Tahirim-pitaovana
Lesona 158: Môrônia 9


Lesona 158

Môrônia 9

Fampidirana

Nalahelo noho ny toetra namohehatra an’ny Nefita i Môrmôna tao anatin’ny taratasy nosoratany ho an’ny zanany lahy Môrônia, izay voasoratra farany. Namporisika an’i Môrônia hiasa amim-pahazotoana hanampy ny Nefita hibebaka izy. Nitantara ny fijalian’ny vahoaka vokatry ny faharatsian’izy ireo ihany koa i Môrmôna. Na dia teo aza ny toetra mamohehatry ny vahoakany dia namporisika an’i Môrônia izy mba hahatoky ao amin’i Jesoa Kristy sy hanana fanantenana amin’ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 9:1–20

Nitaraina ny amin’ny faharatsian’ny Nefita sy ny Lamanita i Môrmôna

Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo ka efa niezaka nanampy olona iray kanefa fantany fa holavina hatrany ny ezaka ataony.

  • Mety ho ahoana ny fihetsiky ny olona rehefa lavin’ireo izay ezahin’izy ireo ampiana hatrany ny fikasana tsara ananan’izy ireo?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny Môrônia 9 dia taratasy nosoratan’ny mpaminany Môrmôna ho an’ny zanany lahy Môrônia. Asao izy ireo hitady ny fomba nampaherezan’i Môrmôna ny zanany lahy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 9:1. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hitady ny teny nampiasain’i Môrmôna mba hamaritana ny toe-javatra niainan’ny Nefita. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe mampalahelo dia entina hilazana zavatra izay tena maharary na mampitaintaina na mampalahelo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra manaraka ireto: Môrônia 9:2–5; Môrônia 9:7–10; Môrônia 9:16–19. Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Omeo andraikitra ny vondrona tsirairay hamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eny amin’ny solaitrabe mba hitady ireo zavatra mampalahelo noresahin’i Môrmôna. Manasà mpianatra iray isaky ny vondrona mba hitatitra ny zavatra hitan’izy ireo. (Raha toa ireo mpianatra nasaina namaky ny Môrônia 9:2–5 ka tsy manonona ny fahatezerana dia azonao atao ny milaza ny anjara asan’ny fahatezerana tao anatin’ireo zava-niseho mahatsiravina noresahan’i Môrmôna.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môrônia 9:11–15, 20. Asao ny mpianatra hitady ireo antony nampalahelo an’i Môrmôna noho ny toe-javatra niainan’ny olony. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hamakafaka ireo andininy ireo:

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “tsy manaraka fahalalam-pomba”? (Môrônia 9:11). (Manao zavatra tsy amim-pahalalam-pomba—tsy misy fanatsarana na famerana; tsy manaja ny olona hafa; tsy miraharaha ny lalàna mitondra ny fiaraha-monina.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “tsy manaraka fitsipika”? (Môrônia 9:20). (Miaina ao anatin’ny tsy fanarahana fitsipika sy ao anatin’ny tsy fanajana sy fitandremana ny didin’Andriamanitra.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “maty eritreritra”? (Môrônia 9:20). (Mafy fo amin’ny Fanahin’ny Tompo sy ny Hazavan’i Kristy ary tsy mahay manavaka ny tsara amin’ny ratsy.)

  • Inona no porofo hitanareo eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, izay maneho fa tsy manaraka fahalalam-pomba sy tsy manaraka fitsipika ary maty eritreritra ny olona?

Azonao atao ny manazava fa i Môrmôna dia nilaza fa tao anatin’ny taona vitsy monja ny vahoakany dia tafalatsaka tao anatin’ity toetra mamohehatra ity (jereo ny Môrônia 9:12).

Hazavao fa mitovy be amin’ny mpaminany Etera an’ny firenena Jaredita no nahitan’i Môrmôna ny fahatezerana sy ny faharatsiana izay nandresy ny olony. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 9:4. Asao ny iray kilasy hanaraka ary hihaino ny zavatra natahoran’i Môrmôna mikasika ny Nefita. (Natahotra izy fandrao “efa nitsahatra ny fitaoman’ny fanahin’ny Tompo azy.”)

  • Nilaza i Môrmôna fa “[n]iara-[n]iasa [t]amin’ny olony lalandava [izy].” Nahoana i Môrmôna, na ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao no mety hiasa lalandava eo anivon’ny olona izay tezitra na manamafy ny fony amin’ny tenin’Andriamanitra?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Tokony hiasa amim-pahazotoana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika na dia tsy mandray tsara izany aza ireo izay tompointsika. Hazavao fa mitombina foana izany na dia rehefa meloka amin’ny fahotana lehibe aza ny olona tompointsika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 9:6. Asao ny mpianatra hanaraka sy hihaino ary hitady ireo antony tokony hiasantsika amim-pahazotoana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra na dia tsy mandray tsara izany aza ireo izay tompointsika. Rehefa avy mitatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia ampahafantaro azy ireo ireto toe-javatra manaraka ireto (na mamoronà vitsivitsy) mba hanampiana azy ireo hieritreritra hoe hanao ahoana ny fiantraikan’io fahamarinana io eo amin’ny fiainan’izy ireo. Manasà mpianatra iray na mihoatra izany mba hanazava ny fomba azon’izy ireo ampiharana ilay fahamarinana eny amin’ny solaitrabe ao anatin’ny toe-javatra tsirairay resahinao aminy.

  1. Ianao dia tompon’andraikitra amin’ny zatovovavy dimy hafa ao amin’ny paroasinao amin’ny maha filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy anao. Tsy tonga nanatrika ireo fivoriam-piangonana na ireo fiaraha-mientana tokotokony ho herintaona eo ny iray tamin’ireo zatovovavy ireo. Rehefa avy nanasa azy mivantana ianao mba ho avy tao anatin’ireo telo volana lasa dia tsy mbola tonga tamin’ny fivoriana na fiaraha-mientana mihitsy izy na inona izany na inona.

  2. Miasa amim-pahazotoana mba hanompo ny tsirairay amin’ireo fianakaviana nampiandraiketina anao ianao amin’ny maha mpampianatra isan-tokantrano anao. Kanefa tsy namaly ny antso an-tariby nataonao na namoha varavarana hidiranao ny iray tamin’ireo fianakaviana iandraiketanao ireo tao anatin’ireo volana vitsivitsy lasa rehefa nandalo tany ianao.

  3. Mahatsapa ho taomim-panahy ianao hanasa ny iray amin’ireo namanao akaiky mba hihaona amin’ny misiônera. Nolaviny ny fanasanao kanefa mbola mahatsapa fitaomam-panahy hanasa azy indray ianao.

Zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, izay namporisika antsika haharitra amin’ny ezaka ataontsika mba hiasa eo anivon’ireo zanak’Andriamanitra. Asao ny mpianatra hihaino izay zavatra manosika azy ireo, na inona izany na inona, mba hiasa amim-pahazotoana hanampy ny hafa.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Fanekempihavanana ataontsika amin’Andriamanitra ny hitandrina ireo didiny sy hanolotra asa fanompoana izay ho nataony raha teto an-tany mivantana Izy. Ny fiainana izany fitsipika izany araka izay tratrantsika no hanorina ny tanjatsika ara-panahy izay ilaintsika mba hahafahana maharitra hatramin’ny farany.

“Nampiseho ahy ireo fomba hanorenana izany tanjaka izany ireo mpampiofana mahomby ao amin’ny fisoronana: izany dia ny fizarana handresy ny harerahana sy ny tahotra izay mety hamporisika anao hilavo lefona. Ireo mpampiofana mahombin’ny Tompo ireo dia nampiseho tamiko fa ny fijanonana hanana hery ara-panahy dia avy amin’ny alalan’ny fihoarana ny tanjona raha toa ka ho niala sasatra kosa ireo hafa. …

“… Mampanantena aho fa raha manao izay rehetra vitanareo ianareo dia hanome tanjaka sy fahendrena anareo Andriamanitra” (“Fiomanana ao amin’ny Fisoronana: Mila ny Fanampianao Aho,’” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 58–59).

  • Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Eyring izay manosika anareo hiasa amim-pahazotoana amin’ny fanompoanareo ny Tompo na manao ahoana na manao ahoana ny fandraisan’ny olona ny ezaka ataonareo?

Vakio ity tantara manaraka avy amin’ny Loholona Mervyn B. Arnold ao amin’ny Fitopololahy ity, izay miresaka mikasika ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana, izay niasa tamim-pahazotoana niaraka tamin’ny zatovolahy iray na dia nolavina foana aza izy. Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra hitan’ilay zatovolahy tao amin’ny mpitarika azy ao amin’ny fisoronana tamin’ny farany.

“Tamin’ny naha mpikambana azy tao amin’ny fiadidian’ny sampana tao Fortaleza Brésil dia nanomana drafitra niaraka tamin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana Rahalahy Marques mba hampahavitrihana ireo izay nalaindaina tao amin’ny sampana nisy azy. Zatovolahy iray nantsoina hoe Fernando Araujo ny iray tamin’ireo mpikambana malaindaina ireo. Vao haingana aho no niresaka tamin’i Fernando ary noresahiny tamiko ny zavatra niainany manao hoe:

“’Tafaroboka tao anatin’ny fifaninanana surf isaky ny Alahady maraina aho ary nitsahatra tsy namonjy ireo fivoriam-piangonako. Indray Alahady maraina dia nandondona ny varavarako Rahalahy Marques ary nanontany ilay reniko tsy mpikambana raha toa ka mba afaka miresaka amiko izy. Rehefa nilaza taminy ny reniko hoe natory aho dia nangataka alalana ny hamoha ahy izy. Hoy izy tamiko hoe: “Fernando a! Tara fidirana any am-piangonana ianao!” Tsy nihaino ny fialan-tsiniko izy fa nentiny tany am-piangonana aho.’

“’Mbola tahaka izay ihany no nitranga ny Alahady manarak’izay, ka noho izany dia nanapa-kevitra ny hiala aloha aho mba hialako azy. Rehefa namoha ny vavahady aho dia nahita azy nipetraka tao anatin’ny fiarany namaky soratra masina. Raha vao nahita ahy izy dia nilaza hoe: “Mahafinaritra! Nifoha maraina ianao. Handeha hitady zatovolahy iray hafa isika androany!” Naneho hevitra aho hoe manana ny fahafahako misafidy, saingy hoy izy hoe: “Afaka miresaka mikasika izany isika rehefa kelikely eo.”’

“’Taorian’ny Alahady miisa valo dia tsy afa-niala taminy aho, ka noho izany dia nanapa-kevitra aho ny hatory any an-tranon’ny namako iray. Tany amoron-dranomasina aho ny ampitso marainan’io andro io rehefa nahita lehilahy iray nanao palitao sy karavato nanatona ahy. Raha vao hitako hoe Rahalahy Marques ilay olona dia nihazakazaka nankany anaty rano aho. Tampoka teo dia nahatsapa tanan’olona teo an-tsoroko aho. Rahalahy Marques izany, izay niroboka tao anaty rano hatreo amin’ny tratrany! Noraisiny ny tanako ary hoy izy hoe: “Tara ianao! Andao handeha.” Rehefa nilaza aho fa tsy nanana akanjo hanaovana dia namaly izy hoe: “Ao anaty fiara ny akanjonao.”’

“’Tamin’izay andro izay rehefa niala tao anatin’ny ranomasina izahay dia nanohina ahy ny fitiavana amim-kitsimpo nasehon’ny Rahalahy Marques sy ny firaharahiany ahy. … Tsy nitondra ahy tamin’ny fiara nankany am-piangonana fotsiny Rahalahy Marques—fa nataon’ny kôlejy izay nijanonako ho mpikambana mazoto. Nanomana fiaraha-mientana izy ireo, izay nahatonga ahy hahatsapa fa nilaina sy notadiavina, nahazo antso aho ary lasa namako ireo mpikambana tao amin’ny kôlejy’” (“Strengthen Thy Brethren,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 46–47).

Hazavao fa amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manana asa manan-danja ho atao eto amin’ity fiainana ity avokoa isika rehetra. Afaka mamporisika antsika amin’ireo asa ireo ny ohatra nasehon’i Môrmôna, i Môrônia, ary Rahalahy Marques rehefa kivy isika na lavin’ireo izay asaina tompointsika.

Môrônia 9:21–26

Namporisika an’i Môrônia mba hahatoky i Môrmôna

Asao ny mpianatra hilaza zava-niseho vao haingana teo amin’ny fiarahamonina misy azy ireo na ny fireneny na teto amin’izao tontolo izao, izay nahatonga ny olona ho kivy.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 9:21–22, 25–26. Asao izy ireo hitady ny torohevitra nomen’i Môrmôna an’i Môrônia mikasika ny zavatra tokony hataony tao anatin’ireo toe-javatra nahakivy niainany. Mba hanampiana ny mpianatra hamakafaka ireo andininy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Teny sy andian-teny inona ao anatin’ireo andininy ireo no milaza ny zavatra tsapan’i Môrmôna mikasika an’i Môrônia zanany lahy?

  • Inona no nolazain’i Môrmôna fa tokony “hitoetra mandrakizay ao an-tsai[n’i Môrônia]”? (Môrônia 9:25). Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahatsiarovana ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany antsika rehefa kivy isika na rehefa voahodidin’ny faharatsiana?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fihetsika tokony haseho amin’ny zava-tsarotra sy ny faharatsiana mety manodidina antsika? (Na dia mety mampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony hilaza izy ireo fa raha mahatoky ao amin’i Jesoa Kristy isika dia hampahery antsika Izy na dia rehefa voahodidin’ny zava-tsarotra sy ny faharatsiana aza isika. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe sy manasa ny mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masiny.)

  • Inona avy ireo zavatra niainana teo amin’ny fiainanareo na ny fiainan’ireo olona akaiky anareo izay maneho fa marina io fitsipika io?

Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ireo fomba ahafahan’izy ireo ho mahatoky kokoa sy hifantoka kokoa amin’i Jesoa Kristy na dia amin’ny fotoana mahakivy azy ireo aza na hisian’ny faharatsiana manodidina azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny hery azonao noho ny fahatokianao ao amin’i Jesoa Kristy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrônia 9:18–20. “Maty eritreritra”

Nanazava tamin’i Môrônia zanany lahy i Môrmôna fa “tsy manaraka fitsipika … ary efa maty eritreritra” (Môrônia 9:20) ny olon’izy ireo. Nanazava ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny tsy fihainoana ny bitsiky ny Fanahy Masina sy ny tsy fitandremana ny didin’ Andriamanitra dia afaka mitondra antsika amin’ity toe-javatra ity:

“Mifehy ny fitondrantenantsika amin’ny fomba maro ny fahafahantsika mahatsapa ary rehefa tsy manao na inona na inona isika amin’ny fotoana hitaoman’ny fahatsapantsika antsika hanao ny tsara dia mamono izany fahafahana mahatsapa izany isika. Ilay fahatsapana miavaka nananan’i Jesoa mikasika ny zavatra ilain’ireo olona manodidina azy no nahatonga Azy afaka nanao asa ho azy ireo.

“Ny olona tahaka ireo rahalahin’i Nefia nania dia latsaka ambany tokoa amin’ny ara-panahy; nanao fanamarihana momba ny fitomboan’ny fahadontoan’izy ireo ny amin’ny zavatra ara-panahy i Nefia manao hoe: ‘Niteny taminareo tamin’ny feo tony sy malefaka [Andriamanitra], saingy efa donto ianareo, hany ka tsy nahatsapa ny teniny’ (1 Nefia 17:45).

“Rehefa manao fahadisoana be loatra isika dia tsy hiasa eo amin’ny fiainantsika intsony ny fahatsapantsika ara-panahy. Mety hitranga amin’ny rafi-piainana iray manontolo izany. Niresaka mikasika ny fahasimban’ny fiaraha-monina Nefita i Môrmôna tao anatin’ny fitarainany tamin’i Môrônia zanany. Ahitana faharatsiana lalina tokoa ny soritr’aretina, izay nahatonga an’i Môrmôna hamaritra ny olony ho ‘maty eritreritra’ (Môrônia 9:20). Nitaraina mikasika ny fahavetavetana manimba an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Efesosy ny Apôstôly Paoly satria nampitombo tsy firaharahiana tahaka izany izy ireo tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny tenany ka nahatonga azy ireo ho ‘tsy [n]ahalala henatra intsony’ (Efesiana 4:19). Ny fiaraha-monina iray mifantoka tanteraka amin’ny firaisana ara-nofo dia tsy afaka mahatsapa ny zavatra ilain’ireo olona mijaly ao anatin’izany fiaraha-monina izany satria, raha tokony ho ilay fitiavana mankany amin’ny hafa no ho kolokoloina, dia mahatonga ny olona tsy hijery afa-tsy ny tenany indray izany. Ny tsy fahatsapana ny bitsiky ny feo malefaka sy tonin’ Andriamanitra dia hidika ihany koa fa manana sofina isika, kanefa tsy mandre, tsy ny bitsik’ Andriamanitra fotsiny ihany, fa ny fitarainan’ny olona ihany koa” (A Time to Choose [1972], 59–60).

Nampitandrina antsika ny amin’ny fironana iray hafa miroborobo ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay mitondra mankany amin’ny tsy fananana intsony ny Fanahy:

“Tsy mitsahatra ny mitabataba izao tontolo izao. Miha mivaha sy tsy raharahiana ary mikorontana ny fomba fitafy sy ny fomba fihaingo ary ny fitondrantena. Mirahondrahona amin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ireo mozika mitabataba mafy, miaraka amin’ny tononkira feno fahavetavetana raha toa ka manjelanjelatra eo amin’ny fitaratrabe miloko ireo jiro, maneho ny kolontsain’ny zava-mahadomelina. Ny karazan’ireo zavatra ireo dia mahazo vahana sy misintona ny fahatanoranareo. …

“Ity fahazarana mitabataba loatra, mientanentana loatra, mifanditra loatra ity ary ny fihenan’ny fifehezan-tena sy ny fahamendrehana ary ny fanajana dia tsy hoe kisendrasendra na hoe tsy ananan-tsiny na hoe tsy mampidi-doza.

“Ny baiko voalohany avy amin’ny mpibaiko tafika, izay mitarika fanafihana miaramila dia ny fanembantsembanana ny tambajotram-pifandraisan’ireo izay kasainy hotafihina.

“Mety amin’ny tanjon’ny fahavalo ny tsy fanajana amin’ny alalan’ny fanembantsembanana ilay tambazotran’ny fanambarana ao amin’ny saina sy ny fanahy” (“Reverence Invites Revelation,” Ensign, Nôv. 1991, 22).

Hamoaka printy