Tahirim-pitaovana
Lesona 18: 1 Nefia 17


Lesona 18

1 Nefia 17

Fampidirana

Rehefa avy nandeha tany an-tany foana nandritra ny valo taona i Lehia sy ny fianakaviany dia tonga tany amin’ny faritra amoron-dranomasina izay nantsoiny hoe Soafeno izy ireo. Rehefa avy nanorim-ponenana tao Soafeno izy ireo dia nandidy an’i Nefia ny Tompo mba hanamboatra sambo. Rehefa nahafantatra ireo rahalahiny fa nanana tanjona ny hanao izany i Nefia dia nihomehezan’izy ireo izy ary avy eo dia nanome tsiny sy nandà ny tsy hanampy. Nampianatra ireo rahalahiny i Nefia fa na dia niezaka ny hiresaka tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy aza ny Tompo dia nanakana azy ireo tsy hahatsapa ny teniny ny faharatsian’izy ireo. Nobedesiny izy ireo noho ny faharatsiany ary namporisihiny mba hibebaka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 17:1−51

Nandeha tany Soafeno ny fianakavian’i Lehia izay toerana nandidiana an’i Nefia hanamboatra sambo

Ataovy eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity.

Easy Difficult

Asao ireo mpianatra hieritreritra raha toa ka faritan’izy ireo ho mora na ho sarotra ny fiainan’izy ireo amin’izao fotoana izao ary nahoana. (Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny valintenin’izy ireo miaraka amin’ny namana iray. Na asao ny mpianatra maromaro hizara ny eritreritr’izy ireo amin’ny mpianatra rehetra. Ampahatsiahivo azy ireo fa tsy tokony hizara zavatra izay tokony hotazoniny ho azy samirery na tsiambaratelo izy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 17:1, 4, 6. Rehefa mamaky izy dia angataho ny iray kilasy mba hitady ireo teny na fehezanteny izay milaza raha mora na sarotra ny fotoana niainan’i Nefia sy ny fianakaviany tany an-tany foana.

  • Moa ve i Nefia namaritra ny fotoana niainan’izy ireo tany an-tany foana ho mora na sarotra? Inona no teny milaza fa sarotra izany?

Hazavao fa i Nefia sy ny fianakaviany dia notahiana be ihany koa nandritra izany fotoana izany. Asao ireo mpianatra hamaky haingana ny 1 Nefia 17:2, 5, 12−13 mba hamantarana ny sasany amin’ireo fomba nitahiana an’i Nefia sy ny fianakaviany nandritra ny diany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hanazava ny zavatra hitany.

Lazao amin’ireo mpianatra fa i Nefia dia nampianatra fitsipika izay manazava ny antony nahafahana nitahy ny fianakaviany nandritra io fotoan-tsarotra io. Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 17:3 sy hamantatra ny fitsipika izay manomboka amin’ny teny hoe raha. Hazavao fohifohy fa ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina matetika dia lazaina amin’ny endrika “raha-dia.” Ny teny raha dia milaza asa, ary ny teny dia dia milaza ny vokany (tsara na ratsy) izay hiainantsika ho toy ny vokatr’izany asa izany.

Ny 1 Nefia 17:3, na dia tsy hahitana ny teny hoe dia, aza dia milaza asa izany, miaraka amin’ny fitahiana vitsivitsy izay ho azo avy amin’izany. Asao ireo mpianatra hilaza ireo zavatra voarakitra amin’ny endrika “raha-dia” ao amin’ilay fitsipika izay hitany. Tokony hilaza zavatra mitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Raha mitandrina ny didy isika dia hampahery antsika ny Tompo ary hanome antsika ny fomba hanatanterahana izay zavatra nandidiany. (Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe.) Asao ny mpianatra hikaroka porofo mikasika izany fitsipika izany rehefa mandalina ny zavatra niainan’i Nefia izy ireo ary rehefa mandinika ny fiainan’izy ireo manokana.

Mizara taratasy mirakitra ireto fanontaniana manaraka ireto (na soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo mialoha ny fotoam-pianarana):

  1. Inona no nandidian’ny Tompo an’i Nefia mba ho ataony? (1 Nefia 17:7−8) Inona no nataon’i Nefia? (1 Nefia 17:9−11, 15−16) Inona no nataon’ireo rahalahiny? (1 Nefia 17:17−21)

  2. Ahoana no fomba nanampian’ny Tompo an’i Mosesy mba hanatanterahany ny asa nampanaovina azy? (1 Nefia 17:23−29)

  3. Inona no nitovizan’ny rahalahin’i Nefia tamin’ireo zanak’i Isiraely? (1 Nefia 17:30, 42)

  4. Inona no zavatra nandidian’ny Tompo izay mety ho sarotra amiko?

  5. Ahoana no hahafahako maneho fihetsika tahaka ny nataon’i Nefia sy i Mosesy? Ahoana no hisorohako ny fahadisoana nataon’ireo rahalahin’i Nefia sy ny zanak’i Isiraely?

Ampidiro ireo fanontaniana etsy ambony amin’ny alalan’ny fanazavana fa hanampy ireo mpianatra hahafantatra ny fomba nanohizan’i Nefia niaina ilay fitsipika ao amin’ny 1 Nefia 17:3 izy ireo taorian’ny nahatongavany tao Soafeno. Ilay fanontaniana ihany koa dia hanampy ireo mpianatra hampihatra ilay fitsipika amin’ny tenany manokana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 17:7−8. Asao ny mpianatra sisa hamantatra izay nandidiana an’i mba ho ataony. Asao ireo mpianatra hanoratra ny valinteniny eo ambanin’ny fanontaniana voalohany ao amin’ny taratasy nozaraina taminy na ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety naha sarotra izany didy izany ho an’i Nefia?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 17:9−11 ary mpianatra iray hafa hamaky mafy ny 1 Nefia 17:15–16. Alohan’ny hamakian’izy ireo dia asao ny mpianatra hihaino ny zavatra nataon’i Nefia nanoloana ilay didy hanamboatra sambo.

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny fihetsika nasehon’i Nefia?

Angataho ireo mpianatra hanoratra famintinana mikasika ny zavatra nataon’i Nefia eo ambanin’ny fanontaniana 1 ao amin’ny taratasy nomena azy ireo na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 17:17−21. Angataho ny mpianatra hitady ireo teny sy fehezanteny izay maneho ny fihetsika nasehon’i Lamàna sy i Lemoela. Angataho ireo mpianatra hanoratra famintinana mikasika ny zavatra nataon’i Lamàna sy i Lemoela nanoloana ny didy hanamboatra sambo. Asao ny mpianatra iray na roa mba hizara ny famintinana nataon’izy ireo amin’ny mpiara-mianatra.

Hazavao fa namaly ny fanomezan-tsiny nataon’ireo rahalahiny i Nefia tamin’ny fampahatsiahivana azy ireo fa nanampy an’i Mosesy ny Tompo hanatanteraka ilay asa hanafahana ireo zanak’i Isiraely tamin’ny fanandevozana. Nampitahain’i Nefia tamin’ny hamafisam-pon’ny zanak’i Isiraely ihany koa ny an’ireo rahalahiny. Asao ny mpianatra handalina ireo andalan-tsoratra masina sy hanoratra ireo valinteniny amin’ny fanontaniana 2 sy 3. Miankina amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatrao dia azonao atao ny mangataka azy ireo hanao izany tsirairay na miaraka amin’ny namana.

Rehefa voavalin’ireo mpianatra ny fanontaniana 2 sy 3, dia manontania hoe:

  • Tamin’ny fomba manao ahoana no nanampian’ny Tompo an’i Mosesy nanatanteraka ilay asa izay nandidiana azy ho ataony?

  • Ahoana araka ny hevitrao no nanampian’ny ohatra nasehon’i Mosesy an’i Nefia?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitovizan’ny rahalahin’i Nefia tamin’ny zanak’i Isiraely?

Ampahatsiahivo fa rehefa manome andraikitra na didy misy fahasarotana ho antsika ny Tompo dia afaka misafidy ny hanao toy izay nataon’i Nefia isika na afaka manao izay nataon’i Lamàna sy i Lemoela. Hazavao fa na dia tsy nandidy antsika hanao asa toy ny fanamboarana sambo na mampisaraka ny Ranomasina Mena aza Andriamanitra dia nanome antsika didy Izy ary nandidy antsika mba hanatanteraka zavatra izay sarotra ho an’ny olona sasany. Ohatra, nandidy antsika Izy mba hananantsika mandrakariva eritreritra madio sy hitandrina ny Sabata ho masina. Manantena antsika hanatanteraka ireo antso ao am-piangonana Izy (toy ny filohan’ny kôlejy na filohan’ny kilasy) sy hanompo ny hafa. Miandry antsika hitandrina ny fanekempihavanana nataontsika ihany koa Izy sy hijanona ho mazoto ao amin’ny Fiangonana na dia eo am-piatrehana zava-tsarotra maro aza. Omeo fotoana ireo mpianatra hanoratana ny valinteniny amin’ny fanontaniana faha 4 sy faha 5. Amporisiho izy ireo hamaly ny fanontaniana faha 4 amin’ny alalan’ny fanoratana mikasika izay zavatra nandidian’ny Tompo na inona izany na inona izay mety ho sarotra tamin’izy ireo.

Rehefa ampy ny fotoana nomena ireo mpianatra hanoratany dia vakio mafy ny fanehoan’i Nefia ny finoany ao amin’ny 1 Nefia 17:50. Avy eo dia asao ny mpianatra hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 17:51 ary eritrereto izay hampiharana izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo mba hanampy ny anarany aorian’ny teny hoe izaho ary hanolo ilay fehezanteny hoe manamboatra sambo amin’ny asa na didy izay hitan’izy ireo fa sarotra. Asao ireo mpianatra izay tsy manana olona amin’ny fanaovana izany mba hamaky mafy ny 1 Nefia 17:51 miaraka amin’ireo fanoloan-teny izay nataon’izy ireo. Resaho indray ilay fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no traikefa efa nananan’i Nefia tamin’io fitsipika io izay nanome azy fahatokian-tena fa hanampy azy ny Tompo mba hanatanteraka izay didy omena azy?

  • Inona no zavatra niainanao ka nanome anao fahatokian-tena fa hanampy anao hanatanteraka izay rehetra angatahany aminao Andriamanitra?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa rehefa mitandrina ny didy isika dia mampahery antsika ny Tompo ary manomana lalana ho antsika hanatanterahana ireo zavatra handidiany.

1 Nefia 17:45−55

Nobedesin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela noho ny haratsiam-panahin’izy ireo

Nampilefitra ny ambom-pon’ireo rahalahiny mpikomy i Nefia

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Nampilefitra ny Ambom-pon’ireo Rahalahiny Mpikomy i Nefia (62044; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 70). Asao ireo mpianatra hamintina ny zava-mitranga eo amin’ilay sary. Raha tsy manana valinteny aroso ireo mpianatra dia asao izy ireo hitady ny valiny ao amin’ny 1 Nefia 17:48, 53–54.

  • Araka ny voalazan’ny 1 Nefia 17:53, nahoana no nampangitakitaka ireo rahalahin’i Nefia ny Tompo? (Azonao atao ny misarika ny sain’ireo mpianatra amin’ny fanovozan-kevitra 53a eo amin’ny farany ambanin’ny pejy mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa ny teny hoe mampangitakitaka eto amin’ity toe-java-misy ity dia midika hoe “mampihozongozona na mampihovitrovitra.”)

Hazavao fa ny fangitangitahana nampiharin’ny Tompo tamin’i Lamàna sy i Lemoela dia mbola vao iray tamin’ireo fomba maro nifandraisan’ny Tompo tamin’izy ireo. Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 17:45 ary hitady fomba vitsivitsy nifandraisan’ny Tompo tamin’i Lamàna sy i Lemoela tany aloha.

  • Inona ireo fomba hafa nifandraisan’ny Tompo tamin’i Lamàna sy i Lemoela? Inona amin’izy ireo no toa ilay fomba katsahin’ny Tompo matetika indridra mba hifandraisana amintsika?

Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ity fehezanteny manaraka ity ao amin’ny 1 Nefia 17:45: “Niteny taminareo tamin’ ny feo tony sy malefaka izy.” Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Ny Fanahy Masina dia miteny amin’ny feo izay tsapa[nao] mihoatra ny hoe renao. Faritana toy ny ’feo tony sy malefaka’ izany [F&F 85:6]. Ary rehefa miresaka momba ny hoe “mihaino” ny bitsiky ny Fanahy isika dia matetika indrindra ny olona iray no milaza fitaomana ara-panahy amin’ny fitenenana hoe: ’Nanana fahatsapana aho fa …’” (“Personal Revelation: The Gift, the Test, and the Promise,” Ensign, Nôv. 1994, 60).

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra ity fahamarinana manaraka ity ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny 1 Nefia 17:45: Miteny amin’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy Masina, feo malefaka izay tsapantsika mihoatra ny hoe rentsika. (Mba hanamafisana ity fitsipika ity dia azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.)

  • Oviana ianao no nahatsapa ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina niresaka taminao?

  • Inona no ataonao mba hanampy anao hahatsapa sy hahafantatra ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina?

Rehefa avy mamaly fanontaniana ireo mpianatra dia azonao atao ny mamporisika azy ireo hanisy marika ity fehezanteny manaraka ity ao amin’ny 1 Nefia 17:45: “saingy efa donto ianareo, hany ka tsy nahatsapa ny teniny.” Angataho ireo mpianatra hamaky ny fehezan-teny voalohany ao amin’ny 1 Nefia 17:45 ary fantaro ny antony nahalasa “donto” an’i Lamàna sy i Lemoela. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany.

  • Nahoana ny maha “mailaka amin’ny fanaovana heloka” no nahatonga an’i Lamàna sy i Lemoela ho tonga “donto”?

  • Ahoana no mety hitondran’ny fahotantsika fiantraikany ratsy amin’ny fahafahantsika mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

Rehefa avy mamaly fanontaniana ireo mpianatra dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust ity, izay nanompo tamin’ny naha mpikambana azy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

“Ampiasaina amin’ny ankamaroan’ny fifandraisana amin’izao androntsika izao ny finday. Indraindray anefa isika dia mahita toerana tsy ahafahana mifandray an-telefaonina izay tsy ahatongavan’ny onjam-pifandraisana any amin’ny finday iray. Mety hiseho izany rehefa ao anaty tonelina na lohasaha voafefy haram-bato mideza na rehefa misy zavatra hafa misalovana.

“Toy izany ihany koa ny fifandraisana amin’Andriamanitra. … Mazàna isika no mijanona amin’ny toerana sy toe-javatra tsy ahafahana mifandray ara-panahy—izay manakana ireo hafatra avy any an-danitra. Tafiditra ao anatin’ireo toerana na toe-javatra tsy ahafahana mifandray ireo ny hatezerana, ny pôrnôgrafia, ny fandikan-dalàna, ny fitiavan-tena, ary toe-javatra hafa izay manohintohina ny Fanahy” (“Did You Get the Right Message?” Ensign na Liahona, Mey 2004, 67).

Hamaranana izany dia asao ireo mpianatra hieritreritra ireo hafatra izay nezahin’ny Tompo nampitaina tamin’izy ireo vao haingana. Amporisiho izy ireo hisaintsaina raha toa ka misy “toerana tsy azo hifandraisana ara-panahy” izay mety hanakana azy ireo hifandray tahaka izany. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra mikasika izany ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina.) Mijoroa ho vavolombelona fa miteny amin’ny feo malefaka sy tony ny Fanahy Masina izay tsapantsika mihoatra ny hoe rentsika. Mijoroa ihany koa ho vavolombelona fa afaka miaina izany fifandraisana amin’ny Fanahy Masina izany isika rehefa mikatsaka ny ho mendrika ireo bitsika malefaka.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 17:8−9. Ny fanamby izay natrehin’i Nefia tamin’ny fanamboarana sambo

Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Tsy tantsambo i Nefia. Notezaina tao Jerosalema izy, izay tanàna ao afovoan-tany, fa tsy teny amoron’ny Ranomasina Mediteraneana. Toy ny tsy azo heverina fa nahafantatra zavatra betsaka mikasika na nanana traikefa tamin’ny fampiasana ireo fitaovana sy fahaiza-manao hanamboarana sambo izy. Mety tsy mbola nahita sambo nandeha teny ambony ranomasina izany mihitsy izy teo aloha. Ny tena zava-dehibe izany dia nodidiana sy nampianarina hanamboatra zavatra iray izay tsy mbola namboariny mihitsy i Nefia mba handehanana any amin’ny toerana iray izay tsy mbola nalehany mihitsy” (“Learning to Love Learning” [Brigham Young University commencement address, Apr. 24, 2008], 4, speeches.byu.edu).

1 Nefia 17:45. “Efa donto ianareo”

Nanazava ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa ny tsy fisian’ny Fanahy eo amin’ny fiainan’ny olona iray dia mety milaza fa ilaina ny fibebahana:

“Zavatra takiana … amin’ny fananana ho namana sy ny fitarihana matetika avy amin’ny Fanahy Masina ny fahadiovana. Ny Fanahy dia tsy maintsy misintaka amin’ireo izay tsy madio. …

“… Raha sarotra aminao ny mahatsapa ny Fanahy Masina dia afaka misaintsaina amim-pahendrena ianao raha toa ka misy zavatra izay tokony hibebahanao na hahazoanao famelan-keloka.

“Raha nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao androany dia azonao raisina ho toy ny porofo izany fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotana. Noho izany antony izany sy ny maro hafa, dia hanao izay mety ianao mba hijanonanao amin’ny toerana sy asa izay manasa ny bitsiky ny Fanahy Masina. Ny fahatsapana ny Fanahy Masina dia miasa amin’ireto fomba roa ireto: tsy mitoetra afa-tsy ao anatin’ny tempoly madio ny Fanahy Masina ary ny fandraisana ny Fanahy Masina dia manadio antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Afaka mivavaka amim-pinoana ianao mba hahafantaranao izay tokony atao mba ho voadio ary ho mendrika ny fananana ny Fanahy Masina ho namana sy ny fanompoan’ny Tompo. Ary miaraka amin’izany fananana ny Fanahy ho namana izany dia hahazo hery hanoherana ny fakam-panahy ianao ary hahazo hery hamantarana ny famitahana” (“Gifts of the Spirit for Hard Times,” Ensign, Jona 2007, 23).