Tahirim-pitaovana
Lesona 105: Almà 59–63


Lesona 105

Almà 59–63

Fampidirana

Nifaly tamin’ny fahombiazan’i Helamàna ny Kapiteny Môrônia tamin’ny nahazoany indray ny sasany tamin’ireo tanàna Nefita izay very ka lasan’ny Lamanita. Kanefa rehefa fantany fa lasan’ny Lamanita ny tanànan’i Nefihà dia tezitra tamin’ny governemanta izy tamin’ny tsy firaharahiany ny handefa miaramila hanampy. Nitaraina ny amin’ny fijalian’ireo olo-marina izy tao anatin’ny taratasy nalefany ho an’i Pahôrana, ilay lohan’ny mpitsara, ary nibedy an’i Pahôrana tamin’ny tsy nanohanany ny foto-kevitry ny fahafahana. Tsy fantatr’i Môrônia fa nitsoaka tany an-tanin’i Gideôna i Pahôrana noho ny fikomian’ny mpomba ny mpanjaka Nefita. Tsy tezitra tamin’ny fibedesan’i Môrônia azy i Pahôrana fa nifaly kosa noho ny fitiavan’i Môrônia ny fahafahana. Nampatanjaka ny Nefita ny Tompo ary nandresy ireo mpomba ny mpanjaka sy ny Lamanita i Môrônia sy i Pahôrana ary ny vahoakan’izy ireo rehefa niara-niasa. Niaina fandriampahalemana indray ny Nefita taorian’ny taona maro nisian’ny ady ary nanangana indray ny Fiangonana i Helamàna.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 59

Very ny toeram-pamaharan’ny Nefita iray ary nalahelo i Môrônia noho ny faharatsian’ny vahoaka

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (notsongaina tao amin’ny The Teachings of Ezra Taft Benson [1988], 285) ity alohan’ny fotoam-pianarana:

“Tsara kokoa ny miomana sy misoroka toy izay manonitra sy mibebaka” (Filoha Ezra Taft Benson)

Mety efa naverinao nolazaina ity fanambarana ity tao amin’ny lesona momba ny Almà 49–51. Raha nanao izany ianao dia asio banga ho an’ny teny sasany rehefa manoratra izany eny amin’ny solaitrabe ianao. Asao ny mpianatra hameno ny banga.

Asao ny mpianatra hiresaka mikasika ireo fotoana teo amin’ny fiainan’izy ireo na ny fiainan’ny olona hafa fantatr’izy ireo rehefa nanampy tamin’ny fisorohana ny fahadisoam-panantenana sy ny alahelo ny fiomanana.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandalina ireo toko mikasika ny ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita izy ireo nandritra ireo lesona natao vao haingana. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 59:5–11 mba hieritreritra mikasika ny fomba ifandraisan’ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe amin’ny toe-javatra voalaza ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona no toa nanome fahafahana ny Lamanita handresy ny tanànan’i Nefihà? (Ny faharatsian’ny vahoaka tao Nefihà.)

  • Inona no hitanareo ao amin’ireo andininy ireo ka mahakasika ilay fanambarana voasoratra eny amin’ny solaitrabe?

Raha tsy manonona ity fanambarana manaraka ao amin’ny Almà 59:9 ity ny mpianatra dia lazao amin’izy ireo izany manao hoe: “Mora kokoa ny mitana ny tanàna tsy hianjera eo an-tanan’ny Lamanita toy izay ny maka izany indray aminy.” Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra mba hanisy marika io fanambarana io ao amin’ny soratra masiny. Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fomba hifandraisan’io fahamarinana io amin’ny fiainan’izy ireo dia asao izy ireo hampitaha ireo tanàna ato amin’ity tantara ity amin’ny tenany sy ireo ady ara-panahy atrehin’izy ireo. Aorian’izay dia apetraho ny iray na ny maro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ifandraisan’io fahamarinana io amintsika? (Ampio ny mpianatra hahita fa mora kokoa ny mijanona ho mahatoky noho ny miverina amin’ny finoana rehefa avy nania.)

  • Nahoana no mora kokoa ny mijanona ho mahatoky ao amin’ny Fiangonana noho ny miverina ao amin’ny Fiangonana rehefa avy nalaindaina nandritra ny fotoana maharitraritra?

  • Nahoana no mora kokoa ny mitazona ny fijoroana ho vavolombelona noho ny miezaka mahazo izany indray rehefa avy nania?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fomba mety hanafihan’ny fahavalo sy ny mpanara-dia ny fahavalo azy ireo. Amporisiho izy ireo hanoratra ao amin’ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina mikasika ny zavatra hataon’izy ireo mba hiomanana amin’ny ady ara-panahy.

Almà 60–62

Nanameloka an’i Pahôrana tamin’ny zavatra tsy nataony i Môrônia, ary namaly tamim-pitiavana sy tamim-panajana i Pahôrana

Vakio mafy ny Almà 59:13. Ataovy izay hahazoana antoka fa ny mpianatra dia mahatakatra fa tezitra i Môrônia satria nieritreritra izy fa tsy niraharaha na tsy nieritreritra ny fahafahan’ny vahoaka ny governemanta. Nanoratra taratasy ho an’i Pahôrana ilay lohan’ny mpitsara izy tao anatin’ny fahatezerany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 60:6–11.

  • Inona no nanamelohan’i Môrônia an’i Pahôrana?

  • Inona no fahatsapana tsapanareo ao anatin’ny fanamelohana ataon’i Môrônia?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto: Almà 60:17–20, 23–24. Asao ny mpianatra hamaky mangina ireo andininy ireo. Amporisiho izy ireo haka sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo raha teo amin’ny toeran’i Pahôrana izy ireo.

  • Tamin’ny fomba ahoana no mety nandratran’ireo fanamelohana nataon’ny Kapiteny Môrônia ireo ny fon’i Pahôrana?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 60:33–36. Asao ny iray kilasy hamaky sy hanaraka izany ary hikaroka ny zavatra nomanin’ny Kapiteny Môrônia ho atao raha tsy nanome valinteny nahafa-po tamin’ny fangatahany i Pahôrana. Rehefa avy nomena fahafahana nilaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia angataho izy ireo hamantatra ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay milaza ny antony nandrisika an’i Môrônia nanao ny fangatahany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 61:1–5 mba hamantatra ny antony tsy nahazoan’i Môrônia miaramila fanampiny.

  • Inona no fampahalalana nozarain’i Pahôrana tamin’i Môrônia?

  • Inona avy ireo fihetsika asehon’ny olona rehefa melohina amin’ny zavatra iray tsy nataony izy ireo?

  • Efa nomelohina tamin’ny zavatra iray tsy nataonareo ve ianareo? Inona no tsapanareo mikasika ireo fanamelohana sy ilay mpanameloka?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 61:9–10, 15–18 ary hikaroka izay zavatra manambara ny maha tena tsara ny toetran’i Pahôrana. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hitany.

  • Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny fomba namalian’i Pahôrana ireo fanamelohan’i Môrônia? (Ampio ny mpianatra hitady ity fitsipika manaraka ity: Afaka misafidy ny tsy ho tezitra noho ny teny sy ny fihetsiky ny hafa isika. Ireo fahamarinana hafa mety ho hitan’ny mpianatra dia mety hahitana hoe tsy tokony hilaza zavatra ratsy momba ny hafa hitsaratsarana azy isika ary rehefa miray hina amin’ny tsara miaraka amin’ny hafa isika dia matanjaka kokoa amin’ny ady ataontsika amin’ny ratsy. Azonao atao ny manoratra ireo fahamarinana ireo eny amin’ny solaitrabe.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hisafidiantsika ny tsy ho tezitra?

Anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo ka vonona ny hizara zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fisafidianana ny tsy ho tezitra rehefa nilaza zavatra ratsy na tsy marina mikasika azy ireo ny olona. Azonao atao koa ny mitantara zavatra iray niainanao manokana. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha zava-dehibe ny famelana ny hafa noho ny teny sy ny asa ataon’izy ireo izay manaratsy antsika. Amporisiho ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Pahôrana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 62:1. Asao ny iray kilasy hamantatra ny zavatra tsapan’i Môrônia rehefa naharay ny valintenin’i Pahôrana izy.

Hazavao fa na dia diso tamin’ny fanamelohany an’i Pahôrana aza ny Kapiteny Môrônia dia nampianatra fitsipika tsara maro izay azo ampiharina eo amin’ny fiainantsika izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 60:23. Lazao amin’ny mpianatra fa mety amin’ny olona rehetra izay mila mibebaka ny tenin’i Môrônia mikasika ny fanadiovana ny “atin’ny vazy.” Hazavao fa ny vazy dia fitoeran-javatra toy ny kaopy na vilia jobo. Asio loto na fotaka ao anatiny sy eo ivelan’ny kaopy iray (mety kokoa ny kaopy mazava loko raha toa ka misy izany). Anontanio ny mpianatra raha toa ka te hisotro rano amin’ilay kaopy izy ireo. Diovy ny eo ivelan’ilay kaopy ary anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo ka mahazo aina raha toa ka misotro rano amin’izany.

  • Inona no mety ho dikan’ny hoe manadio ny ao anatiny na ny atin’ny vazy raha toa ka eritreretintsika hoe vazy ny tenantsika?

Vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity:

“Tsy maintsy manadio ny atin’ny vazy isika (jereo ny Almà 60:23), manomboka amin’ny tenantsika aloha dia avy eo ny fianakaviantsika ary farany dia ny Fiangonana” (“Cleansing the Inner Vessel,” Ensign, Mey 1986, 4).

  • Nahoana no zava-dehibe ny hoe sady madio ao anaty isika (izay tsy hitan’ny olona) no sady madio ety ivelany (izay hitan’ny olona)?

  • Nahoana no zava-dehibe ny manadio ny atin’ny vazin’ny fiainantsika alohan’ny hahombiazantsika tanteraka ao anatin’ny fanjakan’ny Tompo?

Fintino ny Almà 62:1–38 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitondra ampahany tamin’ny miaramilany ny Kapiteny Môrônia mba hanampy an’i Pahôrana hanongana ireo mpomba ny mpanjaka tao Zarahemlà. Ary taorian’izay dia naka indray ireo sisa tavela tamin’ireo tanàna izay lasan’ny Lamanita i Môrônia sy i Pahôrana niaraka tamin’ny miaramilan’izy roa mitambatra sy ny fanampian’ny miaramila Nefita hafa. Nandroaka ny Lamanita hiala ny tany izy ireo ary nanorina fandriampahalemana teo anivon’ny vahoaka.

  • Inona avy ireo zava-tsarotra mety atrehin’ireo fianakaviana tsirairay aorian’ny fotoan’ny ady?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 62:39–41 mba hahitan’izy ireo ny fiantraikan’ny fizahan-toetra avy amin’ny ady teo amin’ny Nefita.

Rehefa mifanakalo hevitra momba io fanontaniana io ny mpianatra dia mety hanome valinteny tahaka ireto manaraka ireto izy ireo:

Afaka manana fiantraikany tsara eo amin’ny fiaraha-monintsika ny vavaka marina ataontsika.

Manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra ny olona sasany rehefa ao anatin’ny fahoriana raha toa kosa ka lasa mafy fo ny hafa.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mihamanakaiky an’Andriamanitra ny olona sasany rehefa miatrika fizahan-toetra? Nahoana ny olona sasany no tsy mitodika intsony any amin’ny Tompo rehefa miatrika fizahan-toetra? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa mamaritra ny fanatonantsika ny Tompo na tsia ny safidy ataontsika ao anatin’ny fahoriana.)

  • Rehefa namaky ireo toko momba ny ady ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia inona no nampianarin’ireo toko ireo anareo mikasika ny fijanonana ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy mandritra ny fotoan’ny ady na fifandirana?

Almà 63

Marobe ireo Nefita nandeha nanao dia nianavaratra

Fintino ny tenin’i Môrmôna ao amin’ity toko ity amin’ny alalan’ny fanazavana fa Nefita marobe no nanomboka nifindra monina nankany andafiavaratra tamin’ny alalan’ny dia an-tongotra sy tamin’ny alalan’ny sambo. Nomen’i Siblôna an’i Helamàna ireo rakitsoratra masina. Nodimandry ny Kapiteny Môrônia ary nitarika ny miaramila i Môrônihà zanany lahy, izay nahatosika ny fanafihan’ny Lamanita.

Azonao atao ny mamintina ity lesona ity amin’ny alalan’ny firesahana mikasika ny olona iray izay niatrika zava-tsarotra sy fahoriana ary nisafidy ny hanana fo malefaka sy nampitombo ny fahatokiany an’Andriamanitra. Mizarà zavatra niainana manokana.

Famerenana ny Almà

Makà fotoana kely hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ny bokin’i Almà. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ity boky ity na tamin’ny seminera na tamin’ny fandalinan’izy ireo samirery ny soratra masina. Raha toa ka ilaina dia asao izy ireo hamerina hijery ireo famintinana ny toko ao amin’ny Almà mba hanampiana azy ireo hitadidy. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny eritreritr’izy ireo sy fahatsapany mikasika ny zavatra iray nanaitra azy ireo tao amin’ilay boky.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 61. Fihetsika haseho amin’ireo izay mahatezitra na mandratra fo

Nizara tantara izay maneho ny maha zava-dehibe ny tsy tokony hitazonana lolom-po amin’ireo izay mety miezaka manao izay hahatezitra antsika na handratra antsika ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany manao hoe:

“Teo amin’ireo vohitra kanton’i Pensylvanie dia nisy andian’olona Kristiana niaina fiainana tsotra tsy nisy fiara, herinaratra na fitaovana maoderina. Niasa mafy izy ireo ary niaina tao anatin’ny fiainana mangingina sy nilamina lavitra ny olon-drehetra. Avy ao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’izy ireo ny ankamaroan’ny sakafony. Nanjaitra sy nanenona ny fitafian’izy ireo izay maotina sy tsotra ireo vehivavy. Fantatra tamin’ny anarana hoe vahoaka Amish izy ireo.

“Nipetraka tao amin’ny fikambanan’ny olona ao amin’ny Fitrandrahana Nikela an’ny Amish ny mpamily fiarabe mpitondra ronono iray izay 32 taona. Tsy Amish izy kanefa nitondra azy nankany amin’ireo toeram-piompiana fakana ronono an’ny Amish ny lalana nalehany rehefa naka ronono, toerana izay nahatonga azy ho fantatry ny olona tamin’ny anarana hoe ilay mpivarotra ronono tsy tia teniteny. Lasa adala sy tsy nahafehy tena tampoka anefa izy tamin’ny Ôktôbra lasa teo. Nanome tsiny an’ Andriamanitra izy tao anatin’ny fikorontanan-tsainy noho ny fahafatesan’ny zanany voalohany sy ireo fahatsiarovana tsy voamarina. Niditra an-keriny tamim-pahatezerana tsy amin’antony tao amin’ny sekoly Amish iray izy, namoaka ireo zazalahy sy olon-dehibe, ary namatotra ankizivavy 10. Notifiriny ireo ankizivavy ka matiny ny dimy ary noratrainy ny dimy. Taorian’izay dia namono tena izy.

“Niteraka tebiteby lehibe teo anivon’ny Amish fa tsy fahatezerana io herisetra nanohina fo io. Naratra ny fon’izy ireo fa tsy nankahala izy ireo. Namela heloka avy hatrany izy ireo. Nanomboka niaraka nanome tanana ny fianakavian’ilay mpivarotra ronono izay nijaly izy ireo. Rehefa tafavory tao an-tranony ny fianakavian’ilay mpivarotra ronono taorian’ilay fitifirana olona dia tonga tao amin’izy ireo ny mpifanolo-bodirindrina Amish iray ary namihina ny rain’ilay lehilahy nitifitra izay maty ka nilaza hoe ‘Hamela anao izahay.’ [In Joan Kern, “A Community Cries,” Lancaster New Era, 4 Ôkt. 2006, p. A8.] Namangy ny vady aman-janak’ilay mpivarotra ronono ireo mpitarika Amish mba hanolotra ny fiarahan’izy ireo miory, ny famelany, ny fanampiany ary ny fitiavany. Efa ho ny antsasak’ireo mpiara-miory nanatrika ny fandevenana ilay mpivarotra ronono no Amish avokoa. Nanasa ny fianakavian’ilay mpivarotra ronono hanatrika ny fandevenana ireo ankizivavy maty indray ny Amish avy eo. Nisy fitsaharana niavaka teo amin’ny Amish satria nanohana azy ireo ny finoany nandritra io fotoan-tsarotra io.

“Namintina tamin’ny fomba nampientam-po ny vokatr’izany zavatra nampivarahontsana izany ny olona iray nonina teo an-toerana rehefa niteny hoe ‘Mitovy avokoa ny teny ampiasaintsika, ary tsy ny teny Anglisy ihany, fa ny fanehoana firaharahiana, ny fanehoana firaisan-kina, ary ny fanehoana fanampiana. Ary eny tokoa fa eo koa ny fanehoana famelan-keloka.’ [Ao amin’ny Helen Colwell Adams, “After That Tragic Day, a Deeper Respect among English, Amish?” Sunday News, 15 Ôkt. 2006, p. A1.] Famborahana mahatalanjona ny finoan’izy ireo feno ny fampianaran’ny Tompo tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra izay manao hoe: ‘Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.’ [Matio 5:44.]

“Namoaka ireto teny manaraka ireto ho an’ny daholobe ny fianakavian’ilay mpivarotra ronono izay namono ireo ankizivavy dimy:

“‘Ho an’ireo Amish namanay, mpifanolobodirindrina aminay ary mpiara-monina aminay:

“‘Tian’ny fianakavianay ho fantatry ny tsirairay avy aminareo fa heniky ny famelan-keloka sy ny fahasoavana ary ny famindram-po izay natolotrareo ho anay izahay. Nanampy tamin’ny fanomezana ny fanasitranana tena nilainay mafy tokoa ny fitiavanareo ny fianakavianay. Nahakasika ny fonay tamin’ny fomba tsy hay lazaina ny vavaka sy ny voninkazo, ny karatra ary ny fanomezana nomenareo. Mahakasika olona maro ankoatra ny fianakavianay sy ny fiaraha-monintsika ny fiantranareo ary manova ny tontolontsika, ka noho izany dia tena mankasitraka anareo amin’ny fo izahay.

“‘Fantaro fa naratra tamin’ny zava-drehetra nitranga ny fonay. Feno alahelo ny amin’ireo Amish mpifanolobodirindrina aminay rehetra izay tianay sy mbola tianay izahay. Fantatray fa ho maro tokoa ireo andro sarotra ho an’ireo fianakaviana namoy olon-tiana ka noho izany dia hanohy hametraka ny fanantenanay sy fitokianay amin’ilay Andriamanitry ny fampiononana rehetra izahay eo am-pikatsahantsika rehetra ny hanorina indray ny fiainantsika.’ [“Amish Shooting Victims,” www.800padutch.com/amishvictims.shtml.]

“Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ireo vondron’ny Amish naneho famelan-keloka toy izany? Izany dia noho ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra sy ny fahatokiany ny teniny, izay ampahany amin’ny toetran’izy ireo anaty. Mandray ny tenany ho toy ny mpanara-dia an’i Kristy izy ireo ary maniry ny hanaraka ny ohatra nasehony.

Rehefa nahare ity loza ity ny olona dia marobe no nandefa vola ho an’ny Amish mba handoavana saram-pitsaboana ireo ankizivavy dimy velona sy ny vola lany tamin’ny fandevenana ireo ankizivavy dimy voavono. Ho fanampin’ny fanehoan’ny Amish ny maha mpanara-dia azy ireo dia nanapa-kevitra ny hizara ny sasany tamin’ireo vola ho an’ny vady navelan’ilay mpivarotra ronono sy ny zanany telo izy ireo satria niharam-boina tamin’ity loza mahatsiravina ity ihany koa izy ireo” (“The Healing Power of Forgiveness,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 67–68).

Almà 62:41. Fihetsika manoloana ny zava-tsarotra

Rehefa niresaka momba ny Almà 62:39–41 ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Mety hisy fiantraikany mifanohitra eo amin’ny tsirairay ny fitsapana mitovy ao anatin’ny fotoan-tsarotra. …

“Azo antoka fa mahafantatra olona nanana fiainana feno fahasarotana ianao, izay feno hatsaram-panahy sy nihanatanjaka ary notefen’izany, raha toa kosa ny hafa ka nanjary nalahelo sy naratra ary tsy faly rehefa nandalo fitsapana nitovy tamin’izany” (“The Mystery of Life,” Ensign, Nôv. 1983, 18).

Nanazava ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa misafidy ny fihetsika hasehontsika amin’ny fotoan-tsarotra isika manao hoe:

“Azo antoka fa tsy maintsy misy tanjona na fiantraikany mandrakizay ireo zava-tsarotra lehibe ireo. Afaka mampitodika ny fontsika amin’ Andriamanitra izy ireo. … Tahaka ny hitondran’ny fotoan-tsarotra ireo zava-tsarotra amin’ny fiainana an-tany ihany dia afaka ny ho fitaovana hitondra ny olona rehetra ho amin’ireo fitahiana mandrakizay koa izy ireo.

Ny fotoan-tsarotra goavana toy ny loza voajanahary sy ny ady dia toy ny tsy azo esorina amin’ny zavatra iainana eto an-tany. Tsy afaka misoroka azy ireny tanteraka isika kanefa afaka manapa-kevitra ny amin’ny zavatra hataontsika. Ny fotoan-tsarotry ny ady sy ny fanompoana miaramila ohatra, izay fahasimbana ara-panahy ho an’ny sasany, dia famohazana ara-panahy ho an’ny hafa. Mamariparitra izany fifanoherana izany ny Bokin’i Môrmôna manao hoe:

“‘Nefa indro, noho ny faharetan’ny ady izaitsizy tokoa teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita, dia maro no efa nanjary nihamafy fo, noho ny faharetan’ny ady izaitsizy tokoa; ary maro no efa nihanalefaka noho ny fahoriany, hany ka nanetry ny tenany teo anoloan’ Andriamanitra izy, tao amin’ny halalin’ny fanetren-tena mihitsy’ (Almà 62:41).

“Namaky lahatsoratra mikasika ny fifanoherana toy izany aho taorian’ny rivo-doza mpandrava izay namotika trano anarivony tao Floride taona maro lasa izay. Namerina tenin’olona roa samy hafa izay niaritra zava-doza nitovy ary nahazo fitahiana mitovy ny tantara iray tao amin’ny gazety nanao hoe: samy simba tanteraka ny tranon’ny tsirairay tamin’izy ireo, kanefa samy tsy niharam-pahafatesana sy ratra ny olona tsirairay tao amin’ny fianakavian’izy ireo. Nilaza ny iray fa nanimba ny finoany io loza io; amin’ny fomba ahoana, hoy izy, no hamelan’ Andriamanitra ny hitrangan’izany? Nilaza ilay iray hafa fa nanamafy ny finoany ilay zavatra niainany. Tsara fanahy taminy Andriamanitra hoy izy. Na dia very aza ny trano sy ny fananan’ny fianakaviana dia narovana ny ain’izy ireo ary afaka nanangana trano indray izy ireo. Ratsy avokoa no fahitan’ilay iray ny zava-drehetra. Tsara avokoa no fahitan’ilay iray hafa ny zava-drehetra. Ny fanomezana ny fahafahana misafidy ny tsara sy ny ratsy dia manome hery ny tsirairay avy amintsika mba hifidy ny fihetsika hasehontsika rehefa miaritra fahoriana” (“Adversity,” Ensign, Jolay 1998, 7–8).

Almà 63:4–10. I Hagôta sy ny taranany

Nilaza ireo mpaminanin’ny Andro farany fa nandeha niondrana an-tsambo nankany amin’ny nosy iray izay fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe Nouvelle-Zélande ny vahoakan’i Hagôta.

Hoy ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ireo Olomasina ao Nouvelle-Zélande hoe “Tiako ho fantatrareo ry rahalahy sy rahavavy avy ao Nouvelle-Zélande fa avy amin’ny vahoakan’i Hagôta ianareo” (naverin’ Spencer W. Kimball nolazaina ao amin’ny Joseph Fielding McConkie sy Robert L. Millet, Doctrinal Commentary on the Book of Mormon, boky 3 [1991], 329).

Ny Filoha David O. McKay dia nilaza tao amin’ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Hamilton Nouvelle-Zélande hoe “Maneho fankasitrahana izahay fa notarihinao teto amin’ireto nosy mahavokatra ireto ny taranaky ny Ray Lehia ary nanome azy ireo fahafahana hiroborobo” (“Dedicatory Prayer Delivered by Pres. McKay at New Zealand Temple,” Church News, 10 Mey 1958, 2).

Nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Azo eritreretina tsara ny milaza fa teo amin’ireo nosy nandritra ny taonjato sivy ambin’ny folo teo i Hagôta sy ireo taranany, nanomboka teo ho eo amin’ny 55 Talohan’i Jesoa Kristy ka hatramin’ny 1854 talohan’ny nahatongavan’ny filazantsara teo aminy voalohany. Tsy nanana ireo zavatra tsotra sy sarobidy izay nentin’ny Mpamonjy teto an-tany izy ireo satria mety efa teo amin’ilay nosy izy ireo rehefa teraka tao Jerosalema i Kristy” (Temple View Area Conference Report, Febroary 1976, 3; naverina nolazaina ao amin’ny Joseph Fielding McConkie sy Robert L. Millet, Doctrinal Commentary on the Book of Mormon, boky 3, 329).

Hamoaka printy