Tahirim-pitaovana
Lesona 2: Mandalina ny soratra masina


Lesona 2

Mandalina ny Soratra masina

Fampidirana

Hanampy ireo mpianatra hanana fahatakarana lalina momba ireo tanjon’ny soratra masina ity lesona ity. Hanampy azy ireo ihany koa handalina ny soratra masina amim-pahamatorana kokoa izany. Tafiditra ao anatin’izany ireo asa atao manditra ny fianarana mikasika ny fahatakarana ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho ao amin’ny soratra masina, ny famantarana sy ny fanakarana ireo fotopampianarana sy fitsipika, ary ny fampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipika eo amin’ny fiainantsika. Rehefa mihatsara ny fahaizan’ireo mpianatra mandalina ny soratra masina, dia hitombo ny fitiavan’izy ireo ny soratra masina, ary hitombo tahaka izany koa ny fahatakarany ny filazantsara. Mitadiava fomba handinihana indray ireo fahalalana ato amin’ity lesona ity mandritra ny taona.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ahoana no fomba hanombohantsika ny fandalinana soratra masina ao amin’ny seminera?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanambarana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson manaraka eto ity alohan’ny hiatombohan’ny fotoam-pianarana. (Hita ao amin’ny pejy faha 107 ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe ny Ôktôbra 1970 izany fanambarana izany.)

“Ny tanjon’ny fampianarana ny filazantsara dia … tsy ny ’handraraka toy ny rano ny fahalalana’ ao an-tsain’ireo mpianatra. … Ny hitaona ny tsirairay hieritreritra, sy hahatsapa, ary avy eo dia hanao zavatra mikasika ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara no tanjona” (Ny Filoha Thomas S. Monson).

Asao hamaky mafy ny fanambarana ny mpianatra iray.

  • Raha miainga amin’io fanambarana io, inona no tokony ho tanjoko amin’ny maha mpampianatra seminera anareo ny tenako? Inona no tokony ho tanjonareo amin’ny maha mpianatra seminera anareo?

Lazao amin’ny mpianatra fa hahafantatra fomba ahafahana “mieritreritra, sy mahatsapa, ary avy eo dia hanao zavatra mikasika ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara” izay ampianarina ao anatin’ny soratra masina izy ireo ao anatin’ity lesona ity.

Manakatra ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho ao amin’ny soratra masina

Hazavao fa ny zavatra iray azon’ny mpianatra atao mba hanatsarana ny fandalinany soratra masina dia ny mianatra mikasika ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho ao amin’ny tantara ary ny fanambarana ao amin’ny soratra masina. Mazàna ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho dia antsoina hoe votoatin’ny tantara.

Asao hamaky ity torohevitra manaraka avy amin’ny Filoha Thomas S. Monson ity ny mpianatra iray:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Fantaro ireo lesona ampianarin’ny soratra masina. Hianaro ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho ao anatin’ireo fanoharana nataon’ilay Mpampianatra sy ny fampitandreman’ireo mpaminany. Ianaro toy ny miantefa aminao izy ireo, satria izany tokoa no izy” (“Be Your Best Self,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 68).

Ampahatsiahivo fa ny fahazoana ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho dia afaka manampy antsika hahatakatra ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina. Manome fahalalana izay manazava sy mitondra fahatakarana lalina ireo tantara, sy ireo fotopampianarana, ary ireo fitsipika ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina izany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza no miteny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Miresaka amin’iza izy?

  • Inona no mitranga eto amin’ ity tantara ity?

Hazavao fa afaka manampy antsika hahazo ny votoatin’ny fampianarana na ny tantara ao amin’ny soratra masina ireo fanontaniana ireo.

Angataho hizara izay nataony mba hahatakarana tsara kokoa ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho ao amin’ireo andian-tsoratra masina ireo ny mpianatra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo hevitra ireo.

Mety hilaza fomba toy ny mikaroka ny dikan’ireo teny sarotra na tsy mahazatra, mandinika ireo lahatsoratra manodidina, mamaky ireo sasin-teny eo am-piandohan’ny toko sy fizarana, na mikaroka ireo fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy ho fanazavana ary ireo soratra masina mifandray ireo mpianatra. Ataovy izay ahazoana antoka fa voatonona ireo fahaiza-manao zavatra ireo raha tsy voalazan’ny mpianatra.

Asao hamaky mafy ny 3 Nefia 17:1–10 ny mpianatra iray mba hamolavolana fomba iray ahatakarana ny votoatin’ny soratra masina. Angataho ny mpianatra mba hanaraka, hitady ny valin’ireo fanontaniana nosoratanao eo amin’ny solaitrabe. Amporisiho ihany koa izy ireo hijery ny famintinana ny toko mba hahitana famaritana haingana ny ao anatin’izany.

  • Iza no mitantara ilay tantara ao amin’ny andininy 1, 5–6, sy 9–10? Môrmôna

  • Iza no miteny ao amin’ny tantara? Iza no mandray ny hafatra?

  • Inona no niseho talohan’ireo zava-nitranga ao amin’ity tantara ity? (Jereo ny sasin-tenin’ny toko 3 Nefia 8–16.) Ahoana no fiantraikan’ny fahalalanao mikasika ity hevitra fototra ity amin’ny fahatakaranao hoe nahoana no tian’ny olona hijanona maharitraritra miaraka aminy ny Tompo? (Jereo ny 3 Nefia 17:21.) Inona no fahagagana nitranga rehefa avy nilaza izy fa hijanona? (Jereo ny 3 Nefia 17:21.)

Mamantatra sy Manakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Hamafiso fa vonona kokoa ny hamantatra sy hahazo ireo fotopampianarana sy fitsipika voarakitra ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina ny mpianatra rehefa mahazo ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho ao anatiny izy ireo. Asao hamaky mafy ity famaritana ny fitsipiky ny filazantsara manaraka eto ity, izay nozarain’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny mpianatra iray:

“Fahamarinana marihitra, natao anaty fonosana mba ho ampiasaina amin’ny toe-javatra maro samihafa ireo fitsipika” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, Nov. 1993, 86).

Hazavao fa ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika dia fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay maharitra mandrakizay sy tsy miova, izay manoro lalana eo amin’ny fiainantsika. Ireo no lesona tian’ireo mpaminany fahiny hianarantsika avy amin’ireo trangan-javatra, sy tantara, ary toriteny noraketin’izy ireo ao amin’ny soratra masina. Asehoy fa nampiasa fehezanteny toy ny hoe “dia toy izany no ahazoantsika mahita” ireo mpanoratra sasany ao amin’ny soratra masina” (jereo ny Helamàna 3:27–29) na teny toy ny hoe noho izany (jereo ny Almà 32:16) mba hanoroana avy hatrany ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika. Na izany aza, dia maro ireo fotopampianarana sy fitsipika tsy voalaza mivantana tahaka izany ao amin’ny soratra masina. Ho solon’izany, dia hita taratra sy aseho amin’ny alalan’ny fiainan’ireo izay ao amin’ny soratra masina ireo fahamarinana ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika tsy voalaza mivantana, dia tolory hevitra izy ireo fa rehefa mamaky, dia afaka mametraka fanontaniana amin’ny tenany ihany toy izao manaraka izao: Inona no hafatra tsoahina avy amin’ity tantara ity? Inona no lesona tian’ny mpanoratra mba hosintonintsika avy amin’ity tantara ity? Inona avy ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ity ampahan-tsoratra masina ity? Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo.

Asaivo miverina ao amin’ny 3 Nefia 17:1–10 ireo mpianatra mba hanampiana azy ireo hanazatra tena amin’ny famantarana ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika. Mametraha fanontaniana:

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny fahazoana ny teniny, avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 17:2–3?

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana mikasika ny Mpamonjy avy ao amin’ny 3 Nefia 17:5–7?

  • Nanolo-tena ny hanasitrana ny olona ny Mpamonjy, ho setrin’ny finoana lehibe nananan’izy ireo. Inona avy ireo fitsipika hitanao ao amin’ny 3 Nefia 17:8–9 mikasika ny fikatsahana ireo fitahiana avy amin’ny Tompo? (Iray amin’ireo fitsipika mety ho hitan’ireo mpianatra ny hoe mamaly ny faniriana marina ananantsika mba hanakaiky azy bebe kokoa ny Tompo.)

Raha mbola misy fotoana azo omena ireo mpianatra hanaovany fampiharana amin’ny famantarana ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika, dia asao hitady ny tantara tiany indrindra ao amin’ny soratra masina izy ireo. Asaivo mamantatra ireo fitsipika nianarany avy amin’ireo tantara ireo ny mpianatra. Avy eo dia asao hizara ireo tantarany sy ireo fitsipika nianarany izy ireo.

Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Hoy ny Filoha Boyd K. Packer, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Rehefa takatra ny fotopampianarana marina dia manova ny toetra sy ny fitondrantena. Hanatsara haingana kokoa ny fitondrantenanao ny fandalinana ny fotopampianaran’ ny filazantsara noho ny fandalinana ny momba ny fitondrantena mba ho entina hanatsarana ny fitondrantena.” … Izay no antony hanantitranterantsika mafy ny fandalinana ireo fotopampianaran’ny filazantsara” (“Little Children,” Ensign, Nôv. 1986, 17).

Hazavao fa mahafantatra misimisy kokoa mihoatra ny famaritana ireo teny isika rehefa mahatakatra fotopampianarana na fitsipika iray. Fantatsika ny lanjan’ilay fotopampianarana na fitsipika eo amin’ny fiainantsika. Rehefa mahafantatra fotopampianarana na fitsipika iray isika ary mahatakatra izany, dia afaka mampihatra izany eo amin’ny fiainana. Hazavao fa mampihatra isika rehefa manao zavatra mikasika ireo fitsipika izay nianarantsika. Hanana fahafahana lehibe hahatsapa ny Fanahy Masina hanamafy ny fahamarinan’ireo fitsipika ireo ny mpianatra izay mandray andraikitra eo anatrehan’izany fitsipika izany (jereo ny 2 Nefia 32:5; Môrônia 10:5). Izany no tena tombontsoa avy amin’ny fahalalana azo avy amin’ny fandalinana soratra masina. Ampio ireo mpianatra hahita fa tokony ny hanatsara ny ezaka ataony hiaina ny filazantsara sy ny hanakaiky bebe kokoa an’Andriamanitra ny iray amin’ireo tanjony fototra, rehefa mandalina soratra masina izy ireo—na ao an-trano, na any am-piangonana, na any amin’ny kilasin’ny seminera, na manao ny Mon Progrès Personnel na ny Devoir Envers Dieu, na any amin’ny toerana hafa—.

Amporisiho ireo mpianatra hivavaka mba hangataka ny fanampian’ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinan’izy ireo manokana, mba hanampiana azy ireo hahatakatra sy hampihatra ireo fitsipika vao hitany tao amin’ny soratra masina. Amporisiho ihany koa izy ireo hametra-panontaniana toy izao manaraka izao rehefa mandalina: Inona no tian’ny Tompo hataoko amin’ity fahalalana ity? Inona no fiovana azon’izany entina eo amin’ny fiainako? Inona no azoko atomboko na azoko ajanona amin’izao fotoana izao mba hiainako ny fiainako amin’ny fomba tsaratsara kokoa? Ahoana no ahatsara kokoa ny fiainako raha manao izany aho? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo na izy rehetra. Tolory hevitra ihany koa ireo mpianatra hanoratra ireo fanontaniana ireo ao amin’ny diary fandalinany soratra masina mba hahafahany manovo fahalalana matetika avy amin’izany.)

Ho famaranana, dia zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mifampizara ireo fitsipika nianarany androany tao amin’ny 3 Nefia 17:1–10 izy ireo. Amporisiho izy ireo mba hiresaka mikasika izay nataony mba hampitomboana ny fahatakarany ireo fitsipika sy izay ho ataony mba hampiharana izay nianarany sy izay tsapany. Angataho izy ireo mba hiresaka mikasika ny fomba ahafahan’ny fampiharana ireo fitsipika ireo manova ny fiainany.

Hamoaka printy