Lesona 114
Helamàna 14
Fampidirana
Rehefa nanohy ny fitoriany tamin’ny Nefita tany Zarahemlà i Samoela ilay Lamanita dia nanambara ireo famantarana izay haneho ny fahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny fahafatesany. Nohazavainy fa naminany ireo famantarana ireo izy mba hanampiana ny olona hino an’i Jesoa Kristy sy handresena lahatra azy ireo mba hibebaka amin’ny fahotany. Nampianatra izy fa ho entina miverina eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Rehefa niantso ny vahoaka mba hibebaka izy dia nampanantena fa ho voavela ny fahotan’izay nibebaka saingy ireo izay tsy nibebaka kosa dia hoesorina hiala eo anatrehan’Andriamanitra.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Helamàna 14:1–13
Naminany ireo famantarana mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy i Samoela
Manaova sarin-jana-tsipìka telo eo amin’ny solatraibe toy izao manaraka izao alohan’ny fotoam-pianarana. Hanisy teny sy andian-teny manodidina ireo zana-tsipìka ianareo rehefa mandeha ny lesona.
Asao ny mpianatra mba hitantara ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra tao anatin’ny lesona teo aloha mikasika ny Helamàna 13. Raha toa ka mila fanampiana izy ireo fa tsy nahatadidy dia ampahatsiahivo azy ireo fa nianatra mikasika ny mpaminany iray nantsoina hoe Samoela izy ireo. Angataho izy ireo mba hizara antsipirian-javatra tadidin’izy ireo mikasika azy toy ny hoe iza moa izy, nandeha taiza izy, inona no nampianariny ary nanao ahoana ny toe-panahin’ireo izay nampianariny. Angataho ny mpianatra mba hitantara ny fihetsika nasehon’ny olona teo anatrehan’ny hafatr’i Samoela. Hazavao fa ny Helamàna 14 dia ahitana ny fitohizan’ny fampianaran’i Samoela.
Hazavao fa i Samoela dia naminany mikasika ireo zavatra hiseho amin’ny ho avy ary ny sasany amin’izany dia ho hita any amin’ny an’arivorivo kilaometatra avy eo Zarahemlà. Angataho ny mpianatra mba hamaky ny Helamàna 14:1–2 ary hitady toe-javatra hiseho iray izay naminanian’i Samoela (ny fahaterahan’i Jesoa Kristy).
Angataho ny mpianatra iray mba hamaky amim-pahanginana ny Helamàna 14:3–6 ka hitady ireo famantarana izay ho hitan’ireo Nefita amin’ny fotoana hahaterahan’ny Mpamonjy. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo famantarana ireo ao anatin’ny soratra masiny. Azonao atao koa ny misarika ny sain’ny mpianatra ho eny amin’ny fanazavana eny ambanin’ny pejy ho an’ireo andininy ireo izay maneho ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Samoela.
-
Midika inona aminao ny fahaterahan’ny Mpamonjy?
Vakio mafy ny Helamàna 14:8–9. Hamafiso ny maha zava-dehibe ny finoana ny Mpamonjy mba hahazoana fiainana mandrakizay. Soraty ao aorian’ilay zana-tsipìka farany eny amin’ny solaitrabe ny hoe Fiainana Maharitra Mandrakizay. Ny hoe fiainana maharitra mandrakizay dia midika hoe miaina ilay karazana fiainana iainan’Andriamanitra sy miaina mandrakizay eo anatrehany miaraka amin’ny fianakaviantsika. Nampianarin’i Samoela an’ireo Nefita tany Zarahemlà ny zavatra nilain’izy ireo ho fantatra mba hahazoana ny fiainana maharita mandrakizay.
Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Helamàna 14:11–13 ka hitady ny zavatra tian’i Samoela ho fantatry ny vahoaka sy hataon’izy ireo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo zavatra tian’i Samoela ho fantatry ny vahoaka sy hataon’izy ireo.
Soraty eo ankavian’ilay zana-tsipìka voalohany hita eo amin’ny solaitrabe ny hoe Fahalalana. Dia anontanio ny mpianatra izay zavatra hitan’izy ireo fa tian’i Samoela ho fantatry ny vahoaka. Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hitanisa ireo zavatra ireo eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay teny hoe Fahalalana. (Tokony hahitana izao ny valiny: tian’i Samoela ny vahoaka mba hahafantatra mikasika ny fitsaran’Andriamanitra an’ireo izay manota, ireo fepetran’ny fibebahana, ny fiavian’i Jesoa Kristy ary ireo famantarana mikasika ny fiaviany.)
-
Nantenain’i Samoela mba hitarika ny olona hanao inona io fahalalana io? (Hino an’i Jesoa Kristy sy hibebaka amin’ny fahotany.)
Angataho ny mpianatra mba hanoratra fitsipika iray mifototra amin’ny Helamàna 14:13. Dia angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hamaky mafy ny zavatra nosoratany. (Mety hahitana ity anankiray ity ny valin’izany: mitondra any amin’ny fibebahana sy ny famelana ny fahotana ny finoana an’i Jesoa Kristy.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ilay andian-teny hoe “amin’ny alalan’ny fahamendrehany,” dia hazavao fa ilay fahamendrehany dia midika hoe toetra na fihetsika tsara izay mahatonga ny olona iray ho mendrika ny hahazo valisoa. Raha te ho mendrika ny hahazo ny famelana ny fahotana isika dia tsy maintsy manao zavatra vitsivitsy toy ny mibebaka amin-kitsimpo, atao batisa sy raisina ho mpikambana ary mitandrina ny didy. Kanefa mahazo ilay fanomezana famelan-keloka isika noho ny fahamendrehan’ny Mpamonjy fa tsy noho ny fahamendrehantsika. Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra ny 2 Nefia 25:23, izay soratra masina fehezina anankiray: “Noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.” Azonao atao koa ny manoro hevitra ny mpianatra mba hamaky ny Almà 22:14 sy Almà 24:10–11.
Fenoy toy izao manaraka izao ilay sary eo amin’ny solaitrabe:
-
Ahoana no fomba nampitomboan’ny fanovozanao fahalalana momba ny Mpamonjy ny finoanao Azy?
-
Ahoana no fomba nitarihan’ilay finoanao ny Mpamonjy hibebaka sy hiezaka ny hitovy bebe kokoa Aminy?
Mijoroa ho vavolombelona fa amin’ny alalan’ny fahamendrehan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika mahazo ny famelana ny fahotana sy mahazo ny fiainana mandrakizay.
Helamàna 14:14–31
Naminany mikasika ireo famantarana mifandray amin’ny fahafatesan’ny Mpamonjy i Samoela
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 14:14. Dia angataho ny mpianatra mba hamaky mangina ny Helamàna 14:20–27 ka hitady ireo famantarana ho hitan’ny Nefita amin’ny fotoana hahafatesan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika ireo famantarana ireo. Rehefa nanana fotoana ampy namakiana izy ireo dia asao mba hanao tatitra ny zavatra hitany. Lazao izy ireo fa ny fahatanterahan’ireo famantarana ireo dia voarakitra ao amin’ny 3 Nefia (jereo ny Helamàna 14:20, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a).
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 14:28–29. Angataho ny mpianatra ambiny mba hanaraka izany ka hitady ireo antony nahatonga ny Tompo hanome famantarana sy zava-mahagaga. Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba haneho ireo antony ireo amin’ny fampiasany ny teniny manokana. (Afaka mampiasa teny hafa ny mpianatra saingy ataovy izay hahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia manome famantarana sy zava-mahagaga mba hanampiana ny olona hino Azy.)
-
Inona no azon’io fahamarinana io ampianarina antsika momba ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviana Fanindroan’ny Mpamonjy?
Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ireo famantarana sy porofo nomen’ny Tompo azy ireo mba hanampiana azy ireo hino Azy. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo (saingy ampahatsiahivo izy ireo fa tsy tokony hahatsapa ho voatery hizara zavatra mahakasika ny tena manokana loatra). Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia manome famantarana sy mandefa mpaminany toa an’i Samoela amin’izao androntsika izao mba handresena lahatra ny olona hino Azy.
Fanamarihana: Mety hikorontan-tsaina kely ny mpianatra mikasika ity fifanakalozan-kevitra momba ireo famantarana ity noho ireo soratra masina maro izay mampitandrina antsika mba tsy hitady famantarana. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa misy fahasamihafana eo amin’ny hoe mamantatra ireo famantarana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny mikatsaka famantarana noho ny antony mifono fitiavan-tena (jereo ny Jakôba 7:9–14; Almà 30:43–50; F&F 46:9; 63:7–11). Rehefa nampitandrina mikasika ny fikatsahana famantarana ireo mpaminany dia ireo olona izay mandà tsy hino raha tsy mahita famantarana no tian’izy ireo resahina fa tsy ireo olona izay mampihatra finoana ao anatin’ny fikatsahana fahagagana araka ny sitrapon’ny Tompo.
Hazavao fa raha toa ka tsara ny fahalalana mikasika ireo famantarana ho hitan’ireo Nefita izay mifandray amin’ny fahafatesan’ny Mpamonjy dia manan-danja bebe kokoa ny fahatakarana ireo fampianaran’i Samoela momba ny maha zava-dehibe ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany amin’ny maty. Ataovy eo amin’ny solaitrabe ity sary manaraka ity ka tsy soratana eo ireo fanazavana ialohavan’ny tarehimarika. Ampidiro amin’ny fotoana mahamety azy ireo fanazavana ireo mandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ny Helamàna 14:15–19. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra handika ilay sary ao anatin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina.)
Hazavao fa ilay andian-teny hoe “fahafatesana ara-panahy” dia ilazana ny fanesorana tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra. Angataho ny mpianatra mba hamaky mafy ny Helamàna 14:15–16.
-
Inona ilay fahafatesana ara-panahy voalohany resahana ao amin’ny Helamàna 14:16? (Azonao atao ny manazava fa noho ny Fahalavoan’i Adama sy Eva dia nesorina teo anatrehan’Andriamanitra isika.)
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 14:17. Angataho ny mpianatra ambiny mba hanaraka izany ary hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mandresy ilay fahafatesana ara-panahy voalohany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Namonjy ny olombelona rehetra i Jesoa Kristy mba hahafahantsika miverina eo anatrehan’Andriamanitra. Hazavao fa ny olombelona rehetra dia hiverina eo anatrehan’Andriamanitra mba hotsaraina (jereo ny 2 Nefia 2:10).
Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 14:18–19.
-
Inona ilay fahafatesana ara-panahy faharoa resahina ao amin’ny Helamàna 14:18–19? (Azonao atao ny manazava fa ireo izay tsy mibebaka dia hoesorina hiala eo anatrehan’ny Ray indray.)
-
Inona no azontsika atao mba hisorohana ny fahafatesana ara-panahy nolazain’i Samoela? (Azonao atao ny manasa mpianatra hamaky ny Helamàna 14:13 sy Môrmôna 7:7–8. Hazavao fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay ireo izay mibebaka.)
Mba hanamafisana ny maha zava-dehibe ny fahafahana misafidy rehefa mikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika dia asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Helamàna 14:30–31. Angataho izy ireo mba hitady teny sy andian-teny mikasika ny fahafahany misafidy. Asao izy ireo mba hizara ireo teny na andian-teny hitany. Angataho izy ireo mba hanazava ny fomba hanampian’ireo andian-teny ireo azy ireo mba hahatakatra ny maha zava-dehibe ireo safidy ataon’izy ireo isan’andro.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Helamàna 14:14–29. Faminanian’i Samoela mikasika ny fahafatesan’ny Mpamonjy.
Ny faminanian’i Samoela mikasika ny fahafatesan’i Jesoa Kristy dia iray amin’ireo faminaniana faran’izay voafaritra mazava noraketina ao amin’ny soratra masina. Ity tabilao manaraka ity dia manasongadina ny ampahany sasantsasan’ilay faminaniana ka ao anatin’izany ny fahatanterahany. (Azonao atao ny manazava fa ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ho an’ny Helamàna 14:20–27 dia manome andinin-tsoratra masina izay mamaritra ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Samoela ireo.)
Faminaniana momba ny Fahafatesan’ny Mpamonjy |
Fahatanterahany | |
---|---|---|
Hohamaizinina mandritra ny telo andro ny masoandro | ||
Kotroka, tselatra, horohorontany | ||
Hitresaka ny tany | ||
Tafiotra lehibe; tendrombohitra haetry ary lohasaha ho tonga tendrombohitra | ||
Horavana ny lalambe sy ny tanàna maro | ||
Hovohana ny fasana maro ary hampianatra ny olona ireo Olomasina nitsangana tamin’ny maty |
Helamàna 14:15–19. Handresy ny fahafatesana ny Sorompanavotana
I Samoela ilay Lamanita dia namaritra ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahafatesan’ny vatana, ny fahafatesana ara-panahy voalohany sy ny fahafatesana ara-panahy faharoa ary koa ny fomba hanampian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika mba handresena ireo fahafatesana ireo. Nampianatra ireo fahamarinana ireo koa ireo mpaminany sy mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana.
Fahafatesan’ny vatana. Nampianatra ny Loholona Earl C. Tingey ao amin’ny Fitopololahy hoe:
“Ny fahafatesan’ny vatana dia ny fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana mety maty. Noho ny Fahalavoan’i Adama dia hianjadian’ny fahafatesan’ny vatana daholo ny olombelona rehetra” (“The Great Plan of Happiness,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 73).
Ny fahafatesana ara-panahy voalohany. Ny fahafatesana ara-panahy dia ny “fanesorana hiala eo anatrehan’ny Tompo” (Almà 42:9).
Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanazava fa ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy voalohany dia vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy Eva:
“Tsy nankatò an’ Andriamanitra i Adama sy Eva ray aman-drenintsika voalohany. Lasa mety maty izy ireo rehefa nihinana ilay voankazo voarara. Noho izany izy ireo sy ny taranany rehetra dia lasa tsy maintsy ianjadian’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy (ny fahafatesan’ny vatana dia ny fisarahan’ny vatana sy ny fanahy; ary ny fahafatesana ara-panahy dia ny fanesorana ny fanahy hiala eo anatrehan’ Andriamanitra ary fahafatesana mifandray amin’ny zavatra ara-panahy)” (“The True Way of Life and Salvation,” Ensign, Mey 1978, 6).
Ny fahafatesana ara-panahy dia niditra teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Fahalavoan’i Adama sy Eva. Noho isika teraka tao anatin’ny tontolo lavo dia mandova izany toe-javatra izany isika—nesorina teo anatrehan’ Andriamanitra. Izany toe-javatra izany dia nantsoin’i Samoela ilay Lamanita hoe “fahafatesana voalohany” (Helamàna 14:16).
I Samoela ilay Lamanita dia nampianatra fa ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra izay niaina teto an-tany dia handresy ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 14:17). Misy soratra masina maro hafa koa izay mijoro ho vavolombelona momba io fahamarinana io (jereo ny 2 Nefia 2:9–10; 9:15, 22, 38; Almà 11:43–44; 12:12–15, 24; 42:23; 3 Nefia 26:4–5).
Ny fahafatesana ara-panahy faharoa. Ny fahafatesana faharoa dia ilay fahafatesana ara-panahy faratampony na tena farany —esorina tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay noho ny fahotana nataon’ny tena manokana izay tsy nibebahana.
Ny Mpamonjy dia nanome fanampiana koa mba handresena io fahafatesana ara-panahy faharoa io. Nijaly noho ny fahotantsika Izy mba hahafahany manolotra antsika fahafahana hibebaka. Saingy ho an’ireo izay tsy mibebaka dia “tonga aminy indray ny fahafatesam-panahy eny ny fahafatesana faharoa, fa voakapa indray izy raha ny amin’ny zavatra mikasika ny fahamarinana” (Helamàna 14:18). Midika izany fa ny olona iray izay manana fahotana tsy mbola noraisina an-tanana dia tsy afaka ny hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra aorian’ny fitondrana azy hiverina eo anatrehany mba hotsaraina.
Nanome famaritana izany toe-javatra izany ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Raha toa ka tonga alohan’ny fanarenana ny ratsy natao ny fahafatesan’ny vatana dia ho very ny fahafahana mibebaka. Noho izany, ‘ilay [tena] fanindronan’ny fahafatesana dia ny ota.’1 Kor. 15:56.)
“Na ny Mpamonjy aza tsy afaka mamonjy antsika ao amin’ny fahotana. Hanavotra antsika amin’ny fahotantsika Izy, kanefa ny fibebahantsika ihany no fepetra ahatanterahan’izany. Tompon’andraikitra amin’ny fahavelomantsika ara-panahy na ny fahafatesantsika manokana isika. (Jereo ny Rom. 8:13–14; Hel. 14:18; F&F 29:41–45.)” (“Doors of Death,” Ensign, Mey 1992, 73).
Helamàna 14:18–19. Ny fibebahana, ilay fanomezana avy any an-danitra
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinfolo dia nijoro ho vavolombelona momba ny fifaliana azo avy amin’ny fibebahana:
“Izaho dia miaiky amim-pankasitrahana sy mijoro ho vavolombelona fa ilay fijalian’ny Tompontsika izay tsy takatry ny saina sy ilay fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty dia ‘manatanteraka ny fepetran’ny fibebahana’ (Helamàna 14:18). Io fibebahana izay fanomezana avy any an-danitra io no fanalahidin’ny fahasambarana eto an-tany sy any ankoatra. Ao anatin’ny tenin’ny Mpamonjy sy ao anatin’ny fanetren-tena sy fitiavana lalina no anasako ny rehetra mba ‘hibebaka: efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra’ (Matio 4:17). Fantatro fa rehefa manaiky izany fanasana izany ianao dia hahita fifaliana amin’izao fotoana izao ary mandrakizay” (“The Divine Gift of Repentance,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 41).