarihan’ny fikatsahana an’Andriamanitra tamim-pahazotoana azy ireo hahatsapa ny Fanahiny sy hahazo fanambarana. (Mety hanampy ny filazana fa afaka tafiditra ao anatin’ny fanambarana ny fahazoana fitarihana rehefa mandray fanapahan-kevitra, mahazo fahatakarana ambonimbony kokoa, mahazo fiononam-po, na mahazo toky fa marina ny zavatra iray.) Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany amin’ny rehetra ao an-dakilasy. Azonao atao ihany koa ny mijoro ho vavolombelona momba ny zavatra niainanao tamin’ny alalan’ny ezaka nataonao mba hikatsaka amim-pahazotoana ny Tompo.

1 Nefia 11:7–36

Nahita ny fiambanian’Andriamanitra i Nefia

Hazavao amin’ny mpianatra fa nanohy nisaintsaina tao am-po sy nikatsaka ny fitarihan’Andriamanitra nandritra ny nahitany fahitana i Nefia. Rehefa nangataka ny hianatra ny fanazavana mikasika ilay hazo izay hitan’izy sy ny rainy i Nefia dia nisy anjely niseho taminy mba hanampy azy. Nanontany ilay anjely hoe, “Fantatrao va ny dikan’ ilay hazo izay hitan-drainao?” (1 Nefia 11:21). Avereno jerena ny dikan’ilay hazo amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra vitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny 1 Nefia 11:18–23.

  • Inona araka izay nolazain’i Nefia no dikan’ilay hazo? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia azonao atao ny mampahatsiahy fa nahita an’i Maria nitrotro an’i Jesoa Zazakely i Nefia ary nantsoin’ilay anjely hoe “ny Zanaky ny Ray Mandrakizay” ilay zazakely. Nanontany an’i Nefia ny dikan’ilay hazo ilay anjely avy eo mba hanampiana azy hahita fa maneho an’i Jesoa Kristy izany. Rehefa namaly i Nefia hoe maneho ny “fitiavan’Andriamanitra” izany dia ilay fitiavan’Andriamanitra izay naseho tamin’ny alalan’ny fanomezany ny Zanany no tiany nolazaina. Mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny fandraisana ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika.)

  • Ahoana no namaritan’i Nefia sy ilay anjely ny fitiavan’Andriamanitra?

Angataho ny mpianatra iray hamaky ny 1 Nefia 11:16. (Hazavao fa ny teny hoe fiambaniana dia midika hoe ny fidinana antsitra-po avy amin’ny ambaratongam-boninahitra na voninahitra. Azonao atao ny manasa mpianatra hanoratra ity fanazavana ity ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny 1 Nefia 11:16.)

Asao ny mpianatra hamantatra izay navalin’i Nefia ny fanontanian’ilay anjely amin’ny alalan’ny famakiana mafy ny 1 Nefia 11:17.

  • Inona no fantatr’i Nefia?

  • Inona no tsy fantany?

Rehefa avy namaly i Nefia dia naneho taminy ohatra maro mikasika ny fiambanian’Andriamanitra ilay anjely mba hanampiana azy hampitombo ny fahatakarany ny fitiavan’Andriamanitra. Hazavao amin’ny mpianatra fa ny “fiambanian’Andriamanitra” dia sady entina hilazana an’Andriamanitra no hilazana an’i Jesoa Kristy.

Zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, izay nanazava mikasika ny fiambanian’Andriamanitra, ny Raintsika any an-danitra:

“Ny fiambanian’Andriamanitra dia miorina amin’ny porofo fa Izy, izay Olona nasandratra, dia nidina avy eo amin’ny seza fiandrianany mandrakizay mba ho tonga Rain’ny Zanaka mety maty” (The Mortal Messiah (Ilay Mesia Mety Maty) [1979], 1:314).

Sary
Ny Fahaterahan’i Jesoa

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fanondroan’ny “[ny] fiambanian’Andriamanitra” ihany koa dia asehoy ny sarin’ny Fahaterahan’i Jesoa (62116; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], no. 30). Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 11:13–21 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra iray hafa hitady izay hifandraisan’ireo andininy ireo amin’ilay sary. Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Gerald N. Lund ity, izay tao amin’ny Fitopololahy teo aloha. Asao ny mpianatra rehetra hihaino ireo fomba nanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany antsika.

“Io i Jesoa—mpikambana ao amin’ny Andriamanitra, ilay Voalohan-teraky ny Ray, ilay Mpahary, i Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha—izay mandao ny toerana tsara indrindra sady masina nisy Azy ankehitriny; nanaisotra tamin’ny tenany izany voninahitra sy anaram-boninahitra rehetra izany ary niditra tao amin’ny vatan’ny zazakely iray; izay tsy afaka niaro ny tenany sy niankina tanteraka tamin’ny reniny sy ilay rainy tety an-tany. Mahatalanjona ny tsy tokony hahatongavany ao amin’ireo lapa tsara indrindra eto an-tany ary … omena firavaka maro be fa ny tokony hahatongavany ao amin’ny tranon’omby tsotra. Tsy mahagaga raha niteny tamin’i Nefia ilay anjely hoe: “Jereo ka tazano ny fiambanian’ Andriamanitra!’” (Jesus Christ, Key to the Plan of Salvation (Jesoa Kristy, Fanalahidin’ny Drafitry ny Famonjena) [1991], 16).

  • Ahoana no hanehoan’ny fahaterahan’ny Mpamonjy ny fitiavany antsika?

Lazao mazava tsara fa ny fahavononan’ny Mpamonjy hiaina fiainana mety maty dia maneho ny fitiavany antsika.

Sary
I Kristy Manasitrana ilay Marary tao Betseda

Asehoy ny sary mitondra y lohteny hoe i Jesoa Manangana amin’ny maty ny Zanakavavin’ny Jairo (62231; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara, lah. 41) sy i Jesoa Manasitrana ilay Marary tao Betseda (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara, lah. 42). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 11:28 sy 31. Amporisiho ny iray kilasy hamantatra ny fomba mampitovy ireo sary amin’ireo andinin-tsoratra masina.

  • Iza ireo olona hitan’i Nefia notompoin’ny Mpamonjy sy nositraniny?

  • Ahoana no hanehoan’ireo zavatra nataon’ny Mpamonjy ny fitiavany?

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 11:32–33 ny mpianatra iray. Asao ireo mpianatra hihaino ilay ohatra farany maneho ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Sary
Ny Fanomboana

Rehefa avy mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra dia asehoy ny sary mitondra ny lohateny hoe Ny Fanomboana (62505; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara, lah, no. 57).

Mijoroa ho vavolombelona fa ny fiambanian’i Jesoa Kristy dia maneho ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Niambany ny Mpamonjy mba hiaina fiainana mety maty sy hanompo ary hanasitrana ny marary sy ny mijaly, ary ho faty noho ny otantsika rehetra mba hahafahantsika miverina mody ho eo anatrehan’ny Ray any an-danitra.

  • Ahoana no fiantraikan’ny fahalalana mikasika ny fiambanian’ny Tompo sy ny fitiavany amin’ny fahatsapanareo momba Azy?

Farano amin’ny fanasana ireo mpianatra hizara ny maha “mahatsiriritra indrindra” sy “mampiravoravo indrindra” ny fitiavan’Andriamanitra amin’izy ireo izany (jereo ny 1 Nefia 11:22–23). Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manaraka ny ohatr’i Nefia sy mikatsaka an’Andriamanitra amim-pahazotoana isika dia hahatsapa ny fitiavany sy hahatsapa ny fifaliana amin’ny fandraisana ireo fitahiana izay afaka ho azon’ny rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy.

Asao ireo mpianatra hanaraka ny ohatr’i Nefia amin’ny ezaka izay ataon’izy ireo mba hikatsaka hahazo fanambarana. Ampahatsiahivo azy ireo ny anjara andraikiny amin’ny maha mpianatra azy ireo ao amin’ny kilasin’ny seminera ary ampahatsiahivo ihany koa fa ny finoany sy ny ezaka ataony amin’ny fandalinany ny soratra masina isan’andro sy ny fandraisany anjara dia misy fiantraikany amin’ny fahafahan’izy ireo hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 10:17–19. Mianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy ny filantsika ny hianatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina manao hoe:

“Ny fiainana ireo fitsipiky ny Tompo dia mitaky ny hikolokoloantsika ny fanomezana ny Fanahy Masina. Io fanomezana io dia manampy antsika hahatakatra ny fotopampianarana sy hampihatra izany amin’ny tenatsika manokana. Koa satria amin’ny alalan’ny fanambarana ihany no hahafahana mahatakatra ny fahamarinana azo avy amin’ny fanambarana dia tokony atao amim-bavaka ny fandalinantsika” (“Living by Scriptural Guidance (Miaina amin’ny alalan’ny Fitarihan’ny Soratra Masina),” Ensign, nôv. 2000, 17).

1 Nefia 11:1. Ny maha-zava-dehibe ny fandinihina ao am-po

Ny Loholona Gerald N. Lund ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra ny maha zava-dehibe ny fisaintsainana ao anatin’ny dingan’ny fikatsahana hahazo fanambarana:

“Maka fotoana handinihana ao am-po sy hieritreretana. Miala amin’ireo zavatra mameno ny fotoanao eo amin’ny fiainana. Mitadiava toerana mangina ary maka fotoana mba hipetrahana sy hieritreretana fotsiny, hihaino ny feon’ny fieritreretanao sy ny fahatsapanao, hihainoanao ny bitsiky ny Fanahy. Aoka ianao hahatsikaritra izay nolazain’ireto mpaminany manaraka ireto fa nataony ho lohalaharana mba hahazoany fanambarana manan-danja. Nefia: ‘nipetraka nandinika tao am-poko aho’ (1 Nefia 11:1). I Joseph Smith sy i Sidney Rigdon: ‘Ary raha mbola nisaintsaina ireo zavatra ireo izahay’ (F&F 76:19). Joseph F. Smith: ‘Nipetraka tao an’efitranoko aho nisaintsaina ny momba ny soratra masina’ (F&F 138:1–2). Joseph Smith: ‘Voasarika ho amin’ny fandinihina lalina sy ny fahasahiranana lehibe ny saiko. … Nieritreritra … ombieny ombieny aho [momba ny tenin’i Jakôba ao amin’ny Testamenta Vaovao]’ (JS—Tantara 1:8, 12).

“Indraindray isika dia tsy maintsy mamela amim-pandinihina tsara ireo zavatra mahaliana izao tontolo izao, mamela ireo rotoroton’ny fiainantsika andavanandro, ary mitady toerana mangina sy fotoana ao anatin’ny fahanginana izay ahafahantsika mandinika ao am-po sy mieritreritra ary misaintsaina—sy mihaino ilay feo tony sy malefaka izay mibitsika” (“The Voice of the Lord” (“Ny Feon’ny Tompo”) [Brigham Young University devotional address, 2 Des. 1997], 9–10, speeches.byu.edu).

Hamoaka printy