Tahirim-pitaovana
Tenin’i Môrmôna


Fampahafantarana Ny Tenin’i Môrmôna

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Amin’ny alalan’ny fandalinana ny Tenin’i Môrmôna no ahafahan’ireo mpianatra mampitombo ny finoany fa “Ny Tompo [dia] mahalala ny zavatra rehetra” (Tenin’i Môrmôna 1:7) ary mitarika ireo mpanompony Izy hanatontosa ny asany. Amin’ny maha fitantarana tantara azy dia toy ny tetezana mampifandray ny takelaka kelin’i Nefia (1 Nefia–Ômnia) sy ny famintinana nataon’i Môrmôna avy amin’ny takelaka lehibe an’i Nefia (Môsià–4 Nefia) ilay boky. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa hoe inona no rakitsoratra nofintinin’i Môrmôna rehefa nanambatra ny Bokin’i Môrmôna izy. Mampahafantatra amin’ireo mpianatra ny finoana sy ny zava-bitan’i Benjamina Mpanjaka ihany koa ilay boky.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Môrmôna no nanoratra ity boky ity. Mpaminany izy, sy mpitana rakitsoratra, ary mpamintina sy mpanambatra ny Bokin’i Môrmôna. Raim-pianakaviana marina ihany koa izy ary mpitari-tafika teo anivon’ny Nefita. Zanany lahy ny mpaminany Môrônia.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Niresaka tamin’ny olona aty aoriany i Môrmôna sady nanantena fa ny zavatra nosoratany sy izay nosoratan’i Môrônia zanany lahy dia “mety hahasoa azy ireo” (Tenin’i Môrmôna 1:2). Nanoratra manokana ho tombontsoan’ny Lamanita izy. Hoy izy momba azy ireo hoe: “Ary ny fivavako amin’ Andriamanitra dia ho an’ ny rahalahiko, ka enga anie ho tonga indray mandeha indray amin’ ny fahalalana an’ Andriamanitra izy, eny, amin’ ny fanavotan’ i Kristy; ka hahatonga azy indray mandeha indray ho vahoaka mahafinaritra” (Tenin’i Môrmôna 1:8).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

I Môrmôna dia nanoratra ity boky ity teo amin’ny manodidina ny taona 385Taorian’i J.K, rehefa avy “nanatri-maso ny fandringanana saiky manontolo ny Nefita olo[ny]” (Tenin’i Môrmôna 1:1). Tsy nosoratan’i Môrmôna izay toerana nisy azy sy ny fotoana nanoratany ity boky ity.

Inona avy ireo toetoetra mampiavaka ity boky ity?

Ity boky fohy ity dia mampiato ny filaharan’ireo boky araka ny daty nisehoan’ny tantara any amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna. Dimanjato taona mahery taorian’ny namaranan’i Amalekià ny bokin’i Ômnia no nanoratan’i Môrmôna io boky io. Ao anatin’ity boky ity i Môrmôna dia nanazava fohifohy mikasika ny fanakambanany sy ny famintinany ireo rakitsoratry ny olony. Mba hahatakarana ny fanazavany dia tena manampy ny mahatsiaro fa nandidy an’i Nefia ny Tompo mba hanao takelaka roa karazana noho ny antony “manokana” sy ny fikasana “hendry” (jereo ny 1 Nefia 9:3, 5). Ny andiany iray amin’ireo takelaka, izay matetika antsoina hoe takelaka lehibe, dia nirakitra ireo tantaran’ny fiainan’ireo Nefita, raha toa kosa ny andiany iray hafa, izay matetika antsoina hoe takelaka kely, dia nirakitra ireo rakitsoratra masina momba ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny fanambarana ary ny faminaniana teo amin’ireo Nefita (jereo ny 1 Nefia 9:2–4; Jakôba 1:3–4).

Hitan’i Môrmôna ireo takelaka kelin’i Nefia taorian’ny nahavitany ny famintinana ny ampahany tamin’ireo takelaka lehibe (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:3). Rehefa notarihin’ny Fanahin’ny Tompo i Môrmôna dia nampiditra ireo takelaka kely tao amin’ny famintinany ireo takelaka lehibe. Noho ny “fikasana hendry” no nanaovany izany, araka ny sitrapon’ny Tompo (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:4–7).

Taona maro taty aoriana dia nanjary hita niharihary ny antony iray nahazoana io fitaomam-panahy io. Rehefa nanomboka nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith dia ny famintinana nataon’i Môrmôna avy amin’ny takelaka lehibe an’i Nefia no nanombohany izany—ilay tantaram-piainana. I Martin Harris, izay mpitan-tsoratry ny Mpaminany tamin’ity ampahan’ny fandikan-teny ity, dia nanary ireo sora-tanana 116 takila. Nampahafantarin’ny Tompo an’i Joseph Smith fa tonga teo am-pelatanan’ny lehilahy ratsy fanahy ireo takila ireo ary novain’izy ireo ny teny tao anatiny (jereo ny F&F 10:8–10). Raha namerina nandika indray ireo takelaka efa voadika ireo ihany i Joseph dia mety ho niteny ireo lehilahy ireo hoe tsy mpaminany izy satria tsy afaka nandika indroa ilay boky tamin’ny fomba mitovy (jereo ny F&F 10:11–19). Nolazain’ny Tompo i Joseph ny Tompo tsy hamerina handika io ampahany io fa handika kosa ny takelaka kelin’i Nefia izay nampidirin’i Môrmôna tao amin’ny famintinany ireo takelaka lehibe (jereo ny F&F 10:30–45). Noho izany, ny tenin’i Môrmôna dia manampy antsika hahita ny fomba nanomanan’ny Tompo lalana hampandamòka ny drafitr’ireo olona ratsy fanahy sy hampiditra soratra masina izay tsy hoe mahafaoka fotsiny ilay vanim-potoana voaresaka ao amin’ilay sora-tanana very fa nitondra ihany koa “fahalalana bebe kokoa momba ny filazantsara[n’ny Tompo]” (F&F 10:45). Nampianatra toy izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Mazava ho azy fa hampihetsi-po tokoa raha toa ka misy olona iray indray andro any mahita ireo takila very 116 amin’ilay sora-tanana tany am-piandohana momba ny Bokin’i Môrmôna. Na inona na inona anefa no voarakitra ao amin’ireo takila ireo dia tsy ho manan-danja kokoa na hanana anjara asa fototra bebe kokoa amin’ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna mihoatra noho ny fampianarana … voarakitra ao amin’ireo takelaka kely izany” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 35–36).

Ankoatra ny fizarany hevi-baovao mikasika ny fanakambanana ireo rakitsoratra masina momba ny vahoakany, dia nofariparitan’i Môrmôna fohy ny asa fanompoana nataon’i Benjamina Mpanjaka (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:10–18). Io famaritana io dia manampy amin’ny fampifandraisana ireo takelaka kelin’i Nefia amin’ny famintinana nataon’i Môrmôna an’ireo takelaka lehibe. I Benjamina Mpanjaka dia voatonona ao amin’ny famaranana ny bokin’i Ômnia, izay boky farany ao amin’ireo takelaka kely (jereo ny Ômnia 1:23–25). Ny bokin’i Môsià, izay boky voalohany amin’izay ampahany ananantsika amin’ny famintinan’i Môrmôna ireo takelaka lehibe dia manomboka amin’ny fitantarana ny fifaranan’ny nanjakan’i Benjamina Mpanjaka sy ny asa fanompoany (jereo ny Môsià 1:1, 9).

Votoatin-kevitra

Tenin’i Môrmôna 1:1–9 Nahita ireo takelaka kelin’i Nefia i Môrmôna ary nampiditra izany tao amin’ny famintinany ireo takelaka lehibe.

Tenin’i Môrmôna 1:10–18 Nofintinin’i Môrmôna ny nanjakan’i Benjamina Mpanjaka.

Hamoaka printy