Tahirim-pitaovana
Lesona 65: Môsià 25


Lesona 65

Môsià 25

Fampidirana

Ny Môsià 25 dia ahitana famaranana ny fitantarana momba ny olon’i Zenifa (jereo ny Môsià 7–24). Niverina tany Zarahemlà ny vahoakan’i Limia sy ireo mpanara-dia an’i Almà ary tafaray soa aman-tsara teo ambanin’ny fanapahan’ny Mpanjaka Môsià. Taorian’ny nahatongavan’ireo andiany ireo dia natao batisa i Limia sy ny olony. Nanome fahefana an’i Almà ny Mpanjaka Môsià mba hanangana Fiangonana manerana ny tany manontolo sy handamina ny raharahan’ny Fiangonan’Andriamanitra teo anivon’ny olon’i Nefia.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 25:1–13

Nivondrona ho iray ireo izay tafavory tao Zarahemlà ary nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Nefita

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny tantara izay novakian’izy ireo na reny, izay maneho ny fomba nanampian’ny Tompo olona iray tamin’ny alalan’ny fitarihany azy, ny fanomezany hery, fiarovana, na fanafahana azy. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hieritreritra tantara ao amin’ny soratra masina, tantaran’ny Fiangonana, na ny fiainan’ny olona ao amin’ny fianakaviana na namana. Mba ho ohatra amin’izany, dia zarao ity tantara manaraka ity, izay notantarain’ny zatovovavy iray nandeha irery nialoha lalana lavitra ny andiany nisy azy sy nandeha nidina tendrombohitra iray nandritra ny fiaraha-mientana nataon’ny paroasy tany ivelan’ny Fiangonana:

“Hoy ny feo fampitandremana, izay hentitra nefa nalefaka hoe ’Miverena.’ Tsy noraharahiako firy izany, saingy mbola reko indray. Nihaino aho tamin’ity indray mitoraka ity ary niverina namonjy ilay andiany nisy ahy. Rehefa nanomboka nidina izahay, dia nahita ombilahy mainty ngezabe roa izay nananika haingana sy tamim-pahatezerana ilay tendrombohitra. Nanomboka nanakapokapo-tongotra tamin’ny tany ilay lehibe kokoa rehefa nijery anay. … Nanao izay hahavariana ilay omby ny mpitarika ao amin’ny fisoronana niaraka taminay, ary afaka nihanika fefy iray mba ho ao amin’ny toerana azo antoka izahay.

“Rehefa tafaverina teo amin’ny filasianay izahay, dia tonga saina aho fa raha tsy nihaino ny fampitandreman’ny Fanahy dia mety ho naratra mafy na maty mihitsy aza. Fantatro fa nijery ahy manokana ny Ray any an-danitra ary niaro ahy. Feno fankasitrahana ny Tompo aho tamini’izany fampitandremana izany. Nampatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona io zavatra niainako io ary nampitombo bebe kokoa ny fitiavako ny Tompo” (“Turn Back,” New Era, Nôv. 2010, 47).

Asao ny mpianatra iray na roa hizara tantara iray izay heverin’izy ireo fa maneho ny hatsaram-po sy ny herin’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona hafa. Anontanio ny mpianatra hoe:

  • Rehefa mandre ohatra mikasika ny hatsaram-po sy ny herin’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny hafa ianao, amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany anao?

Fintino ny Môsià 25:1–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny nandosiran’ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà (izay taranaky ny vahoakan’i Zenifa avokoa izy rehetra) ny fanandevozana sy ny nitambaran’izy tamin’ireo olona nonina tao Zarahemlà, dia namaky ny rakitsoratr’izy ireo tamin’ny olona rehetra ny Mpanjaka Môsià. Angataho ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 25:7, hitady ny fihetsika nasehon’ny vahoaka tamin’ny ankapobeny rehefa nandre ny tantara mikasika ny fiasan’Andriamanitra tamin’ny olon’i Zenifa izy ireo. Asao ny mpianatra iray hizara ny zavatra hitany.

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Hazavao fa ao amin’ny Môsià 25:8–11, dia mianatra bebe kokoa isika mikasika ny fihetsika nasehon’ny vahoaka rehefa nandre ny tantaran’ny olon’i Zenifa sy i Almà izy ireo. Asao ireo mpianatra handalina ireo andinin-tsoratra masina miresaka mikasika ny zavatra ren’ny olona sy ny zavatra tsapan’izy ireo mikasika izany. Nosoratana ao anatin’ny fonon-teny ho atao ohatra ireo valinteny ho an’ny andinin-tsoratra masina voalohany.

Ny zavatra ren’ny vahoaka

Ny zavatra tsapan’ny vahoaka

Môsià 25:8

(Nahare mikasika ny fomba nanafahana ny vahoakan’i Limia tamin’ny fanandevozana izy ireo.)

(Nahatonga azy ireo ho feno fifaliana lehibe izany.)

Môsià 25:9

Môsià 25:10

Môsià 25:11

Rehefa avy nomena fotoana ampy handalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo mpianatra, dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo. Asao ireo mpianatra hamintina ny zavatra nianarany avy ao amin’ny Môsià 25:8–11 amin’ny alalan’ny filazana ireo fitsipika avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, izay azon’izy ireo ampiharina amin’ny tenany. Rehefa mamaly ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahafantatra fa afaka mahatsapa fifaliana sy fankasitrahana noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra isika rehefa mandalina ireo rakitsoratra mitantara ny fomba fiasan’Andriamanitra eo amin’ny olona hafa. (Rehefa mamaky ireo andininy ireo ny mpianatra dia mety hahatsikaritra ny alahelo sy ny fahavoazana vokatry ny fahotana koa izy ireo.)

  • Aiza ny loharano azontsika hitodihana mba hianarana mikasika ny zavatra niainan’ny hafa mikasika ny hatsaram-pon’Andriamanitra? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra. Mety ho ampidirin’izy ireo ao anatin’izany ny soratra masina, lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, gazetibokim-piangonana, tantaram-piainan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy olona hafa, ary tantaram-pianakaviana.)

Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo fotoana izay nianaran’izy ireo mikasika ny hatsaram-pon’Andriamanitra tamin’ny olona hafa avy amin’ireo loharano voatanisa eny amin’ny solaitrabe.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao tombontsoa avy amin’ny fianarana mikasika ny hatsaram-pon’Andriamanitra tamin’ny hafa avy amin’ny iray amin’ireo loharano ireo?

  • Inona araka ny hevitrao no mety ho fiantraikany maharitra eo amin’ny olona iray izay mahafantatra ny hatsaram-pon’Andriamanitra amin’ny fiasan’Andriamanitra amin’ny olona hafa?

Amporisiho ireo mpianatra haka fotoana amin’ny fotoanany manokana hifidy ny iray amin’ireo loharano voatanisa eny amin’ny solaitrabe ireo ary hitady tantara mitaona fanahy mikasika ny hatsaram-pon’Andriamanitra.

Môsià 25:14–24

Nanangana ny Fiangonan’Andriamanitra manerana ny tanin’ny Nefita i Almà

Mba hanomanana ireo mpianatra handalina momba ny rafitra sy ny fampianaran’ny Fiangonana teo anivon’ny Nefita, dia manontania hoe:

  • Oviana ianareo no namomjy fotoam-bavaka tao amin’ny paroasy na sampana an’ny Olomasin’ny Andro Farany hafa fa tsy ny paroasinareo na ny sampana misy anareo? Inona no fitoviana tsikaritrareo ho nisy teo amin’ny paroasy na ny sampana misy anareo sy ilay iray notsidihinareo?

  • Manampy amin’ny fomba manao ahoana ny mahita fa ny rafitra sy ny fampianaran’ny Fiangonana dia mitovy isaky ny paroasy na ny sampana an’ny Fiangonana?

Fintino ny Môsià 25:14–17 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny nitenenan’i Môsià sy ny namakiany teny ho an’ny vahoaka, dia nanasa an’i Almà hampianatra azy ireo izy. Nitaky ny hanaovana batisa azy ny Mpanjaka Limia sy ny olony. Nanao batisa azy ireo i Almà ary nanomboka nandrafitra ny Fiangonana manerana ny tany.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môsià 25:18–22. Asao ny iray kilasy hikaroka ny fomba nandrafetana ny Fiangonana sy nitantanana izany teo anivon’ny Nefita tamin’ny andron’i Almà. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny firafitry ny Fiangonana dia nanome antoka fa afaka mandray ny fahamarinana avokoa ny mpikambana rehetra, dia mametraha fanontaniana tahaka izao manaraka izao:

  • Inona no mampitovy ny Fiangonana teo anivon’ny Nefita amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao? (Manana paroasy sy sampana tahaka ireo “vondrona samihafa” voalaza ao amin’ny Môsià 25:21 isika. Tahaka ireo mpisorona sy mpampianatra nitondra ny Fiangonana tamin’ny andron’i Almà ireo filohan’ny Sampana, eveka, ary filohan’ny Tsatòka.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Môsià 25:15–16, 22, inona ireo fahamarinana nantitranterin’ireo mpisorona sy mpampianatra tao amin’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Môsià? (Azonao atao ny milaza amin’ireo mpianatra fa nanome torolalana mitovy amin’izany tamin’ny ray aman-dreny, mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ireo misiôneran’ny andro farany ny Tompo. [Jereo ny F&F 15:6; 19:31; 68:25.])

  • Nahoana no manan-danja ny mampianatra hatrany hatrany ny fibebahana sy ny finoana an’Andriamanitra?

Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 25:23–24, hikaroka ireo fehezanteny izay mamaritra ireo fitahiana azon’ireo izany niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ireo vahoaka vokatry ny nanaovana batisa azy ireo sy ny fidirany ho mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo anao tamin’ny alalan’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana anao?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy sy miaina mifanaraka amin’izany isika, dia handrotsaka ny Fanahiny amintsika ny Tompo.

Mijoroa ho vavolombelona fa ireo fitahiana izay azon’izy ireo tamin’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana dia mety hitombo rehefa mitandrina ny fanekempihavanany sy mandray ny Fanahy izy ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 25:17–22. Fahefan’ny fisoronana teo anivon’ny Nefita

Tsy manome antsipiriany voafaritra mikasika ny fisoronana nohazonin’ireo mpaminany sy ireo rahalahy hafa teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita ny Bokin’i Môrmôna. Kanefa ny firesahana mikasika ireo ôrdônansy sy ny fomba nitarihana ny Fiangonana dia nanome porofo ampy fa nihazona ny fisoronana Melkizedeka izy ireo. Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith fa “ny fisoronana izay nohazonin’ny [Nefita] sy nanatanterahany ny anjara fanompoany dia ny Fisoronana araka ny lamina masina, ny lamin’ny Zanak’ Andriamanitra [jereo ny Almà 13:1–20]. Ity fisoronana ambony kokoa ity dia azo hanatanterahana ny ôrdônansin’ny filazantsara rehetra” (Doctrines of Salvation, navoakan’i Bruce R. McConkie, boky faha-3. [1954–56], 3:87).

Ho fampahalalana fanampiny mikasika ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia jereo ny Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho ho an’ny Môsià 18.

Hamoaka printy