Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano Fizarana 24


Lesona amin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

3 Nefia 1–11:17 (Fizarana 24)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny 3 Nefia 1–11:17 (fizarana 24) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Vitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ihany no ifantohan’ny lesona ampianarinao. Araho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mijery izay zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (3 Nefia 1)

Rehefa nandalina momba ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Samoela ilay Lamanita mikasika ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ny mpianatra, dia nianatra izy ireo fa ny Tompo dia hanatanteraka ireo teny rehetra izay nasainy notenenin’ireo mpaminaniny. Avy amin’ny ohatra nasehon’ireo izay nijanona ho mahatoky, na dia nanomana drafitra hamongorana azy ireo aza ireo tsy mpino, no nianaran’ireo mpianatra fa rehefa miatrika ireo laingan’i Satana isika dia afaka misafidy ny hino an’i Jesoa Kristy sy hijanona ho mahatoky. Ny fikomian’ny sasany amin’ireo tanora Lamanita dia naneho tamin’ireo mpianatra fa rehefa manaiky ho azon’ny fakam-panahy isika, dia mety hiteraka voka-dratsy eo amin’ny finoana sy ny fahamarinan’ny hafa ny ohatra asehontsika.

Andro 2 (3 Nefia 2–5)

Rehefa nandalina mikasika ny fihenan’ny fahamarinana teo amin’ny vahoaka ireo mpianatra dia nahita fa raha manadino ireo zavatra niainana ara-panahy tany aloha isika, dia ho lasa mora resin’ireo fakampanahy sy famitahan’i Satana. Rehefa namakafaka ny taratasy feno hafetsena nosoratan’i Lakôneo ny mpianatra dia hitan’izy ireo ny fomba ampiasan’i Satana sy ireo mpanara-dia azy matetika ny teny manasohaso sy fampanantenana tsy marina ary fandrahonana mba hampivily ny vahoaka. Nianaran’ireo mpianatra tamin’ireo Nefita sy Lamanita izay nahavita niaro tena manoloana ireo jirik’i Gadiantôna fa rehefa miomana ara-panahy sy ara-nofo isika, dia hampatanjaka antsika ny Tompo mba handresentsika ireo olana. Rehefa namaky momba ireo Nefita izay nidera ny Tompo noho ny fanavotana azy ireo ny mpianatra, dia nianatra izy ireo fa ny fanekena ny fahatsarana sy ny famindram-pon’Andriamanitra ho anton’ny fanavotana antsika amin’ny zava-tsarotra dia manampy antsika hijanona ho manetry tena. Ny ezaka nataon’ireo Nefita mba hitoriana ny filazantsara sy ny fanambarana nataon’i Môrmôna mikasika ny andraikiny dia maneho fa manana andraikitra ny hampianatra ny hafa ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.

Andro 3 (3 Nefia 6–10)

Rehefa namaky mikasika ny fomba niverenan’ireo Nefita sy Lamanita tamin’ny faharatsiana ireo mpianatra, dia hitan’izy ireo fa rehefa miavonavona isika, dia mamela an’i Satana hanana fahefana bebe kokoa haka fanahy antsika sy hitarika antsika hanota bebe kokoa. Kanefa ny ohatra mahatoky nasehon’ny sasany tamin’ny vahoaka dia naneho fa afaka misafidy ny ho manetry tena sy mahatoky isika na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainantsika antsika. Rehefa rava ny fitondram-panjakana Nefita, dia naneho ireo izay nanaraka an’i Nefia fa raha mibebaka sy manaraka ireo mpanompon’ny Tompo isika, dia hanana ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika. Taorian’ilay famongorana lehibe dia nandre ny feon’i Jesoa Kristy izay nanambara tao anatin’ny haizina ny vahoaka rehetra manerana ny tany fa raha manatona Azy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina isika, dia hanasitrana antsika sy hanome antsika ny fiainana mandrakizay Izy.

Andro 4 (3 Nefia 11:1–17)

Rehefa nandalina ny fampahafantaran’ny Ray an’i Jesoa Kristy ireo mpianatra, dia hitan’izy ireo fa ny Fanahy Masina matetika dia miresaka amintsika amin’ny alalan’ireo fahatsapantsika. Nianaran’izy ireo koa fa rehefa mianatra mihaino ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika, dia ho afaka ny hahatakatra izay zavatra lazainy amintsika. Avy amin’ny tantaran’ny fanombohan’ny Tompo ny asa fanompoany teo anivon’ny Nefita, dia nianatra ireo mpianatra fa i Jesoa Kristy dia manasa antsika rehetra handray ny fijoroana ho vavolombelona fa Izy no Mpamonjy ary rehefa nahazo izany fijoroana ho vavolombelona izany isika, dia manana andraikitra ny ho tonga ho vavolombelona manambara Azy.

Fampidirana

Ny asa ampanaovina mikasika ny 3 Nefia 1–7 ao amin’ity lesona ity dia manantitrantitra ny sasany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hanampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny hevitry ny hoe miova fo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireo asa ampanaovina enti-mampianatra ny 3 Nefia 8–10 dia hanomana ireo mpianatra hieritreritra momba ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy rehefa mianatra mikasika ny nisehoany tamin’ireo taranak’i Lehia ao amin’ny 3 Nefia 11 izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 1–7

Nanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ny famantarana sy ny zava-mahagaga maro; nihodinkodina teo amin’ny fahamarinana sy ny faharatsiana ny vahoaka mandrapirodan’ny fitondram-panjakana

Manaova tsipika tahaka ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe:

Sary
tsipika manonjanonja

Manontania hoe: Avy amin’ny fandalinana nataonareo tamin’ny herinandro lasa, ahoana no mety hanehoan’io tsipika io ireo Nefita ao amin’ny 3 Nefia 1–7? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamerina hijery ireo sasin-tenin’ny toko manomboka amin’ny 3 Nefia 1–7 mba hampahatsiahivana azy ireo ny nifandimbiasan’ireo Nefita nanao ny fahamarinana sy ny faharatsiana nanomboka tamin’ny taona 1 taorian’i J.K. hatramin’ny 33 taorian’i J.K. .)

Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra momba izay zavatra azon’ny 3 Nefia 1–7 ampianarina antsika mikasika ny tena fiovam-po marina ao amin’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. (Raha azo atao, dia omeo tahadika ny mpianatra tsirairay, ary asaivo tsipihany ireo andianteny na teny izay tsapany fa milazalaza momba ny olona iray niova fo.)

“Ny fiovam-po dia fiovana ara-panahy sy ara-toetsaina. Ny hoe miova fo dia tsy miteraka ny faneken’ny saina an’i Jesoa sy ny fampianarany fotsiny fa miteraka ihany koa ny finoana Azy sy ny filazantsarany izay mitondra faharisihana. … Ho an’ny olona iray izay tena niova fo tanteraka, dia tsisy intsony ny faniriana ireo zavatra mifanohitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ary hisolo izany ny fitiavana an’Andriamanitra, miaraka amin’ny fahavononana tanteraka hanaja ireo didiny” (ao amin’ny Conference Report, Guatemala Area Conference 1977, 8).

Manontania hoe: Inona avy ireo andianteny na teny izay tsapanao fa tena milazalaza momba ny olona iray niova fo?

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity, na omano ao amin’ny taratasy hozaraina amin’ireo mpianatra izany:

Ireo Finoana sy Asa Izay Mitondra amin’ny Fiovam-po

Ireo Finoana sy Asa Izay Mamparefo ny Fiovam-po

3 Nefia 1:15–23, 27–30

3 Nefia 2:1–3; 3:1–10

3 Nefia 4:7–12, 30–33

3 Nefia 6:13–18; 7:1–5

3 Nefia 7:15–22

Omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ilay tabilao ny mpianatra tsirairay avy. Omeo fotoana ireo mpianatra mba hitadiavany ao amin’ny andinin-tsoratra masina nomena ho vakiany ireo finoana sy asa izay mitondra amin’ny fiovam-po na mamparefo ny fiovam-po. Maro amin’ireo fitsipika izay mety ho hitan’ireo mpianatra no hita ao amin’ny Famintinana Ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano amin’ny andro 1–3 ao amin’ny fiandohan’ity lesona ity. Rehefa manao tatitra momba ny zavatra hitany ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo, na amporisiho izy ireo hanoratra izany ao amin’ny taratasy nozaraina tamin’izy ireo. Ampio ny mpianatra hampihatra ireo fitsipika izay hitany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto izay mikasika ny iray na ny roa amin’ireo fahamarinana izay hitan’izy ireo:

  • Ahoana no niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao nifanaraka tamin’izany fahamarinana izany na izany fitsipika izany?

  • Avy amin’ilay fahamarinana hitanao, inona no torohevitra homenao mba hanampiana ny olona iray hiova fo sy tsy ho voahozongozona ara-panahy?

3 Nefia 8–11:17

Nanamarika ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ny faharavana lehibe sy ny haizina; taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia namangy ireo taranak’i Lehia Izy

Asao ny mpianatra iray hamintina ny zava-nitranga ao amin’ny 3 Nefia 8 sy hizara amin’ny mpianatra rehetra izay fahatsapana na fihetseham-po nananany rehefa nandalina ity toko ity izy tamin’ny herinandro lasa. Angataho ny mpianatra iray hamaky ny 3 Nefia 8:20–23. Asao ireo mpianatra hanazava hoe nahoana ireo famantarana voalazan’ireo andinin-tsoratra masina ireo no famantarana mitombina mba hanambarana ny fahafatesan’i Jesoa Kristy. Mba hanamafisana ilay haizina niainan’ireo Nefita, dia azonao atao ny mampiasa ity zavatra atao manaraka ity:

Omeo jiro elektrika fanao am-paosy ny mpianatra tsirairay, ary piho ny jiron’ny efitrano. (Raha tsy ampy ny jiro elektrika fanao am-paosy, dia afaka mifampizara ireo mpianatra.) Asao ny mpianatra hampirehitra ny jiro elektrika fanao am-paosy eny aminy, ary asao ny sasany amin’izy ireo hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 9:13–20. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ireo fahamarinana izay nianaran’ny vahoaka mikasika an’i Jesoa Kristy rehefa niaina ilay haizina taorian’ny nahafatesany izy ireo. Areheto indray ny jiro ka fintino eo amin’ny solaitrabe ireo fanamarinana hitan’ireo mpianatra. Antitrantero ireto fitsipika manaraka ireto: Jesoa Kristy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao. Raha manatona an’i Jesoa Kristy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina isika, dia handray antsika Izy sy hanasitrana antsika ary hanome antsika ny fiainana mandrakizay.

Fintino ny 3 Nefia 11:1–7 amin’ny fanazavana fa ny vahoaka izay tsy maty tamin’ilay famongorana dia niangona tao amin’ny tempoly tao Soafeno.

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Nampianatra tany amin’ny Ilambolan-tany Andrefana i Jesoa (62380; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 82) na Manasitrana ireo Nefita i Jesoa (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara, lah. 83). Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina izay ao amin’ny 3 Nefia 11:8–17 mandritra ny famakianao izany ho azy ireo. Asio fiatoana tsindraindray amin’ny famakianao, ary asao ireo mpianatra hizara izay zavatra tsapany rehefa naka sary an-tsaina ilay zavatra niainana tao izy ireo, indrindra fa ilay zavatra niainan’ireo Nefita “tsirairay” niaraka tamin’ny Mpamonjy, araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 11:15.

Rehefa avy mamaky ny 3 Nefia 11:8–17, dia apetraho amin’ireo mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireeto. Asao izy ireo haka fotoana fohy mba hisaintsainana am-pahanginana ireo fanontaniana alohan’ny hanomezany valiny. (Ataovy izay hananan’ireo mpianatra fotoana ampy tsara mba hamaliany ireo fanontaniana mba tsy hahatsapan’izy ireo ho koropahina rehefa misaintsaina sy mizara ny fahatsapany sy ny fijoroany ho vavolombelona.)

  • Raha toa ianao ka teo anivon’ireo Nefita ary nanana fahafahana hitsapa ireo holatry ny Mpamonjy, inona no ho nolazainao Taminy?

  • Rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’ireo Nefita i Jesoa Kristy, nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny nisarihany ny sain’ny olona tamin’ilay “kapoaka mangidy”? (3 Nefia 11:11).

  • Inona ilay “kapoaka mangidy” izay nolazain’i Jesoa Kristy? (Jereo ny F&F 19:16–19.)

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy sy ny fahazavana izay tonga teo amin’ny fiainanao rehefa nanaraka Azy ianao. (Azonao atao ihany koa ny mamporisika ireo mpianatra hahatsiaro ireo fahatsapana nananany nandritra ity lesona ity ary manoratra izany ao amin’ny diarin’izy ireo manokana any an-trano.)

Fizarana Manaraka (3 Nefia 11:18–16:20)

Asao ireo mpianatra hieritreritra momba ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mandalina ny fizarana manaraka izy ireo: Moa ve misy olona raisiko ho toy ny fahavaloko? Raha misy izany dia ahoana no fihetsiko amin’izany olona izany? Inona avy ireo toetra tsara tsapan’Andriamanitra fa manan-danja eo amin’ny fiainako? Azo ekena ve ny mitsara ny olona hafa? Rehefa mandalina ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny fizarana 25 ireo mpianatra dia afaka mahita ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Hamoaka printy