Tahirim-pitaovana
Lesona 98: Almà 41


Lesona 98

Almà 41

Fampidirana

Rehefa nanohy nananatra an’i Kôriantôna zanany i Almà dia nampianatra fa ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny dia tsy ahitana afa-tsy ny fitsanganana amin’ny maty fotsiny ihany fa ny famerenana amin’ny laoniny ara-panahy ihany koa, ary hita taratra amin’ny toetrantsika mandrakizay ny asa sy ny faniriantsika teto amin’ny fiainana an-tany. Nanantitrantitra i Almà fa tsy hitondra na oviana na oviana amin’ny fahasambarana ny faharatsiana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 41

Nampianatra an’i Kôriantôna mikasika ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny i Almà

Asao ny iray kilasy hieritreritra ny fomba mety hahavoataona ny asan’ny olona raha mino ireto fehezanteny ireto izy ireo (mijanona aorian’ny fehezanteny tsirairay mba hamelana ny mpianatra hamaly):

Misy fiainana aorian’ny fahafatesana.

Ho atao tonga lafatra isika aorian’ny hahafatesantsika na inona na inona asa nataontsika tety an-tany.

Hovaliana soa noho ny asa tsara nataontsika isika amin’ny Fitsarana Farany ary hosaziana noho ny asa ratsy nataontsika.

  • Nahoana no no zava-dehibe ny manana fahatakarana marina ny zavatra hitranga amintsika aorian’ny hahafatesantsika?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nianatra mikasika ny fampianaran’i Almà an’i Kôriantôna momba ny tontolon’ny fanahy, ny fitsanganana amin’ny maty ary ny fitsarana izy ireo tao amin’ny Almà 40. Hazavao fa ao amin’ny Almà 41 dia mianatra isika fa sahiran-tsaina tamin’ny zavatra nampianarin’ny olona sasany mikasika ny fitsanganana amin’ny maty i Kôriantôna. Miresaha mikasika ilay teny hoe “naniasia” ao amin’ny Almà 41:1, ary asao ny mpianatra hamaky ity andininy ity ary hikaroka ny antony nahatonga ny sasany tamin’ny olona haniasia.

  • Nahoana no naniasia ny sasany tamin’ny olona? (Azonao atao ny manazava fa ny hoe manolana ny soratra masina dia midika hoe manodina, manaratsy endrika na manova ny dikan’izy ireo.)

  • Inona no nolazain’i Almà fa hohazavainy amin’i Kôriantôna?

Rehefa hitan’ny mpianatra ilay andian-teny hoe famerenana amin’ny laoniny dia azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa ny hoe famerenana amin’ny laoniny dia midika hoe mamerina na manao izay hahatongavana amin’ny toetra teo aloha.

Hazavao fa tian’i Almà hahatakatra i Kôriantôna fa misy lafiny ara-batana sy lafiny ara-panahy izay antsoiny hoe ny “drafitry ny famerenana amin’ny laoniny” (Almà 41:2). Asao ny mpianatra handalina mangina ny Almà 41:2–5 ary hikaroka ireo zavatra haverina amin’ny laoniny ara-batana amintsika aorian’ny fahafatesana ary ireo zavatra haverina amin’ny laoniny ara-panahy. Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. Mety hanampy anao ny manazava alohan’ny hamakian’ny mpianatra fa ny hoe ilaina dia midika hoe takiana na zava-dehibe.

  • Inona ilay lafiny ara-batana an’ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny voalaza ao amin’ny Almà 41:2? (Haverina amin’ny vatana ny fanahy amin’ny fitsanganana amin’ny maty ary haverina amin’ny vatana avokoa ny rantsambatana.)

  • Inona ilay lafiny ara-panahy an’ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny voalaza ao amin’ny Almà 41:3–5? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Haverina amin’ny laoniny isika na amin’ny fahasambarana na amin’ny fahoriana arakaraka ny asantsika sy ny faniriantsika teto amin’ny fiainana an-tany.)

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe mampianatra ireo andininy ireo ao amin’ny kilasin’ny Kilonga.

  • Ahoana no hanazavanareo ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny mba hahatakaran’ny ankizy izany?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Kôriantôna ary nahafoy tamin’ny andraikiny tamin’ny asa fitoriana (jereo ny Almà 39:2–4).

  • Mety ho tamin’ny fomba manao ahoana no nanampian’ny fahatakarana marina ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny ara-panahy an’i Kôriantôna hanao safidy tsara kokoa? Ahoana no fiantraikan’ny fahatakarana io fotopampianarana io amin’ny asantsika sy ny faniriantsika?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika io fahamarinana io ary zarao ny eritreritrao mikasika ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny famerenana amin’ny laoniny atsika tsirairay avy amin’ny tsara na amin’ny ratsy arakaraka ny faniriantsika sy ny asantsika.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Dia ahoana raha nanota aho?

  • Araka ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny, inona no azontsika raha nanota isika?

  • Misy fomba hahazoana ny fahatsarana sy ny fahasambarana haverina amin’ny laoniny amintsika ve raha nanao ny tsy nety isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 41:6–9. Asao ny iray kilasy hitady ny zavatra azontsika atao mba hahazoana ny fahatsarana sy ny fahasambarana haverina amintsika na dia efa nanota aza isika. (Tsy maintsy mibebaka isika ary maniry ny fahamarinana mandritra ny androm-piainantsika.)

  • Inona no teny na andian-teny ao amin’ny Almà 41:6–7 izay milaza fa tompon’andraikitra amin’ny zavatra azontsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty isika? Amin’ny lafiny inona isika no mpitsara ny tenantsika? (Ny safidy ataontsika mandritra ny fiainana an-tany dia mamaritra ny karazam-pitsarana ho azontsika rehefa mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra isika.)

Lazao amin’ny mpianatra fa misy ny olona sasany no mieritreritra fa afaka miara-monina amin’Andriamanitra izy ireo kanefa tsy tompon’andraikitra amin’ny asa nataon’izy ireo. Milaza izy ireo matetika fa mahafinaritra ny safidy feno fahotana ataon’izy ireo. Indraindray aza dia toy ny sambatra ireo izay manao fahotana.

Asao ny mpianatra hitsangana ary hamaky mafy ny Almà 41:10 miaraka. Lazao amin’ny mpianatra fa soratra masina fehezina ny Almà 41:10. Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marika io andininy io amin’ny fomba miavaka mba ho mora amin’izy ireo ny hahita izany. (Koa satria soratra masina fehezina ity dia asao izy ireo hamerina izany miaraka mihoatra ny indray mandeha. Azonao atao ny manontany raha misy amin’ireo mpianatra afaka manao tsianjery.) Rehefa mahavita izy ireo dia asao ny iray kilasy hipetraka. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

  • Nahoana no marina ny hoe “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana”?

  • Inona ny ohatra momba ny hoe asain’i Satana mandika ny didy isika ary mino fa mbola afaka mahatsapa fahasambarana hatrany?

Mba hanampiana ny mpianatra hitia ny zavatra mampiavaka ny fahafinaretana mandalon’izao tontolo izao sy ny fahasambarana atolotry ny Tompo dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Glenn L. Pace ao amin’ny Fitopololahy ity:

“Ny zavatra fanao izay noraran’ny Tompo sy tsy nankasitrahan’ny fiarahamonina nandritra ny taona maro dia ekena sy omen’io fiarahamonina io vahana ankehitriny. Ampiasain’ny gazety sy ny haino aman-jery ho toy ny lamaody ireo zavatra fanao ireo mba hahatonga azy ireo ho toy ny mahatsiriritra. …

“… Aza mihevitra ny fahafinaretana telestialy ho toy ny fahasambarana sy fifaliana selestialy. Aza mihevitra ny tsy fahaizana mifehy tena ho toy ny fahafahana. Ny fahafahana tanteraka tsy misy famerana dia mahatonga antsika ho andevon’ny filantsika. Aza maniry fiainana latsaka kokoa sy ambany kokoa. …

“… Tsy Andriamanitra tsy manam-pitiavana no nanome anao ireo didy tandremanao mba hanakanana anao tsy hahazo fahafinaretana, fa Ray any an-danitra be fitiavana any an-danitra izay maniry anao ho sambatra mandritra ny fiainanao eto amin’ity tany ity sy ny fiainana aorian’izany” (“They’re Not Really Happy,” Ensign, Nôv. 1987, 39–40).

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Almà 41:10. (Hita ao amin’ny “To ’the Rising Generation,’” ilay fehezanteny New Era, Jona 1986, 5.)

“Tsy afaka manao zavatra ratsy ianao dia hoe hahatsapa zavatra tsara. Tsy azo heverina izany!” (Filoha Ezra Taft Benson).

Lazao amin’ny mpianatra fa ny Almà 41:11 dia manazava ny antony tsy mampety ny hisian’ny fifaliana marina rehefa misafidy ny ratsy. Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity (azonao atao alohan’ny fotoampianarana izany), na omano amin’ny taratasy hozaraina ho an’ny mpianatra tsirairay. Ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra ary omeo torolalana hampifandray ireo andian-teny tsirairay ao amin’ny Almà 41:11 amin’ny heviny. Asao ihany koa izy ireo hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana miaraka amin’izany.

Andian-teny ao amin’ny Almà 41:11 izay mamaritra ny hoe ao amin’ny “toetra voajanahary”

Heviny

  1. “Ao amin’ny toetry ny nofo”

  1. Feran’ny fahotantsika sy vesaran’ny fahotantsika

  1. “Ao amin’ny ngidin’ny afero sy ao amin’ny famatoran’ny heloka”

  1. Tsy manana ireo fitahiana sy ny fitarihan’Andriamanitra; tsy fananana intsony ny Fanahy Masina ho namana

  1. “Tsy manana an’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao”

  1. Tarihin’ny sitrapon’ny nofo

Hitantsika ao amin’io andininy io fa ny “toetran’Andriamanitra” dia ny “toetry ny fahasambarana.” Inona no lazain’izany aminao mikasika ny antony mampifanohitra ny fanaovana fahotana amin’ny toetry ny fahasambarana?

Inona avy ireo ohatra miavaka, izay antony mahatonga ny olona hahatsapa ho ao anatin’ny toetry ny tsy fahasambarana?

(Valiny: 1-d, 2-a, 3-b)

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny zavatra hifandraisan’ny fisisihana amin’ny “toetra voajanahary” amin’ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny dia asao ny mpianatra iray hamaky ny Almà 41:12. Rehefa voavaky ilay andininy dia asao ny mpianatra hamaly ny fanontanian’i Almà. Aorian’izay dia asao ny mpianatra hamaky ny valintenin’i Almà tamin’ny fanontaniana napetrany ao amin’ny Almà 41:13. (Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marika ny zavatra nolazain’i Almà fa haverina amintsika ho isan’ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny.)

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa manana namana izay mifidy ny hanao zavatra mifanohitra amin’ny didin’ny Tompo izy kanefa maniry ny haverina amin’ny laoniny amin’ny fahamarinana. Asao ireo mpianatra hanazava ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny amin’ny namana iray ao an-dakilasy, izay mody raisina ho toy ny hoe ilay namana voalaza etsy ambony, amin’ny fampiasana ny Almà 41:12–13. (Afaka mampiasa ny teniny manokana ny mpianatra na ny teny ao amin’ilay fehezanteny voasoratra eny amin’ny solaitrabe manao hoe: “Haverina amin’ny laoniny isika na amin’ny fahasambarana na amin’ny fahoriana arakaraka ny asantsika sy ny faniriantsika teto amin’ny fiainana an-tany.”)

Manehoa boomerang amin’ny mpianatra na ataony eny amin’ny solaitrabe ny sarin’izany.

Anontanio ny mpianatra ny zavatra ataon’ny boomerang rehefa atsipy araka ny tokony ho izy. (Miverina eo amin’ny toerana nanipazana azy ilay izy.) Asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 41:14–15 ary hikaroka ireo fomba mety hanehoan’ny boomerang ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo. (Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marina ireo andininy ireo.) Asao ny mpianatra hanazava ny zavatra hitany.

  • Inona avy ireo zavatra antenainao ho azo avy amin’ny hafa sy avy amin’ny Tompo eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana ho avy? (Ny valinteny dia mety ahitana hoe hatsaram-panahy, famindram-po ary fitiavana. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.)

  • Oviana ianao no naneho halemem-panahy sy famindram-po ary hatsaram-panahy tamin’ny hafa ary nahazo izany koa taty aoriana?

Amporisiho ny mpianatra hametraka tanjona mba hanao zavatra sy hanolokolo fihetsika ahitana taratra ny zavatra antenain’izy ireo mba haverina amin’ny laoniny aminy eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana hoavy. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahasambarana azo rehefa manao zavatra amim-pahamarinana isika.

Soratra masina fehezina—Almà 41:10

Fanamarihana: Noho ny toetoetra sy ny halavan’ity lesona ity dia tsara indrindra ny mampiasa ity fomba fianarana manaraka ity amin’ny andro hafa rehefa manana fotoana fanampiny ianao.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: … dia fahasambarana.

Asao ny mpianatra hamorona izay mifanohitra amin’ny fehezantenin’ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Almà 41:10. (Valinteny azo heverina ny hoe “Ny fahamarinana dia fahasambarana.”) Asao ny mpianatra avy eo hitanisa ireo asa tsara manokana izay heverin’izy ireo fa azo hamenoana ilay banga. (Ohatra hoe “Ny fanompoana ny hafa dia fahasambarana.”) Anontanio ny mpianatra raha afaka mijoro ho vavolombelona izy ireo fa mitondra amin’ny fahasambarana ny iray amin’ireo asa tsara ireo na inona izany na inona. Rehefa avy mizara ny zavatra niainany sy ny fijoroany ho vavolombelona ny mpianatra vitsivitsy dia asao ny iray kilasy hanoratra amin’ny karatra kely antonona paosy na amin’ny sombin-taratasy asa tsara iray na roa izay azon’izy ireo atao mandritra ny herinandro mba hampitomboana ny fahasambarany. Amporisiho izy ireo hitondra ny taratasin’izy ireo miaraka aminy ho fampahatsiahivana sy hanaovan’izy ireo tatitra momba ny ezaka nataony amin’ireo andro ho avy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 41:10. Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana

Ity fehezanteny manaraka nalaina tao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana ity dia manamafy fa afaka mahazo fahafinaretana sy mahazo fahasambarana amin’ny fomba tsara ny mpianatra:

“Maro ireo olona miezaka mikatsaka fahasambarana ary fahafaham-po lehibe ao anatin’ny fanaovan-javatra izay mifanohitra amin’ny didin’ny Tompo. Mandà ilay hany loharano hahazoana fahasambarana marina izy ireo noho ny tsy firaharahiana ny drafitr’ Andriamanitra ho azy ireo. Manaraka ny devoly izy ireo, izay “[mikatsaka] ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy” (2 Nefia 2:27). Amin’ny farany dia hahafantatra ny fahamarinan’ny fampitandreman’i Almà an’i Kôriantôna zanany lahy ihany izy ireo: “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana” (Almà 41:10). …

“Eo am-pikatsahanao fahasambarana dia tsarovy fa ny hany fomba hahazoana fahasambarana marina dia ny fiainana ny filazantsara. Hahita fahasambarana feno fiadanana sy maharitra mandrakizay ianao rehefa miezaka mitandrina ireo didy, mivavaka hahazoana tanjaka, mibebaka amin’ny fahotanao, sy mandray anjara amin’ireo fiaraha-mientana mahasoa ary manao asa fanompoana manan-danja. Hianatra ny hahazo fahafinaretana amin’ny fetra apetraky ny Ray any An-danitra be fitiavana ianao” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 79–80).

Almà 41:10–11. Ao anatin’ny “toetra voajanahary” avokoa ny olona rehetra

Nampianatra ny Filoha David O. McKay fa manana toetra roa sy fahafahana hifidy ny fahasambarana amin’ny alalan’ny fifehezan-tena isika manao hoe:

Mitondra fifaliana sy fahasambarana ny fiainana fiainana marina sy ny fahadiovam-pitondrantena raha toa kosa ka tsy mitondra afa-tsy tsy fahafaham-po, alahelo ary fahasimbana rehefa atao be loatra ny fandikana ireo lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fiaraha-monina.

“Manana toetra roa ny olona—ny iray dia mifandray amin’ny fiainana an-tany na ny fiainan’ny biby ary ny iray dia amin’ny fiainana ara-panahy izay mifandray amin’ Andriamanitra. Ny vatan’ny olona dia tsy tabernakely hitoeran’ny fanahiny fotsiny ihany. Be dia be, betsaka tokoa no mijery ny vatana ho ilay olombelona, ka vokatr’izany dia mamily ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fanomezana fahafaham-po ny fahafinaretan’ilay vatana, ny filany, ny faniriany, ny firehetam-pony. Vitsy dia vitsy no manaiky fa fanahy tsy mety maty ilay tena olona, izay efa nanana ‘faharanitan-saina na fahazavan’ny fahamarinana’ velona tamin’ny naha olona feno azy talohan’ny nahazoana vatana, ary io vatana fanahy io hanohy miaraka amin’ireo toetrany miavaka hanao zavatra araka izay misy eo amin’ny tontolo manodidina azy ety an-tany aorian’ny hitsaharan’ny vatana manao izany.

“Na ny olona iray mijanona ho afa-po ao anatin’ilay antsointsika hoe tontolon’ny biby, ny fahafaham-po amin’io tontolon’ny biby io dia hahatonga azy hankatò amin’izao fotsiny tsy mila ezaka ny fanirian’ny filany sy ny firehetam-pony izay tsy misy fitiavana, ary hisosa lavitra hatrany mankao amin’ny fanjakan’ny fahafinaretana, na amin’ny alalan’ny fifehezan-tena dia misondrotra amin’ny fankamamiana ny fahalalana sy ny fahadiovana ary ny ara-panahy izy miankina amin’ny karazan-tsafidy ataony isan’andro—tsy izay ka! Isan’ora mandritra ny fiainany” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1967, 6–7).

Almà 41:11. “Mifanohitra amin’ny toetry ny fahasambarana”

Nanazava ny Loholona F. Enzio Busche ao amin’ny Fitopololahy fa hanampy antsika hitandrina amin’ny fotoana hianjerantsika ao anatin’ny toetra izay mifanohitra amin’ny toetry ny fahasambarana ny fandalinana amin’ny fandavantena ny tenin’ireo mpanompon’ny Tompo voahosotra:

“Samy efa tao anatin’ny toetra mifanohitra ny toetran’ny fahasambarana avokoa isika rehetra tao anatin’ny fotoana iray, ary tsy voatery ho vokatry ny fanaovantsika faharatsiana na fahotana lehibe tokoa izany. Fa afaka mitaona antsika amin’ny ratsy ny fahavalo arakaraka ny faharetan’ny fotoana hijanonantsika eto amin’ity toetra tsy maharitra eto an-tany ity. Mety lasa tsy dia manam-pitiavana loatra isika. Mety notsinontsinoavintsika ny fifandraisantsika amin’ireo olona akaiky indrindra antsika. … Mety namela ireo fahazaran-dratsy na fihetsika kely hiditra teo amin’ny fiainantsika isika; na angamba nihen-danja be tokoa ny fahatakarantsika ny maha zava-dehibe ny fanajana tanteraka ny fanekempihavanana. Raha izany no izy dia ao anatin’ny toetra mampidi-doza isika. Tokony ho tonga saina amin’izany isika. Tsy afaka mody tsy mahita ny toe-java-misy isika. Mety mahita isika fa tsy dia faly loatra indraindray, ary tsy maintsy manery ny tenantsika hitsiky na angamba ao anatin’ny toe-po manakaiky ny fikorontanan-tsaina ao anaty isika. … Na dia mety mahavita mamitaka ny hafa aza isika dia tsy afaka mamitaka ny tenantsika ary tsy afaka mamitaka ny Tompo isika. …

“Toriana amin’ny fahafenoany manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ireo mpanompo voahosotry ny Tompo ny filazantsara mba hahafantaran’ny rehetra ny toe-tenany. Ilaina ny mamaky sy mandalina ny soratra masina amin’ny fanolorantena sy ny fahafoizantena mba ho lasa akaikin’ny tenin’ireo voahosotry ny Tompo. …

“… Tsy tian’ny Tompo raha amin’ny Andron’ny Fitsarana isika vao hanjary lasa hahatsapa ny toetra maha-tsinontsinona sy ao anatin’ny fahoriana antsika (jereo ny Môsià 4:11; Almà 26:12; Hel. 12:7; Mosesy 1:10). Tiany hampitombo ny fahatsapan-tenantsika isika amin’izao fotoana izao sy isan’andro mandritra ny fiainantsika eto an-tany mba hahatonga antsika ho lasa mpitsara ny tenantsika satria miantso antsika hanao dingan’ny fibebahana mitohy Izy” (“University for Eternal Life,” Ensign, Mey 1989, 72).

Almà 41:11. Afaka manova ny toetrantsika amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy isika

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ny fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy miteraka fiovana manan-danja sy maharitra amin’ny toetrantsika, izay tanteraka amin’ny alalan’ny fianteherantsika amin’ny ‘fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina’ (2 Nefia 2:8). Rehefa misafidy ny hanaraka ny Mpampianatra isika dia misafidy ny mba hiharam-panovana—hateraka indray ara-panahy” (“Ye Must Be Born Again,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 20).

Hamoaka printy