Tahirim-pitaovana
Lesona 55: Môsià 5–6


Lesona 55

Môsià 5–6

Fampidirana

Ny Môsià 5 dia ahitana ny teny famaranana amin’ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka nataony tamin’ireo olony, ary ny firaketana izany an-tsoratra dia manomboka ao amin’ny Môsià 2. Vokatry ny finoan’izy ireo ny tenin’i Benjamina Mpanjaka, dia niaina fiovam-po mahery vaika ireo vahoaka. Nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra izy ireo ary nandray ny anaran’i Jesoa Kristy teo amin’izy ireo. Araka izay voarakitra ao amin’ny Môsià 6, i Benjamina Mpanjaka dia namindra ny fanjakany tamin’i Môsià zanany, izay nanjaka araka ny ohatra nasehon-drainy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 5:1–4

Nitantara ny fiovana mahery vaika niainan’izy ireo tamin’ny alalan’ny Fanahy ny olon’i Benjamina Mpanjaka

Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ireto fanontaniana manaraka ireto:

Efa nisy fotoana ve nahatsapanareo ho nila niova ara-panahy?

Inona no nataonareo tamin’izany?

Raha efa niaina fiovana ianareo, moa ve voatananareo hatramin’izao izany fiovana izany?

Asao ireo mpianatra hamaly ireo fanontaniana ireo ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahie ao an-dakilasy. Avy eo dia vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Ny toetra ara-boajanaharin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy miteraka fiovana fototra sy maharitra amin’ny tena toetrantsika ara-boajanahary, izay tanteraka amin’ny alalan’ny fianteherantsika amin’ny ’fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina’ (2 Nefia 2:8). Rehefa mifidy ny hanaraka ilay Mpampianatra isika dia mifidy ny hiova—ho teraka indray ara-panahy” (“Ye Must Be Born Again,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 20).

Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra ity teny notsongaina ity ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Môsià 5:2 na ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina manao hoe: “ Rehefa mifidy ny hanaraka ilay Mpampianatra isika dia mifidy ny hiova” (Loholona David A. Bednar).

  • Amin’ny lafiny ahoana no hifidianantsika ny hiova rehefa mifidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy?

Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra hamerenana mijery ny Môsià 2–4. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hamaky ireo famintinana ny toko. Anontanio izy ireo hoe inona no tadidiny mikasika izay voarakitra ao anatin’ireo toko ireo. Avy eo dia asao izy ireo hamaky amim-pahanginana ny Môsia 5:1.

  • Inona no nirian’i Benjamina Mpanjaka ho fantatra avy amin’ny olony?

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 5:2–5 ka hikaroka ny valintenin’ireo olona tamin’ny fanontanian’i Benjamina Mpanjaka. Alohan’ny hamakian’ireo mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa ao amin’ny andininy faha 2, ny teny hoe fironana dia entina ilazana ny toetran’ny olona iray—ny faniriany sy ny toetra voa-janahariny. Rehefa avy mamaky izy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hamakafaka ireo andinin-tsoratra masina:

  • Inona no nolazain’ireo vahoaka mikasika ny fironan’izy ireo?

  • Inona no nahatonga izany fiovana teo amin’ny fironan’izy ireo izany? (Nino ny fampianaran’i Benjamina Mpanjaka mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izy ireo, ary novain’ny Fanahy ny fony.)

Antitrantero fa ny fiovam-po dia mihoatra noho ny fiovan’ny fitondrantena fotsiny ihany. Rehefa miova fo isika dia lasa olom-baovao, miova amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra izany fahamarinana izany dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ahitana zavatra maro lavitra kokoa noho ny fialana sy ny fandresena ary ny fanadiovana ny tena amin’ny fahotana sy ireo fitaoman-dratsy eo amin’ny fiainantsika; fa izany dia ahitana ihany koa ny fanaovana ny tsara, ny fetezana ho tsara, ary ny fahatongavana ho tsaratsara kokoa. … Ity fiovana mahery vaika ity dia tsy hoe vokatry ny asa mafy kokoa na ny fampitomboana fitsipi-pifehezana lehibe kokoa ho an’ny tena manokana fotsiny ihany. Fa vokatry ny fiovana ifotony eo amin’ny faniriantsika, ny antony manosika antsika hanao zavatra, ary ny toetrantsika voajanahary, izay tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo. Ny tanjontsika ara-panahy dia ny handresy na ny fahotana na ny faniriana hanota, na ny fahalotoana na ny fangejan’ny ota” (“Clean Hands and a Pure Heart,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 81–82).

  • Araka ny eritreritrao, nahoana isika no mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy raha te hiova marina tokoa?

Sariho ny sain’ny mpianatra hifantoka amin’ilay fehezanteny hoe “noho ny amin’ ny Fanahin’ ny Tompo Tsitoha” ao amin’ny Môsià 5:2. Azonao atao ny mamaritra ny hoe tsitoha, izay midika hoe manana ny hery rehetra.

  • Inona no azontsika ianarana ao amin’ny Môsià 5:2–4 mikasika ny fomba hahafahantsika miaina fiovam-po mahery vaika eo amin’ny fiainantsika?

Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ity fanontaniana ity ireo mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa rehefa mino an’i Jesoa Kristy isika sy mandray ny Fanahy Masina dia afaka miaina fiovam-po mahery vaika.

Hazavao fa ny fiainana fiovam-po mahery vaika dia dingana miantoana izay mitranga mandritra ny androm-piainantsika fa tsy zava-miseho indray mandeha. Zarao ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson:

“Ny fahatongavana ho tahaka an’i Kristy dia zavatra atao mandritra ny androm-piainana manontolo ary matetika tokoa no ahitana fitomboana sy fiovana izay miadana, zara fa tsapa. …

“… Ny fibebahana marina dia ahitana fiovam-po fa tsy fiovana eo amin’ny fitondrantena fotsiny. … Ny ankabeazan’ny fibebahana dia tsy ahitana fiovana miavaka tokoa amin’ny mahazatra na lehibe tokoa, fa mizotra tsikelikely kosa, tsy ankijanona, ary mitohy hatrany mankany amin’ny toetra araka an’Andriamanitra” (“A Mighty Change of Heart,” Ensign, Ôkt. 1989, 5).

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ity fitsipika ity, sy handrefy ny fivoaran’izy ireo eo amin’ny fiainana fiovam-po mahery vaika, dia asao izy ireo hamaly ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra ireto fanontaniana ireto eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana na ny manomana taratasy hozaraina mirakitra ireo fanontaniana, na mamaky miadana ireo fanontaniana mba hahafahan’ireo mpianatra manoratra izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.)

  • Ahoana no fomba niovan’ny fironanao rehefa nanaraka ny Mpamonjy ianao?

  • Inona no tokony ataonao mba hanohizan’ny Tompo hanampy anao hiaina izany fiovana izany?

Omeo fahafahana hizara ny valinteniny amin’ireo fanontaniana ireo ny mpianatra iray na roa. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa tsy tokony hahatsapa ho voatery hizara zavatra niainana tena an’ny tenany manokana izy ireo na tsiambaratelo.

Môsià 5:5–15

Nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra ny olon’i Benjamina Mpanjaka ary nomena anarana vaovao

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 5:5. Asao ireo mpianatra hikaroka ny zavatra nirian’ny olon’i Benjamina Mpanjaka ho atao satria niova fo izy ireo.

  • Inona no zavatra nirian’ireo olona ho atao rehefa niova tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fironan’izy ireo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fanekempihavanana dia omeo minitra vitsy izy ireo handalinana izany samirery. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo handalina mikasika izany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana na hitady ireo soratra masina mikasika izany ao amin’ny fizahan-takila manaraka ny abidia ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna na ny Triptika. Rehefa avy nanome fotoana ampy tsara hanaovana izany ianao dia ampiaraho tsiroaroa ireo mpianatra ary asao mifanazava ireo fanekempihavanana amin’ny tenin’izy ireo ihany.

  • Inona avy ireo teny na fehezanteny ao amin’ny Môsià 5:5 izay maneho ny maha tena avy amin’ny fo ny fanirian’ireo olona hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’Andriamanitra? (Mety ho anisan’ny valinteny ny hoe “manao ny sitrapony,” “amin’ny zavatra rehetra,” ary “amin’ny andronay sisa rehetra.”)

  • Inona avy ireo teny na fehezanteny ao amin’ny Môsià 5:5 izay mampahatsiahy anareo ny fampanantenana avaozintsika isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo?

  • Nahoana araka ny hevitrareo no manampy antsika hanohy ireo dingana miantoan’ny fiovam-po ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana?

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 1:11. Angataho izy ireo hikaroka antony iray namorian’i Benjamina Mpanjaka ny olona. (Hanomezana anarana azy ireo.) Hazavao fa ny Môsià 5:7–15 dia mirakitra ny fanazavan’i Benjamina Mpanjaka ny anarana izay nampanantenainy omena ireo olony. Omeo minitra vitsy ny mpianatra hamakiana haingana ny Môsià 5:7–14, ka hitady ireo teny hoe anarana sy hantsoina. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ireo teny ireo isak’izay mipoitra.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny antony nanomezana azy ireo ny anarany. Ohatra, azonao atao ny manasa azy ireo hitantara mikasika ny nanapahan’ireo ray aman-drenin’izy ireo hevitra hanome azy ireo ny anaran’izy ireo, na azonao anontaniana raha toa ka misy dikany manokana ny anaran’izy ireo. Avy eo dia anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Inona no dikan’ny anarana? (Fintino eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra amin’io fanontaniana io. Mety ho isan’ny valinteny ny hoe ny anarana no hahafantarana antsika, mifandray amin’ny maha isika antsika izany, fomba iray hanavahana antsika amin’ny hafa ny anarana, ary matetika izany dia mitondra laza sy zavatra andrasana avy amin’izany noho ilay fianakaviana izay mifandray amin’izany.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 5:7–8. Asao ny mpianatra hitady ny anarana izay nomen’i Benjamina Mpanjaka ny olony. Asao ihany koa izy ireo hikaroka ireo teny sy fehezanteny izay milaza ny maha zava-dehibe io anarana io. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanisy marika ireo teny sy fehezanteny ireo.

  • Iza no anarana nomen’i Benjamina Mpanjaka ny olony?

  • Inona avy ireo teny izay tsikaritrareo? Inona no ampianarin’ireo teny ireo anareo mikasika ny anaran’i Kristy?

  • Amin’ny fotoana manao ahoana isika no mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy? (Ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra fa mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy isika rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina.)

Rehefa miresaka ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra dia mety mila fanampiana izy ireo mba hahatakarana ilay fotopampianarana hoe afaka ho tonga “zanak’i Kristy” isika (Môsià 5:7). Azonao atao ny manamarika amin’izy ireo fa ny raim-pianakaviana iray dia manome aina ny zanaka iray. Fanahy zanaky ny Ray any an-danitra isika. Zanaky ny raintsika ety an-tany koa isika, izay tamin’ny alalan’ny fiarahany tamin’ny renintsika, ka afaka nanome antsika fahafahana hiaina ety an-tany ao anatin’ny vatantsika ara-nofo. Raha niresaka mikasika ny Môsià 5:7 ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra fa i Jesoa Kristy koa dia “lasa Raintsika” satria Izy no “nanome antsika fiainana, fiainana mandrakizay, tamin’ny alalan’ny sorompanavotana izay nataony ho antsika.” Nanazava ny filoha Smith hoe: “Lasa zanaka, zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana nataontsika dia ny hankatò Azy” (Doctrines du Salut, comp. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 1:29).

Resaho amin’ny mpianatra ireo teny eny amin’ny solaitrabe izay mamaritra ny dikan’ny anarana.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo teny eny amin’ny solaitrabe antsika hahatakatra ny dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy?

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 5:9–13 ka hitady fananarana bebe kokoa avy amin’i Benjamina Mpanjaka mikasika ny fitondrantsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hamaky ireo andininy ireo toy ny hoe miresaka amin’izy ireo manokana i Benjamina Mpanjaka. Ampiaraho tsiroaroa ireo mpianatra ary asao izy ireo hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ka miainga avy amin’izay novakian’izy ireo. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy kely hozaraina.)

  • Eritrereto ny dikan’izany hoe mitondra ny anaran’i Kristy eo amintsika izany. Ho anareo, midika inona ny hoe manana ny anaran’i Kristy voasoratra ao am-ponareo? Inona avy ireo fitahiana azon’ireo izay manana ny anaran’i Kristy voasoratra ao am-pony?

  • Mieritrereta olona izay fantatrao fa manome haja ny anaran’i Kristy. Inona no ataon’ireo olona ireo mba hanehoana ny fanajana sy ny fitiavana ananan’izy ireo amin’ny anaran’i Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 5:15. Asao ny iray kilasy hitady ireo zavatra atao izay hamantarana ireo izay mitandrina ny fanekempihavanana nataony.

  • Inona avy ireo fanontaniana azontsika apetraka amin’ny tenantsika mba handrefesantsika hoe hatraiza no nitondrantsika tsara ny anaran’i Kristy?

Zarao ny fahatsapanao mikasika ny dikan’ny hoe mitondra eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha zava-dehibe izany eo amin’ny fiainanao.

Môsià 6:1–7

Nanomboka ny fitondrany tamin’ny naha-mpanjaka azy i Môsià

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 6:1–3, ka hitady izay zavatra nataon’i Benjamina Mpanjaka talohan’ny nampiravany ny valalabemandry.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no nanan-danja ny fanoratana ny anaran’ny olona rehetra izay nanao fanekempihavanana? Nahoana i Benjamina Mpanjaka no nanendry mpisorona teo anivon’ny vahoaka?

Hazavao fa taorian’ny niresahany tamin’ny olona dia namindra ny fanjakana tamin’i Môsià zanany lahy i Benjamina Mpanjaka. Telo taona taty aoriana dia maty i Benjamina Mpanjaka. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 6:6–7. Asao ny mpianatra rehetra hikaroka teny na andian-teny izay maneho fa nanaraka ny ohatra nasehon’ny rainy i Môsià ary nanampy ny olony hanohy hanana fiovana mahery vaika tao am-pony.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 5:15. “Hiorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina”

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe “miorina mafy sy tsy azo hozongozonina”:

“Ny teny hoe ‘miorina mafy’ dia ampiasaina mba hilazana hoe mijanona amin’ny toerana na foto-kevitra iray, mitombina tsara sy mafy, tsy voahozongozona ary mifahatra tsara (Oxford English Dictionary Online, ed. faha-2 [1989], “Steadfast”). Ny teny hoe ‘tsy mihozongozona’ dia ampiasaina mba hilazana fa ny olona iray na ny zavatra iray dia tsy azo ovana, voaro tsara, ary tsy iharam-panovana. Izany ihany koa dia midika ho fananana toetra tsy mirona ary tsy azo avily amin’ny tanjon’ny tena (Oxford English Dictionary Online, “Immovable”). Noho izany, ny olona izay miorina mafy sy tsy mihozongozona dia mitombina tsara, mafy, mifahatra tsara, voaro tsara, ary tsy azo avily amin’ny tanjona iray tena manan-danja na amin’ny iraka ampanaovina” (“Steadfast and Immovable, Always Abounding in Good Works,” New Era, Jan. 2008, 2).

Hamoaka printy