Tahirim-pitaovana
Lesona 129: 3 Nefia 20


Lesona 129

3 Nefia 20

Fampidirana

Tamin’ny andro faharoa nanaovan’i Jesoa Kristy ny asa fanompoany teo anivon’ireo Nefita, dia nanatanteraka indray ny fanasan’ny Tompo teo amin’ny vahoaka Izy. Nijoro ho vavolombelona Izy fa ireo fanekempihavanana sy fampanantenan’ny Ray dia ho tanteraka amin’ny andro farany. Ho voangona i Isiraely, ary ireo firenena rehetra maneran-tany dia hotahiana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 20:1–9

Nanatanteraka ny fanasan’ny Tompo teo amin’ny vahoaka indray ny Mpamonjy

Hanombohana ny lesona, dia hazavao fa tianao hamaly fanontaniana samy hafa ireo zatovolahy sy zatovovavy ao am-pianarana. Asao ny zatovolahy vitsivitsy izay mihazona ny Fisoronana Aharôna mba hilaza amin’ny iray kilasy ny andraikiny amin’ny fanomanana, ny fitsofan-drano ary ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Ampio izy ireo hizara ny fahatsapany mikasika ny fanatanterahana ireo andraikitra ireo amin’ny fametrahana amin’izy ireo ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Midika inona aminareo ny manampy amin’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo?

  • Ahoana no hanehoanareo amin’ny Tompo fa takatrareo ny toetra masin’io ôrdônansy io?

Ampio ny zatovovavy vitsivitsy hizara ny zavatra tsapany mikasika ny mahamasin’ny fanasan’ny Tompo amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ny zavatra tsapanareo rehefa mahita zatovolahy mendrika manatanteraka ny fanasan’ny Tompo?

  • Inona ny zavatra ataonareo mandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo izay maneho fa takatrareo ny fahamasinan’izany?

Hazavao fa nandritra ny andro faharoan’ny asa fanompoan’i Mpamonjy tany amin’ny Nefita dia nanatanteraka fanindroany ny fanasan’ny Tompo ho an’ny vahoaka ny Mpamonjy sy ny mpianany. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 20:1. Hamafiso ity fehezanteny manaraka ity: “Ary izy dia nandidy azy ireo ny tsy hitsaharany mivavaka ao am-pony.”

  • Midika inona aminao ny “tsy [m]itsaharana mivavaka” ao am-ponao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 20:3–5 .

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hisian’ny fivavahanao ao am-po fiantraikany amin’ny fandraisanao isan-kerinandro ny fanasan’ny Tompo?

  • Araka ny hevitrao, inona no maha zava-dehibe ny fifantohana tsara amin’ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 20:8. Asaivo manaraka ny mpianatra mba hitady ny zavatra asehon’ny mofo sy ny divay. (Mety hanampy ny fanazavana fa ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia mampiasa rano fa tsy divay. [Jereo ny F&F 27:2.])

  • Inona no asehon’ny mofo sy rano amin’ny fanasan’ny Tompo? (Ny vatana sy ny ràn’ny Mpamonjy.)

Azonao atao ny mamaky izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan-teny itatr’ilay fanasan’ny Mpamonjy hihinana ny Vatany sy hisotro ny Ràny:

Ny mihinana ny vatana sy ny misotro ny ràn’ny Kristy dia nidika ary mbola midika hoe mino Azy sy manaiky Azy ho ilay Zanakalahin’Andriamanitra amin’ny heviny ara-bakiteny sy ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao, ary ny mankatò ny didiny. Amin’ny alalan’io fomba io ihany no hahafahan’ny Fanahin’Andriamanitra ho lasa ampahany iray mitoetra amin’ny tenan’ny olona iray, tahaka ny fandraisan’ny nofon’ny vatan’ny olona iray vaingan-kanina ho sakafo” (Jesus le Christ, 3rd ed. [1916], 342; nampiana sora-mandry).

  • Inona no tandindona hita rehefa mandray ny mofo sy ny rano?

  • Araka ny voalazan’ny 3 Nefia 20:8, inona no nampanantenain’i Jesoa Kristy an’ireo izay mandray ny fanasan’ny Tompo? (Hovokisana ny fanahiny.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe hovokisana ny fanahiny dia asaivo mieritreritra ny habetsahan’ny mofo sy ny rano izay ohaniny sy sotroiny izy ireo rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Avy eo dia manontania hoe:

  • Raha noana sy mangetaheta ianareo dia hahavoky anareo ve ireo zavatra ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 20:9 ary anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ ny 3 Nefia 20:8–9? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony ho hitan’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Raha mandray ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana isika, dia afaka ho heniky ny Fanahy Masina.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo mihaino ireo fomba ahafahana mitahy antsika rehefa heniky ny Fanahy ny mpianatra:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Aoka isika mba ho mendrika an’ilay fampanantenana nataon’ny Mpamonjy fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia ’hovokisana’ (3 Ne. 20:8; jereo ihany koa ny 3 Ne. 18:9), izay midika hoe isika dia ho ’heniky ny Fanahy’ (3 Ne. 20:9). Io Fanahy io—ny Fanahy Masina—dia ilay mpampionona antsika, ilay mahita ny lalana tokony alehantsika, ilay mpanambara amintsika, ilay mpandika ny tenintsika, ilay vavolombelona ho antsika, ary ilay mpanadio antsika—ilay mpitarika antsika tsy mety diso sy ilay mpanamasina eo amin’ny fiainantsika ety an-tany miroso any amin’ny fiainana mandrakizay.

“… Avy amin’ilay zavatra mety heverina fa kely, dia ny fanavaozana amim-piheverana sy am-panajana ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa no hahatongavan’ny fanavaozana ireo fitahianan’ny batisa amin’ny rano sy amin’ny Fanahy, mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Hotarihina amin’izany fomba izany isika rehetra ary ho azo diovina amin’izany fomba izany” (“Always Have His Spirit,” Ensign, Nov. 1996, 61).

  • Ahoana avy no hitahiana antsika rehefa heniky ny Fanahy isika?

  • Oviana no nahazoanao fanampiana avy amin’ny fandraisanao ny fanasan’ny Tompo mba ho heniky ny Fanahy Masina?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana azonao avy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy avy amin’ny nahaheniky ny Fanahy. Ambarao fa ny fivavahantsika ao am-pò dia fomba iray ahafahantsika miomana handray ny fanasan’ny Tompo sy ho heniky ny Fanahy Masina. Amporisiho ny mpianatra mba haka fotoana hivavahana alohan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

3 Nefia 20:10–46

Ny Mpamonjy dia nampianatra ny Nefita mikasika ireo fanekempihavanana izay hotanterahina amin’ny andro farany

Asao ny mpianatra hanoratra fohy ao amin’ny kahie na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina ny famaritana ny zavatra tsara ananan’izy ireo izay manan-danja indrindra. Rehefa vitany izany dia asao izy ireo hijery ireo karazana zavatra tsara izay nifantohany. Toetra ara-batana ve izany? Toetra araka ny maha-olona ve? Toetra ara-panahy ve? (Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hamaky ny zavatra nosoratany.) Vakio ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra hihaino izay lazainy fa tokony hamaritra ny maha-olona ny olona iray:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mety mankafỳ mozika, fanatanjahantena na mety mirona any amin’ny mekanika ianao, ary indray andro any dia mety hanao raharaham-barotra, na anton’asa fivelomana na hanao zava-kanto ianao. Na dia manan-danja aza ireo asa sy raharaha ireo dia tsy mamaritra ny maha-antsika antsika ireo. Voalohany indrindra, dia olona ara-panahy isika. Isika dia [zanak’] Andriamanitra ary taranak’i Abrahama” (“Becoming a Missionary,” Ensign na Liahona, Nôv. 2005, 47).

  • Ahoana no namaritan’ny Loholona Bednar ny maha isika antsika? Araka ny hevitrao, nahoana no zava-dehibe amintsika ny fahitantsika ny tenantsika “voalohany indrindra” ho toy ny olona ara-panahy izay zanak’Andriamanitra?

Hamafiso fa ankoatra ny filazana fa zanak’Andriamanitra isika, ny Loholona Bednar dia nilaza fa isika ihany koa dia taranak’i Abrahama. Hazavao fa ny andianteny hoe “taranak’i Abrahama” dia azo iantsoana ireo olona izay taranak’i Abrahama amin’ny heviny ara-bakiteny. Izany ihany koa dia azo iantsoana ireo olona izay mandray ny fahafenoan’ny filazantsara, ny fitahian’ny fisoronana, ary ireo fampanantenana sy fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama amin’ny fanekena sy ny fankatoavana ny lalàna sy ny ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Lazao amin’ireo mpianatra fa izy ireo dia handalina ny fampianaran’ny Mpamonjy ireo Nefita mikasika ny fanekempihavanana sy ny fampanantenana nataon’i Abrahama sy ny taranany (ny mpianakavin’i Isiraely) ao amin’ny sisa tavela amin’ny 3 Nefia 20. Nilaza Izy fa afaka mianatra mikasika an’ireo fanekempihavanana ireo amin’ny fandalinana ny tenin’i Isaia izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 20:11–12. Asao ny mpianatra hanaraka sy hamaky mba hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa hitranga rehefa tanteraka ny tenin’Isaia. Rehefa vita ny tatitra ataon’ny mpianatra mikasika ny zavatra izay hitany dia mety mila manazava ianao fa ho tanteraka ny tenin’i Isaia amin’ny andro farany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 20:13, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny fomba hanatanterahan’ny Ray any an-danitra ny fanekempihavanany amin’ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany. Angataho ny mpianatra hamintina ireo fahamarinana izay nianarany tao amin’ny 3 Nefia 20:11–13. (Mety hanome valinteny isan-karazany ny mpiantra kanefa tokony ho hitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Hanatanteraka ny fanekempihavanany hanangona ny mpianakavin’i Isiraely ny Tompo amin’ny andro farany. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Araka ny voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 20:13, inona no fahalalana ho azon’ireo mpianakavin’i Isiraely amin’ny maha ampahany manan-danja azy ireo ao amin’io fanangonana io? (Izy ireo dia hahazo “ny fahalalana ny Tompo Andriamaniny izay efa nanavotra azy ireo.”)

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny maha ampahany manan-danja amin’ny fanangonana an’i Isiraely ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, dia angataho ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholna Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra tafiditra ao anatin’ny fanangonana an’i Isiraely.

“Ny fanangonana an’i Isiraely dia ahitana ny finoana sy ny fanekena ary ny fiainana araka ireo zavatra rehetra natolotry ny Tompo ho an’ny vahoaka nofinidiny fahiny. Hita ao anatin’izany ny fananana finoana ny Tompo Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ny fanomezan’ny Fanahy Masina, ary ny fitandremana ireo didin’Andriamanitra. Izany dia ahitana ny finoana ny filazantsara, sy ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana, ary ny fidirana ao amin’ilay fanjakana. Izany dia ny fandraisana ny fisoronana masina, sy ny fahazoana fanafiana hery avy any ambony, ary ny fandraisana ireo fitahian’i Abrahama, sy Isaka, ary Jakôba, amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanambadiana selestialy. Izany koa dia mety ahitana ny fivoriana amin’ny toerana iray na tany iray voatondro hivavahana” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 515).

  • Amin’ny fomba ahoana ny fanarahana an’i Jesoa Kristy no ampahany manan-danja amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Fintino ny 3 Nefia 20:14–22. Hazavao fa ny Mpamonjy dia nampianatra ireo Nefita fa amin’ny maha ampahany azy amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fanatanterahan’ny fanekempihavanan’ny Tompo tamin’i Abrahama, dia nomen’ny Ray any an-danitra ny taranak’i Lehia ho lovany ilay tany izay hitoeran’izy ireo. Nanazava fomba iray nitahiana ireo Nefita ihany koa Izy amin’ny maha zanaky ny fanekempihavavana azy ireo. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 20:23–24 mba hitady hoe iza ilay nambaran’i Mosesy tamin’ny alalan’ny faminaniana fa hitahy ny mpianakavin’i Isiraely. Rehefa avy manao tatitra momba ny zavatra hitany ny mpianatra, dia asao izy ireo hamaky mangina ny 3 Nefia 20:25–26. Angataho izy ireo hitady ny fomba nitahiana ny taranak’i Lehia noho ilay fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama. Rehefa manao tatitra momba ny zavatra hitany ny mpianatra dia antitrantero fa ny Ray any an-danitra dia nandefa an’i Jesoa Kristy hitsidika ireo taranak’i Lehia sy hamonjy azy ireo amin’ny fahotana “noho [izy ireo] zanaky ny fanekempihavanana.”

  • Ahoana no hitahiana antsika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny Ray any an-danitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 20:27 ary angataho ny mpianatra hamantatra andraikitra iray izay miaraka amin’ireo fanekempihavanana izay ataontsika miaraka amin’ny Tompo.

  • Rehefa nanao fanekempihavanana niaraka tamin’ny Tompo isika, dia inona no andraikintsika amin’ireo olona hafa maneran-tany? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Amin’ny maha taranak’i Abrahama antsika dia manana ny hitahy ny firenena rehetra maneran-tany isika noho ny fanenkempihavanana. Soraty eny amin’ny solaitrabe izany fahamarinana izany.)

  • Ahoana araka ny hevitrao no ahatongavantsika ho fitahiana ho an’ny vahoaka rehetra maneran-tany? (Raha nanoratra ilay fanambarana milaza ny fotopampianarana teny amin’ny solaitrabe ianao, dia tohizo amin’ireto teny ireto izany “amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’izy ireo.”)

Fintino ny 3 Nefia 20:29–46 amin’ny fanazavana fohy fa ankoatra ny fampianarana ireo Nefita momba ireo fitahiana azony sy ny andraikiny amin’ny maha zanaky ny fanekempihavanana azy dia nanambara ny Mpamonjy fa i Jerosalema no ho tany lovan’ireo Jiosy. Namerina niteny ireo faminanian’i Isaia Izy, izay nanambara mialoha ny fotoana izay hamerenana ireo Jiosy amin’ny tany lovan’izy ireo aorian’ny hinoany an’ i Jesoa Kristy sy hivavahany amin’ny Ray amin’ny anarany.

Ho famaranana dia angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 20:46. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady fomba iray izay ahafahany mitahy ny fiainan’ny olona hafa iray amin’ny filazantsara mandritra ny herinandro manaraka. Manaova drafitra hanarahana maso ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana amin’ny hoavy mba hanomezana azy ireo fahafahana hanao tatitra momba ny zavatra niainan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahantsika ny andraikintsika hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 20:16. “Tahaka ny liona tanora eo anivon’ny andian’ondry”

Rehefa niresaka momba ny fampianarana ao amin’ny 3 Nefia 20:16 ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Ireo teny nolazain’ny Tompontsika tamin’ny Nefita ireo dia notsongaina tao amin’ny Mika 5:8–9 ary miresaka momba ny fandringanana sy fandoroana farany izay handringana ireo ratsy fanahy amin’ny Fiaviana Fanindroany. Tsy hibebaka ny Jentilisa, afa-tsy olona vitsy izay mpanara-dia manetry tena an’i Kristy. Hifaly amin’ny fahavetavetany izy ireo ary hanota hanohitra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ka dia hodorana amin’ny famirapiratan’ny fiavian’ny Tompo izy ireo, fa ny olo-marina kosa—izay antsoina eto hoe sisa tavela amin’i Jakôba—dia hitoetra amin’izany andro izany. Ary aorian’izay, araka izay hita ao amin’ilay sarinteniny nampiasaina ao amin’ny faminaniana, dia ho toy ny mandringana ireo fahavalony tahaka ny liona tanora eo anivon’ny andian’ondry ny sisa tavela amin’i Isiraely.” (The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man [1982], 248).

3 Nefia 20:26. Zanaky ny fanekempihavanana

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ireo fitahiana azo amin’ny fahafantarana fa isika dia zanaky ny fanekempihavanana:

“Rehefa fantatsika fa isika dia zanaky ny fanekempihavanana, dia fantatsika hoe iza isika ary inona no andrasan’ Andriamanitra amintsika. Voasoratra ao am-pontsika ny Lalàny. Izy no Andriamanitsika ary vahoakany isika. Ireo zanaky ny fanekempihavanana manolo-tena dia mitoetra ho mahatoky, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Rehefa miorim-paka lalina ao am-pontsika izany fotopampianarana izany, dia na ny fanindronan’ny fahafatesana aza dia mihamalefaka ary mihamatanjaka ny herintsika ara-panahy” (“Fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 88).

3 Nefia 20:26–27. Manatanteraka ilay fanekempihavanan’i Abrahama

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny fomba iray ahafahantsika manatanteraka ny fanekempihavanan’i Abrahama:

“Andraikitsika ny manao izay ahatanteraka ny fanekempihavanan’i Abrahama. Ny taranatsika no ireo taranaka voatendry mialoha sy nomanina mba hitahy ny olona rehetra maneran-tany. Izany no mahatonga ny asa fitoriana ho tafiditra ao anatin’ny adidin’ny fisoronana. Rehefa vita ny 4.000 taona nitsinjovana sy nanomanana, dia izao ilay fotoana voatondro hitondrana ny filazantsara amin’ny olona rehetra maneran-tany. Izao no fotoanan’ilay fanangonana an’i Isiraely efa nampanantenaina. Ary dia mila mandray anjara isika! Tsy mampientanentana ve izany? Ny Tompo dia miantehitra amintsika sy amin’ireo zanakalahintsika—ary tena velom-pankasitrahana lalina Izy amin’ireo zanakavavintsika—izay manompo am-pahamendrehana manao asa fitoriana amin’izao fotoana lehibe fanangonana an’i Isiraely izao” (“Fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 88).

3 Nefia 20:27. Manana adidy hizara ny filazantsara ianao

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara ny adidintsika hizara ny filazantsara amin’ny hafa:

“Izaho sy ianao, anio sy rahatrizay, dia natao hitahy ny olona rehetra manerana ireo firenena eran-tany. Izaho sy ianao, anio sy rahatrizay, dia natao hijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy hanambara ilay hafatry ny Famerenana amin’ny Laoniny. Izaho sy ianao, anio sy rahatrizay, dia natao hanasa ny rehetra mba handray ireo ôrdônansin’ny famonjena. Ny fitoriana ny filazantsara dia tsy andraikitry ny fisoronana amin’ny ampahan’ny fotoana fotsiny. Tsy asa handraisantsika anjara amin’ny fotoana voafetra fotsiny izany na andraikitra tokony ho tanterahantsika amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Raha ny marina dia fanehoana ny maha isika antsika ara-panahy sy ny lovantsika ara-panahy ny asa fitoriana filazantsara. Isika dia natokana mialoha tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary nateraka ety an-tany mba hanatanteraka ilay fanekempihavanana sy fampanantenana izay nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama. Ety an-tany isika amin’izao fotoana izao mba hanandriana ny fisoronana sy hitory ny filazantsara. Izay no maha isika antsika, ary izay no antony ahatongavantsika ety—anio sy rahatrizay” (“Becoming a Missionary,” Ensign na Liahona, Nôv. 2005, 47).

Hamoaka printy