Tahirim-pitaovana
Lesona 4: Pejin-dohateny, Teny Fanolorana, ary ny Teny Vavolombelon’ireo Vavolombelona


Lesona 4

Pejin-dohateny, Teny Fanolorana, ary ny Teny Vavolombelon’ireo Vavolombelona

Fampidirana

Hanampy ireo mpianatra hahafantatra fahamarinana izay hanampy azy ireo hanakaiky an’Andriamanitra ireo mpianatra rehefa mampianatra ny Bokin’i Môrmôna ianao. Hita mazava tsara hatrany am-piandohan’ny boky fa nanoratra ny Bokin’i Môrmôna ireo mpanoratra mba hijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy. Mamerina manamafy ny fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny mpianakavin’i Isiraely ihany koa ity boky ity ary mampiseho ny ilan’ny zanak’Andriamanitra rehetra hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina. Rehefa mandalina amim-bavaka ny Bokin’i Môrmôna ireo mpianatra, dia hahazo fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fiangonany amin’izao andro farany izao izy ireo. Hianatra hampihatra finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ihany koa izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mety hibahan-toerana kokoa ny fampianarana ny sosokevitra enti-mampianatra ity lesona ity raha mitaha amin’ny fotoana omena ny kilasinao. Mivavaha mba hahafantaranao izay ampahany ilain’ny mpianatrao indrindra.

Pejin-dohateny

Asao hijery ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatrao. Manomboka amin’ireto teny ireto ity pejy ity hoe: “Ny Bokin’i Môrmôna, fitantarana nosoratan’ny tanan’i Môrmôna tamin’ny takelaka nalaina avy tamin’ny takelak’i Nefia.” Nanazava ny niavian’ny pejin-dohateny ny Mpaminany Joseph Smith:

“Ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna dia fandikana ara-bakiteny, izay nalaina avy tao amin’ny pejy farany indrindra, teo amin’ny ilany ankavian’ny … bokin-takelaka, izay nirakitra ireo rakitsoratra izay nadika, … ary … nilaza fa ity pejin-dohateny ity dia tsy asa-soratra maoderina, na hoe ahy na an’ny olona hafa izay niaina na miaina ao amin’ity taranaka ity” (ao amin’ny Histoire de l’Eglise, 1:71).

Asao hamaky amim-pahanginana ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ireo mpianatra. Angataho izy ireo mba hikaroka ireo andian-teny milaza ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna. (Azonao omena fanoroan-dalana kely ireo mpianatra hoe ireo tanjona ireo dia lazaina ho toy ny zavatra izay “hasehon’ny” Bokin’i Môrmôna amin’ireo izay mamaky izany.) Manasà ankizy maromaro hanoratra ny zavatra hitany eo amin’ny solaitrabe. Rehefa nahavita izy ireo, dia angataho mba hamaky indray ilay andinin-tsoratra faharoa amin’ny tenany ireo mpianatra, ary hanolo ny hoe “sisa tavela tamin’ny mpianakav’i Isiraely” amin’ny anarany.”

  • Rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia inona tamin’ireo tanjona ireo no efa tanteraka teo amin’ny fiainanao? Ahoana no nahatanterahan’izany?

  • Manampy anao amin’ny fomba manao ahoana ny fahafantaranao fa tsy “holavina mandrakizay” ireo izay manao fanekempihavanana amin’ny Tompo?

Lazao ireo mpianatra fa mety efa nisy fotoana nahatsapany ho irery na “nandavana” azy ireo.

  • Nahoana no manan-danja ny fahafantarana fa tsy “nolavina mandrakizay” ianareo tamin’ireny fotoana ireny?

  • Ahoana no hilazana fa fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany ho anareo izany fampanantenana izany?

Mba hanampiana ireo mpianatra hankasitraka ilay tanjona voalohan’ny Bokin’i Môrmôna, dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny iraka lehibe indrindra hanirahana ny Bokin’i Môrmôna, araka ny voarakitra ao amin’ny pejin-dohateniny, dia ny “mba handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, ilay Andriamanitra mandrakizay, izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra.’

“Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona fa Jesoa no Kristy izay tena mikatsaka marina tokoa rehefa misaintsaina amim-bavaka ireo teny azo avy amin’ny fanentanan’ny Fanahy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

“Mihoatra ny antsasak’ireo andinin-tsoratra masina rehetra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no miresaka mikasika ny Tompontsika. Voatonona matetika kokoa isaky ny andininy ireo anarana hafa hiantsoana an’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna raha mitaha amin’ny ao amin’ny Testamenta Vaovao.

“Mihoatra ny zato ireo anarana isan-karazany hiantsoana azy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Manana dika miavaka ireo anarana ireo ao anatin’ny famaritana ireo toetrany amin’ny maha Andriamanitra Azy” (“Come unto Christ,” Ensign, Nov. 1987, 83).

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona fa i Jesoa no Kristy.

Teny Fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

Manaova sarin’andohalambo iray eny amin’ny solaitrabe (jereo ilay fanehoana an-tsary miaraka amin’izany), na manaova andohalambo namboarina tamin’ny hazo na zavatra hafa.

Sary
andohalambo vita amin’ny vato

Angataho hamaky mafy ny fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra iray (jereo ny andinin-tsoratra fahenina). Tolory hevitra hanisy marika ilay fanambarana ao amin’ny soratra masina ireo mpianatra.

  • Inona no ilana ny vato ifaharana?

Hazavao fa ny vato ifaharana dia ilay vato eo afovoany eo amin’ny tampon’ny andohalambo. Rehefa manangana andohalambo, dia asiana zavatra mihazona ireo andaniny roa mba hanohanana azy ireo. Refesina tsara ilay elanelana eo amin’ny tampon’ny andohalambo, ary tapahana amin’izay refy izay ny vato ifaharana mba ho antonona tsara an’ilay elanelana. Afaka mijoro tsy misy mpanohana ilay andohalambo rehefa voapetaka ilay vato ifaharana.

  • Inona no mitranga amin’ilay andohalambo raha esorina ilay vato ifaharana? (Raha mampiasa zavatra natao maodely ianao, dia hazavao amin’ny alalan’ny fanesorana ilay vato ifaharana izany.)

  • Ahoana no hiasan’ny Bokin’i Môrmôna toy ny vato ifaharana raha ampifandraisina amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny?

Asao hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity ny mpianatra iray. (Azonao soratana amin’ny taratasy mba hozaraina ho an’ireo mpianatra ilay fanambarana mba ho ampidiriny ao anatin’ny boky soratra masin’izy ireo. Ny fomba iray ahafahana manao izany ihany koa dia ny manasa ireo mpianatra hanoratra ny fanambarana nataon’ny Filoha Benson ao anatin’ny boky soratra masin’izy ireo, eny amin’ny tampon’ilay pejy voalohan’ny teny fanolorana na eny amin’ny farany ambany.)

“Misy antony telo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy izany. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona izany” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, Nôv. 1986, 5).

Asao hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Benson ity ny mpianatra iray mba hanampiana ny mpianatra rehetra hahatakatra fa vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna:

“Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toy ny firodanan’ny andohalambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava ny Fiangonana. … Raha marina ny Bokin’i Môrmôna … dia tsy azo lavina ireo zavatra takian’ny Famerenana amin’ny laoniny sy izay rehetra miaraka amin’izany” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” 6).

  • Inona no fiantraikan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara?

  • Ahoana no fomba nitondran’ny Bokin’i Môrmôna anao hanakaiky bebe kokoa an’Andriamanitra?

Azonao atao ny miresaka mikasika ny fomba nanamafisan’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna ny fijoroanao ho vavolombelona sy nampanakaikezan’izany anao bebe kokoa tamin’Andriamanitra.

Asao handray anjara amin’ny filalaovana an-tsehatra ireo mpianatra. Angataho izy ireo mba haka sary an-tsaina fa manome Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray tsy mpikamban’ny Fiangonana izy ireo. Ampio hiomana amin’ny filalaovana an-tsehatra izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana azy ireo ho vondrona roa. Angataho hamaky ny andinin-tsoratra faha 2–4 ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna ny vondron’ny mpianatra voalohany. Angataho hamaky ny andinin-tsoratra faha 5–8 ny vondron’ny mpianatra faharoa. Asaivo mikaroka fampahalalana izay tsapany fa manan-danja ary tokony hozaraina ireo vondrona roa rehefa mampianatra mikasika ny Bokin’i Môrmôna .

Rehefa nomena fotoana ampy nandalinany sy niomanany ny mpianatra, dia asao ho eny aloha ny mpianatra iray hilalao eo amin’ny toeran’ny olona iray tsy mpikamban’ny Fiangonana. Manasà ihany koa mpianatra iray avy ao amin’ireo vondrona roa ireo ho eny aloha. Hazavao fa hilalao eo amin’ny toeran’ny misiônera mpiara-mitory ireo mpianatra roa ireo. Hampiasa ireo fahalalana hitan’ny vondrona nisy azy ireo tao amin’ny teny fanolorana izy ireo hampianarana ilay mpianatra voalohany mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa vitan’ireo mpianatra ny filalaovana an-tsehatra, dia mametraha fanontaniana amin’ireo mpianatra ambiny raha misy zavatra fanampiny avy ao amin’ny teny fanolorana mety ho nozarain’izy ireo raha toa ka izy ireo no voafidy hampianatra.

Hazavao fa tsy mitompo teny ho mirakitra ny tantaran’ireo olona rehetra niaina fahiny tany amin’ny Ilam-bolantany Andrefana ny Bokin’i Môrmôna. Rakitsoratra mikasika ireo taranak’i Lehia (ny Nefita sy ny Lamanita) sy ireo olon’i Jareda fotsiny izany. Mety nisy olona hafa nipetraka tany amin’ireo kaontinanta tany amin’ny Ilam-bolantany Andrefana taloha, sy nandritra, ary taorian’ireo zava-nitranga voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Asao hamaky amim-pahanginana ny Môrônia 10:3–5 ireo mpianatra.

  • Araka ny voalazan’i Môrônia, ahoana no ahafantarantsika fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Asao hamaky ny andinin-tsoratra faha 8–9 ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna ireo mpianatra. Angataho izy ireo mba hitady fahamarinana telo fanampiny izay hanampy azy ireo hahazo fijoroana ho vavolombelona raha ekeny ny fanamby nataon’i Môrônia.

Mijoroa ho vavolombelona amin’ireo mpianatra fa rehefa mamaky sy misaintsaina ny Bokin’i Môrmôna ary mivavaka mikasika izany isika, dia hijoro ho vavolombelona amintsika ny Fanahy Masina fa marina izany, fa i Jesoa no Kristy, fa mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith, ary ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ny Tompo eto ambonin’ny tany.

Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo

Angataho ny mpianatra mba haka sary an-tsaina fa nahita olona iray naka zavatra iray sarobidy tao amin’ny tranon’ny mpifanolobodirindrina aminy izy ireo.

  • Nahoana no tena manan-danja ny fananana vavolombelona rehefa mitady izay nanao heloka iray?

  • Nahoana no tena manampy ny hananana vavolombelona mihoatra ny iray?

Angataho mba hamaky amim-pahanginana ny “Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” ireo mpianatra. Asao hikaroka ireo andian-teny izay manan-danja manokana aminy izy ireo. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika an’ireo andian-teny ireo.

  • Inona avy ireo andian-teny nasianareo marika? Nahoana izy ireo no manan-danja aminareo? (Hazavao fa niteny tamin’ireo Vavolombelona Telo ny feon’Andriamanitra fa nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny ireo takelaka ireo.)

Mangataha mpianatra iray mba hamaky mafy ny “Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo”. Asao ny mpianatra ambiny hihaino ireo fahasamihafana misy eo amin’ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo.

  • Inona avy ireo fahasamihafana tsikaritrareo?

Asao hanoratra ny tenivavolombelony manokana na ny fahatsapany mikasika ny Bokin’i Môrmôna ireo mpianatra. Mety tian’izy ireo ny hanoratra izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na eo amin’ny pejy tsy misy soratra ao anatin’ny soratra masina. Mety mahatsapa ny mpianatra sasany fa tsy mbola fantany fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Amporisiho hikatsaka ny hahazo fijoroana ho vavolombelona izy ireo amin’ity taona ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Pejin-dohateny

Mety hanampy tokoa ireto famaritana manaraka ireto rehefa mandalina ny pejin-dohateny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Ny Mpianakavin’i Isiraely dia hanehoana ireo taranak’i Abrahama, Isaka, ary Jakôba. Ny zafikelin’i Abrahama, izay novaina ho Isiraely ny anarany dia nanana zanaka lahy roa ambin’ny folo. Nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe ny foko roa ambin’ny folon’i Isiraely ny taranany. Vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo ihany koa ny mpianakavin’i Isiraely noho izy taranak’i Abrahama. Ankehitriny ny mpianakavin’i Isiraely dia ahitana ireo izay manao fanekempihavanana amin’ny Tompo ary mitandrina ny didiny. “Noho izany, ny anarana hoe Isiraely dia ampiasaina amin’ny fomba samy hafa mba hilazana (1) an’i Jakoba, ilay lehilahy, (2) ireo taranak’i Jakoba ara-bakiteny, ary (3) ireo mpino marina ao amin’i Kristy, na inona na inona firazanany ary na aiza na aiza toerana ipetrahany” (Bible Dictionary, “Israel”).

Ny hoe Jiosy dia nanondroana ireo rehetra avy ao amin’ny fokon’i Joda tany am-piandohana (iray amin’ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely). Avy eo dia nanjary nidika hoe ireo rehetra avy ao amin’ny fanjakan’i Joda izany (ny tapany atsimo tamin’ny fanjakan’i Isiraely voazarazara tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha), na dia tsy avy ao amin’ny fokon’i Joda aza izy ireo. Izany ihany koa dia entina hilazana ireo “vahoaka izay manaraka fivavahana, fomba fiainana sy fomban-drazana Jodaisma saingy mety ho Jiosy na tsia ara-pirazanana” (Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jiosy,” scriptures.lds.org).

Ny hoe Jentilisa dia midika hoe “ireo firenena.” Izany dia entina hilazana (1) ireo izay tsy amin’ny mpianakavin’i Isiraely, (2) ireo izay tsy mino ny Andriamanitr’i Isiraely na izay tsy manana ny filazantsara, na taranak’iza izy na taranak’iza, ary (3) ireo olona izay tsy avy ao na tsy mipetraka ao amin’ny tanin’i Joda. Ohatra, ireo mpiavy sy ireo mpanjana-tany dia nantsoina hoe Jentilisa ao amin’ny 1 Nefia 13:3–13. Ireo izay namoaka ny Bokin’i Môrmôna dia antsoina hoe Jentilisa ao amin’ny 1 Nefia 13:34. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Voahangy Lafo Vidy dia navoaka tamin’ny alalan’ny Jentilisa ihany koa (jereo ny 1 Nefia 13:39). Antsoina hoe firenena jentilisa i Etazonia ao amin’ny 1 Nefia 13:34, 39.

Ny hoe famintinana dia famadihana ho fohy ny zavatra iray.

Ny hoe sisa tavela dia midika hoe ampahany tavela. Ilay fehezan-teny ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna manao hoe “ny sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely” dia entina manondro ireo olona avy ao amin’i Isiraely naparitaka sy ireo taranany. Rehefa namarana ny rakitsorany sy namehy ireo takela-bolamena mba hivoaka amin’ny andro farany i Môrônia, dia tena sahiran-tsaina tokoa tamin’ireo Lamanita sisa velona sy ireo taranany izy, izay nolazain’ny rainy fa “sisa tavela tamin’ny mpianakavin’i Isiraely” (Môrmôna 7:1). Niandrandra mafy tokoa ilay andro hahafantaran’ny Lamanita indray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy handraisany izany i Môrônia (Jereo ny Môrônia 1:4).

Teny Fanolorana. Taranaky ny Lamanita amin’izao vanim-potoana izao

Anisan’ireo razamben’ny Indiana Amerikana ny Lamanita. Na izany aza, dia tsy milaza ny Bokin’i Môrmôna fa taranaky ny Lamanita avokoa ireo Indiana Amerikana. Nilaza ny Filoha Anthony W. Ivins tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Tokony hitandrina isika amin’ny tsaokevitra sintonintsika. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra antsika ny tantaran’ny vahoaka telo samy hafa … izay samy niainga avy any amin’ny tontolo taloha (teny ilazana an’ireo kaontinanta Eorôpa sy Azia ary Afrika) nankaty amin’ity kaontinanta ity. Tsy milaza amintsika izany fa tsy nisy olona nipetraka mihitsy teto talohan’ireo olona ireo. Tsy milaza amintsika izy fa tsy nisy olona tonga taorian’izany. Koa raha misy zava-baovao hita izay milaza ny fisian’ny karazam-piaviana hafa dia azo hazavaina mora foana izany, ary azo inoana tsara, satria isika dia mino fa nisy olona hafa tonga teto amin’ity kaontinanta ity” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1929, 15).

Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo. “Nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny”

Nanaiky ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa tsy fantatsika ireo antsipirian’ny ambaratongan’ny fandikan-teny rehefa nadika tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny ny Bokin’i Môrmôna:

“Tsy mahagaga raha toa ireo olona maro mamaky ny Bokin’i Môrmôna no maniry ny hahalala misimisy kokoa mikasika ny nipoirany, ary ao anatin’izany ny ambaratonga marin’ny fandikan-teny. Inoana marina fa toy izany no nitranga tamin’i Hyrum Smith izay nahatoky sy tsy nivadim-pitokisana. Mikasika izay fikarokarohana izay, dia niteny tamin’i Hyrum ny Mpaminany Joseph fa ‘tsy nisy ny fikasana hilaza amin’izao tontolo izao ireo antsipirian-javatra mikasika ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna’ ary ‘tsy mahasoa azy ny hizarany ireo zavatra ireo’ (History of the Church, 1:220). Noho izany, dia ampy antsika izay fantatsika ankehitriny mikasika ny nipoiran’ny Bokin’i Môrmôna, saingy tsy tena amin’ny antsipiriany izany. …

“Ny Mpaminany Joseph irery ihany no nahalala ireo ambaratonga feno, ary tena tsy nazoto ny hilazalaza ireo antsipiriany izy. Mankasitraka ny tenin’i David Whitmer, i Joseph Knight, sy i Martin Harris isika izay mpanara-maso, fa tsy mpandika teny. Nilaza i David Whitmer fa rehefa nampiasa ireo fitaovana avy any amin’ Andriamanitra nomena mba hanampy azy ny Mpaminany, dia ‘nipoitra ny hierôglifa, ary nipoitra ihany koa ny dikan’ny teny tamin’ny teny anglisy … tamin’ny endri-tsoratra mamiratra.’ Dia vakin’i Joseph amin’i Oliver ireo teny (nampiasaina tao amin’ny James H. Hart, “About the Book of Mormon,” Deseret Evening News, 25 Mar. 1884, 2). Nitantara momba ireo vato mpahita i Martin Harris: ‘Mipoitra ireo fehezanteny, dia vakian’ny Mpaminany ary avy eo dia raisin’i Martin an-tsoratra’ (quoted in Edward Stevenson, “One of the Three Witnesses: Incidents in the Life of Martin Harris,” Latter-day Saints’ Millennial Star, 6 Feb. 1882, 86–87). Nanao fanamarihana toy izany ihany koa i Joseph Knight (jereo ny Dean Jessee, “Joseph Knight’s Recollection of Early Mormon History,” BYU Studies 17 [Autumn 1976]: 35).

“Voalaza fa nijoro ho vavolombelona teo anoloan’ny fitsarana i Oliver Cowdery fa ny Orima sy Tomima dia nanome fahafahana an’i Joseph mba ‘hamaky ny teny Anglisy, sy ny fiteny Egyptiana nohavaozina, izay voasokitra teo amin’ireo takelaka’ (“Mormonites,” Evangelical Magazine and Gospel Advocate, 9 Apr. 1831). Raha toa ka marina ireo tatitra ireo, dia maneho izany fa tena nanome ‘fahitana sy hery handika teny’ ho an’i Joseph Andriamanitra tao anatin’izany ambaratonga izany (F&F 3:12). …

“Araka ny hita dia tsy nitaky ny Mpaminany mba ho matihanina tamin’ny fiteny fahiny ilay ambaratongan’ny fandikan-teny tamin’ny alalan’ny fanambarana. Nanan-danja kokoa ny fitohizan’ny fanambarana tsy tapaka noho ny fisian’ireo takelaka nisokatra tsy niato, izay tsy navela ho hitan’ny maso tsy nahazo alalana ny hijery izany rahateo, araka ny torolalana azo.

“Raha mety manazava koa ny fahafainganan’ny fandikan-teny ny fampiasana ireo fitaovana avy amin’ Andriamanitra, dia mety tsy dia nampiasa fitaovana fiasana tsotra ny Mpaminany indraindray. Tsy fantatsika tsotra izao ny antsipiriany.

“Na izany aza, dia fantatsika fa izany ambaratonga narahana izay nifono finoana feno izany dia tsy mora. Nohamarinina mazava tsara izany rehefa nanandrana nandika teny i Oliver Cowdery. Tsy nahomby i Oliver satria ‘tsy nanohy toy ny nanomboha[ny],’ ary satria tsy ampy finoana sy asa izy, dia ‘tsy nanana eritreritra afa-tsy ny hangataka’ (F&F 9:5, 7). Tsy vonona araka ny tokony ho izy hanao izany izy. …

“Na inona na inona antsipirian’ilay ambaratonga narahana, dia nitaky ezaka lehibe manokana avy amin’i Joseph izany omban’ny fanampian’ireo fitaovana nanome fanambarana izany. Mety niovaova arakaraka ny fitombon’ny fahaizan’i Joseph ilay ambaratonga narahana, tafiditra ao anatin’izany ny Orima sy Tomima, saingy mety tsy dia niankina firy tamin’ireo fitaovana ireo intsony tany amin’ny faramparan’ny asa fandikan-teny nataon’ny Mpaminany. Nolazain’ny Loholona Orson Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa nilaza taminy i Joseph Smith hoe nampiasa ny Orima sy Tomima izy tamin’ny fotoana tsy mbola nananany traikefa tamin’ny fandikan-teny saingy tsy nilainy intsony izany nony taty aoriana, toy ny nitranga tamin’ny fotoana nandikan’i Joseph andinin-tsoratra masina maro avy tao amin’ny Baiboly (Jereo ny Latter-day Saints’ Millennial Star, 11 Aug. 1874, 498–99)” (“By the Gift and Power of God,” Ensign, Jan. 1997, 39).

Hamoaka printy