Tahirim-pitaovana
Lesona 32: 2 Nefia 12–15


Lesona 32

2 Nefia 12–15

Fampidirana

Nanameloka ny faharatsian’ny olona tamin’ny androny i Isaia ary koa ny faharatsian’ireo olona maro amin’ny andro farany. Nampitandrina amin’ny fiantsoantsika ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy izy. Nohamafisiny koa ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany, ka tafiditra ao anatin’izany ny lanjan’ny tempoly sy ny maha zava-dehibe ny hoe madio amin’ny fahotan’izao tontolo izao. Ho fampahalalana bebe kokoa mikasika an’i Isaia dia jereo ny lesona 21 ao amin’ity boky ity.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 12–15

Navahan’i Isaia i Isiraely ratsy fanahy sy i Isiraely tsara toetra

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny votoatin’ny lesona androany dia atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana azy ireo fa nianatra momba ny fiantsoana an’i Isaia ho mpaminany izy ireo tao amin’ny lesona farany. Androany izy ireo dia hianatra momba ny olona izay nampianariny.

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa rehefa nitantara mikasika ny zavatra nataon’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo tamin’ny androny i Isaia dia nitantara koa mikasika ireo vahoaka sasantsasany amin’izao androntsika izao izy. Nanazava ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny bokin’i Isaia dia ahitana faminaniana maro izay toa tanteraka amin’ny endriny maro.” … Ny fananan’ireo faminaniana ireo dikany maro dia manamafy ny maha zava-dehibe ny fikatsahantsika fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy antsika handika azy ireo” (“Scripture Reading and Revelation,” Ensign, Jan. 1995, 8).

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity na ataovy amin’ny taratasy zaraina. Asio faritra malalaka ampy hanoratan’ny mpianatra ao anatin’ny tsanganana tsirairay.

2 Nefia 12:5–12, 17–19; 13:8–9

2 Nefia 13:16–26

Inona avy ireo toetra sy fomba fanao izay ahitana taratra ny fahotan’ireo olona ireo?

Inona no hitranga amin’ireo olona ireo vokatry ny fahotany?

Hazavao fa ity tabilao ity dia hanampy ny mpianatra handinika ny vokatry ny zavatra nataon’ny olona izay tsy niaina araka ny fanekempihavanany.

Zarao ho roa ny mpianatra. Angataho ny antsasaky ny mpianatra mba handalina ny 2 Nefia 12:5–12, 17–19; 13:8–9. Angataho ilay antsasany iray hafa mba handalina ny 2 Nefia 13:16–26. Asao ny mpianatra mba hamaky ireo andininy izay nampiandraiketina azy ireo ary hitady ny valin’ireo fanontaniana roa eo amin’ny faritra havian’ilay tabilao. Raha natao teo amin’ny solaitrabe ilay tabilao dia asao ny mpianatra avy amin’ny vondrona tsirairay mba hanoratra ny valintenin’izy ireo eo amin’ny faritra tokony hisy izany. Raha toa ka natao tamin’ny taratasy zaraina ilay tabilao dia asaivo soratan’ny mpianatra eo amin’ny taratasiny ny valinteniny.

Hazavao amin’ilay vondrona faharoa fa hitan’i Isaia mialoha ny vokatry ny fomba fiakanjo sy ny fihetsika diso tafahoatran’ny vehivavin’izao tontolo tamin’ny androny sy amin’ny hoavy. Manazava ny zavatra hitany ny 2 Nefia 13:16–26. Na dia nitodika manokana tamin’ireo “zanakavavin’i Ziona,” aza i Isaia dia miantefa amin’ny lehilahy koa ny teniny. (Azonao hazavaina fa ilay faminaniana ao amin’ny 2 Nefia 14:1 dia tsy momba ny fanambadiana maro. Momba ireo lehilahy maty an’ady izay voalaza ao amin’ny 2 Nefia 13:25–26 izany ka namela vehivavy maro mananotena.)

Rehefa nanana fotoana ampy namaliana ireo fanontaniana ao anatin’ilay tabilao ny mpianatra dia anontanio hoe:

  • Inona no fahotana nataon’ireo olona ireo? (Mety ahitana ireto ny valiny: fiavonavonana, fanompoan-tsampy, fironana amin’ny zavatra ara-nofo ary fieboeboana.) Inona avy ireo fehezanteny izay maneho fa meloka noho ireo fahotana ireo ilay vahoaka?

  • Inona no vokatr’ireo fahotana ireo? Nolazain’i Isaia fa “feno sampy” ilay tany (2 Nefia 12:8). Inona avy ireo karazan’endrika sasantsasan’ny fanompoan-tsampy ankehitriny?

Vakio ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io ity torohevitra manaraka avy amin’ny Filoha Spencer W. Kimball ity:

“Ireo sampy sy andriamani-kafa amin’izao fotoana izao dia mety haka endrika maro toy ny fitafiana, trano, fandraharahana, masinina, fiara, sambo fialam-boly ary zavatra maro hafa mandrebireby ny saintsika hiala amin’ilay lalan’ny fahamasinana. … Maro ireo zatovolahy manapa-kevitra ny hianatra any amin’ny oniversite raha tokony handeha hanao asa fitoriana aloha izy ireo. Ny mari-pahazaina sy ny harena ary ny fiadanana azo avy amin’izany dia toa mampitsiriritra ka lasa any amin’ny toerana faharoa ny asa fitoriana. … Maro ireo manana sampy toy ny fihazana, ny fandehanana manjono, ny fandehanana manao vakansy, ny fitsangantsanganana sy fivoahana amin’ny faran’ny herinandro. Ny sampin’ny sasany dia ny fifaninanana ara-panatanjahantena, ny baseball, ny football, savika ombilahy na golf. … Mbola endriky ny sampy iray hafa tompoin’ny olombelona koa ny fahefana sy ny voninahitra” (The Miracle of Forgiveness [1969], 40–41).

  • Naminany mikasika ireo olona izay haneho ny fiavonavonany sy ny fironany amin’ny zavatra ara-nofo amin’ny alalan’ny fomba fiakanjony i Isaia. Ahoana no fomba ahafahantsika miaro tena amin’ny toetra tia zavatra ara-nofo sy ny fironana amin’ny fanaon’izao tontolo izao?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe lozan’izay. Hazavao fa ny teny hoe lozan’izay dia ilazana ny fisian’ny alahelo sy fijaliana. Matetika ireo mpampinany fahiny no nampiasa io teny io mba hanamafisana ny vokatry ny fahotana. (Mety hahatsiaro zavatra ny mpianatra rehefa mahita io teny io izay miverina ao amin’ny 2 Nefia 9:27–38.) Asao ny mpianatra mba hihaino rehefa vakianao mafy ny 2 Nefia 15:18–23. (Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanisy marika ny teny hoe lozan’izay sy ireo andian-teny izay mamaritra ireo fihetsika sy toetra izay hitondra alahelo sy fijaliana. Azonao toroana hevitra koa izy ireo mba hanoratra ny famaritana ny hoe lozan’izay eny amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ireo andinin-tsoratra masina.)

  • Inona no dikan’ny 2 Nefia 15:20 ho anao?

  • Teo amin’ny lafiny inona no nahitanao olona niantso ny “ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy” amin’izao androntsika izao?

Lazao ny mpianatra fa izao izy ireo dia hamaky momba ny vondron’olona iray izay nihazona ny fanekempihavanany. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 14:2–4. Asaivo tadiavin’ny mpianatra ambiny ny famaritan’i Isaia izany vondron’olona izany.

  • Inona avy ireo teny sy andian-teny izay maneho fa tsy nitovy tamin’ireo vondrona hafa nodinihintsika io vondrona io? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valinteny omen’ny mpianatra.)

Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 14:5–6 ary hitady toerana telo izay nolazain’i Isaia fa hitondra fiarovana ara-panahy. Ataovy izay hahitan’ny mpianatra sy hahatakarany ny teny hoe fitoerana (trano na tokantrano), fivoriany (toerana ivondronan’ny mpiangona toy ny paroasy, sampana na tsatòka), ary tabernakely (tempoly). Hazavao fa ny hoe “rahona sy setroka midedadeda mandritra ny andro ary fahazavan’ny afo midedadeda nony alina” dia ilazana ny fiarovana sy ny fitarihana izay azon’i Mosesy sy ny vahoakany avy amin’ny Tompo tany an-tany foana (jereo ny Eksodosy 13:21–22). Ireo teny ireo dia mampahatsiahy antsika ny fiarovana sy ny fitarihana tokony ho azontsika avy amin’ny Tompo. Hazavao koa fa ny tempoly dia noraisin’i Isaia ho toy ny fialokalofana amin’ny hainandro ary “fierena” na toeram-pialofana amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.

  • Oviana ianao no nahatsapa ny fiarovan’ny Tompo na ny fitarihany tao an-tokantranonao na tany am-piangonana?

  • Oviana ianao no nahazo fahamaivanana ara-panahy na fiarovana tany amin’ny tempoly?

  • Karazan’olona manao ahoana no hitoetra ao amin’ireo tokantrano sy hitsaoka any amin’ireo fiangonana sy tempoly izay voafaritra ao amin’ny andininy 5–6?

  • Inona no azontsika atao mba hahatonga ny tokantranontsika sy ny sampantsika na paroasintsika ho toeram-piarovana amin’izao tontolo izao?

Fintino ny toko 12–15 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ianarantsika ao anatin’ireo toko ireo fa mitondra ny fitahian’ny fiarovana ara-panahy ny fitandremantsika ny fanekempihavanana ary tsy mahazo fiarovana avy amin’ny Tompo isika rehefa tsy mitandrina ny fanekempihavanana. Omeo antoka ny mpianatra fa afaka mamorona tontolo iray toy ny voafaritra ao amin’ny 2 Nefia14:5–6 izy ireo eo amin’ny fiainany.

2 Nefia 12:1–5; 15:26

Naminany mikasika ny tempoly sy ny Fiangonan’ny Tompo izay haorina amin’ny andro farany i Isaia.

Ataovy sary eo amin’ny solaitrabe ny tendrombohitra iray sy ny tempoly:

tendrombohitra sy tempoly
  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany mampitovy ny tendrombohitra sy ny tempoly? (Ny valiny mety hiseho dia ny hoe samy mihaja sy mijoalajoala izy ireo ary samy manosika antsika hijery ny lanitra.)

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 12:2–5 ary hitady ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra fa haorina amin’ny andro farany ary ny fomba hitondran’izany fitahiana eo amin’ny fiainan’ny olona.

  • Inona no tiana holazaina amin’ilay teny hoe “tendrombohitry ny Tompo”? (Entina ilazana manokana ny Tempolin’i Salt Lake izany, saingy azo ilazana ireo tempoly hafa izay naorin’ny Tompo amin’ny andro farany koa izany.)

  • Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny “Tranon’ny Tompo” amin’ny andro farany? (Ny fitsipika iray izay mety ho hitan’ny mpianatra dia ny hoe Nanorina ny tempoly Andriamanitra mba hampianarana antsika ny lalany sy hanampiana antsika handeha amin’ny lalany [jereo ny 2 Nefia 12:3].)

  • Ahoana no fomba hanampian’ny tempoly antsika handeha eo amin’ny lalan’ny Tompo?

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nilazan’ny Filoha Gordon B. Hinckley mikasika ny lanjan’ny tempoly:

“Ireo tranobe miavaka sy tsara tarehy ireo ary ireo ôrdônansy tanterahina ao anatiny dia maneho ireo zavatra ambony indrindra ao amin’ny fivavahantsika. Ireo ôrdônansy ireo dia lasa fanehoana tena lalina momba ny haifinoantsika an’Andriamanitra. Manainga ny olona rehetra aho na aiza na aiza izy miaraka amin’ny hery enti-mampino rehetra ananako, mba hiaina ao anatin’ny fahamendrehana hihazonana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, mba hitahiry tsara izany sy handray izany ho toy ny fananana sarobidy ary hanao ezaka lehibe kokoa handeha ho any amin’ny tranon’ny Tompo sy handray ny fanahy sy ireo fitahiana ho azo ao anatin’izany” (“Of Missions, Temples, and Stewardship,” Ensign, Nôv. 1995, 53).

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny tempoly manampy antsika hisoroka ny voka-dratsin’ny faharatsiana izay voafaritra ao amin’ny 2 Nefia 12–15? (Mety ahitana izao manaraka izao ny valinteny: Mampatanjaka antsika sy ny fianakaviantsika hanohitra ny ratsy ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly. Ny fitsaohana tsy tapaka any amin’ny tempoly dia mampahatsiahy antsika ny Mpamonjy, ny sorompanavotany ary ireo fanekempihavanana nataontsika. Rehefa miaina ao anatin’ny fahamendrehana hihazonana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly isika dia manana fanantenana fa hahazo ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay. Izany fanantenana izany dia mamporisika antsika hanohy hiaina amim-pahamarinana.)

  • Ahoana no fomba nanentanan’ny tempoly ny fanahinao sy nitahiany anao?

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ny 2 Nefia 15:26. Angataho ny mpianatra mba hitady ilay andian-teny izay maneho ny zavatra “hatsangan’ny” Tompo mba hanangonana ny vahoaka amin’ny andro farany. Hazavao fa ny teny hoe faneva dia ilazana saina iray izay ampiasaina ho toy ny toeram-pamoriana na mariky ny fanangonana indrindra ao anatin’ny ady.

  • Inona ilay hoe “faneva ho an’ny firenena” izay naminanian’i Isaia?

Vakio ity fanambarana manaraka nolazain’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity:

“Io faneva io [dia] ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay naorina tamin’ny andro farany ary tsy rava velively intsony na ho eo am-pelatanan’ny olona hafa. Izany no toe-javatra lehibe indrindra niseho teto amin’izao tontolo izao hatramin’ilay andro izay nanomboana ny Mpanavotra teo amin’ny hazo fijaliana sy nanatanterahany ilay sorompanavotana maharitra sy mandrakizay. Izany dia nanan-danja lehibe kokoa ho an’ny olombelona noho ny zavatra hafa izay niseho nanomboka tamin’izany andro izany” (Doctrines of Salvation, boky 3 [1954–56], 3:254–55).

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho toy ny “faneva ho an’ny firenena”?

  • Inona avy ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainanao noho ny maha-mpikambana anao ao amin’ny Fiangonana?

  • Eritrereto ireo fitahiana rehetra azonao sy ireo fahamarinana fantatrao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao. Inona ny fahamarinana iray azonao zaraina amin’ny hafa izay mety hanampy azy ireo hivondrona eo amin’ny “faneva ho an’ny firenena”?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia nanome antsika fanampiana lehibe mba hiainana amim-pahombiazana amin’ny andro farany. Hitahy sy hanamasina ireo izay misafidy ny hanatona Azy Izy. Rehefa manao fanekempihavanana miaraka Aminy isika ary manaja izany dia hanampy antsika handeha eo amin’ilay lalany Izy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 12:2–5. “Ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo”

Nanazava ny Filoha Gordon B. Hinckley fa ny 2 Nefia 12:2–5 dia ilazana ny Tempolin’i Salt Lake:

“Hatramin’ilay fotoana nitokanana ny Tempolin’i Salt Lake dia nohazavaintsika fa io soratra masina avy amin’i Isaia io … dia miantefa amin’ilay trano masin’ny Tompo. Ary nanomboka tamin’ilay andro nitokanana azy dia olona maro dia maro manerana an’izao tontolo izao raha ny marina no nanambara mikasika io toerana io hoe: ‘Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony’” (“An Ensign to the Nations, a Light to the World,” Ensign, Nôv. 2003, 82).

2 Nefia 13:16–24. “Zanakavavin’i Ziona”

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ny fampitandreman’i Isaia ho an’ny “zanakavavin’i Ziona” dia sady miantefa amin’ny lehilahy no miantefa amin’ny vehivavy:

“Ny fitsipika nolazain’ireo Manampahefana Ambony dia ny tokony hanaovan’ny vehivavy ary koa ny lehilahy fitafy maotina. Ampianarina mikasika ny fihetsika mendrika sy ny fahamaotinana izy ireo amin’ny fotoana rehetra. Alahelo araka ny hevitro no tonga ao an-tsaina mikasika ireo “zanakavavin’i Ziona” rehefa manao fitafy tsy mendrika izy ireo. Ankoatra izany dia sady miantefa amin’ny lehilahy no amin’ny vehivavy io fanamarihana io. Nomen’ny Tompo didy i Isiraely fahiny hoe tokony hanarona ny vatany ny lehilahy sy ny vehivavy ary tokony hanaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny fotoana rehetra” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 5:174).

Mariho fa ity faminaniana ity dia ohatra iray maneho firoa mifanohitra. Niantefa tamin’ireo olona tamin’ny andron’i Isaia izany ary miantefa amin’ny olona ankehitriny koa.