Tahirim-pitaovana
Lesona 3: Ny Drafitry ny Famonjena


Lesona 3

Ny Drafitry ny Famonjena

Fampidirana

Nanome torolalana an’ireo mpampianatra ao amin’ny seminera ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hamintina fohifohy ny drafitry ny famonjena isaky ny fiandohan’ny taom-pianarana:

“Ny famintinana fohifohy ny ’drafitry ny fahasambarana’ dia hanan-danja lehibe tokoa eo amin’ireo mpianatrao … raha atao any am-piandohan’ny taom-pianarana izany, ary haverimberina indraindray. …

“Manontany tena ireo tanora hoe ’nahoana?’ —Nahoana isika no didiana hanao zavatra sasantsasany, ary nahoana isika no didiana tsy hanao zavatra hafa? Mahatonga ny sain’ny tanora hanontany hoe ’nahoana’ ny fahalalana ny drafitry ny fahasambarana, eny fa na dia ny hevi-dehibeny fotsiny ihany aza no aseho. …

“… Manome fahatsapana fototra momba ilay drafitra iray manontolo, eny fa na dia antsipiriany vitsivitsy fotsiny aza no zaraina. … Avelao izy ireo hahalala hoe mikasika ny inona izany, dia hiteny izy ireo avy eo hoe ’nahoana.’ …

“… Raha tianareo hanontany hoe ’nahoana’ izy ireo, dia araho ity lamina ity: ’Nanome didy azy ireo Andriamanitra, taorian’ny nampahafantarany azy ireo ny drafitry ny fanavotana.’ [Almà 12:32; miampy ireo sora-mandry.]” (“The Great Plan of Happiness” [Fihaonambe ho an’ny DFF mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana/Tantaran’ny Fiangonana, 10 Aogositra 1993], 2–3, si.lds.org).

Ho mariky ny fanarahana izay torohevitra nomen’ny Filoha Packer izay, dia ahitana famintinana fohifohy ny drafitry ny famonjena iray manontolo araka izay ampianarina ao anatin’ny soratra masina ao amin’ity lesona ity. Mifantoka amin’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy ny lesona, izay “ivo sy fototra manan-danja indrindra, ary fotopampianarana fototry ny drafitry ny famonjena lehibe sady maharitra mandrakizay” (Jeffrey R. Holland, “Missionary Work and the Atonement,” Ensign, Mar. 2001, 8). Hitombo ny finoan’ireo mpianatra ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy, rehefa mahatakatra ny drafitry ny famonjena izy ireo. Hivoatra ao anatin’ny fanapahan-keviny hitandrina ny didy sy handray ireo ordônansin’ny famonjena ary hihazona ireo fanekempihavanana nataony izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny drafitry ny famonjena ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Hazavao fa nianatra mikasika ny drafitry ny Raintsika any an-danitra ho an’ny famonjena antsika isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana (Jereo ny Mosesy 4:1–2; Abrahama 3:22–28). Afaka ny ho tonga tahaka Azy sy hitoetra eo anatrehany mandrakizay isika amin’ny alalan’izany drafitra izany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Tafiditra ao amin’ny drafitry ny famonjena ny …

Asaivo fenoin’ireo mpianatra ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy io hevitra io.

Zarao amin’ireo mpianatra ity famaritana ny drafitry ny famonjena manaraka ity rehefa avy nomena fotoana hanoratana izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy lehibe izany mialoha ny hanombohan’ny fotoam-pianarana.

Ny drafitry ny famonjena dia “ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay novolavolaina mba hanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona. Tafiditra ao anatin’izany ny Fahariana, ny Fahalavoana, ary ny Sorompanavotana, miaraka amin’ireo didy nomen’Andriamanitra, sy ireo ôrdônansy, ary ireo fotopampianarana. Manome fahafahana ny olona rehetra hahazo ny fisandratana faratampony sy hiara-hiaina mandrakizay amin’Andriamanitra ity drafitra ity” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Drafitry ny Fanavotana,” scriptures.lds.org).

Angataho mba hananga-tanana ireo mpianatra raha nitovy tamin’io famaritana io na tamin’ny fomba manao ahoana na manao ahoana ny teny nosoratan’izy ireo. Ary avy eo dia apetraho amin’ny sasany amin’ireo mpianatra nanangan-tanana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra iraisan’ ny famaritana nataonao amin’ity iray ity? Nahoana no nampidirinao tao amin’ny famaritana nomenao io hevitra iray io?

Asaivo miara-miasa tsiroaroa ireo mpianatra. Asao hamaky ny Almà 22:12–14 ny iray amin’ireo mpianatra isaky ny vondrona miara-miasa tsiroaroa, ary ilay mpianatra iray hamaky ny 2 Nefia 2:25–28. (Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andinin-tsoratra masina ireo.) Angataho mba hikaroka ireo zavatra tafiditra ao anatin’ny drafitry ny famonjena izay voalaza ao amin’ny andian-tsoratra masina nasaina novakiany ireo mpianatra. Rehefa avy nomena fotoana hamakiana ireo mpianatra dia angataho mba hifandimby hizara izay hitany ireo mpiara-miasa.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto: 2 Nefia 9:6; 2 Nefia 11:5; Almà 12:25; Almà 24:14; Almà 42:8; Almà 42:15. (Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana izany.)

Hazavao fa mampiasa anarana isan-karazany ireo mpaminany mba hiantsoana ny drafitry ny Ray any an-danitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Asao ho any amin’ny 2 Nefia 9:6 ireo mpianatra, ary mangataha mpianatra iray mba hamaky mafy ilay andininy.

  • Inona ireo andian-teny maneho ny drafitry ny Ray any an-danitra ao amin’io andininy io? (“Ny drafitra feno famindram-pon’ilay Mpahary lehibe.” Soraty eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny 2 Nefia 9:6 izany.)

Angataho mba hamaky amim-pahanginana ireo lisitry ny andinin-tsoratra masina hafa eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra, hikaroka ireo andian-teny milaza ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra. Asao hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny toko sy andininy ahitana azy ny mpianatra iray rehefa nahita andian-teny iray manambara ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra. Tokony hanana endrika toy izao ilay lisitra nofenoina teny amin’ny solaitrabe:

(Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fankasitrahan’izy ireo noho ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia azonao atao ny manambara fa ny andian-teny toy ny “drafitry ny famonjena,” “drafitry ny fahasambarana,” ary ny “drafitry ny fanavotana” dia voatonona im-betsaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nefa tsy toy izany kosa ao amin’ny Baiboly.)

  • Inona no hamafisin’ireo lohateny ireo mikasika ny drafitry ny Ray any an-danitra? (Ataovy izay ahazoana antoka fa takatr’ireo mpianatra hoe novolavolaina mba hitondrana famonjena sy hafaliana ho an’ireo zanany ny drafitry ny Ray any an-danitra.)

Mijoroa ho vavolombelona fa tsy afaka miverina eo anatrehan’Andriamanitra sy mahazo ny famonjena mandrakizay isika raha tsy misy ny fanampian’ny Ray. Asao hamaky tsirairay ny Môsià 3:17 ireo mpianatra, hikaroka izay mpandray anjara fototra ao anatin’ny drafitry ny famonjena. Rehefa avy mitatitra izay hitany izy ireo, dia asaivo mamaky mafy ny 2 Nefia 2:8 ny mpianatra iray. Hamafiso fa i Jesoa Kristy no mpandray anjara fototra ao amin’ny drafitry ny famonjena, ary ny Sorompanavotana nataony no mahatonga ny drafitra ho sahazan’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Asao hamaky ity fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith manaraka ity ny mpianatra iray:

Sary
Joseph Smith Mpaminany

“Ireo fitsipika fototry ny fivavahantsika dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo Apôstôly sy Mpaminany, mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy, nalevina, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra any an-danitra, ary famenon’izany fotsiny ihany ireo zavatra hafa rehetra mikasika ny fivavahantsika” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 49).

Azonao hazavaina fa ny teny hoe famenony dia entina milaza zavatra na hevitra iray mifandray amin’ny zavatra iray manan-danja kokoa, toy ny sampana iray eo amin’ny hazo iray. Afaka mivelona tsy misy sampana ny hazo iray, fa tsy afaka hiaina kosa ny sampana iray raha misaraka amin’ny faka sy ny vatan’ny hazo izy. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy no “tena fototry ny fotopampianarana Kristianina. Mety hahafantatra zavatra maro mikasika ny filazantsara ianao rehefa misampana avy ao izany, saingy raha ny sampany fotsiny ihany no fantatrao ary tsy mifandray amin’ilay faka ireo sampana ireo, raha toa ka nokapaina hiala avy amin’izany fahamarinana izany izy ireo, dia tsy hisy aina na lanjany, na fanavotana ao amin’izy ireo” (“The Mediator,” Ensign, Mey 1977, 56).

Hazavao fa matetika no antsoina hoe ny drafitry ny famonjena ny drafitry ny Ray any an-danitra satria tafiditra ao anatin’izany ny famonjena antsika. Nantsoina hoe Mpamonjy i Jesoa Kristy satria Izy ilay olona iray izay nahatonga ny famonjena antsika ho azo notanterahina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Isika dia mila vonjena amin’ny alalan’ny …

Angataho mba hamaky mafy ny 2 Nefia 9:6–10 ny mpianatra iray, ary aorian’izay dia angataho hamaky mafy ny 3 Nefia 9:21–22 ny mpianatra iray hafa. Angataho ny mpianatra ambiny hanaraka, hikaroka ireo fomba hamenoana ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe. Afaka manolo-kevitra azy ireo mba hanisy marika ireo zavatra hitany ao amin’ny soratra masina ianao.

Angataho ireo mpianatra mba hizara izay hitany, ary hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Ataovy izay ahazoana antoka fa takatr’izy ireo hoe ho voavonjy amin’ny fahafatesan’ny vatana avokoa ny olona rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Ataovy mazava tsara ihany koa fa afaka ny ho voavonjy amin’ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotana, fa raha tsy izany dia tsy azo heverina ny hiainantsika eo anatrehan’Andriamanitra.

Vakio ireto teny nolazain’ny mpaminany Jakôba manaraka ireto: “O endrey ny halehiben’ny hatsaram-pon’Andriamanitsika” (2 Nefia 9:10). “O endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!” 2 Nefia 9:13).

  • Ahoana no hanampian’ny tenin’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:6–10 anao hahatakatra ny antony mahatonga azy haneho hiakam-pifaliana toy ireo?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 2 Nefia 9:7, 9, inona no ho nitranga raha tsy nisy Sorompanavotana? (Ho faty ny vatantsika ka tsy hitsangana intsony, ary lasa hofehezin’ny devoly ny fanahintsika.)

Jereo indray ilay fehezanteny farany ao amin’ny famaritana ny drafitry ny famonjena izay nozarainao teo aloha tao amin’ity lesona ity: “Manao izay ahatanterahan’ny fisandratana faratampony ho an’ny olona rehetra sy ny fiarahana miaina mandrakizay amin’Andriamanitra ity drafitra ity.”

  • Nahoana no manan-danja ny fahatakarana fa ity drafitra ity dia mahatonga ny fisandratantsika ho azo tanterahina fa tsy hoe ho azontsika avy hatrany? (Rehefa mamaly an’io fanontaniana io ireo mpianatra, dia ataovy izay ahazoana antoka fa takatr’izy ireo fa manana ny fahafahana misafidy isika, izay fahafahana hisafidy sy hihetsika ho an’ny tenantsika. Miankina amin’izay ataontsika ho setrin’ireo fitahiana nomen’Andriamanitra antsika amin’ny ampahany ny fahazoantsika ny fisandratana faratampony.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andininy manaraka ireto: 2 Nefia 2:25–28; 2 Nefia 31:17–20; Almà 34:15–16. Asaivo mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo amim-pahanginana ny mpianatra ary hanao lisitra ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina ireo zavatra lazain’ireo soratra masina fa tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ireo zavatra rehetra omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny drafitry ny famonjeny.

Rehefa avy nomenao ny fotoana sahaza hanatanterahana izany asa izany izy ireo, dia asao hifampizara ny valinteniny izy ireo. Rehefa manao izany izy ireo, dia milaza ohatra mikasika ny fankatoavana ireo “lalàna nomen’Andriamanitra, sy ireo ôrdônansy, ary ireo fotopampianarana” voalaza ao amin’ilay famaritana nozarainao teo aloha. (Tafiditra ao anatin’ireo ohatra avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny fampiharana ny finoana ho amin’ny fibebahana, ny manao batisa, ary ny mandray ny Fanahy Masina.) Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto aorian’ny tatitra ataon’ireo mpianatra:

  • Ahoana no hiantraikan’ny asa ataontsika amin’ny fahafahantsika handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana? (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia mitadiava fotoana ahafahana mijoro ho vavolombelona fa rehefa misafidy ny hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hanaraka ny drafitr’Andriamanitra isika, dia miomana handray ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.)

  • Ahoana no hanampian’ny fahatakarana ny drafitry ny famonjena antsika hitandrina ireo didy?

Angataho mba hamaky mafy ny 2 Nefia 2:25 ny mpianatra iray.

  • Tamin’ny fomba manao ahoana no nitondran’ny fanarahana ny drafitry ny famonjena hafaliana ho anao?

Ho famintinana ny lesona, dia hazavao fa rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra dia hianatra fotopampianarana maromaro kokoa izay mifandray amin’ny drafitry ny famonjena izy ireo; ary famaritana fohifohy ihany no nasehon’ity lesona ity. Rehefa mandalina ireo mpianatra, dia amporisiho hijery ireo zavatra rehetra nataon’Andriamanitra ho azy ireo tao anatin’ny drafitry ny famonjeny izy ireo, ary hijery izay tokony hataony mba hahazoana ireo fitahiana feno izay nomanin’Andriamanitra ho azy ireo. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay noresahina tao amin’ity lesona ity.

Hamoaka printy