Tahirim-pitaovana
Lesona 86: Almà 25–26


Lesona 86

Almà 25–26

Fampidirana

Rehefa avy nandrava ny tanànan’i Amônihà ireo Lamanita dia nanao ady marobe hafa tamin’ny Nefita ary voatosika. Rehefa avy nizaka famoizana lehibe dia maro ireo Lamanita no nandevina ny fitaovam-piadiany sy nibebaka ary nanampy isa ny Antia-Nefia-Lehia. Rehefa namarana ny 14 taona nanaovana asa fitoriany teo anivon’ny Lamanita i Amôna sy ireo namany, dia nidera ny Tompo i Amôna ary naneho fankasitrahana noho ny fitahiana azy ireo ho lasa fitaovana teo an-tanan’Andriamanitra, nitondra ny filazantsara ho an’ny Lamanita.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 25:1–12

Tanteraka ny faminanian’i Abinadia sy i Almà

Adikao eny amin’ny solaitrabe mialoha ny hanombohana ity tabilao manaraka ity:

Faminaniana

Fahatanterahan’ilay Faminaniana

Almà 9:12. Inona no faminaniana nataon’i Almà tamin’ny vahoaka tao Amônihà?

Almà 25:1–2 (jereo ihany koa ny Almà 16:2–3, 9–11)

Môsià 17:14–19. Inona no naminanian’i Abinadia fa hitranga amin’ny taranak’i Noà Mpanjaka sy ireo mpisorony?

Almà 25:4–9

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fitokisana. Asao ireo mpianatra hilaza ny anaran’ireo olona sasantsasany izay mazàna ametrahantsika ny fitokisantsika. (Mety ho valiny ny hoe: ny Tompo, ireo mpaminany, ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra sy ny mpanazatra.) Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Fa nahoana no mora kokoa ny mametraka ny fitokisana amin’ny olona sasantsasany toy izay amin’ny olon-kafa?

  • Amin’ireo olona rehetra eto an-tany ankehitriny, amin’iza no mora kokoa aminao ny mametraka fitokisana?

Lazao ireo mpianatra fa ny Almà 25 dia ahitana porofo mazava fa ny tenin’ny Tompo ho an’ireo mpaminany dia ho tanteraka foana. Hazavao fa hampiasa ny tabilao eny amin’ny solaitrabe ireo mpianatra mba handalinana faminaniana roa nataon’ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo. Asao ireo mpianatra handika ilay tabilao ao anatin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina. Asaivo soratan’izy ireo eo amin’ny tsanganana voalohany ny valin’ireo fanontaniana amin’ny fampiasana ireo andinin-tsoratra masina efa nomena. Eo amin’ny tsanganana faharoa, dia asaivo soratan’izy ireo ny mikasika ny fahatanterahan’ireo faminaniana. Manasà mpianatra vitsivitsy hitatitra ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 25:11–12. Asao ny ambiny hanaraka tsara ary hijery izay voalazan’i Môrmôna fa nitranga tamin’ny tenin’i Abinadia. Azonao atao ny manome hevitra ny mpianatra hanisy marika ny teny hoe “ireo teny ireo dia voamarina” ao amin’ny andininy faha 12.

  • Inona no tiana holazaina ao amin’ny teny hoe “ireo teny ireo dia voamarina”?

Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra ny F&F 1:38 ao amin’ny soratra masina eo akaikin’ny Almà 25:12. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38. Asao ny mpianatra hafa hanaraka tsara sy hijery ny teny izay mitovitovy amin’ny teny hoe “ireo teny ireo dia voamarina.” (“Ho tanteraka avokoa.”)

  • Inona no ianarantsika avy amin’ny Almà 25:1–12 mikasika ny faminaniana sy ny fampanantenana ataon’ireo mpaminany? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ireo teny feno fitariham-panahy avy amin’ireo mpaminany dia ho tanteraka avokoa.)

Mariho fa ireo ohatra ao amin’ny tabilao dia maneho fa ho tanteraka foana ny fampitandremana ataon’ireo mpaminany ho an’ireo ratsy fanahy. Mizara fampanantenana ho an’ireo izay te-hitodika amin’ny Tompo ihany koa ireo mpaminany. Ho tanteraka ihany koa ireo fampanantenana ireo. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fampiharana io fitsipika io eo amin’ny fiainan’izy ireo dia vakio ity teny izay nataon’ny Fiadidiana Voalohany ity izay avy ao amin’ny Jeunes, soyez forts! Asao ireo mpianatra hihaino ireo fampanantenana ho an’ireo mitandrina ny fenitra ao amin’ny bokikely.

“Ireo fenitra ao amin’ity bokikely ity dia hanampy anao eo amin’ireo safidy manan-danja izay ataonao amin’izao fotoana izao ary izay mbola hataonao amin’ny ho avy. Mampanantena anao izahay fa raha mitandriana ny fanekempiahavanana izay nataonao ianao sy ireto fenitra ireto dia hanana ny Fanahy Masina ho namana, ary hiha-matanjaka ny finoanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao, ary higoka fahasambarana mitombo hatrany ianao” (Jeunes, soyez forts [bokikely, 2011], ii).

  • Inona no nampanantenain’ny Fiadidiana Voalohany?

  • Oviana ianao no nahitana ny fahatanterahan’ireo fampanantenana ireo?

Almà 25:13–17

Lamanita maro no nibebaka ary nitambatra tamin’ireo Antia-Nefia-Lehia

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 25:13–14. Asao ny hafa hanaraka tsara ary hijery ny zavatra nataon’ny Lamanita maro rehefa nahatsapa izy ireo fa tsy nahatohitra an’ireo Nefita.

  • Inona no manaitra anao tamin’ny fihetsiky ny Lamanita?

Asaivo mamaky mangina ny Almà 25:17 ny mpianatra, ka mitady ny zavatra tsapan’ireo zanakalahin’i Môsià mikasika ny fahombiazana azon’izy ireo teo anivon’ny Lamanita.

  • Amin’ny fomba ahoana no maha voamarina ny tenin’ny Tompo raha ny mikasika ny fahombiazan’ireo zanakalahin’i Môsià? (Raha toa mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaliana io fanontaniana io, dia asaivo mijery ny Môsià 28:5–7 sy Almà 17:11.)

Almà 26

Nifaly tamin’ny famindram-pon’ny Tompo taminy sy tamin’ireo rahalahiny ary tamin’ny Lamanita i Amôna

Manehoa fitaovana sasantsasany (toy ny maritoa, tournevis, lakile, penina na penisilihazo, pinceau, hety, solosaina, ary zava-maneno). Hazavao fa ny teny hafa ilazana ny hoe fitaovana dia hoe kojakoja fampiasa.

  • Inona no azon’ny mpanao asa tanana na mpahaikanto iray mana-talenta atao amin’ny fitaovana manavanana azy?

  • Inona no mety ho fiheveran’ny olona iray izany hoe fitaovana eo an-tanan’ny Tompo izany izy?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 26:1–5, 12. Asao ny mpianatra hamantatra ireo fomba nataon’i Amôna sy ireo misiônera mpiara-mitory taminy tamin’ny naha fitaovana teo an-tanan’Andriamanitra azy ireo.

  • Inona no zavatra notanterahan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Amôna sy ireo mpiara-mitory taminy?

  • Ahoana no fomba ilazanao amin’ny teny hafa ny Almà 26:12? Ahoana ny fomba hifandraisan’io teny nataon’i Amôna io amin’ny maha fitaovana eo an-tanan’ny Tompo?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 26:11, 13, 16 sy hitady ireo fotoana rehetra iverenan’ny teny hoe fifaliana sy hafaliana. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ireo teny ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 26:13–16 ary asao ny mpianatra hitady ireo antony voalazan’i Amôna fa nahatonga ny fifaliany.

  • Inona no antony nifalian’i Amôna?

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo? (Mety hiteny fitsipika maro samihafa ireo mpianatra. Ity fitsipika ity dia azo ampiasaina ho famintinana ny fanamarihana ataon’izy ireo: Miaina fifaliana isika rehefa manompo ny Tompo sy ireo Zanany amim-pahatokiana. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Fa nahoana araka ny hevitrao no mahita fifaliana isika rehefa manompo ny Tompo?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina sy fanontaniana ireto. (Diniho ny hanoratana izany mialoha ny fanombohan’ny kilasy.) Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny ekipa tsirairay hamaky iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ary hifanakalo hevitra mikasika ny valin’ny fanontaniana miaraka amin’izany.

Almà 26:17–20. Karazan’olona toy ny ahoana i Amôna sy ny rahalahiny talohan’ny fiovam-pon’izy ireo?

Almà 26:23–25. Araka ny zavatra nolazain’ny Nefita tamin’i Amôna sy ireo rahalahiny, dia toy ny ahoana ireo Lamanita talohan’ny fiovam-pon’izy ireo?

Manokana fotoana ahafahan’ny mpianatra vitsivitsy manazava ny valinteniny amin’ireo fanontaniana ireo. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 26:23–29, ary hitady ireo sakana natrehan’i Amôna sy ireo rahalahiny teo amin’ny asa fanompoana ny Tompo sy ireo Lamanita.

  • Inona amin’ireo sakana ireo no heverinao fa atrehan’ireo misiônera amin’izao fotoana izao?

  • Araka ny ao amin’ny Almà 26:27, 30, inona no nandrisika an’i Amôna sy ireo mpiara-mitory aminy hanohy hanompo? (Ny fankaherezana sy ireo fampanantenan’ny Tompo ary ny faniriana “ho tonga fitaovana hamonjena ny fanahy sasany.”)

Asaivo mamaky mangina ny Almà 26:31–34 ny mpianatra ary hitady ny sasany amin’ireo vokatry ny asan’ireo zanakalahin’i Môsià. Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo hamakiana dia angataho mba hizara ny zavatra hitany.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 26:35–37. Asaivo manaraka tsara ireo mpianatra ambiny sady mandalina ireo antony tokony hifalian’izy ireo amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra.

  • Inona avy no hafatra hitanao ao amin’ireo andininy ireo?

Mariho fa ny iray amin’ireo hafatra maro ao anatin’ireo andininy ireo dia ny hoe Mamindra fo ny Tompo amin’ireo rehetra izay mibebaka sy mino ny Anarany. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinan’io fitsipika io sy ny maha-zava-dehibe azy io dia vakio ity teny nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Fahalalana no azo avy amin’ireo izay nanao fahadisoana goavana. Hoy izy ireo manontany, ’Moa ve aho mbola ho afaka ny ho voavela heloka ihany?’

“Ny valiny dia eny!

“Mampianatra antsika ny filazantsara fa afaka ho azo amin’ny alalan’ny fibebahana ny fanamaivanana ny fijaliana sy ny fahatsapana ho meloka. Ankoatr’ireo vitsivitsy izay mikomy mankany amin’ny fahaverezana rehefa avy nahalala ny fahafenoana, dia tsy misy fahazarana, tsy misy fiankinan-doha, tsy misy fikomiana, tsy misy fandikan-dalàna ary tsy misy fanafintohinana izay tsy voaray ao amin’ilay fampanantenana famelan-keloka tanteraka” (“The Brilliant Morning of Forgiveness,” Ensign, Nôv. 1995, 19).

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny Sorompanavotana izay ahazoana ny famelana ny fahotana, na lehibe na kely, ho an’ireo izay manana finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka. Mijoroa ho vavolombelona ihany koa ny amin’ny fifaliana izay tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa manompo amin’ny maha fitaovana eo an-tanan’ny Tompo isika.

Hamoaka printy